Lycée Maria Manjaka - Andohalo

Lycée Maria Manjaka - Andohalo

Share

Tongasoa eto amin'ny pejy ofisialy ny Lycée Maria Manjaka - Andohalo - Antananarivo. Toeram-pianara Etablissement catholique d'enseignement depuis 1861

Bienvenue sur la Page Officielle du Lycée Maria Manjaka - Andohalo - Antananarivo.

25/04/2023

Fisaorana
Ny fianakaviamben'ny Lycée Maria Manjaka Andohalo: masera, VRM, mpanabe, mpianatra dia maneho fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra izay tonga nidodododo nanotrona sy nitrotro am-bavaka tamin'ny fahalasanan'i Mme Juliette. Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.

23/04/2023

Filazana
Tontosaina rahampitso alatsinainy 24avril 2023 ny sorona masina fanaovambeloma an'i Mme Juliette.
Tsy mianatra ny mpianatra Prescolaire sy Primaire.
Ny mpianatra secondaire rehetra kosa dia tonga aradalana aty an-tsekoly ary mirava aorian'ny Sorona masina.
Hisy ny bus scolaire
Lamina aminy fandevenana, hoan'ny mpanabe rehetra dia hisy ny fiara izay efa nomanina ho azy ireo
Ho an'ny mpianatra rehetra kosa izay te andeha dia miaraka amin'ny Ray amandreniny
Misaotra Tompoko.

22/04/2023

Filazana
Amin'ny alahelo lehibe no ampandrenesanay fa nodimandry anio sabotsy 22 avril 2023 Mme Juliette zay mpampianatra ny taranja malagasy teto aminy Lycée Maria Manjaka Andohalo.

26/03/2023

Miarahaba antsika Ray aman-dRenin'ny mpianatra,
Araka ny kabary izay nataon'i Masera tamin'ny famaranana ny fety omaly dia tsy mianatra ny mpianatra rahampitso mba ho fakana aina taorian'ny fety.
Miverina mianatra kosa ny talata 28 marsa 2023.
Misaotra indrindra

26/03/2023

Miarahaba antsika Ray amand-Renin'ny mpianatra.
Araka ny kabary izay nataon'i Masera tamin'ny famaranana ny fety omaly dia tsy mianatra ny mpianatra rahampitso mba ho fakana aina taorian'ny fety.
Miverina mianatra kosa ny talata 28 marsa 2023.
Misaotra indrindra

22/02/2023

Anio 22 febroary 2023
Filazana
Miverina mianatra ny mpianatra rehera rahampitso alakamisy 23 febroary 2023 miditra amin'ny ora mahazatra . Ny recollection ny 3eme sy ny 6eme dia ny alakamisy 23/02/2023 , ny 5eme sy ny 4eme dia ny zoma 24/02/2023. Misaotra tompoko.

12/10/2022

Anio 13 oktobra 2022
Filazana
Ilazana isika fianakaviamben'ny Sekoly Lycée Maria Manjaka Andohalo sy ny tapaka sy namana rehetra fa i Sœur Perpétue Eva Tahirimampionona, talen'ny Sekoly Lycée Maria Manjaka Andohalo dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy ny Talata 11 Oktobra 2022.
Ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany azy dia atao ny Zoma 14 Oktobra 2022 amin'ny 1ora30 tolakandro ao amin'ny Chapelle ndry Masira Androhibe Analamahitsy, alohan'ny hametrahana azy ao amin'ny fasan'ny fikambanana, izay hiandrasany ny fitsanganan-ko velona.

02/09/2022

Anio 02 septembre 2022
Ho antsika Ray amandreny eto amin'ny Lycee Maria Manjaka Andohalo
Tompoko,
Toy izao ny lamina ho amin'ny taompianarana 2022-2023
- Fidirana:
* Talata 06 septembre 2022: 11eme hatramin'ny Terminale amin'ny 7ora 30 mn . Manao tablier
* Alarobia 07septembre 2022: PS; MS; GS amin'ny 7ora 45mn. Manao tablier. Ny fanaterana ny fitaovana dia ny talata 06/09/2022 ny tapany maraina.
Mbola tsy misy ny demi-pensionaire
- Fanamarihana:
Hisy ny formation DIDEC izay ho ataon'ny mpanabe:
* 19 - 23 septembre 2022 : Prescolaire sy primaire. Tsy mianatra ny mpianatra.
* 26 - 30 septembre 2022: College sy Lycee
Tsy mianatra ny college ( 6eme - 3eme).
Mianatra kosa ny Lycee ( 2nde - Terminale).
Dia mirary soa tompoko, samia hotahin'Andriamanitra

06/02/2022

Anio 06 febroary 2022,

Filazana ho an'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra eto amin'ny LMMA

Tompoko,

Ilazana isika fa araka ny toromariky ny fitondram-panjakana, dia miverina mianatra daholo ny mpianatra eto amin'ny sekoly manomboka rahampitso 07 febroary.
Ny ora fidirana dia toy ny mahazatra ihany.

Samia ho tahian'Andriamanitra.

Misaotra tompoko.
Ny Tale

26/01/2022

Anio,26 janoary 2022
FILAZANA
Toy izao ny lamina eto amin'ny Lycée momba ny fiverenana mianatra: Araka ny didy izay navoakan'ny fanjakana, noho ny toetrandro ratsy dia miato ny fampianarana hatramin'ny. Zoma 28 janoary 2022. Mitohy izany ka miverina mianatra ny mpianatra rehetra ny alatsinainy 31janoary 2022. Ny kilasy PS sy MS dia mianatra tontolo andro.
Misaotra Tompoko dia samia ho tahin'Andriamanitra
NyTale

23/01/2022

Anio,23 janoary 2022
Ho an'ny Ray amandrenin'ny mpianatra eto aminy LMMA
Tompoko
Miato ny fampianarana eto amin'ny Lycée Maria Manjaka ny alatsinainy 24/02/2022 hatramin'ny alarobia ,26/01/2022. Ny tohiny dia ho hita eo miankina amin'ny toetrandro. Samia ho tahin'Andriamanitra.
Misaotra Tompoko
Ny Tale

19/01/2022

Anio 19 janoary 2022
FILAZANA FANAMPINY
Ireo mpianatra izay
Miverina mianatra rahampitso alakamisy 20/01/2022 dia manaraka ny emploi du temps mahazatra.
Misaotra Tompoko
Ny tale

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Rue Dok. Raharinosy
Antananarivo
101