16/05/2026
⚠️ “TSY AHY IO...!!!”
— IO INDRINDRA NO OLANA
Maro amintsika Malagasy no mbola manana toe-tsaina iray mampitarazoka ny fiarahamonina:
👉 “Tsy anjarako izany.”
👉 “Tsy an’ny tenako io.”
👉 “Avelao fa fananan’ny fanjakana io.”
Dia eo no manomboka ny olana.
-Seza fipetrahana misy mamaky.
-Rindrina lotoina.
-Fako ariana eny rehetra eny.
-Zaridaina simbaina.
-Jiro eny an-dalam-be potehina.
-Toeram-pivoahana hitambarana maloto.
-Tetezam-by misy manatsofa sns...
Ary rehefa simba ireo rehetra ireo…
isika ihany no mitaraina hoe:
❌ “Tsy misy fikojakojana.”
❌ “Tsy mandroso ny firenena.”
❌ “Ratsy ny tanàna.”
❌ "Tsy miasa ny tompon'andraikitra."
Kanefa indraindray,
tsy ny tsy fisian-javatra no mampahantra firenena iray…
fa ny tsy fahaizana mikojakoja izay efa misy.
💡 Ny olona olom-banona dia mahafantatra fa:
-ny arabe diaviny,
-ny sekoly ianaran’ny ankizy,
-ny zaridaina,
-ny WC public,
-ny jiro sy fotodrafitrasa…
dia fananany ihany koa, satria izy no mampiasa azy.
Ny firenena mandroso dia tsy hoe satria manankarena foana…
fa satria ny olony:
✔️ manaja ny fananana iombonana
✔️ mikojakoja sy mahatandrina
✔️ ary mahatsapa fa ny zavatra kely ataony isan’andro dia misy vokany lehibe.
Eny, sarotra ny manova toe-tsaina.
Eny, tsy vita iray andro.
Fa raha samy hiandry ny hafa hiova foana isika…
dia tsy hisy hiova mihitsy.
🌱 Ny fanovana ny firenena dia manomboka amin’ny fanovana ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena andavanandro.
👉 Aza manontany fotsiny hoe:
“Inona no ataon’ny firenena na fanjakana ho ahy?”
Fa mba manontania koa hoe:
👉 “Inona no ataoko hiarovana sy hanatsarana ny fananana iombonana?”
24/04/2026
Miseho lany Etsy sy eroa ny vono olona amin'izao ka sintonina ny sain'ny tsirairay samy hitandrina sy ho mailo, na eny anivon'ny fiaraha-monina hatrany anivon'ny fianakaviana.
Maro no mety ho antony toy ny disadisa ara-piaraha-monina isankarazany,fialonana,fanararaotana sy ny sisa.Mety ho noho ny fahasarotan'ny fiainana na ny fivoaran'ny fandrosoana ara-toe-tsaina,ara-teknolojia maro samihafa.
FISOROHANA SY FITANDREMANA no hamafisina raha Mbola azo atao:
✓Aza avela mandeha irery amin'ny toerana mangina ny zaza amam-behivavy, indrindra fa rehefa harivariva ny andro,aleo miaraka maromaro foana.
✓ Fadio ny miresaka amin'olon-tsy fantatra,tsy maninona na dia lazaina fa miavona aza.
✓Fadio ihany koa ny mifamalimaly amin'ny andavan'androm-piainantsika eny fa tsy hitovy fisainana daholo ny olona(Aleo mandefitra ho mandina toy ny laferana ....)
✓Iangaviana ihany koa ny tompon'andraikitra sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny indrindra fa ireo Mpitandro filaminana mba hitady sy hikaroka vahaolana tena mahomby sy azo antoka mba hiantohana tanteraka ny fandriampahalemana eto Madagasikara.
Raha samy mandray ny andraikiny ny tsirairay ary samy vonona hanaovana fiasinana dia ho firenena manan-karena olom-banona ity Nosy malalantsika ity.
Zarao ho hitan'ny hafa🙏🙏🙏.

Raha samy mandray ny andraikiny ny tsirairay ary samy vonona hanaovana fiasinana dia ho firenena manan-karena olom-banona ity Nosy malalatsika ity.
24/04/2026
Miseho lany Etsy sy eroa ny vono olona amin'izao ka sintonina ny sain'ny tsirairay samy hitandrina sy ho mailo, na eny anivon'ny fiaraha-monina hatrany anivon'ny fianakaviana.
Maro no mety ho antony toy ny disadisa ara-piaraha-monina isankarazany,fialonana,fanararaotana sy ny sisa.Mety ho noho ny fahasarotan'ny fiainana na ny fivoaran'ny fandrosoana ara-toe-tsaina,ara-teknolojia maro samihafa.
FISOROHANA SY FITANDREMANA no hamafisina raha Mbola azo atao:
✓Aza avela mandeha irery amin'ny toerana mangina ny zaza amam-behivavy, indrindra fa rehefa harivariva ny andro,aleo miaraka maromaro foana.
✓ Fadio ny miresaka amin'olon-tsy fantatra,tsy maninona na dia lazaina fa miavona aza.
✓Iangaviana ihany koa ny tompon'andraikitra sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny indrindra fa ireo Mpitandro filaminana mba hitady sy hikaroka vahaolana tena mahomby sy azo antoka mba hiantohana tanteraka ny fandriampahalemana eto Madagasikara.
Raha samy mandray ny andraikiny ny tsirairay ary samy vonona hanaovana fiasinana dia ho firenena manan-karena olom-banona ity Nosy malalatsika ity. 'ny fanabeazam-pirenena ( MEN)
18/04/2026
🏡 FAHALALAM-POMBA AO AN-TOKANTRANO – FOTOTRA HIAINGAN'NY MAHA-OLOM-MBANONA
Elaela isika izay tsy niresaka teto…
Fa andao hiverina amin’ny fototra lehibe indrindra: dia ny ao an-trano.
Ny fahalalam-pomba tsy hianarana eny ivelany ,
fa ao an-tokantrano.
Ao no ianarana:
✓ny fomba hiteny,
✓ny fomba fifanajana,
✓ny fomba fihainoana,
✓ ny fomba fiaina miaraka amin’ny hafa.
Zavatra tsotra, nefa manan-danja:
👉 mifampiarahaba
👉 misaotra rehefa mahazo zavatra
👉 mangataka amim-pahendrena
👉 mihaino rehefa misy miteny
Tsy zavatra kely ireo…
fa ireo no mamolavola ny toetran’ny olona iray.
Raha tsy ampianarina ao an-trano ny fahalalam-pomba,
dia sarotra ny hanitsy azy any ivelany.
💡 Tsarovy:
Ny ankizy tsy manao izay lazaina aminy…
fa manao izay hitany isan’andro.
👉 Inona no tianao hampianarina ny zanakao na ny taranaka ho avy?
📌 Ny fanovana ny fiarahamonina dia manomboka amin’ny zavatra tsotra ao an-trano.