12/07/2024
๐ฌ๏ธFanahy
Ny nofo mety ho vovoka
fitafy mety ho rovitra
ny bika mbola ho rava
mety hikombona ny vava
Ny vola mety ho lany
fahefana mandalo ihany
any indray andro any
hilaozana ny tany
Fa ilay fanahy
na ny anao, na ny ahy
na osa, na koa sahy
na vavy, na ny lahy
.tsy mba mety maty
na fanahy, tsara na ny ratsy
mbola handalo fitsarana
nanao ny tsara sa hadalana?
dia havahana eo ankavia
'reo olon-dratsy sy nania
avy eo hatsipy any amin'ny helo
indrisy mampalahelo
fa hitoetra eo an-kavanana
eo an'ilan'ilay Ray
ireo mahantra na ny manana
nanao ny tsara hatrizay
Dia hianoka hasambarana
tsy hanam-pitsaharana
tsy handre fagirifiriana
lavitry ny fijaliana
fa na ahoana na ahoana
na inona na inona ety
mandalo ihany, zava- poana
tsy hisy haharitra doria
koa fantaro ary anio
ny lalan- tsara no fidio
mizora aza miherikerika
sao ianao ho voasarika
maro ny fitaka etsy sy eroa
mitetika ny ambabo fo
'reo kely saina aloha dia VO'
RNn(2021)
10/07/2024
......filana.....mitsimpona mangataka
Tandremo lesy zanyโ๐ณ๏ธ
Mankasitraka NNarinirina Rakotonaivo
07/07/2024
.....tsy menatra akory
Manao ny tsy mety
Nefa re dia miseho hoe: ho mpivavaka voto-pinoana
Aiza akory ary hoe izay fanahy maha-olona anao (2*)
Tsy menatra akory
Mamonjy Fiangonana
Nefa manjolanjola sy olona be fialonana
Tsy menatra akory
Mampiseho ny foitra
Satria miseho hoe: olona afaka sady mivoatra
Misaotra Narinirina Rakotonaivo
Hira mifono hafatra mitondra anatra fa tsy natao hitondra fanafitohinana akory ๐๐ป๐
25/06/2024
..eo ianao dia mangina
sa mafy loatra ny tsindrin'
'lay sarin- tongotra ankavia
lazaina fa hoe bikan-dry ?
taona maro nifanesy
mba jero anefa iretsy
fahantrana mihavosa
hatramin' izao tsy afa-trosa
RNn
3 juin 2020
25/06/2024
fa na ahoana, na ahoana
.
tsy atakalo ny an'ny hafa
na tranobongo na falafa
manofa vary amin'ny sahafa
anjavidy atao kifafa
dinika sy tafatafa.๐ฎ
RNn
Ny Taniko tiko, arovako
-panahy tsy mety lany
25/06/2024
...f na ahoana, na ahoana
mbola tiko ,tiko foana
na ho ngazana sy faona
'zay rehetra manoloana
na ho kepaka sy noana
na ho faly, na hisaona
tsy atakalo ny an'ny hafa
na tranobongo na falafa
manofa vary amin'ny sahafa
anjavidy atao kifafa
dinika sy tafatafa.๐ฎ
TIAKO, lazaiko tsy mihafahafa
ny taniko tsy amidy
na tondra-tately na mangidy
na natolotra na nofinidy
tena tiko fa tsy didy
tsy terena fa safidy
hijoro aho hiridiridy๐
isan'ora, isa- minitra
dia hikorina fa tsy ho ritra
'lay ra maha malagasy
manentana ahy ato anaty
anio ka ho mandra-maty
tiko ianao ry gasikara
vonona aho hanoy tantara
satria ianao no efa anjara
lovain-janaka amam-para
koa na gasy na vazaha โ
ka miseho sahisahy
hanambany'zany taniko
..mijoroa hoe hotazaniko !
fa ataoko mahamay
tsy avelako raha tsy fay
ny ahy rehefa izay dia izay
RNn
Ny Taniko tiko, arovako
-panahy tsy mety lany
21/06/2024
๐ฒ๐ฌ๐ฒ๐ฌ๐ฒ๐ฌ
Madagasikara ๐ณ
Rahovina ianao ry Gasikara
vao tsy hiesona intsony ?
dokafana hoe nosy tsara
toy ny paradisa hono
jereo anefa ity manjo
efa ripaka avokoa
izay rehetra mba harena
mahantra ianao ry firenena
Eo ianao dia mangina
sa mafy loatra ny tsindrin'
'lay sarin- tongotra ankavia
lazaina fa hoe bikan-dry ?
