TOROHEVITRA DIMY HO ANAREO MPIANATRA MANOMANA NY FANADINANA BEPC SY BACC
FAMPIDIRANA
Ry mpianatra malala, manan-danja lehibe eo amin’ny fiainanareo ny fanadinana BEPC sy BACC satria dingana iray manokatra varavarana ho amin’ny fianarana ambony sy ny hoavy izany. Tsy ny faharanitan-tsaina ihany anefa no mitondra fahombiazana amin’ny fanadinana, fa indrindra ny fomba fiomanana sy ny fahazarana tsara eo amin’ny fianarana.
Maro ny mpianatra no manana fahalalana, nefa tsy mahay mandamina ny fotoana, tsy matoky tena, na tsy mahafehy ny fomba famaliana fanontaniana. Noho izany dia ilaina ny fananana teknika sy fitsipi-pianarana afaka manampy amin’ny fanatsarana ny vokatra sy amin’ny fiatrehana amim-pahatokiana ny fanadinana.
Ireto consignes dimy ireto dia natao hanampiana anareo hahazo fomba fianarana mahomby : mianatra mahaleo tena sy matoky tena, mampihena ny fampiasana brouillon, mahafehy ny fotoana, mahay mampiasa formule sy lesona, ary manao rédaction tsara. Raha ampiharina amim-paharetana ireo torohevitra ireo dia hanampy betsaka amin’ny fahombiazana sy ny fahatokisan-tena mandritra ny fanadinana.
1. MIANARA MAHALEO TENA SY MATOKY TENA
Ny fahaleovan-tena amin’ny fianarana dia midika fa tsy miankina tanteraka amin’ny fanazavan’ny mpampianatra na ny namana fotsiny ny mpianatra, fa mahay mikaroka sy mandalina samirery. Zava-dehibe izany satria amin’ny fanadinana dia ianao irery no hiatrika ny sujet sy hamaly azy. Tokony hanana fahazarana mamaky lesona isan’andro, manao exercices, ary mamerina ireo zavatra tsy mazava amin’ny tenanao ianao.
Ny fahatokisan-tena kosa dia manampy betsaka amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Betsaka ny mpianatra mahalala lesona nefa resin’ny tahotra sy ny tebiteby. Noho izany dia ilaina ny miteny amin’ny tena hoe : “Vitako ity satria niomana aho.” Rehefa matoky tena ny mpianatra dia mora mifantoka, mahay mandamina hevitra, ary tsy taitra rehefa misy fanontaniana sarotra.
Fampiharana :
- Manao programme personnel de révision isan’andro.
- Miezaka mamaha sujets taloha samirery.
- Tsy miandry olona hampianatra vao mianatra.
- Mampirisika ny tena amin’ny teny tsara sy fanantenana.
2. MIANARA TSY MAMPIASA BROUILLON
Mpianatra maro no mandany fotoana be loatra amin’ny brouillon ka tsy mahavita mamita ny sujet. Ny tanjona dia ny hahazatra ny saina handamina valiny avy hatrany ao an-tsaina na amin’ny plan fohy dia manoratra mivantana amin’ny copie.
Tsy midika akory izany hoe voarara ny brouillon, fa tokony hampiasaina amin’ny fomba voafetra sy mahomby izy io. Amin’ny fanadinana, ny fotoana no fahavalo lehibe. Raha zatra manoratra mivantana ny mpianatra dia haingana kokoa ny famaliana ary madio kokoa ny présentation.
Fampiharana :
- Rehefa manao exercices ao an-trano dia miezaha manoratra mivantana.
- Manao plan fohy ao an-tsaina alohan’ny hanoratana.
- Mampihena tsikelikely ny fampiasana brouillon mandritra ny révision.
- Manao entraînement amin’ny “condition d’examen”.
3. MIANARA MIFEHY TSARA NY FAMPIASANA NY FOTOANA
Ny fitantanana ny fotoana dia anisan’ny lakilen’ny fahombiazana amin’ny fanadinana. Betsaka ny mpianatra tsy mahavita sujet satria lany fotoana tamin’ny fanontaniana iray monja. Tokony hahay hizara ny fotoana arakaraka ny isan’ny exercices sy ny barème ny mpianatra.
