06/08/2026
🎓 MISOKATRA NY FISORATANA ANARANA HO AN'NY TAOM-PIANARANA 2026–2027! 📚
Mitady sekoly manome fanabeazana manara-penitra, fanabeazana kristianina, ary fanabeazana feno ve ianao?
👉 Tongava misoratra anarana ao amin'ny Lycée FJKM Andriamanarefo.
✅ Préscolaire (PS – MS – GS)
✅ Primaire (11ème – 7ème)
✅ Collège (6ème – 3ème)
✅ Lycée (Seconde – Première – Terminale A & D)
📅 Fisoratana anarana : 29 Jona – 31 Aogositra 2026
📝 Test de niveau: 24 – 25 Aogositra 2026
🏫 Fidirana: 08 Septambra 2026
💙 Tsy misy fiovana ny droit sy ny saram-pianarana.
"Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao." — Matio 5:14a
📞 Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ireo laharana hita eo amin'ny affiche.
Tongava maro! Manangana ny hoavin'ny zanakao miaraka amin'ny Lycée FJKM Andriamanarefo. 🌟
19/07/2026
Ry mpianatra rehetra hiatrika ny fanadinana Baccalauréat rahampitso,
Mirary fahombiazana sy fitoniana ho anareo rehetra. Aza matahotra, fa matokia ny ezaka nataonareo ary atolory an'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
"Aza matahotra, fa Izaho momba anao; aza mivadi-po, fa Izaho no Andriamanitrao. Hampahery anao Aho, eny, hanampy anao Aho." (Isaia 41:10)
Mirary fahombiazana sy vokatra tsara ho anareo rehetra. Ho tanteraka anie ny nofinofinareo, ary hitahy anareo anie Andriamanitra. 🙏🎓📚
06/07/2026
📖 "Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho, hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho." — Salamo 32:8
🌟 Mirary fahombiazana feno ho anareo mpianatra rehetra hiatrika ny fanadinana BEPC! 🌟
Aza matahotra ary aza kivy. Efa nanao izay tratry ny herinareo ianareo, ka matokia fa Andriamanitra dia miaraka aminareo sy manoro lalana anareo. Enga anie Izy hanome fahendrena, fahatoniana ary hery ho anareo mandritra izao fanadinana izao.
🙏 Mirary anareo hahavita soa aman-tsara, hahazo vokatra mendrika, ary hampifaly ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra.
✨ Bon courage daholo! Mandehana amim-pinoana, amim-pahatokiana, ary amim-pahasahiana. Ny Tompo anie homba anareo rehetra! ✍️📚🎓
05/07/2026
🏅 TAKELAM-PANKASITRAHANA SY FAHATSIAROVANA 🏅
Tamin-kafaliana sy tamim-panajana no nanolorana ny Takelam-pankasitrahana sy Fahatsiarovana ho an'ireo mpampianatra nisotro ronono, androany, teto amin'ny FJKM Analamahitsy.
Fankasitrahana lehibe no atolotra azy ireo noho ny fanoloran-tena sy ny asa soa vitany teo amin'ny sehatry ny fanabeazana nandritra ny taona maro.
📍 Sekoly: Lycée FJKM Andriamanarefo
⛪ Fitandremana miahy ny sekoly: FJKM Ambohitrarahaba sy FJKM Analamahitsy
Mirary fahasalamana, fiadanana ary fitahian'Andriamanitra hatrany ho anareo mpampianatra hajaina. Ho velona mandrakariva ao am-ponay ny asa sy ny fitiavana navelanareo. 🙏❤️
05/07/2026
MANKASITRAKA FENO
Misaotra tamin'ny fanomezanareo Komity 75 ème fanomezana sy fizarana fifaliana , fanohanana ireo mpanala fanadinana eto amin'ny sekoly
🌿🌿Fifaliana lehibe ho antsika ny nahatontosana ny Hetsika ho an’ny mpianatra hanala fanadinana anio Zoma 3 Jolay 2026, ao anatin’ny fankalazana ny JOBILY faha-75 taona ny Lycée FJKM Andriamanarefo :
1️⃣ ny fitondranam-bavaka ny mpianatra hanala BEPC sy BAC izay notarihin’ny Mpitandrina Heritiana RANDRIANASOLO FJKM ANALAMAHITSY SPIA 19;
2️⃣ ny Fizarana Kits d’Examen BEPC et BAC avy @ Komity ny FJKM Analamahitsy
3️⃣ Tao aorina ny fizarana dia nisy ihany koa ny 🧋petit goûter 🧁niarahana t@ ny mpianatra sy ny mpampianatra.
Dia mbola mamerina ny firarian-tsoa sy fahombiazana ho an’ireo zanan-tsika mpiadina ireo 🤗🤗🤗
« Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. » - Gal 6:9
01/07/2026
📢 ✨ INSCRIPTIONS OUVERTES POUR L'ANNÉE SCOLAIRE 2026-2027 AU LYCÉE FJKM ANDRIAMANAREFO ! ✨ 🎓📚
🎒📝📚🏫✨
Offrez à vos enfants les meilleures conditions pour réussir leur avenir ! 🌟
Le Lycée FJKM Andriamanarefo vous accueille pour les inscriptions et réinscriptions de l'année scolaire 2026-2027. Rejoignez un établissement qui allie excellence académique, discipline et valeurs chrétiennes. 🙏📖
🕘 BUREAU DES INSCRIPTIONS OUVERT TOUS LES JOURS ✅
👩🏫 Une équipe pédagogique qualifiée, expérimentée et régulièrement formée pour accompagner chaque élève vers la réussite. 📚✨
🏫 Un cadre d'apprentissage adapté et bien équipé, favorisant un enseignement de qualité. 💻📖
💰 Des frais de scolarité accessibles, pensés pour répondre aux besoins des familles. 🤝💸
⚽💻🎭🌍 Des activités péri et parascolaires variées :
• Informatique
• Français oral
• Activités sportives
• Excursions pédagogiques
• Visites de sites historiques
✝️🙏 SOMAIA : un accompagnement spirituel et un enseignement biblique pour former des élèves solides dans leur foi chrétienne.
📅 Rentrée scolaire : Mardi 08 septembre 2026 🎉🎒
🌟 Choisissez un établissement où excellence, foi, discipline et épanouissement vont de pair.
⏳ Les inscriptions sont déjà ouvertes : réservez votre place dès aujourd'hui !
☎️ Renseignements : 034 04 119 64
29/06/2026
Sary vitsivitsy Nanamarika ny Excursion teto amin'ny sekoly .
Natao ny 24 Jona 2026
10/06/2026
Voarara 🚫 Sady tsara ho fantatra ho anareo mpianatra