14/10/2023
INONA NO ZAVATRA TOKONY HIANARANA VOALOHANY REHEFA HANOMBOKA HIANATRA TENY FRANTSAY?
Samy manana ny andraikiny sy ny asa sahaniny avokoa ny olona rehetra eny anivon'ny fiaraha-monina izay misy misy antsika eny.
☑ Misy ny sasany "Dokotera" (mpitsabo).
☑ Ny sasany kosa "Maçon" (mpanao trano).
☑ Ny sasany indray "mécanicien" 🔧 (mpanambotra masinina).
Alaivo sary an-tsaina kely anie,
inona ny zavatra mety hitranga raha ohatra ka atao mifanakalo ny andraikitra sy asa sahanin'ireo olona telo samy hafa ireo🤔?
Ny maçon no alefa miasa eny amin'ny hopitaly manao ny asa izay tokony hataon'ny dokotera rehetra : manao piqûre 💉ny olona marary, mametaka sérum, manao fandidiana,sns...
Ny dokotera kosa no alefa manao asa fanorenan-trano.
Anontaniana an'i Dokotera avokoa hoe :
- Brique ananky firy dokotera no tokony ahampy ny trano 10 metatra ny sakany de 20 metatra ny halavany?
- Firy lasaka ny ciment tokony ho vidina amin'izany dokotera? ciment inona no tena mateza? Global ve sa éléphant sa ombilahy sa holcim? fer firy no tokony ho vidina?
Ataoko fa tsy handeha araka ny tokony ho izy ilay asa😂, sa tsy izany ve?
Tahaka izany ihany koa mantsy ny ato amin'ny fiteny Frantsay, samy manana ny asany sy ny andraikiny avokoa ny teny rehetra izay hitantsika ao anaty dictionnaire ireny, toy ny adjectif, pronom, nom, verbe,sns...
Amin'ny ankapobeny, ny asan'ny adjectif izao dia mamaritra ny toetoetran'ny olona iray na zavatra iray,
Ohatra : Voiture (Fiara)
Fantatrao ve inona ny lokon'io fiara nalaintsika ohatra io?
Tsia, tsy fantatra! Satria tsy teo ny mpamari-toetra nampahafantatra ny lokon'ilay fiara, fa raha miteny kosa isika hoe :
"Une voiture bleue"
dia fantantsika avy hatrany ny lokon'ilay fiara satria tao ny adjectif nanao ny asany, namariparitra ilay toetoetran'ny fiara.
Ny tena tiana atongavana dia izao :
Raha vao hanomboka hianatra fiteny Frantsay ianao dia tsara raha fantarinao aloha hoe :
🎯 inona avy ireo sokajin-teny izay misy ao anatin'ny dictionnaire français?
dia mila fantarinao ihany koa hoe :
🎯 inona avy no asan'ireo sokajin-teny ao ireo? mba ahafahanao mitsinjara ny asa tokony omena an'ireo teny ireo, araka ny anarany, amin'izay mba ho tomombana tsara ny fehezanteninao arafitrao.
✅ Raha mpampitohy ilay teny dia ampanohizo teny izy
✅ Raha anarana ilay teny dia ataovy mpanome anaran-javatra na olona na biby ny asany
✅ Raha mpisolo olona ilay teny dia alefaso misolo olona izy
✅ Raha mpamari-toetra ilay anarana dia ataovy mpanoritsoritra ny toetoetran'ny olona na toetoetran'ny zavatra miaraka aminy izy.
Raha samy omenao asa tandrify azy araka ny sokajiny avokoa ny teny rehetra ampiasainao, dia hoitanao fa mihena ny tsy fetezan'ny fehezanteny izay foroninao.
Na dia eo aza ny fanazavana izany dia mijanona ho fanazavana tsara indrindra ny fanomezana ohatra. Ndao ary hijery ohatra ananky iray isika.
Raha mpamari-toetra na adjectif ny teny anankiray, kanefa alefanao manao asa izay tokony hataon'ny matoanteny dia manomboka eo no mipoitra ny tsy fetezan'ny firafitry ny fehezanteninao.
Raisintsika ohatra ny teny hoe Rassasié = adjectif izay midika hoe voky izy io.
Andao handramantsika omena asan'ny verbe na matoanteny io adjectif io.
Je = aho
rassasié = voky
Je+rassasié = voky aho🚫 eto dia diso ny fehezanteny
Satria nahoana ozy anao?
Satria matetika ny verbe dia natao mba hi-conjuguena rehefa ialohavan'ny sujet,
Kanefa ny adjectif dia tsy natao hi-conjuguena rehefa ampiasaina.
Mazava be izany fa tsy vitan'ny adjectif ny asan'ny verbe izay nomena azy. Satria tsy asany no nomena azy ka tsy tontosany.
INDRO ARY ATOLOTRA AN-TSIKA AM-PITIAVANA NY TABILAO IZAY MIRAKITRA NY SOKAJIN-TENY SY NY ASAN'IZY IREO TSIRAIRAY AVY MBA AHAFAHANAO MANOME ASA TANDRIFY AZY IREO.
Aza adino ny manisy j'aime👍🏻 sy manaraka ny pejin-tsika mba ahafahanao manaraka lesona vaovao
12/10/2023
08/10/2023