Mianatra Miteny Français

Mianatra Miteny Français

Share

Cours de Français en ligne

01/05/2026

Leçon 🇫🇷: DIRE – PARLER – RACONTER – EXPLIQUER

👉 Mitovy kely ireo, fa tsy mitovy ny fampiasana azy

🟢 DIRE = milaza
👉 Ampiasaina rehefa milaza zavatra tsotra ianao
📌 Tsy mila lava, teny fohy na tsotra
▶️Ohatra :
▫️ Je dis la vérité → Milaza ny marina aho
▫️ Elle dit son nom → Milaza ny anarany izy

🔵 PARLER = miresaka / miteny
👉 Ampiasaina rehefa miresaka amin’olona ianao
📌 Misy fifanakalozana (resaka roa tonta)
▶️Ohatra :
▫️Je parle avec mon ami → Miresaka amin’ny namako aho
▫️Ils parlent français → Miteny frantsay izy ireo

🟡 RACONTER = mitantara
👉 Ampiasaina rehefa mitantara tantara na zavatra nitranga.
📌 Lava kokoa, misy antsipiriany
▶️Ohatra :
▫️Elle raconte une histoire → Mitantara tantara izy
▫️Il raconte son voyage → Mitantara ny diany izy

🔴 EXPLIQUER = manazava
👉 Ampiasaina rehefa manazava zavatra mba hahafahan’ny olona mahatakatra
📌 Misy fanazavana sy fampianarana
▶️Ohatra :
▫️Le professeur explique la leçon → Manazava ny lesona ny mpampianatra
▫️Je t’explique le problème → Hazavaiko aminao ny olana

⚡ FAMINTINANA TSOTRA
✔️ DIRE → milaza (teny tsotra)
✔️ PARLER → miresaka (resaka)
✔️ RACONTER → mitantara (tantara)
✔️ EXPLIQUER → manazava (hazavana)

💡 PAIKADY HAINGANA HAMPIASAINA:

👉 Raha teny fohy → DIRE
👉 Raha miresaka amin’olona → PARLER
👉 Raha mitantara zavatra → RACONTER
👉 Raha manazava mba hahatakatra → EXPLIQUER

👇 Eto no ianarana français mora, haingana ary mahafinaritra
💥 Lesona GRATUIT isakerin'andro
💥 Méthode simple + pratique directe
👉 Midira eto : https://teachermada.onrender.com/
❤️ LIKE | COMMENT | PARTAGE

22/04/2026

🇫🇷 VOCABULAIRE POLITIQUE (Voambolana Politika) – Mora, mazava, ary ilaina!
👉 Lesona iray hanampy anao hahatakatra ny tontolon’ny politika amin’ny teny frantsay!

📌 🎯 OBJECTIF :
👉 Hahafahanao mahatakatra sy mampiasa voambolana politika amin’ny français
👉 Hahafantatra tsara ny teny ampiasaina amin’ny fitondrana sy fiarahamonina

🟠 1. LES SYSTÈMES DE POUVOIR (Karazana fitondrana/fahefana)
▫️Démocratie :
🇫🇷 Le peuple choisit ses dirigeants
🇲🇬 Ny vahoaka no mifidy ny mpitondra
👉 Midika fa manana zo hifidy ny olona

▫️Dictature :
🇫🇷 Une seule personne dirige tout
🇲🇬 Olona iray no mifehy ny zava-drehetra
👉 Tsy misy safidy na fandraisan’anjaran’ny vahoaka

▫️Monarchie :
🇫🇷 Un roi ou une reine gouverne
🇲🇬 Mpanjaka na mpanjakavavy no mitondra
👉 Matetika lova avy amin’ny fianakaviana

▫️Aristocratie :
🇫🇷 Le pouvoir appartient à une élite
🇲🇬 Ny fahefana dia an’ny olona manankarena na ambony
👉 Vitsy no mitondra, fa tsy ny rehetra

