Fianarana momba ny Business sy ny Fiainana

Fianarana momba ny Business sy ny Fiainana

Share

Manampy anao hahatakatra ny tontolon’ny Business sy Fiainana amin’ny fomba tsotra sy maoderina.

📇 Fianarana | Fitomboana | Fampandrosoana | Mindset📇

✅Learn.

Grow. Lead your own life.✅

12/11/2025

🟥Ny fiainana sy ny business dia toy ny boky misokatra samy afaka mamaky azy, fa tsy ny rehetra no mahazo ny heviny.
Misy ireo mahita olana, misy kosa mahita fianarana ao ambadik’izany olana izany.
Ny fahasamihafana eo amin’ny olona mahomby sy ny olona kivy dia tsy amin’ny vintana, fa amin’ny fomba fisaina.

Raha te hahomby amin’ny fiainana sy amin’ny business ianao, dia tsy ampy ny maniry vola.
Tsy ampy ny manonofy fiainana tsara.
Tsy maintsy manonofy fivoarana ianao ary mitady fahalalana isan’andro.

Tsy hiroborobo amin’ny fitiavan-karena ianao, fa amin’ny fahaizana mampitombo izay anananao.
Tsy ny vola no mamaritra ny hoavinao, fa ny fahendrena sy ny fitondran-tenanao amin’ny fahasahiranana.

Ny fianarana no fanalahidin’ny fiovana.
Izay mianatra no manan-danja. Izay tsy te hianatra dia voafatotry ny hadisoany taloha.
Ny olona mahita fahombiazana dia tsy noho izy nahazo vintana, fa satria nampiasa fotoana sy fahendrena mba hanovàna ny fiainany.

Rehefa miresaka Business isika, dia tsy miresaka fivarotana fotsiny, fa miresaka mindset, fitantanana, fahavononana, ary fahaiza-manao.
Ny business tena izy dia manomboka ao an-tsainao, alohan’ny hiseho amin’ny vola sy ny vokatra.

Aza matahotra manomboka amin’ny kely.
Ny olona rehetra hita amin’ny toerana avo dia nanomboka tamin’ny dingana tsotra, tamin’ny fanapahan-kevitra iray: “Hanomboka aho.”
Ny fahombiazana dia tsy tonga tampoka, fa vokatra avy amin’ny fitomboana mitohy sy fianarana tsy an-kijanona.

Raha te hahomby amin’ny fiainana ianao, dia ataovy toy ny business, diniho, fantaro, hatsaro, ary tantano.
Raha te hahomby amin’ny business ianao, dia ampianaro ny tenanao hahay hiaina satria ny business tsy mandeha raha tsy ara-dalàna ny fiainana.

Eto amin’ity pejy ity no manomboka ny diaben’ny fanovana.
Eto no ifampizarana hevitra, fahaizana, sy fomba fisaina maoderina hahatonga anao ho olona vaovao amin’ny business sy amin’ny fiainana.

Aza ho mpijery fotsiny. Mandraisa anjara. Mianara.
Satria ny fiainana sy ny business dia tsy an’ny manan-karena fa an’ny mianatra tsy an-kijanona

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


Antananarivo
101