Hanome kely ny hevitra manokana Anio, izay ho lazaina eto dia tsy midika akory hoe miaro an i Rakoto na olon-ndrabe , fa hilaza zavatra logique 🤷🏻♀️ hanome anatra .
👉🏽 Koa satria moa Andry Rajoelina efa ela teo aminy fitondrana , dia logique be raha maro dia maro ny olona manana sary niaraka taminy, maro ny olona nanaja azy sy nanome voninahitra azy aminy izay naha Filoha azy izay , logique !
Isika rehetra niaraka nitolona nanala azy teo, afaka izy iny , dia izay solony eo indray izao no hiaraka haka sary aminy olona maro , hifanerasera aminy maro , fa indrindra homena voninahitra sy Hajaina ihany koa.
❗️Ny tiana ambara dia hoe : na iza na iza eo , dia tsarao aminy Asa vitany , tsarao aminy zavatra hataony, fa aza tsaraina aminy endriny ivelany. ❗️
Éducation civique et morale Malagasy
Education civique et morale est conçue pour réeduquer les nouvelles génerations
Fety be da fety be 🎊🍾🥳🎉
Henoy ny hafatra ! Raiso ny anatra, tohizo ampahendrena ny tolona , Takio ny Zo fototra
26/09/2025
À Madagascar, la Gen Z se soulève contre les pénuries d’eau et d’électricité
➡️ https://l.jeuneafrique.com/oFX
24/09/2025
My passion ! 👍🏽 marina loatra 👍🏽
24/09/2025
✊🏽Mitsangana ry Tanora! ✊🏽 Mitsangana fa aza manana ahiahy !
🕰️Izao no andro sady Ora
✊🏽Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.
01/07/2025
Miarahaba o! 🙋🏻♀️🙋🏻♂️
Ny loahevitra anio dia ny lanja ny teny hoe „Tsia“ 🚫
✅Maro be ny azo ambara mikasika izany ka manasa anao hanome ny hevitrao sy hameno ny banga izay tsy ho voalaza eto avokoa.
✅Ny zavadehibe tiana ampitaina dia ny hoe , na lahy 🧍🏾na vavy🧍🏻♀️, na kely, na lehibe , na akizy🧒🏻 na ampy taona 👦🏻 , na mahantra na manankarena sns , rehefa milaza „ Tsia“, 🙅🏻♀️🙅🏻♂️dia avelao izy ary hajao ny heviny.
✅Na inona na inona toejavatra misy, na varotra , na ao anaty tokatrano, na finamanana, fifankatiavana, dia ajao ny hafa fa aza terena aminy zavatra tsy ekeny, na zavatra tsy mety aminy izy.
🚫Rehefa „ Tsia „ dia tsia. 🚫
Sahia manao „Tsia „ 🙅🏻♀️ eo aminy fiainana fa aza matikenamaso na mandefitra be loatra aminy zavatra tsy mety aminao.
👉🏽 Raha mbola misy tiana ambara ianao dia ampitao anaty Commentaire ny hafatrao , ary hataovy ampanajana izany.
Misaotra anao , Mirary soa ! 👍🏽 🌿
28/06/2025
Miarahaba Tompoko 🙋🏻♀️🙋🏾♂️
Anio dia hiresaka mikasika ny fahadiovan‘ ny manodidina ny tontolo misy anao isika. 🪴
🤗Ity hafatra ity no omena anao voalohany
☝🏽„ Ny Fahantrana dia tsy midika fahavoretrana „ ☝🏽
👉🏽Ny fahadiovana sy filaminan‘ny tontolo manodidina dia mampilamina ny saina, 🙂mampisokatra ny aty Fanahy 🧐ary manome hery. 💪🏽
👉🏽Rehefa madio sy milamina ny manodidina, na trano bongo, tsy misy vola aza, anjakany filaminana. Maro ny hihantra sy hanampy 🤲🏽mahita ilay fikirizana.
👉🏽Tsy voatery miandry ny hafa sy ny fanjakana vao madio ny manodidina fa ataovy madio ny tandrify anao , dia rehefa mahita izany ny hafa dia hanaraka anao sy hanadio ny tandrify azy ihany koa.
👉🏽Tsy mila harena be sy Vola be vao afaka manadio sy mandamina , fa kosa harena mipetraka ny fahadiovana !
☝🏽Ka dia raiso ny andraikitra , diovy ny manodidina anao !
🌿Ny fahantrana tsy midika fahavoretrana „ 💚
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Analamahitsy
Antananarivo
103
Opening Hours
| Monday | 09:00 - 17:00 |
| Tuesday | 09:00 - 17:00 |
| Wednesday | 09:00 - 17:00 |
| Thursday | 09:00 - 17:00 |
| Friday | 09:00 - 17:00 |