🔵 2. LES ACTEURS DE LA POLITIQUE (Ireo mpandray anjara)
▫️Gouvernement :
🇫🇷 Ceux qui dirigent le pays
🇲🇬 Ireo olona mitantana ny firenena

▫️Président :
🇫🇷 Chef de l’État
🇲🇬 Filoham-pirenena

▫️Ministre :
🇫🇷 Membre du gouvernement
🇲🇬 Mpikambana ambony ao amin’ny governemanta

▫️Député :
🇫🇷 Représente le peuple
🇲🇬 Solontenan’ny vahoaka

▫️Citoyen :
🇫🇷 Personne avec des droits dans un pays
🇲🇬 Olom-pirenena manana zo sy adidy

🟢 3. LES ACTIONS POLITIQUES (Asa politika)
▫️Voter :
🇫🇷 Choisir un dirigeant
🇲🇬 Mifidy mpitondra

▫️Élire :
🇫🇷 Désigner par vote
🇲🇬 Misafidy amin’ny alalan’ny fifidianana

▫️Gouverner :
🇫🇷 Diriger un pays
🇲🇬 Mitantana firenena

▫️Manifester :
🇫🇷 Montrer son désaccord
🇲🇬 Maneho tsy fankasitrahana eny an-dalambe

🟣 4. LES IDÉES ET VALEURS (Hevitra sy soatoavina)
▫️Liberté :
🇫🇷 Agir et parler librement
🇲🇬 Afaka manao sy miteny malalaka

▫️Égalité :
🇫🇷 Tous égaux devant la loi
🇲🇬 Mitovy zo eo anatrehan’ny lalàna

▫️Justice :
🇫🇷 Respect des lois
🇲🇬 Fanajana ny lalàna

▫️Pouvoir :
🇫🇷 Capacité de décider
🇲🇬 Fahefana manapaka

🔴 5. LIEUX ET ORGANISATIONS (Toerana sy rafitra)
▫️Parlement :
🇫🇷 Lieu où on vote les lois
🇲🇬 Toerana anaovana lalàna

▫️Parti politique :
🇫🇷 Groupe avec des idées politiques
🇲🇬 Vondrona manana hevitra politika

▫️État :
🇫🇷 Organisation du pays
🇲🇬 Rafitra mitantana firenena

🧠 EXEMPLE SIMPLE
🇫🇷 Le citoyen vote pour élire un président dans une démocratie.
🇲🇬 Ny olom-pirenena dia mifidy mba hifidianana filoha ao anatin’ny demokrasia.
👉 Midika : Ny vahoaka no manana fahefana misafidy mpitondra

💬 FANAMBY (Challenge)
👉 Manorata phrase iray mampiasa :
citoyen / voter / président

🚀 TeacherMada
👉 Eto no ianarana FRANÇAIS amin’ny fomba mora sy mahomby Ary haingana indrindra
💥 Lesona GRATUIT isakerin’andro
💥 Mahay miteny vetivety ianao raha manaraka
💥 Méthode simple + pratique directe
👉 RAHA MILA LESONA FENO isan'andro dia Midira MP na : https://teachermada.onrender.com/

❤️ LIKE | COMMENT | PARTAGE

11/04/2026

🔄 LES MOTS DE LIAISON (Teny mampifandray hevitra)
👉 Apprends à parler français comme un pro !

🇫🇷 C’est quoi “les mots de liaison” ?
ℹ️ Ce sont des mots qui relient les idées pour parler clairement et logiquement.
🇲🇬 Malagasy :
Teny mampifandray hevitra izy ireo, mba hahatonga ny resaka ho mazava sy milamina.

🟢 1. INTRODUCTION (Fanombohana)
▫️D’abord : voalohany
▫️Tout d’abord : voalohany indrindra
▫️En premier lieu : amin’ny voalohany
▫️À première vue : raha jerena voalohany
▫️Premièrement : voalohany
▫️À priori : araka ny eritreritra voalohany
🧠 Exemple :
🇫🇷 D’abord, je me présente.
🇲🇬 Voalohany, mampahafantatra ny tenako aho.