Ilaina koa ny mahafantatra hoe rahoviana no tokony handroso amin’ny fanontaniana manaraka. Raha sendra sarotra ny exercice iray dia aleo aloha manao izay mora kokoa, avy eo miverina amin’ilay sarotra rehefa mbola misy fotoana.
Fampiharana :
- Manao simulation d’examen miaraka amin’ny famantaranandro.
- Mizara mialoha ny fotoana ho an’ny exercice tsirairay.
- Tsy mijanona ela loatra amin’ny fanontaniana iray.
- Manokana fotoana kely amin’ny farany hijerena sy hanitsiana ny copie.
4. MIANARA MIFEHY TSARA NY FAMPIASANA NY FORMULE SY NY LESONA
Amin’ny taranja siantifika indrindra dia tsy ampy ny mahafantatra formule fotsiny, fa tokony ho fantatra koa ny fotoana sy fomba ampiasana azy. Mpianatra maro no mahatsiaro formule nefa tsy mahay mamantatra hoe iza no mifanaraka amin’ilay exercice.
Noho izany dia ilaina ny mahatakatra ny lesona fa tsy manao “par cœur” fotsiny. Rehefa azonao tsara ny hevitra fototra dia mora ny mampifandray azy amin’ny fanontaniana apetraka.
Fampiharana :
- Manao fiches de révision misy formule sy explication.
- Manao exercices maro samihafa amin’ilay formule iray.
- Miezaka manazava amin’ny tenanao ny dikan’ilay formule.
- Mamerina lesona matetika mba tsy hohadinoina.
5. MIANARA MANAO REDACTION TSARA
Na mahay lesona aza ny mpianatra, raha ratsy ny rédaction dia mety tsy hahazo naoty tsara. Tokony ho mazava, voalamina, ary mora vakina ny valiny. Ny rédaction tsara dia mampiseho fa voafehin’ny mpianatra ny lesona.
Ilaina ny manoratra amin’ny fehezanteny fohy sy mazava, mampiasa teny mifanaraka amin’ny taranja, ary mandamina hevitra araka ny filaharany. Tokony hadio ihany koa ny soratra sy ny présentation ankapobeny.
Fampiharana :
- Manao entraînement rédaction matetika.
- Mamaky boky sy lahatsoratra mba hanatsarana voambolana.
- Manao introduction, développement, ary conclusion rehefa ilaina.
- Mitandrina ny tsipelina sy ny fahadiovan’ny copie.
FAMARANANA
Ny fahombiazana amin’ny fanadinana BEPC sy BACC dia tsy miankina amin’ny fahaizana lesona ihany, fa amin’ny fomba fiomanana sy fitondran-tena mandritra ny fianarana koa. Raha mahaleo tena sy matoky tena ny mpianatra, mahafehy ny fotoana, mahay mampiasa formule, ary mahay rédaction, dia mitombo be ny vintana hahombiazana. Koa mazotoa mianatra, mahareta amin’ny ezaka, ary minoa fa “izay miomana tsara no mahazo vokatra tsara.”
Ambonin' izany rehetra izany, apetraho amin' ny Tompo ny zavatra rehetra.
RATEFIARIVONY Jacques Audace
PDG CPE
CPE Ampitatafika
Cours de préparation BEPC & BAC
10/02/2026
31/10/2025
Mitady fianarana azo antoka ho an'ny zanakao va ianao, na efa miasa ve ianao ka mbola maniry ny hanana diplomam-panjakana, na manana fanirianana ny hanala fanadinana BEPC, BAC,…
Ny 🏫 Cours CPE AMPITATAFIKA dia afaka manome fahafaham-po ho anao hatrany.
Taom-pianarana 2025-2026
✨ Mbola misokatra hatrany NY FISORATANA ANARANA ho an’ny Classe 3ème sy Terminales.
Fidirana manaraka : 08 novembre 2025 @ 09h00Mn
Ireo tombotsoa ho azonao :
👉Hisy boky 3 ho zaraina maimaim-poana
👉Mikarakara ny antontan-taratasy ara-panjakana, fanadinana
BEPC sy BAC
👉Mpampianatra efa za-draharaha
⁉️ Fisoratana anaranara sy Fanampim-panazavana?
