26/11/2025
Fantantsika ve ny tena tantara marina ao ambadik'i Boney M, ilay groupe tena nalaza ary mbola malaza hatramin'izao amin'ny resaka disco ?
Vao maheno fotsiny hoe : Daddy Cool, Rasputin, Sunny sns dia efa azo sary an-tsaina avy hatrany ny endrika sy ny fihetsik'izy ireo. Saingy izao :
Vao resaka Boney M dia tadidio manomboka eto fa i Frank Farian izay no ao ambadika. Izy no namorona ny hira sy manao ny feon-dehilahy rehetra.
Allemand i Frank ary mpihira izy saingy tsy dia tena hoe nalaza be ny hirany. Nanandrana namoaka hira disco izy ary "Baby Do You Wanna Bump" no lohateny, hira nalainy tamin'ny hiran'i Prince Buster "AI Capone". Nataony hoe Boney M no anaran'ny groupe nihira azy tamin'ny taona 1974.
Tsy nampoiziny anefa fa tena lasa nalaza be tany Pays-Bas sy Belgique ny hirany ka nantsoin'ny mpamokatra izy mba hanao seho amin'ny fahitalavitra ny taona 1976. Voatery izy noho izany nitady olona mba ho aseho dia teo no nahitany an'i Liz Mitchell, Marcia Barrett, Maizie Williams sy Bobby Farrell.
Matetika rehefa hoe Boney M dia ao an-tsaina foana i Bobby Farell saingy tsy misy feony na ny iray aza anatin'ny hira rehetra fa feon'i Frank Farian daholo ireny ary tsy mitsatoka ny micro-ny rehefa manao fampisehoana.
Toy izany koa i Mazie Williams, endrika ivelan'ny groupe fotsiny ihany satria tsy nety tamin'ny Frank ny feony ka dia manao fihetsiky ny vava fotsiny ihany.
I Liz Mitchell sy Marcia Barrett no tena manana feony amin'ireny hira fantatsika ireny.
Na izany aza dia mbola mampihira sy mampifaly ny taranaka rehetra ankehitriny izany Boney M zany.
Efa maro indray no handihy amin'ny "Rivers of Babylon" atsy ho atsy.
ABONNEO NY PEJY MBA AHARAKA TANTARA TSY DIA FAHENO FIRY IANAO