Institut National du Travail INTra

Institut National du Travail INTra

Share

l'INTra est un EPIC du Min du Travail, formation continue et développement personnel des cadres,travailleurs;dans tous les sujets relevant monde du travail

Photos from Institut National du Travail INTra's post 04/06/2026

"FITOHIZAN'NY FIARAHA-MIASA EO AMIN'NY INTra sy ny Vondrona BASAN: "

💁Mitohy hatrany ny fiarahana miombon’antoka eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ny fampiofanana miompana amin’ny lalàna momba ny asa sy ny tontolony. Naharitra roa andro (28 sy 29 may 2026) ny fifanankalozana sy fampitàna fahalalana ho an’ireo tompon’andraikitra mpitantana ny maha olona avy amin’ny Orinasa Aigle d’Or, J.B ary Basan Foibe.

🙋 Nokendrena tamin’ity fampiofanana ity ny fanamafisana sy fanitaram-pahalalana momba ny lalàna sosialy sy mikasika ny asa amin’ny ankapobeny. Tanjona napetraka noho izany ny fanamafisana ny fahaizamanao amin'ny fanajàna ny lalàna, ny fisorohana ny fifanolanana arak'asa ary ny fitondrana fanavaozana amin'ny fitantanana ny mpiasa.

👉Lohahevitra manandanja maro no novelabelarina tamin'ny antsipirihany nandritra ny fampiofanana : fampahafantarana ny Fehezan-dalàna mifehy ny asa sy fijerena manokana ireo rijan-tenin-dalàna nasiam-panitsiana, nofakafakaina ireo karazana fifanekena arak’asa, nasiana tsindry manokana ny maha zava-dehibe ny fifanarahana iombonana, ...

🫵 Nofaranana hatrany tamin'ny fizarana takelam-pahatsiarovana fanatrehana ny fampiofanana ny fotoana ho fanehoana fankasitrahana manokana ireo mpandray anjara.

Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana
Institut National du Travail INTra
Groupe Basan
.

Photos from Institut National du Travail INTra's post 29/05/2026

"FIARAHA-MIOMBON'ANTOKA EO AMIN'NY ONG WHH SY INTra : FAMPIOFANANA NITETY FARITRA ."

😉 Nanokana telo herinandro nanatanterahana ny fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo Tompon’andraikitra mitantana ny maha-olona sy Solontenan'ny mpiasa voafidy ho an’ny Fikambanana WHH, ny roa tonta. Niatomboka ny faha-28 aprily 2026 izay naharitra hateloana teto Andafiavaratra - Antananarivo ny andiany voalohany, nitohy tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana (ny faha-11, 12 et 13 may) izay nahitàna mpandray anjara avy ao Farafangana, Vangaindrano ary solontena avy any Toliary. Namarana ity fampiofanana nitety faritra ity moa ny tany Taolagnaro (Faritra Anosy) izay natrehin’ireo solontenan’ny mpiasa WHH voafidy any Amboasary Atsimo, ny faha-21 may 2026, izay marihina fa telo andro hatrany ny faharetan’ny fiofanana.

👏 Nizara lohahevitra roa (2) lehibe ny fandaharam-potoana : Voalohany, fijerena ireo iraka sy anjara andraikitra sahanin’ireo solontenan’ny mpiasa, miampy fandalinana ireo zo sy adidy samy hafa manodidina ny fanatanterahana ny asany.

👉 Ny lohahevitra faharoa kosa dia niompana manokana tamin’ny fijerena ireo rijantenin-dalàna nasiam-panitsiana ao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny asa (Lalàna lf 2024-014 t@ 14 aogositra 2024), izay nahafahana nifanakalo fomba fijery sy fandalinana ireo teboka matetika mampisy olana amin’ny fifandraisana arak’asa sy sosialy eo anivon'ny orinasa sy toeram-piasàna.

👌 Tanjona nandritra izao fampiofanana izao ny fampiroboroboana ny asa mendrika ao anatin’ny fanajana ireo zo fototry ny asa sy ny fametrahana ireo soatoavina ijoroan’ity Fikambana miady @ hanoanana manerantany ity " une monde sans faim".

Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana
Institut National du Travail INTra
WHH

@


21/05/2026
Photos from Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana's post 11/05/2026
08/05/2026

📌 𝗙𝗔𝗠𝗘𝗧𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗦𝗔 𝗠𝗘𝗡𝗗𝗥𝗜𝗞𝗔
📢 𝗧𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗷𝗮 𝗭𝗼𝗻’𝗢𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮

🤝 Notanterahina anio 07 May 2026, teny amin’ny foiben’ny vondrona Imperial Brands, ao amin’ny Tour Zital Ankorondrano, ny fihaonana ara-piralahiana teo amin’Andriamatoa DENIS Franconio Mac, Minisitry ny Asa, ny Fampanan’Asa ary ny Asam-panjakana, ny Talen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) monina sy mipetraka eto amintsika, ary ny Tale Jeneralin’ny vondrona Imperial Brands eto Madagasikara sy Ranomasimbe Indiana.

