18/07/2025
🔔 Telo amin'ireo fahadisoana mahazatra amin'ny fiainana ara-bola sy fandraharahana
⛔️ Tokony ialàna raha te ho tafita!
1. Tsy mampiasa vola amin’ny fanabeazana ara-bola
📚 “Ny fahalalana no fanalahidin’ny fahombiazana.”
Raha tsy mianatra momba ny fitantanana sy ny vola ianao, dia ho sarotra ny handray fanapahan-kevitra tsara.
➡️ Ianaro ny fototry ny fitantanam-bola, ny fampiasam-bola, ary ny fandraharahana.
➡️ Aza matahotra mandany vola amin’ny fianarana: fanomezana ho an’ny tenanao izany.
2. Tsy mandrindra ara-bola
🧾 Raha tsy misy drafitra dia ho very làlana ny vola miditra.
Mety ho lasa fandaniana tsy ilaina, tsy misy tahiry, tsy misy fivoarana.
➡️ Farito mazava ny tanjonao.
➡️ Mamoròna teti-bola.
➡️ Mametraha tahiry vonjy taitra.
➡️ Mampiasà vola amin’ny toerana mety sy misy vokany.
3. Matahotra ny handray risika
⚠️ Raha mifikitra amin’ny “zone de confort” dia tsy hisy fandrosoana.
Ny fahombiazana dia mitaky fandraisana andraikitra sy risika voalanjalanja.
➡️ Diniho tsara aloha ny loza sy tombony.
➡️ Manaova drafitra.
➡️ Avia mivoaka amin’ny mahazatra ka manararaotra ny vintana.
🎯 Raha tsy mandray andraikitra ianao anio, dia mety hanenina rahampitso.
🎓 Aza avela ho sakana ny tahotra sy ny tsy fahalalana. Ianaro. Diniho. Midira amin’ny hetsika.
Mirary fahombiazana ho antsika rehetra 🙏
Evo Formation