taona maro nifanesy
mba jero anefa iretsy
fahantrana mihavosa
hatramin' izao tsy afa-trosa
Ripadripaka ny hazo
mby an-koditra ny tazo
tonga koa ny corona
fa dia nahoana kosa lahy?
ialako tsiny, azafady
sao nisy re nanotafady
ndao re mba ho jerena
ny hasin'ity firenena
Aoka ho any ny ady lah
hanararaotan' ny vazaha
isika ve dia kely saina
ka ho azo ambakaina?
koa alao hery ary
reseo aloha ny mosary
fa raha mbola kibo noana
dia hifotetaka eto foana
RNn
3 juin 2020
03/03/2024
๐
porofo fa tsy vazivazy
fomba iray ny mariazy .
Eo anatrehan'ny tany
sy ny Lanitra izany
porofo iray mibaribary
hita sady miharihary
fa izy ireo efa mpivady
tanteraka hatreo 'lay voady
ilay natao hoe mpifankatia
lasa mpivady ho doria.
Ny mariazy toy ny tady
efa mamatotra sahady
fa na inona zava-manjo
ho iray fa tsy roa
iray saina iray fo
Miara- misento,sy mifaly
Misy hasambarana sy jaly
Misy foana ny demony
Lay Ray anefa ao ambony
mitantana'lay tokantrano
mba tsy hidiran'angano
Masina io,tsy kilalao
ka tandrovy sy hajao
tsy azo soloina vaovao
rehefa io dia io ny anao
na matavy io,na mahia
ny tanjona dia ho doria
na ho mamy na mangidy
efa ianareo no nisafidy
na tabataba na fahanginana
na lala-miakatra na fidinana
na mora io na manahirana
na mahantra na manankarena
na laoka anana na hena
Zay nekena dia nekena.
Ny tanjona dia tsy hisaraka
''ilo mby andoha''tsy azo araraka.
RNn(2020)
03/03/2024
"TSY HOE"
Tsy vitan'ny vava mivoha
Dia ho tontosa izay hokasaina
fa mila mampiasa ati-doha
herim-batana sy herin-tsaina
Tsy nofinofy rehefa matory
Dia ahazoana izay maha-ory
Na tanana mitery kiho
No hanova izay tsy mety anio
Tsy hoe rehefa manana basy
Na mitondra famaky sy antsy
No hahazo ilay fandresena
ka hanova ity firenena
Tsy hoe manao "Amen"
Dia ho tanteraka izay notenenina
Na hoe voky hena sy vary
Dia ho salama, tsy mety marary
Tsy hoe rehefa be kiravaty
Dia ho velona tsy mety maty
Tsy izay mitsiky sy mihomehy
Na bikana sy tsara tarehy
Dia hahazo ilay fahasambarana
Na tompon'ilay fiadanana
Fa ny olona manam-panahy
Ireo izay mijoro sy sahy
Mikatsaka ny fahamarinana
Mikaroka sy misahirana
Mijery ny fiainam-bahoaka
No handresy sy hotafavoaka
RNn
01/03/2024
Tsy mety leo fa mbola tia
ilay foko ato anaty
Tsy mba tofoka satria
Mbola velona tsy maty
Mbola tia anao foana
Na efa maro aza ny taona
Niarahana hatrizay
Ianao no reny Neninay
Tsy mety adino fa tsaroana
Hifanohana eny foana
Vehivavy mahery fo
Azo antoka tokoa
Ilay tena mikarakara
Raha sendra ka tsy tsara tsara
Manoro izay mahasoa
Isan'andro vao mifoha
'Lay tsy sasatra miteny
Manoro,mananatra ombieny
Mampianatra ireo dimby sy fara
Mba ho tsara fihafara
Raha sendra misy olana
Dia i neny no atonina
Izahana izay atao
Neny o! tena tiako ianao
Koa araraotiko ry neny
Ny mbola fahavelomanao
Tsy misy ho adino ireny
Voatahiry anatiko ao
Koa dia matokia
Fa raha mbola misy koa ety
Masoandro mibalika
Dia mbola hiaraka isika
Izaho ho andry ianteherana
Hanoana ilay fahanterana
Ry Neny! ianao mahazo mahatoky
Fa hihinana, ho voky
Tena tsaroanay tokoa
Izany andro taloha
ianao tsy mba nety reraka
Nikarakara ireo nateraka
Tsy nanadino ny mivavaka
Nataonao toy ny firavaka
Koa misaotra re misaotra
Ry Neny Maminay loatra
- RNn(fetin' ny Reny 04-06-23)