🗣️ 𝗧𝗲𝗻𝗶𝗻'𝗔𝘁𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮:
❝ 𝗧𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻’𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝗺𝗶𝗲𝘇𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗲𝗻𝗱𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮: ❞

📍 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗳𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 :
✅ fanamafisana ny fanajana ny zon’olombelona
✅ fampiroboroboana ny asa mendrika
✅ fanatsarana ny tontolon’ny asa
✅ fampiharana ireo zo fototry ny asa, lavitry ny herisetra sy fanavakavahana

🏭 Voaresaka manokana nandritra izany ny ezaka ataon’ny orinasa SOCTAM sy SITAM, izay samy mandrafitra ny vondrona Imperial, amin’ny fampiharana ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny asa mendrika sy ny fanajana ny zon’olombelona.

🌍 Nanatrika ny fihaonana ny tompon’andraikitra voalohany misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Imperial Brands maneran-tany (Global Human Rights Manager), izay tonga eto Madagasikara hanao fitsidihana sy fanaraha-maso ifotony (audit) ireo toeram-pambolena sy ivon-toeram-pamokarana.

🔎 Tanjona amin’izany ny hijery akaiky ny fampiharana ireo zo fototry ny asa sy ny fiantohana tontolon’asa manaja ny hasin’ny maha-olona.

📚 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗧𝗘𝗙𝗼𝗣

👏 Nankasitraka manokana an’Atoa Minisitra ny vondrona Imperial Brands noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fampiroboroboana ny asa mendrika iarahana amin’ny Institut National du Travail INTra, ao anatin’ny fanajana tanteraka ny zon’olombelona.

🤝 Nanamarika ny talen’ny OIT, fa mendrika halain-tahaka ny ezaka ataon’ny Imperial Brands.

🇲🇬 𝗠𝗧𝗘𝗙𝗼𝗣 — Miara-miasa ho an’ny asa mendrika sy tontolon’asa manaja ny zon’olombelona.

Photos from Institut National du Travail INTra's post 28/04/2026

"FIARAHANA MIOMBON’ANTOKA SY FIFAMPITOKISANA EO AMIN’NY VONDRONA IMPERIAL BRANDS SY INTra. "

😉 Nofaranana ny asabotsy faha-25 aprily 2026 ny fampiofanana ireo mpiasa manao fifanekena arak’asa isaky ny vanim-potoana (travailleurs saisoniers) ho an’ny Orinasa SOCTAM – Vondrona IMPERIAL BRANDS, izay niatomboka ny faha-22 aprily 2026 tao Beraotra. Marihina fa mpiasa miisa 2100 avy amin’ireo toeram-pambolena midadasika ao amin’ny faritra telo Betsiboka (Bevilany), Boeny (Ambesisika sy Beraotra) ary Sofia (Antanetilava sy Antsirasira) no nisitraka izao fampiofanana izao.

😊 Tanjona nandritra ny fampiofanana ny fampahafantarana mialoha ireo zo sy adidy aman’andraikitra ho an’ny mpiasa vanim-potoana (droits et obligations des travailleurs saisonniers), miampy fampahalalana manokana ny zon’olombelona amperin’asa sy ireo fepetra samy hafa mikasika ny soro-doza sy ny tandrim-pahasalamana eo amin’ny tontolo ny asa.

🫡 Izao no tontosa dia noho ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin’ny Vondrona IMPERIAL BRANDS – ahitàna orinasa efatra : SOCTAM, SITAM, SACIMEN ary PROMODIM - izay miorom-paka eto Madagasikara sy INTra – izay rantsamangaika eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, Fampananan’Asa ary Asam-panjakana - , izay mampiseho hatrany ny fampiroboroana ny Asa Mendrika, amin’alalan’ny fampiofanana ny Lalàna mifehy ny Asa sy ny fanatsarana hatrany ny dinika ara-tsosialy eny anivon’ny Orinasa, ary tsy azo adinoina ireo tantsaha mpamokatra, eny amin’ny toeram-pambolena.

Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana
Imperial Brands Madagascar
Institut National du Travail INTra
fans
Tout Le Monde





Photos from Institut National du Travail INTra's post 17/04/2026

"FITOHIZAN'NY FIARAHA-MIOMBON'ANTOKA EO AMIN'NY INTra SY ADES : FAMPIOFANANA SOLONTENAN'NY MPIASA SY TOMPONANDRAIKITRY NY SAMPANA MISAHANA NY MAHA OLONA (GRH)."

