Education Civique et Morale

Education Civique et Morale

Share

Fampianarana ho olom-pirenena vanona sy olon'ny fiarahamonina

25/09/2025

‼️Inoana marina fa tsy ireo tanora mitaky ny zony no manimba sy mamotika ireny fanana iombonana ireny‼️
Matoky ny fahendren'ny tanora izahay eto amin'ny pejy.
Olona hafa natao hanakorontana izay manimba sy mamotika fananana iombonana.
Samia mitandrina, herezo ny dia.

25/09/2025

Zo fototra ho an'ny vahoaka ny jiro sy ny rano
Rariny ny fitakiana izany noho ny ataon'ny orinasa mpamokatra azy JIRAMA.
MITAKY IZAHAY, MIANGAVY IZAHAY.
TSY HANAPOTIKA FANANANA IOMBONANA IZAHAY.
Aza hodian-tsy hita ny fahorian'ny vahoaka manerana ny Nosy.

23/09/2025

-Tsy manana hery ho an'ny TANINDRAZANA intsony aho. Ampy izay..
-Tsy sambatra aho r'ise raha tsy avotra ny Tanindrazako. Ny fananako antoka amin'ny filaminan'izay ho taranako no fahasambarana ho ahy.
-Tanindrazana? Hoy Feno nitsiky tsy ravo. Ny ahy lesy very teny Ankatso ny faharisihako ho an'ny mpiarabelona amiko, tsy vonona ny hiady irery intsony aho. Nanao ange isika nitolona ho an'ny mpiaramianatra tao e! Mba hananana fitaovana sy rafimpampianarana mifanaraka amin'ny tokony ho izy. Kinanjo ny mpianatra namana mihitsy no efa mohaka sy manaiky izay hanaovana azy. Mihonona amin'ny kely sy tsy mendrika. Tanora mohaka, mpianatra malemy saina sy tsy manao jery lavitra. Tanora kanosa.
-Tsia zandry a! Hoy Tahiry nanapaka ny fitanisan'i Feno ny fahasimban'ny tanora andrandraina ho andry atsy ho atsy. Tsy tanora mohaka ireo fa tanora tsy mahalala akory ny ady atrehany. Ise izao tsy mba nanaiky nitolona ho an'ny vatsim-pianarana mihitsy fa tadidiko, fa izy ireo mailaka mihitsy vao izay no ady atao. Satria izay dia tombotsoa hita mivantana sy azo avy hatrany, sitrahana ankehitriny ary ho an'ny tenany no hiadivany azy fa tsy ho an'ny hafa. Ary izay indrindra ny lesoka. Raha mbola tsy ho an'ny mpiarabelona, ho an'ny ho avy sy ho an'ny Tanindrazana no hijoroan'ny tanora dia mbola tsy zaka hitolona velively izy.
-An'iza nefa no tsiny raha mohaka tahaka izany ny tanora eny amin'ny anjerimanontolo? Hoy indray Feno niziriziry tamin'ny heviny.
-Hahitsiko kely ise. Ny tanora mihitsy no tsy mahalala izay anjara andraikiny fa tsy ny eny amin'ny anjerimanontolo. ''Tanora tsy nozarina handray andrikitra intsony ireo, tanora nampiraisina latabatra tamin-jaza rehefa fivoriam-pianakaviana''. Tanora tsy noresahana politika, tsy noresahana raharaham-pirenena, novokisan'ireo haino vaky jery zavatra tsy mikolokolo ny sainy ho an'ny fitiavan-tanindrazana sy ireo iray firenena aminy, tanora nokenakenain'ny Ray aman-dReniny, tsy nalefa na handray anjara amin'ny fanadiovan'ny fokotany isam-bolana akory aza. Aleon'izy ireo manefa sazy toa izay hampianatra ny zanany hitia ny tombotsoa hiraisana.
-Noho izany dia mohaka ny tanora?
-Noho izany dia tsy mahatsapa tena ho tompon'andraikitra izy ireo.
-Ary inona no mahatonga ireo mpianatra eny Vontovorona sy Barika dimy sahy kokoa? Mijoro kokoa. Hoy indray i Feno nanomboka nifantoka.
-Maditra kokoa hoy ny mpaneho hevitra. Hitan'ise amin'izany fa nolokoina ho ditra mihitsy ny fahasahiana mijoro ho an'ny tombotsoa hiombonana. Raha ny fomba fijeriko indray dia noho izy ireo monina eny avokoa. Izany hoe tontolony mihitsy eny fa tsy toeram-pianarana fotsiny. Misy fahasarotampiaro voleny izay fahatsapana ho tompony izay. Ka raha misy manelingelina ny firindran'ilay firenena kely eny dia mirehitra ny fanoherana.
-Izany hoe raha vita mitaiza indray ny tanora hahatsapa fahasarotampiaro ho an'ny Firenena dia mijoro izy ireo?
-Eny, tezaina hahatsapa ho tompony izy aloha, amin'izay mahare marary raha viraviraina ny tanindrazany.
Zara Ainga

