Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa

Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny  Fanofanana arak'Asa ๐ŸŽ“ ๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ผ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธโ€™๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ho anโ€™ny rehetra
๐Ÿ’ก Fampivelarana ny ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ
๐Ÿ’ผ ๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Minisitera ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—น๐—ผ-๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐˜ƒ๐˜†

|20.08.2026|๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐Ž๐๐Ž๐‘๐Ž๐๐Ž๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐…๐ˆ๐€๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐€๐ˆ๐“๐’๐ŽNanatanteraka fanofanana sy fanentanana momba ny fomba fanao miaro ny...
20/08/2026

|20.08.2026|

๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐Ž๐๐Ž๐‘๐Ž๐๐Ž๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐…๐ˆ๐€๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐€๐ˆ๐“๐’๐Ž

Nanatanteraka fanofanana sy fanentanana momba ny fomba fanao miaro ny tontolo iainana ny Cellule d'Engagement Civique et Environnementale (CECE), niaraka taminโ€™ny CNFPPSH sy ny Fokontany Tsarahonenana.

Nandray anjara taminโ€™izany ireo mpianatra, mpanofana, mpitantana ary tomponโ€™andraikitra ao aminโ€™ny Fokontany. Nofaranana taminโ€™ny "Clean Walk" teo aminโ€™ny manodidina ny hetsika, ho fampiharana mivantana ny hafatra nampitaina.

Hetsika iray izay manamafy fa ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona dia tsy fahalalana ihany, fa mitaky fandraisana andraikitra sy fihetsika mivaingana ho fiarovana ny tontolo iainana.



ยฉ๏ธ METFP, Aogositra 2026

19/08/2026
|19.08.2026|๐Œ๐ˆ๐’๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐’๐Ž๐‘๐€๐“๐€๐๐€ ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐“๐’๐’๐๐•Te hanana fahaiza-manao aminโ€™ny angovo azo avy aminโ€™n...
19/08/2026

|19.08.2026|

๐Œ๐ˆ๐’๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐’๐Ž๐‘๐€๐“๐€๐๐€ ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐“๐’๐’๐๐•

Te hanana fahaiza-manao aminโ€™ny angovo azo avy aminโ€™ny masoandro ve ianao?

Misokatra ny fisoratana anarana ho anโ€™ny fiofanana Teknisianina momba ny Rafitra Angovo azo avy aminโ€™ny Masoandro (TSSPV), ho anโ€™ny tanora 18 ka hatraminโ€™ny 30 taona mahafeno ny fepetra takiana.

- Toerana : LTP Alarobia sy LTP Toliara
- Faharetana : 8 volana, maimaim-poana
- Saranโ€™ny fanadinana fidirana : 20 000 Ar
- Fisoratana anarana : hatraminโ€™ny 28 Aogositra 2026

Ny fiofanana dia tanterahina aminโ€™ny fiaraha-miasa aminโ€™ny IECD, FONDEM ary ANKA Madagascar , ao anatinโ€™ny tetikasa PHARE izay vatsianโ€™ny Governemanta Alemaina (BMZ).

Taratasy ilaina:
* Kopia CIN voamarina
* Kopia diplรดma na relevรฉ de notes
* Fanamarinam-ponenana

Fanazavana fanampiny
๐Ÿ“ž Antananarivo : 038 56 182 12
๐Ÿ“ž Toliara : 034 78 870 36



ยฉ๏ธ METFP, Aogositra 2026

|18.08.2026|Ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa izay tarihin'i ๐‘ซ๐’“ ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ด๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐’€ ๐‘ป๐’๐’…๐’Š๐’”๐’๐’‚ ๐‘ด...
18/08/2026

|18.08.2026|

Ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa izay tarihin'i ๐‘ซ๐’“ ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ด๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐’€ ๐‘ป๐’๐’…๐’Š๐’”๐’๐’‚ ๐‘ด๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‘๐’š sy ireo mpiara miasa aminy rehetra dia misaotra sy mankasitraka ireo mpiara-miombon'antoka rehetra nifanohana tamin'ny fanatontosana ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly na ny JNSS 2026, izay notanterahina tany Mahajanga.




ยฉ METFP, Aogositra 2026

|16.08.2026|๐Ÿ† ๐—๐—ก๐—ฆ๐—ฆ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ | ๐—™๐—”๐— ๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ข๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ฌNifarana taminโ€™ny fomba ofisialy androany 16 aogositra 2026 tao Mahajanga, ...
16/08/2026

|16.08.2026|

๐Ÿ† ๐—๐—ก๐—ฆ๐—ฆ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ | ๐—™๐—”๐— ๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ข๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ฌ

Nifarana taminโ€™ny fomba ofisialy androany 16 aogositra 2026 tao Mahajanga, ny lalao nasionaly ho anโ€™ny fanatanjahantena an-tsekoly (JNSS) 2026, nokarakarain'ny MEN, METFP ary MJS, izay nitondra ny lohahevitra ยซ Sรดma Mavaraka ยป.

