Auto École FIDY
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Auto École FIDY, Tanjombato/Andoharanofotsy/Ankorondrano, Antananarivo.
26/06/2025
Miarahaba antsika Malagasy rehetra nahatratra ny fetin'ny fahaleovantena 🥳
09/05/2025
TE HAHAZO PERMIS DE CONDUIRE? IRETO NY DINGANA ARAHINA!
Manana fiara sa mikasa hianatra hitondra? Ireto misy dingana 5 lehibe tokony harahina mba hahazoana taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara (Permis de conduire) eto Madagasikara:
1. Mianatra mamily fiara
Manomboka amin'ny fianarana eny amin’ny sekoly fianarana fiara.
Mizara roa ny fiofanana:
Teôria: fianarana ny lalànan'ny fifamoivoizana
Pratika: fianarana mitondra fiara miaraka amin'ny mpampiofana
2. Manala fanadinana
Rehefa vita ny fiofanana, dia manao fanadinana ara-teôria sy pratika .
Saram-panadinana:
10 000 Ar ho an'ny sokajy A, A', B
15 000 Ar ho an'ny sokajy C, D, E
3. Manao fotoana eny amin’ny CIM
Alaivo any amin’ny sekoly fianarana fiara ny taratasy manamarina ny fahavitana ny fanadinana. Iny no ahafahanao manao fangatahana permis eny amin’ny CIM.
4. Mametraka antontan-taratasy
Mitondra "chemise cartonnée" maitso sy antontan-taratasy ilaina, ary mandoa 38 000 Ar. Amin’io andro io ihany dia:
Maka sary
Mahazo taratasy vonjimaika
Hahafantatra ny daty ahafahana maka ny permis
5. Maka ny permis
Amin’ny andro voatondro dia mandeha any amin’ny CIM miaraka amin’ny taratasy vonjimaika sy CIN handraisana ny permis.
Source : https://torolalana.gov.mg/mg/services/obtenir-son-permis-de-conduire/
26/01/2025
Faly miharahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2025 indray izahay ato amin'ny Auto École Fidy🎊
Ary faly ihany koa misaotra anareo rehetra nanome fahatokisana anay hatrany nandritra izay 20taona nisianay izay.🤩
Dia tsy ho adino ihany koa ny mampatsiahy fa efa misokatra hatrany ny fisoratana anarana hoan'izay maniry hianatra hitondra fiara(na fiara vaventy) na ihany koa moto.Ny birao antsika dia eny amin'ny :
-Auto école Fidy Tanjombato, Tél: 0341159417
-Auto école Fidy Andoharanofotsy, Tél: 0331256495
-Auto école Safidy Anosy Avatra, Tél: 0381159417
Koa aza misalasala ary manantona ny birao raha maniry ny hianatra na ihany koa hiantso ny laharana tél raha mila fanazavana fanampiny.Azo atao ihany koa ny mandefa message eto amin'ny pejy raha misy fanontaniana manitikitika.
Mankasitraka antsika rehetra dia miandry anareo ampitiavana izahay tompoko.🙏
"Conduisez, Progressez, Réussissez"
Miarahaba tompoko,
Miverina misokatra ny birao sy ny fianarana manomboka amin'ny 06/01/2025
Misaotra tompoko.
30/08/2023
Miarahaba tompoko,
Tsy misokatra ny birao ary tsy misy fianarana katramin'ny 02/09/2023.
Miverina indray manomboka amin'ny 04/09/2023
Misaotra tompoko.
07/03/2023
Miarahaba antsika rehetra eto Anosy avaratra sy ny manodidina.
Efa misokatra ho antsika ny Auto école Safidy (AE Fidy) ka aza misalasala misoratra anarana .
Fisokafana ⏱:
-Alatsinainy - Zoma : 5ora30 maraina - 5 ora hariva
-Sabotsy : 7ora maraina -12ora folak'andro
Toerana 📌:
Anosy avaratra eo amin'ny sampanan'ny hopitaly .
Tel :
038 11 594 17
033 23 539 10
25/01/2022
Raha manam-pikasana ny hianatra hitondra fiarakodia ianao dia aza misalasala misoratra anarana ao amin'ny auto-école FIDY .
Fisokafana ⏱:
-Alatsinainy - Zoma : 5ora30 maraina - 5 ora hariva
-Sabotsy : 7ora maraina -12ora folak'andro
Toerana 📌:
-Tanjombato : afaka ny tetezana Ikopa, eo akaikin'ny Assurance Havana
-Andoharanofotsy : 200m ampitan'ny CSB 2 Andoharanofotsy
🚗🚗🚗
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Contact the school
Telephone
Website
Address
Tanjombato/Andoharanofotsy/Ankorondrano
Antananarivo
102
Opening Hours
| Monday | 05:30 - 17:00 |
| Tuesday | 05:30 - 17:00 |
| Wednesday | 05:30 - 17:00 |
| Thursday | 05:30 - 17:00 |
| Friday | 05:30 - 17:00 |
| Saturday | 07:00 - 12:00 |