🏫 Manatona ny Biraon'ny Cours CPE AMPITATAFIKA, Avaratetezana
📲Na miantso ny laharana 03404 102 43
💭Na mandefa hafatra miafina amin'ny pejy
"𝑀𝑒𝑡𝑡𝑒𝑧 𝑣𝑜𝑡𝑟𝑒 𝑐𝑜𝑛𝑓𝑖𝑎𝑛𝑐𝑒 𝑑𝑎𝑛𝑠 𝑛𝑜𝑡𝑟𝑒 𝑒𝑥𝑝𝑒𝑟𝑖𝑒𝑛𝑐𝑒
09/09/2025
Mitady fianarana azo antoka ho an'ny zanakao va ianao, na efa miasa ve ianao ka mbola maniry ny hanana diplomam-panjakana, na manana fanirianana ny hanala fanadinana BEPC, BAC,…
Ny 🏫 Cours CPE AMPITATAFIKA dia afaka manome fahafaham-po ho anao hatrany.
Taom-pianarana 2025-2026
✨ Mbola misokatra hatrany NY FISORATANA ANARANA ho an’ny Classe 3ème sy Terminales.
Fidirana manaraka : 04 octobre 2025 @ 09h00Mn
Ireo tombotsoa ho azonao :
👉Hisy boky 3 ho zaraina maimaim-poana
👉Mikarakara ny antontan-taratasy ara-panjakana, fanadinana
BEPC sy BAC
👉Mpampianatra efa za-draharaha
⁉️ Fisoratana anaranara sy Fanampim-panazavana?
🏫 Manatona ny Biraon'ny Cours CPE AMPITATAFIKA, Avaratetezana
📲Na miantso ny laharana 03404 102 43
💭Na mandefa hafatra miafina amin'ny pejy
"𝑀𝑒𝑡𝑡𝑒𝑧 𝑣𝑜𝑡𝑟𝑒 𝑐𝑜𝑛𝑓𝑖𝑎𝑛𝑐𝑒 𝑑𝑎𝑛𝑠 𝑛𝑜𝑡𝑟𝑒 𝑒𝑥𝑝𝑒𝑟𝑖𝑒𝑛𝑐𝑒
Une de mes publications a obtenu plus de 20 réactions la semaine dernière. Merci à tout le monde pour votre soutien ! 🎉
06/08/2025
Mitady fianarana azo antoka ho an'ny zanakao va ianao, na efa miasa ve ianao ka mbola maniry ny hanana diplomam-panjakana, na manana fanirianana ny hanala fanadinana BEPC, BAC,…
Ny 🏫 Cours CPE AMPITATAFIKA dia afaka manome fahafaham-po ho anao tokoa.
Taom-pianarana 2025-2026
Efa misokatra izao NY FISORATANA ANARANA ho an’ny Classe 3ème sy Terminales.
Fidirana : 06 septembre 2025
Ireo tombotsoa ho azonao
- Hisy boky 3 ho zaraina maimaim-poana
- Mikarakara ny antontan-taratasy ara-panjakana, fanadinana BEPC sy BAC
- Mpampianatra efa za-draharaha
⁉️ Fisoratana anaranara sy Fanampim-panazavana?
🏫 Manatona ny Biraon'ny Cours CPE AMPITATAFIKA, Avaratetezana
📲Na miantso ny laharana 03404 102 43
💭Na mandefa hafatra miafina amin'ny pejy
"𝑀𝑒𝑡𝑡𝑒𝑧 𝑣𝑜𝑡𝑟𝑒 𝑐𝑜𝑛𝑓𝑖𝑎𝑛𝑐𝑒 𝑑𝑎𝑛𝑠 𝑛𝑜𝑡𝑟𝑒 𝑒𝑥𝑝𝑒𝑟𝑖𝑒𝑛𝑐𝑒"
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Cours CPE Avaratetezana AMPITATAFIKA
Antananarivo
102
Opening Hours
| Monday | 07:30 - 17:00 |
| Tuesday | 07:30 - 17:00 |
| Wednesday | 07:30 - 17:00 |
| Thursday | 07:30 - 17:00 |
| Friday | 07:30 - 17:00 |
| Saturday | 07:30 - 17:00 |