Mpianatra maherinโ€™ny 4 000, avy aminโ€™ny Faritra 23, no nandray anjara taminโ€™izany. Taranja athlรฉtisme, football, basketball, handball ary handisport no no nifaninanana nandritra izany.

Teo aminโ€™ny taranja Football U17 :
- ๐Ÿฅ‡Atsinanana
- โ ๐ŸฅˆAlaotra Mangoro
- โ ๐Ÿฅ‰Melaky
Ary medaly volamena ๐Ÿฅ‡ iray teo amin'ny taranja athlรฉtisme (saut en longueur).

Namarana izany taminโ€™ny fomba ofisialy ny Minisitra roa tonta ny METFP, izay tarihinโ€™ny ๐‘ซ๐’“ ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ด๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐’€ ๐‘ป๐’๐’…๐’Š๐’”๐’๐’‚ ๐‘ด๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‘๐’š sy ny MEN, izay nanamarika ny maha-zava-dehibe ny fanatanjahantena aminโ€™ny fanabeazana sy ny fampivelarana ny tanora.

Marihina moa fa hitodika any aminโ€™ny faritra Atsimo Andrefana ny JNSS ho anโ€™ny taona 2027.

Ndao haneho fankasitrahana ireo mpilalao, tomponandraikitra ary mpikarakara rehetra nahatontosa izao JNSS 2026 izao.



ยฉ๏ธ METFP, Aogositra 2026

๐Ÿ†๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ JNSS2026 | FIZARANA MEDALY โ€“ ATLETISMA๐Ÿฅ‡ Nisantatra ny fizarร na medaly sy amboara ary mari-pankasitrahana taminโ€™ity J...
16/08/2026

๐Ÿ†๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ JNSS2026 | FIZARANA MEDALY โ€“ ATLETISMA

๐Ÿฅ‡ Nisantatra ny fizarร na medaly sy amboara ary mari-pankasitrahana taminโ€™ity JNSS2026, ity ireo mpilalao teo aminโ€™ny taranja atletisma.

โœ…๏ธSamy nanome ny tsara indrindra avy aminy ireo mpianatra rehetra, ary isanโ€™izany ireo ankizy manana toe-tena hafakely sy filana manokana.

๐Ÿฅ‡ Medaly volamena miisa 26 no nozaraina
ary 16 taminโ€™izany no azonโ€™ireo ankizy manana toe-tena hafakely sy filร na manokana.

โœ…๏ธIreo vokatra ireo dia maneho ny talentanโ€™ny ankizy rehetra tsy ankanavaka ao anatinโ€™ny tontolonโ€™ny fanatanjahantena, sy ny fanomezan-danja ny fampiatina.

๐ŸŽ‰Ndao hiarahaba azy ireo ao anaty fanehoan-kevitra!





ยฉ๏ธ METFP | Aogositra 2026

|15.08.2026|๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€: ๐‡๐€๐™๐€๐Š๐€๐™๐€๐Š๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐๐Š๐ˆ๐๐€Niara-nientana tamin-kafanam-po ny fianakaviambenโ€™ny METFP sy MEN...
15/08/2026

|15.08.2026|

๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€: ๐‡๐€๐™๐€๐Š๐€๐™๐€๐Š๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐๐Š๐ˆ๐๐€

Niara-nientana tamin-kafanam-po ny fianakaviambenโ€™ny METFP sy MEN taminโ€™ny alalanโ€™ny hazakazaka ho anโ€™ny firaisankina izay tafiditra ao anatinโ€™ny JNSS 2026.

Naneho ny firaisankina, ny fifankatiavana ary ny toe-tsaina tia fanatanjahantena eo aminโ€™ny sehatry ny fanabeazana ny rehetra nandritra izany.

Miara-mihazakazaka, miara-mientana, miara-mandroso!