19/08/2025

‼️AZAFADY O‼️
Eh, 🫵 ianao ve manao azafady rehefa mandalo olona maro eny an-dalana? Na rehefa hialoha olon-dehibe noho ianao? 🤔

30/04/2024

Miarahaba o👋
Tena efa ela isika tsy nihaona teto😊
Mbola manaja ity ve isika amin'izao? 🤔
"Aza mitsako alohan'ny vazana"

06/09/2023

Miarahaba e 👋
Ho fampianarana ny zanatsika amin'izao taom-pianarana vaovao izao e🙏
Mirary soa ho an'ny zanatsika

17/05/2023

Mahafinaritra izao raha manao toy izao avokoa isika rehetra🥰
Madio ny tanàna, ho voaaro ihany koa ny tontolo iainana❤️
Andao hifanenatana ary e😊😉

Photos from Education Civique et Morale's post 28/02/2023

ɴʏ ʀᴀɪᴍ-ᴘɪᴀɴᴀᴋᴀᴠɪᴀɴᴀ

Miarahaba ô,
Idreo misy andraikitra vitsivitsy izay tokony tanterahan'ny ray eo amin'ny ankohonana misy azy.
Inoanay fa mbola manana hevitra hafa ihany koa ianao ☺️ izany e? 😁 Zareo amin'ny taria ary izany ho fifampizarantsika.

24/02/2023

Miarahaba ô😊
Anisan'ny fandaharam-pampianaran'ny kilasy faha6 ny momba ny Ankohonana sy fianakaviana tamin'ny taranja mbola nianarana.

Araka ny hevitrao, mbola mahasoa ve raha ifampizara eto isika?
Inona no andraikitry ny tsirairay?
Inona no fifanampiana tokona atao?
Ny fifanajana eo anivon'izany ankohonana izany ihany koa.

21/02/2023

‼️Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin-doza‼️

Ireo tokony ataontsika mialoha iatrehana ny rivo-doza :
☑️ Amafisina amin'ny fasika anaty gony ny tafontrano
☑️ Amafisina ny idin-trano : varavarambe sy varavaran-kely
☑️ Tapahina ny hazo mety hampidi-doza
☑️ Teherizina amin'ny toerana azo antoka ireo taratasy sarobidy : kopia, karapanondro, bokim-pianakaviana, sns.
☑️ Atao akaiky ny tena ny fanafody fitaiza
☑️ Raha azo atao dia mivatsy fanilo.

Lazao eo amin'ny taria izay tokony mbola hifampizarantsika.
Mirary soa ☺️

03/02/2023

Miarahaba ô😊
Efa elaela isika tsy nihaona indray
Iresaka momba ny ho fihetsika ataontsika eny an-dalana ihany aloha isika anio.🚶
Andao ary mba samy amaly indray e😉 (asiana fanazavana kely ny valin-teny😁)
1. Avy aiza no tokony hisy antsika mpandeha tongotra manoloana ny fiara? (Manatrika sa miamboho)🚙🚶
2. Raha tery ny lalana natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra, iza no tokony ilatsaka kely aty amin'ny arabe? Izay manatrika ny fiara sa izay miamboho fiara?🤔

Mirary soa ho antsika rehetra e! 😊
Amin'ny erinandro omena antsika ny fanazavana fa andeha aloha samy hamaly e😁😉

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo
101