21/08/2026
Institut National de Santé Publique et Communautaire - INSPC
Institut de recherche à Antananarivo
21/08/2026
21/08/2026
‼️ FAMPITAM-BAOVAO ‼️
ANTANANARIVO NY 20 AOGOSITRA 2026.
Minisiteran'ny Fahasalamam-Bahoaka
📌FANEMORANA NY FIHAONAM-BE NY MPIASAN'NY FAHASALAMANA REHETRA SY NY 3FB ANY VATOMANDRY.
👉Araky ny tapaka tao amny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 19 aogositra 2026 dia hotanterahina any Manakara ny fifaninanana ara- panatanjahatena iraisan'ny mpiasam-panjakana rehetra mivondrona ao anaty "ASIEF" ny 25 aogositra ka hatramny 05 septambre 2026.
‼️Noho izany antony izany, dia tsy tokony hisy hetsika ara-panatanjahatena hokarakaraina mandritran'nio fotoana io.
🚨Koa raisina ny fanapahan-kevitra fa voatery ahemotra mandritran'ny fialantsasatra kely (vacance de Toussaint) ny volana novambra 2026 ny fihaonam-be ny mpiasan'ny fahasalamana any Vatomandry.
📢Apetraka eo amin'ny Birao mpitantana ny 3FB hatrany ny fikarakarana izany fanemorana izany mba ho tontosa soamatsara io FIHAONAM-BE any Vatomandry io.
🙏Koa apetraka ny fialantsiny noho ity fanapahe-kevitra noraisin'ny Minisitera ity, ny amin'ny mety ho fanelingelenana rehetra amn'izay fikarakarana efa vita hatram'izay.
NY SEKRETERA JENERALY
Dr. RANDRIANAMBININA EPHRAÏM STEPHANSON
19/08/2026
MAHAJANGA : MIFANOHANA AMIN'NY ADY AMIN’NY MPOX!
🔥 19–24 AOGOSITRA 2026 | HETSIKA MANOKANA HANAMAFISANA NY FIAROVANA AMIN’NY MPOX ATAON'NY MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY IOM Madagascar & Comoros
📍 Mahajanga, toerana nahitana ny fiandohan’ny tranga Mpox teto Madagasikara, no hanatanterahana hetsika goavana hanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana eny amin’ireo toerana be fivezivezen’ny olona.
💉 Avy ao Mahajanga ny ady, ka andao hiara-hamita azy ao Mahajanga!
Anisan’ny paikady lehibe amin’izany ny fanaovana vaksiny hiarovana amin’ny Mpox, miaraka amin’ny fitiliana VIH sy fanentanana ara-pahasalamana.
Hifantoka amin’ireo toerana stratejika ireto ny hetsika :
👉🏼19–20 Aogositra : Port International sy Quai Orange.
👉🏼21 Aogositra : Aéroport Amborovy sy Parkage Aranta
👉🏼22 Aogositra : Parkage Aranta.
👉🏼24 Aogositra : Croisement Anjiajia
👌Satria toerana ifamezivezen’ny olona miditra sy mivoaka ny Faritra ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina dia ilaina noho izany ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fanaraha-maso.
🤝 Ny fiarovana amin’ny Mpox dia andraikitsika rehetra koa andao hanao vaksiny hiarovana ny tenanao sy hiarovanao ny mpiara-belona.
🎯Izao hetsika ara-pahasalamana izao dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OIM Madagascar.
📸 OIM.
💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the school
Website
Address
Antananarivo
101
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 16:00 |
| Tuesday | 08:00 - 16:00 |
| Wednesday | 08:00 - 16:00 |
| Thursday | 08:00 - 16:00 |
| Friday | 08:00 - 16:00 |