🔵 2. ADDITION (Fanampiana hevitra)
▫️De plus : ankoatra izany
▫️Deuxièmement : faharoa
▫️Ensuite : manarak’izany
▫️En outre : ankoatra izany (plus formel)
▫️Aussi : koa
▫️Encore : mbola / indray
🧠 Exemple :
🇫🇷 J’aime le français. Ensuite, j’apprends l’anglais.
🇲🇬 Tiako ny teny frantsay. Manarak’izany, mianatra anglisy aho.

🟡 3. EXPLICATION (Fanazavana)
▫️Car : satria
▫️Étant donné que : noho ny hoe
▫️Puisque : satria
▫️C’est-à-dire : izany hoe
▫️En raison de : noho ny
▫️En effet : marina tokoa / noho izany
🧠 Exemple :
🇫🇷 Je suis content car j’ai réussi.
🇲🇬 Faly aho satria nahomby.

🔴 4. OPPOSITION (Fanoherana)
▫️Au contraire : mifanohitra amin’izany
▫️Pourtant : nefa
▫️Par contre : fa kosa
▫️Toutefois : na izany aza
▫️Néanmoins : na dia izany aza
▫️Quoique : na dia
🧠 Exemple :
🇫🇷 Il est fatigué, pourtant il travaille.
🇲🇬 Reraka izy, nefa mbola miasa.

🟣 5. CONSÉQUENCE (Vokany)
▫️Ainsi : noho izany
▫️Par conséquent : vokatr’izany
▫️Alors : dia / ka
▫️C’est pourquoi : izany no antony
▫️De fait : raha ny marina
▫️En conséquence : vokatr’izany
▫️Donc : noho izany
🧠 Exemple :
🇫🇷 Il a étudié, par conséquent il a réussi.
🇲🇬 Nianatra izy, vokatr'izany nahomby

⚫ 6. CONCLUSION (Famaranana)
▫️Finalement : farany
▫️En fin de compte : amin’ny farany
▫️Au final : amin’ny farany
▫️En conclusion : ho famaranana
🧠 Exemple :
🇫🇷 En conclusion, il faut pratiquer chaque jour.
🇲🇬 Ho famaranana, mila manao fanazaran-tena isan’andro.

🔥 ASTUCE (Torohevitra)
👉 Raha te hiteny frantsay tsara ianao:
✔️ Ampiasao ireo mots de liaison ireo
✔️ Aza miteny teny tsotra fotsiny
✔️ Ataovy mifandray tsara ny hevitrao
✔️ Ataovy milamina tsara ny resaka

💬 Ny olona manaraka ity page ity dia mahay français automatique satria omenay lesona gratuit eto isakerin'andro, fa ireo olona miditra amin'ny fampianarana ataonay isan'andro kosa dia lasa lavitra kokoa Ary vetivety ihany dia mahay, tsy mila ezaka be satria efa nataonay mora sy mazava loatra ny fahazahoana ny lesona.
👉 Mp na ity ny lien idiranao amin'ny Lesona :
👉 https://teachermada.onrender.com/

09/02/2026

🇫🇷 LEÇON : Le mot “déjà” en français
📌 “Déjà” = efa (amin’ny teny malagasy)

Ampiasaina rehefa efa vita na efa nitranga zavatra iray.
✨ Exemples (Passé composé)
👉 J’ai déjà mangé.
➡️ Efa nihinana aho.

👉 Elle est déjà partie.
➡️ Efa lasa izy.

👉 Nous avons déjà fini le travail.
➡️ Efa vitanay ny asa.

🧠 Règle simple
🔹 déjà dia apetraka aorian’ny auxiliaire
➡️ ai / as / a / avons / êtes / ont
➡️ suis / es / est / sommes / êtes / sont

Structure :
👉 Sujet + auxiliaire + déjà + participe passé

✍️ Fanazaran-tena (Exercise)
Fenoy amin’ny déjà :
1️⃣ J’ai ___ parlé.
2️⃣ Elle est ___ arrivée.
3️⃣ Nous avons ___ compris.

