02/11/2025
🥇Team Madagascar hitondra mody ny Medaly Volamena tamin’ny fampisehoana herim-po sy fikirizana hahatongavana amin’ny tanjona izay tiana ho tratrarina na inona na inona sakana ary na dia tsy araky ny noeritreretina aza ny zava-misy. Modely ho an’ny tanora manerantany.🥇
Tsy ho voatantaranay anareo ny lalana nandalovanay nandritra ny folo volana. Taty Panama, tsy tambo isaina intsony impiry izahay no nifamihina nifanome hery niatrika izao tontolo izao, nitondra amim-pireharehana ny anaran’i Madagasikara.
❤️Ka eto dia misaotra eram-po eran-tsaina ireo rehetra angady nananana sy vy nahitana: ny mentors rehetra ao amin’ny STEM For Good nanoro sy nananatra ary indrindra nanome anay fahafahana nisitraka izao traikefa izao, ny ray aman-dreny niaraka nitaintaina taminay, ireo sponsors izay natoky anay, ary ianareo rehetra nanohana na lavitra na akaiky, nahafoy vola sy harena niara-dia taminay.❤️
Atolotray anareo izao voninahitra nomena an’i Madagasikara izao. Nanome taratra an’izao tontolo izao sy ny tanora manerantany fa mandresy foana rehefa manome ny tsara indrindra avy amin’ny tsirairay!
Alefa foana Madagasikara !!!
🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