😉 Notanterahina ny faha-13, 14 ary 15 Aprily 2026 teto Antananarivo, tao amin’ny Le Pavé Ampandrana, ny fampiofanana izay maneho ny fitokisan’ny ADES ny fahaiza-manao sy ny maha matihanina ny INTra. Nandray anjara tamin’izany ireo solontenan’ny mpiasa sy tompon’andraikitry ny sampana misahana ny maha olona, avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy, isan’izany Morondava, Fianarantsoa, Toliara, Toamasina, Mahajanga ary Antananarivo.

👉 Nifantoka tamin’ny lohahevitra manan-danja ny fiofanana. Ny roa andro voalohany dia natokana handalinana ny soro-doza sy ny tandrim-pahasalamana eo amin'ny sehatry ny asa, izay fototra iantohana ny fiarovana ny mpiasa sy ny fahombiazana amin'ny asa. Ny andro fahatelo kosa dia niompana tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny nijerena ireo fanitsiana natao tamin'ny fehezan-dalàna mifehy ny asa, ary koa ny fanamafisana ny dinika ara-tsosialy, izay manan-danja amin’ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa.

👏 Ity fampiofanana ity dia nahafahan’ireo mpandray anjara nanitatra ny fahalalany sy nanamafy ny fahaiza-manaony. Nampitombo ihany koa ny fahatsiarovan-tena momba ny andraikitra iombonana amin’ny famoronana tontolo iasana azo antoka, manaraka ny lalàna ary maharitra.

Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana
Institut National du Travail INTra
ADES eto Madagasikara




Tout Le Monde
fans

Photos from Institut National du Travail INTra's post 11/04/2026

"FANOMBOHANA FIARAHANA MIOMBON'ANTOKA EO @ OSTIE SY INTra : FAMPIOFANANA IREO MPIKAMBANA MANDRAFITRA NY KOMITIN'NY ORINASA ."

👏 Notontosaina nandritra ny hateloana ny fampiofanana ireo mpikambana ao @ Komitin’ny Orinasa OSTIE, izay Fikambana misahana ny fahasalaman’ireo mpiasa tsy miankina @ Fanjakana. Lohahevitra maro no nojerena izay nifantoka tamin’ireo rijantenin-dalàna nasiam-panitsiana ao @ Fehezan-dalàna momba ny asa vaovao.

🙏 Tanjona tamin’izao fampiofanana izao ny hanamora sy hanafainganana ny fanitsiana ny Fifanarahana Iombonana mifehy ity Fikambana ity, izay nahafahana nanamafisana ireo andry iankinan’ny asa mendrika.

🤲 Nifarana omaly faha-10 aprily 2026 ny fotoana tamin’ny alalan’ny fizarana ny takilam-pahatsiarovana ho an’ireo mpandray anjara.

Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana

Institut National du Travail INTra
fans
Tout Le Monde

Photos from Institut National du Travail INTra's post 07/04/2026

"FAMPIOFANANA MOMBA NY FEHEZAN-DALANA VAOVAO MIFEHY NY ASA HO AN’NY ORANGE MADAGASCAR."

🫵 Nitohy hatrany ny fiarahana miombon’antoka eo amin’ny Orinasa Orange Madagascar sy INTra. Niatrika fampiofanana roa sosona mifandraika amin’ny Fehezan-dalàna vaovao mifehy ny asa ireo tompon’andraikitra mitantana ny maha olona sy ireo solontenan’ny mpiasa, miaraka amin’ireo solontena sendikaly eo anivon’ity Orinasa misahana ny fifandraisan-davitra ity.

👉 Nifarana ny alakamisy faha-19 martsa 2026 ny fampiofanana mikasika ny Fehezan-dalàna vaovao mifehy ny asa ho an’ireo tompon’andraikitra mitantana ny maha olona (RRH) izay naharitra 3 herinandro (2 andro isan-kerinandro). Nohezahina nojerena ireo lohahevitra lehibe nasiam-panovàna sy nitondràna fanitsiana toy ny : fifanekena arak’asa, fepetra momba ny asa, fampihantoana vonjy maika ny fifanekena arak’asa, fisoloantenan’ny mpiasa, aro loza sy tandrim-pahasalamana, fampiofanana arak’asa, … .

👌 Ny fampiofanana ny solontenan'ny mpiasa kosa dia nifarana ny faha-12 martsa 2026, izay naharitra roa (2) herinandro kosa, izay notontosaina tao @ Digital Center Orange Soarano. Tanjona nandritra ny fampiofanana ny fampiroboroboana ny asa mendrika sy ny dinika ara-tsosialy, izay miankina @ fifehezana sy fahalalana ny Lalàna momba ny Asa. Notsindriana manokana ny dinika ara-tsosialy sy ny fifampiraharahana iombonana (négociation collective) izay andry lehibe hisian’ny Asa mendrika sy ny fitoniana eny anivon’ny toeram-piasàna.

Ministeran'ny Asa ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana
Institut National du Travail INTra
Orange
fans
Tout Le Monde


Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Address


Lot VA 49-BP 6307 Andohalo
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00