🔥 Mianara français amin’ny fomba tsotra sy mazava
👉 miaraka amin’ny fanazavana amin’ny teny malagasy
🚀 Atombohy dieny izao 👇

🌐 https://teachermada.onrender.com

💬 Apprendre, pratiquer, oui maîtriser une langue étrangère

Photos from Mianatra Miteny Français's post 08/02/2026

🧑🏻‍🎓 Tsy voatery handany écolage lafo be intsony vao hahay miteny teny vahiny.
Ity misy application fianarana teny vahiny tena mora ampiasaina sy mahomby.

👉 https://teachermada.onrender.com/

Afaka misafidy cours maro sy niveau rehetra (A1 → C2) ianao, arakaraka ny fahaizanao.
🔹 Gratuit ny fampiasana azy
🔹 Misy koa version payant, manomboka 500 Ar monja, raha te hianatra bebe kokoa
📚 Misy mpampianatra miaraka aminao 24/7,
👉 afaka manontany amin’ny teny gasy na amin’ny français raha tsy azonao.
🎧 Misy :
📞 Pratique appel vocal tena réel
🗨️ Dialogue face à face (sur écran)
📒 Exercices sy fanazaran-tena
📚 Lesona feno sy mazava, azo hazavaina amin’ny teny gasy na français..

💡 Tsotra be ny fianarana ao, mora arahina, téléchargeable, audio prononciation tena Top, explication mazava Tsara..
ary maro amin’ireo efa nampiasa azy no nahita fandrosoana, na ireo gratuit na ireo nandoa sarany kely.

👉 Andramo aloha, fa maimaim-poana ny manandrana sy mianatra.
👉 Zarao amin’ny namana fa mety hahasoa azy koa.
🎯 Natao ity app ity ho fifanampiana ho an’izay rehetra te hahay teny vahiny haingana sy mahomby : +14 Langues disponibles

[Anglais, Chinois, Espagnol, Allemand, Italien, Portugais, Hindi, Japonais, Arabe, Russe, Coréen, Swahili, Français…]

🔗 Lien : Tsindrio 👇🏻👇🏻

https://teachermada.onrender.com/

23/11/2025

✅ Raha vonona ianao dia vonona ihany koa izahay hanome lesona sy hampianatra anao hahay hiteny Français ao anaty fotoana foy 🙌

28/10/2025

L'amour ♥️

17/09/2025

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Nonoh Razafy, Lala Buisson, Ramarojaona Manitriniony, Hervais Andriamanantsoa, Rija Harimanana Randriambeloson, Lee Rabeftiavana, Christopher Randrianasandratra, Ando Rakotoarivony, Antonio Raz, Haja Niaina, Gracia Rasl, Jean Romario Rakotonirina, Rado Rakotoniaina, Fytia Prisca, Aina Nathal, Chivanie Sh*tou, Malala Nasaina, Eric Andrinantenaina, Andoniaina Randry, Rakotoniaina Aime, Lalah Razafy, Tolotra Innocente, Marie Jeanne Clarisse Rasoanirina, Mbola Tiana, Michkael Herina Razoarivelo, Esther Rasoanotadiavina, Mandresy Allan, Randjamalala Ssoso Kwel, Nova Jasmin, Miora Rakotoson, Patricia Rabezavana, Rivonirina Rasoanaivo, Rakotonirina Manjaka Tiana, Ifaliana Nancy, Njatourih Veloudah, Haingo Hanitriarivo, Elie Rakoto, Julica Nicole Dinaniaina, Tolotra Man'ampy, Michel Andrianiana, Olivier Paulin Olivier, Michel Rabearisoa, Quero Djawonoka, Larissa Yrani Sanayah, Yvette Roseline, Tsiory Idealy, Mihary Tsiry, Norosoa Williams Andrianaina, Karine Marijaona, Noro Rabenja

14/09/2025

La santé 👍

29/08/2025

Mianatra Miteny Français isan'andro miaraka amin'ny mpampianatra sariaka.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Address


Antananarivo