26/06/2023
⚠️AZAFADY OOOOH!!! 🛑
Ry ankizy malala isany, mety efa maro no mahafantatra azy ity fa maro ihany koa no mbola tsy nahare vaovao.
Efa akaiky ilay fotoana, ka indro ary manasa anareo ny APIST ho tonga hifety, hanala azy, hitafa sy hiray hina mandritra ny "journée récréative" amin'ny zoma faha 30 jolay izao.
- Toerana : complexe Père Pedro Ambohibe (tsy lavitra fa miampita fotsiny avy eo amin'ny IST dia tonga 😁)
- Ho hitantsika any mazava ho azy ny fampisehoana ho tanterahin'ny club vitsivitsy ato amin'ny IST. Toy ny fampisehoana dihy, hira, ary ihany koa tononkalo avy amin'ny ireo manan-talentan'ny sekolintsika.
- Ankoatr'izay dia tsy adino ny tournoi foot⚽ , basket🏀, pétanque izay hifanandrinan'ny mpianatra rehetra amin'io fotoana io.
- Karazana kilalao maro samy hafa koa koa no ho hita any, toy ny domino, échec, jeux de cartes(belotte sns...) ary jeux d'équipe ihany koa izay surprise ho an'izay tonga mandalo rehetra any🎮.
- Hanomboka amin'ny 9 ora ny fety ary tsy hifarana raha tsy afapo ny rehetra ☺️.
- Ny fisoratana anarana amin'ny tournoi kosa dia efa manomboka any amin'ny délégué an'ny classe tsirairay avy any.
- Transport en commun : 3000 Ar par personne, misoratra anarana any amin'ny délégués ihany koa, amin'ny 8 Ora maraina miainga avy eo amin'ny IST 💵
- Manentana antsika ihany koa hanao ny polo 30ème anniversaire izay rehetra manana 👕.
Zay zany fa tongava maro daholo dia mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra oooh 😉.