ยฉ๏ธ METFP, Aogositra 2026

๐‰๐๐’๐’ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” | ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐…๐ˆ๐€๐‹๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐˜ : ๐๐ˆ๐€๐‘๐€-๐๐ˆ๐…๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐๐€๐Š๐€๐•๐ˆ๐€๐Œ๐๐„๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€Mahajanga | 14 Aogositra 2026Tsy asa ihanyโ€ฆ ...
15/08/2026

๐‰๐๐’๐’ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” | ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐…๐ˆ๐€๐‹๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐˜ : ๐๐ˆ๐€๐‘๐€-๐๐ˆ๐…๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐๐€๐Š๐€๐•๐ˆ๐€๐Œ๐๐„๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€

Mahajanga | 14 Aogositra 2026

Tsy asa ihanyโ€ฆ fa firaisankina, fifampizarana ary tsiky ihany koa!

Fiarahana feno hafaliana teo aminโ€™ny METFP sy ny MEN, ny fianakaviambenโ€™ny DRETFP sy ny DREN, ary ireo delegasiona maro avy aminโ€™ny faritra 23.

Fotoana iray nanamafisana ny firaisankina, ny fifandraisana ary ny fiaraha-mientana eo aminโ€™ireo mpisehatra aminโ€™ny fanabeazana.

Ekipa miray hina, fanabeazana mandroso!

|14.08.2026|๐…๐ˆ๐…๐€๐๐€๐Š๐€๐‹๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐‘๐Ž๐€๐๐€ ๐‹๐€๐‹๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€ ๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐Ž๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€Nihaona sy nifampizara traikefa ...
14/08/2026

|14.08.2026|

๐…๐ˆ๐…๐€๐๐€๐Š๐€๐‹๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐‘๐Ž๐€๐๐€ ๐‹๐€๐‹๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€ ๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐Ž๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€

Nihaona sy nifampizara traikefa taminโ€™ireo mpianatra ao aminโ€™ny ILC-SS (Institut des lettres, de civilisation et des sciences sociales) ao aminโ€™ny Oniversitenโ€™Ambondrona Mahajanga ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโ€™Asa, ๐‘ซ๐’“ ๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ๐‘ด๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐’€ ๐‘ป๐’๐’…๐’Š๐’”๐’๐’‚ ๐‘ด๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’‘๐’š, androany 14 aogositra 2026.

Nampitainy taminโ€™ny alalanโ€™ny traikefany manokana ireo lesona sy torohevitra ho anโ€™ny tanora, indrindra momba ny fananganana ny lalanโ€™ny fianarana sy ny hoavy arakโ€™asa.

Fotoana iray nanamafisana fa ny fikirizana, ny fahaiza-manao ary ny fahavononana no anisanโ€™ny fanalahidinโ€™ny fahombiazana.






ยฉ๏ธ METFP, Aogositra 2026

|14.08.2026|๐‹๐“๐ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€ : ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ยซ ๐‚๐Ž๐ˆ๐ ๐‰๐„๐”๐๐„๐’ ยปNotokanana tao aminโ€™ny LTP Mahajanga ny ยซ Coin Jeunes ยป, izay s...
14/08/2026

|14.08.2026|

๐‹๐“๐ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€ : ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ยซ ๐‚๐Ž๐ˆ๐ ๐‰๐„๐”๐๐„๐’ ยป

Notokanana tao aminโ€™ny LTP Mahajanga ny ยซ Coin Jeunes ยป, izay sehatra azo antoka sy misokatra ho anโ€™ny tanora, ahafahany mianatra, mivelatra, maneho ny talentany ary mandray andraikitra. Vokatry ny fiaraha-miasanโ€™ny METFP, UNFPA ary OIT.

Natao hanamafisana ny fanabeazana, ny fahaiza-miaina, ny fahalalana sy fiarovana ny zonโ€™ny tanora, ary hanatanterahina sahanasa ara-kolotoraly, ara-panatanjahatena ary ara-tsosialy izay hanamafisana ny fisorohana ny fitondrana vohoka aloha loatra sy ny herisetra mifototra aminโ€™ny maha-lahy na maha-vavy izany izay mifameno tanteraka amin'ny fampiofanana atolotra ireo tanora mba ahafahana mamolavola olom-pirenena vanona sy tompon'andraikitra.

ยซ Coin Jeunes ยป miisa 9 no efa napetraka, tanora 446 mahery no nofanina ho Jeunes Pairs ร‰ducateurs, niaraka taminโ€™ny mpanabe 121, ary tanora mpianatra 4 000 mahery no efa nahazo tombontsoa taminโ€™ireo hetsika fanentanana. Ny fampiasam-bola aminโ€™ny tanora dia fampiasam-bola aminโ€™ny hoavinโ€™i Madagasikara.

UNFPA Madagascar



ยฉ๏ธ METFP, Aogositra 2026

Address

Complexe Scolaire Ampefiloha, Antananarivo - Madagascar
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share