Tokam-panondro fans

Tokam-panondro fans

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tokam-panondro fans, College & University, Antananarivo.

31/03/2023

Masoandro sasatra

Ataoko ahoana no hampiakatra ny lemaka ho havoana
Ataoko ahoana no hampiaka-dranomasina erý antendrombohitra
Ataoko ahoana ny hamadika ny minitra ho fotoana
Amin'ny vidim-pahantrako mihavosa androamanalina

Sarotra ho ahy ny hotery ny katsaka
Hanamandomandoana ny hery ao anatiko
Fa ny antom-pisiako eto dia efa fantatra
Fa.. Ny ho mahantra mandrampahafatiko

Ataoko ahoana no hanaisotra ny rao-mitatao eo andolohako
Mba hanazava ny maizina izay fiereko
Ny manaraka ambokony izay no mba zoako
Miaritra irery ny mavesa-babeko

Ataoko ahoana no hanjiro ny lavaka
Sarotra ho ahy ny hanetry azy ho fahitra
Fa ny azo atao sisa dia ny mivavaka
Manaiky ny heriny dia miandry ny lahatra
Tokam-panondro offïsîaly

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo