06/11/2025
Resaka afobe.
Resaka lava be.
« Dadà, raconte-nous l’histoire de Madagascar parce que nous, on apprend l’histoire de Louis XIV », hoy ny iray amin’ireo zanakay indray hariva izay.
>> NANONGO-TENA AHO SADY MENATRA !
Vitsy ny Malagasy nampianarina ny tantarany sy liana amin’izany, indrindra moa ireo izay milaza ho tia tanindrazana…
Tsy mitsaha-mihemotra isika satria tsy mahay tantara. Tsy mahay maka lesona amin’ny lasa.
Hany ka very làlana, very dia, very fanahy mbola velona dia i Kotozafy foana no…
>> FANONTANIANA 3
Avy avy aiza isika ?
Iza isika ?
Ho aiza isika ?
Ireto fanontaniana ireo dia manome lanja ny antom-pisian’ny olombelona, antokon’olona na mponina iray (questions existentielles).
Ka rehefa tsy misy avaly dia toa mirenireny amin’ny fiainana. Izany no atao hoe olona tsy misy fotony, very fototra.
Tsy mpahay tantara aho, tsy mpikaroka momba ny riba sy ny fomban-drazana, tsy mpanoratra ihany koa. Saingy faran’izay liana amin’ny tantarantsika.
Ny fampielezana ny toe-tsaina miabo sy ny fanomezana lanja ny fahaiza-manao malagasy ny sehatra misy ahy. Izany hoe mampianatra ny mpandraharaha malagasy hahay hivarotra lafo (talenta, fahaiza-manao, zava-kanto, entana faran’izay tsara kalitao…)
>> MALAGASY ISIKA ALOHA
Raha ny tantara no anaovana jery todika dia etsy andaniny, nofantsihin’ny vazaha tao an-tsaintsika fa ny mitia tanindrazana sy ny kolontsaintsika dia midika fikomiana na fankahalana.
Etsy ankilany, nambolen’ireo mpitondra fivavahana sy ireo mpanjanaka tao amintsika fa ny manao resaka toy ny sampy, sikidy, kalanoro, ambiroa sy ny sisa dia mira devoly… Saingy tsarovy fa Malagasy isika vao kristianina ary samy manana ny hanitra sy ny haimbo ho azy ireo, toy ny zava-drehetra misy eto an-tany.
>> TSY FAHALALÀNA = TAHOTRA
Mora taitaitra tokoa manko raolombelona satria ny tsy fahalalana (izay tsy fidiny ho azy indraindray) dia matetika mitondra tahotra.
Ka diso be tahotra = mora abadoina.
Tadidio fa ny atidoha dia mahazo aina be amin’izay efa fantany (zone de confort = zone de connaissance) hany ka velon-tahotra izy vao manoloana izay tsy fantany (zone d’ignorance = zone de peur)
Ka tsy miresaka afa-tsy amin’ireo vonona handroso sy amin’ireo vonona hisoka-tsaina aho, satria tsy misy marenina sahala amin’ireo izay tsy te handre ary tsy misy jamba sahala amin’ireo izay tsy te hahita.
>> AFOBE HOY AHO ILAY RESAKA
Afobe #1 🧨
30 septambra 1895. Tafiditra teto Antananarivo ny tafika frantsay, rehefa avy nandresy ny foloalindahy malagasy hatrany Mahajanga.
Nodarohin’ny tafika frantsay tamin’ny tifi-tafondro ny Rovan’Antananarivo. 35 minitra dia nilavo lefona ny mpanjaka, tsy nanan-tsafidy, satria faran’izay mahery vaika ny « obus à la milénite », baomba misy asidra izay nampiasain’ny mpanafika tamin’izany.
Rehefa nitsangana ny saina fotsy, nanehoana ny faharesena, dia niditra tsy nisy mpanakantsakana hatrao an-drova ny jeneraly Duchesne filohan’ny tafika vazaha.
