Kintana TELO sy ny Tonokalony.
R.eko mikipaka ato am-poko! I.lay pejy zary tsiaro,
R.ehefa tonga lay vinany! Ka anokatr
29/10/2022
23/04/2022
Kanto
Tsy kanto hoe ny kanto
Raha tsy misy rima
Tsy kanto koa ny teny
Raha tsy miady rima
Tsy kanto ny fitsiky
Raha tsy misoka- bava
Tsy kanto fijery
Raha toa misaron- tava
Tsy kanto ny fitiavana
Raha miady lava
Tsy kanto ilay malala
Raha toa misara- dalana.
R I R.
08/04/2022
Ry alina
Ry alina mpitondra ny ventso
Matory aho fa aza fohazina
Ny masoko mba teha hatory
Nefa ianao toa manorisory
Manotany aho ka valio
Inona no tianao ho soratako?
Inona no tianao ho tononiko?
Inona no ho ventsoventsoina?
Miandry ny kalo hampitony
Miandry ny kalo hisentoana
Miandry ny fo te hifaly
Ka vonin' aho na dia te hatory.
R I R....kintana telo.
21/03/2022
Faly miarahaba anareo indray
Ny kitana telo sy ny tonokalony
Ela ela tsy niona
Fa ... Mbola ho avy ny fotoana.
31/07/2020
NY FOTOANA
Ny fotoana rehetra dia samy manana ny asany,
Ny fotoana koa dia samy voantendry ho an'ny tsirairay,
Ary izy io dia mana_ petra
Ka anjaranao ny manaja azy
Anjaranao ny mankafy azy,
Ary mbola anjaranao koa ny mieritreritra ny asarobidiny.
R I R_31/07/20
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Telephone
Website
Address
Anosizato Andrefana
Antananarivo
101