17/02/2024
Hello guys 🙃
Ity misy zavatra ho zarainay dia mba vakio kely. Mety somary lava fa vakio foana na dia izany ary.
⚠️:Ho soratana sy ho azavaina amin'izay ahazoan'ny mpamaky azy ⚠️
Mianatra tenim-pirenena vahiny ve ianao ? Inona ilay izy ? "Français🇲🇫, Anglais🇺🇲, Sawili🇸🇿, Allemand🇩🇪, Japonnais🇯🇵...." sa inona ? Ataovy ao amin'ny commentaire izay ataonao.
Ireto misy torohevitra ho anao ho amin'ny androany:
1️⃣: Ny "langue" dia karazana fitaovana ho entina mifanerasera amin'ny olona hafa. Communication 😋 misy nefa ny atao hoe "communication verbale" sy ny "communication non verbale", androany aloha dia ny communication verbale no ho asiantsika resaka.
Vao manomboka mianatra ve ianao?
Hianaro aloha hoe ahoana ny fomba fampitana hafatra, inona ny zavatra tianao ambara amin'ilay olona miresaka aminao. Communication no ataontsika ary ny message no important fa tsy zavatra hafa. Io no tokony ho ataonao laharam-pahamehana.
Ny grammaire azo ianarana foana ihany fa ny zavatra tianao ambara no ataovy mazava. Ny fahafantaranao voambolana maro dia manampy betsaka anao na dia mbola tsy mahay grammaire aza ianao.
Ohatra fotsiny, satria ny teny Anglisy no nanombohanay azy dia teny Anglisy no hakantsika ohatra.
Raha hiteny angamba aho hoe:
- me drinks water
na koa hoe
- mine sister going at market
Mino aho fa azonao ny zavatra tiako ambara amin'ireo ka noho izany, voamboalana atao betsaka voalohany ☺️
2️⃣: Raha diso ny grammaire ampiasainao dia mbola ho azon'ny kokoa ny teninao nohon'ny tsy fahaizana voambolana (vocabulaires) na koa diso prononciation ianao.
Rehefa tena tsy azon'ilay olona anefa ny tianao ambara satria tsy hainao ny vocabulaire ary tsy hainao ny manonona ilay teny hany ka tsy misy mazava ny zavatra lazainao dia.... Inona ny atao ? 😋 ampiasaina indray ilay "communication non verbale" nefa🤫, ho resahintsika amin'ny manaraka iny.
3️⃣: Aza mifantoka be loatra amin'ny accent (na Irlandais, Ecossais, Ebonics, Australien, Canadien......be dia be ireo ary tsy ho laninao) raha mbola vao manomboka mianatra ianao. Any anatin'ny fanatsarana daholo ireny miaraka amin'ireny grammaire lalina be ireny.
4️⃣: Aza matahotra manao diso rehefa miresaka, olombelona ianao ary ilay tenim-pirenena hianaranao dia sady tsy tenin'ny mamanao no tsy tenin'ny dadanao ka noho izany, manaova fahadisoana ataovy betsaka mihintsy fa mahaiza kosa manitsy sy mandray lesona rehefa ahitsy an ☺️.
5️⃣: Ny fianarana tenim-pirenena iray dia mitaky fotoana🙌🏼. Toy ny mamboly vary ihany io. Raha mamboly ianao androany dia tsy eo noho eo io dia misy vokany fa mitaky fotoana sy fikolokoloana. Inona avy indray izany? Ho resahintsika amin'ny manaraka eto fa araho fona ny pejy.
Raha tondrahinao rano 5l isanandro ny vary vao avy nambolenao dia ho faty iny fa raha ataonao tsikelikely araky ny tokony ho izy dia ahazo vokatra ianao. Toy izay koa ny fianarana tenim-pirenena iray. Tsy ilay hoe mianatra 10h isanandro ilay langue aho mandritran'ny 2 -3 volana dia izay, vita, tapitra, mahay be aho (valable amin'ny zavatra hafa ihany koa io fa tsy fianarana tenim-pirenena ihany). Tsia🙅🏼, ataovy kelikely fa maharitra dia ho itanao ny vokany. Farak'izay kely 15minitra isan'andro ary mianara zava-baovao isan'andro.
Fehiny : Consistence no ilaina fa tsy intensité🤝🏼. Ataovy foana ary aza mijanona mihintsy. Izay fa lava loatra dia mahakamo be ny mamaky azy.😅
Araho fona ny pejy ahitanao zavatra hafa maro mety ho ilainao. 👍🏼