Ny ampitso ihany, ny alatsinainy voalohan’ny volana oktôbra 1895, dia voasonia sahady ny fanekena efa vita hatrany an-dafy nentin’ny jeneraly Duchesne, ary nanao an’i Madagasikara ho tany eo ambany fiarovan’i Frantsa na « protectorat français », izany hoe ny tompon-tany ihany no hasaina hitondra fanjakana nefa baiko avy amin’ny solontenan’ny Repoblika frantsay no tsy maintsy harahiny.
Afobe #2 🧨
6 novambra 1995. Zato taona taty aoriana, may ny Rovan’Antananarivo. Kila forehitra, nataon’ny afo nanjavona ireo lapa hazo rehetra ka tao amin’ny Tranovola no niantomboka ny afo voalohany. Telopolo taona androany ny nahamay ny Rovan’Antananarivo.
(Tsara foana ny mampatsiahy fa Rovan’Antananarivo no fiteny fa TSY Palais de la Reine araka ny niantsoan’ny vazaha azy. Ary TSY Rovan’i Manjakamiadana ihany koa satria Manjakamiadana dia lapa iray amin’ireo izay mijoalajoala ao anatiny ao toy ny Tranovola, Masoandro (izay lasa Colisée), Besakana, Mahitsielefanjaka, Manampisoa, Tsarahafatra…)
Afobe #3 🧨
Nanomboka ny taona 2015 io dia may ireto toerana manankasina ireto :
- 18/08/2015 : Rovan’Ambohitrimanjaka
- 26/08/2015 : Rovan’Ambohidratrimo
- 10/01/2017 : Rovan’Ambohimalaza
- 11/10/2020 : Vohitr’Ambohimanga
- 30/05/2021 : Doany Mahazaza ao Ambohimanga Rova
- 01/11/2023 : Rovan’Antsahadinta
- 18/08/2024 : Vohitr’Ambohimasina
Afobe #4 🧨
Ankoatra ireo dia nodorana ihany koa :
- 26/01/2009 : TVM sy RNM, nahaverezana ireo tahirim-peo sy tahirin-tsary rehetra hatrizay
- 22/11/2021 : Centre National de Recherche Industrielle et Technologique (CNRIT) sy ny Centre National de Recherche Environnementale (CNRE), eny Fiadanana (nahamay tranomboky iray, labôratoara roa, birao telon’ireo mpikaroka, efitra dimy nitahirizana fikarohana an-taona maro)
- 27/08/2022 : fivarotam-boky eo Ambohijatovo nahamay trano heva 78
Mbola maro ny azo tanisaina mikasika ny doro ala teny amin’ireo valan-javaboahary (parc national) indrindra ny taona 2024 sy 2025 fa mbola lohahevitra iray hafa koa iny…
>> DIVIDE ET IMPERA
Velona ny fanontaniana hoe misy ifandraisany ve ireo « AFOBE » rehetra ireo ?
Ao ny milaza hoe mba sendra fifanandrifian-javatra, ao ny manohana tanteraka fa niniana natao…
Ny jeneraly Joseph Simon Gallieni (1896 hatramin’ny 1905 teto Madagasikara) dia nanangana pôlitika hentitra mikendry ny fandravana ara-batana sy ara-kolontsaina. Tafiditra ao anatin’izany :
- ny "pôlitikan’ny tany may" : fanimbana tanimbary sy vohitra mba hanerena ny mponina hankatoa
- ny "pôlitikan’ny foko" : fandravana ny fahefan’ny Merina mba hametrahana fisarahana eo amin’ny Malagasy
- ary ny "pôlitikan’ny zarazarao hanjakana" (Divide et impera) : fametrahana elanelana ara-poko sy ara-kolontsaina mba hampiteraka fisavorovoroana.
>> AFOBE MANDRAKIZAY ?
Ny azoko ambara amin’izao vanim-potoana mampisavorovoro izao, dia anjaran’ny tsirairay ny mianatra sy mahasahy mitia ny … fa izany no tena . Raha tsy izay dia rano atsakaina amin’ny siny goaka no antenaina hamonoina ireo Afobe hateti-pihavy…
TR
———
Sary indrana :
Midi Madagasikara - Express de Madagascar - Tia Tanindrazana - Moov