📢Tongava manefa ny adidy📢
📌Aza adino mitondra "carte d'étudiant(e)" sy taratasy manamarina fa avy any Bongolava : Karampanondro na Relevé de note BACC na Kopia na Résidence
👉 Bureau de vote : FAST FOOD Ankatso2 akaikin'ny Cité R+3 Rose
JET Avenir de Bongolava Officiel
Fikambanan'ny mpianatra avy any @ faritra Bongolava. Bongolava Miray!�
12/04/2025
👉Date: Alahady 13 Avril 2025
👉Toerana: Ex FAST FOOD Ankatso2 (akaikin'ny Cité Rose R+3)
👉0ra: manomboka @7 ora maraina atr@ 4ora hariva
❌ Raha tsy natao tany Bongolava ny karam-panondronao izay vao mitondra ilay taratasy fanamarinana fa avy any Bongolava ianao❌
Tapitra omaly tamin'ny 12 ora alina ny "PROPAGANDE" ary miditra amin'ny Andro "FAHANGINANA" isika anio
11/04/2025
Miarahaba antsika rehetra🙏
👉TSILAVINA HARILALA no anarako.
👉Candidat N°1
Manana faniriana lehibe hampandroso ny Fikambanana "JET Avenir de Bongolava" ny tenako manoloana ireo traikefa nanànako t@ireo Fikambanana izay efa notantanako.
➡ Ny paikady entiko mampiroborobo ny Fikambanana moa dia: Mifototra tanteraka amin'ny ireo Zanam-pikambanana (sous associations) misy any amin'ny Faritra Bongolava.
1️⃣ Ny Zanam-pikambana no mahafantatra bebe kokoa ny mpianatra avy any aminy, amin'ny lafiny rehetra (ny fiainan'ny mpianatra, ny filière, ny tokony hisitraka trano, ny fahaiza-manaon'ny mpianatra ...)
2️⃣ Foana hatreo ny kitranoantrano rehefa omena lanja ny Zanam-pikambanana satria hipaka hatrany hifotony (isaky ny commune) ny lazan'ny Fikambanana (Guide d'orientation, voyage organisé, Encadrement, Culture et Sport,...) .
3️⃣ Ny fampidinana ambany dia ambany ny saran'ny fidirana ho mpikambana rahateo dia hampitombo sesilany ny mpikambana ary hampiroborobo ny fikambanana. An'arivony ny mpianatra avy any Bongolava mandrato fianarana aty Antananarivo, ary ilaina tafiditra mpikambana JET ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka, mba hampiroborobo ny Fikambanana.
➡ Hotohizako ny tsara rehetra efa nisy teo aloha. Ary hanampy paikady sy zava-baovao betsaka isika hitondràna ambony ny Fikambanana (ao ambany ny Programme)
➡ Ary farany, ny tenako dia misokatra ho an'ny olona rehetra, misokatra amin'ny fiaraha-miasa rehetra. Koa aza misalasala mantona ahy raha mbola misy hetaheta tinao hanatsarana ny Fikambanan-tsika🙏
Koa tongava manefa adidy amin'ny Alahady 13 Avril ny fotoanan'tsika ao +3 Rose🗳.
👉Fidio:
№1
😊🙏
11/04/2025
Izaho RANDRIANARISON FANOMEZANTSOA Landry.
Dia nanapa-kevitra ny hilatsaka indray satria mino fa Mbola misy asa mana-danja tsy vita ary te hanohy ny ezaka efa natombokay mba hanatratrarana ny tanjona napetraka.
Nandritra ny fotoam-piasako teo aloha dia nahazo traikefa sy fahaizamanao sarobidy aho izay mino fa ilain'ny fikambanana amin'izao fotoana izao.
Andao ary tohizantsika ireo ezaka tsara efa vita ka manasa antsika hifidy ny laharana faha 2.✌️
Mipetraka ho mpitarika mendrika aho ary mahatsapa fa tsy toeram-boninahitra ny maha filoha fa toerana mitaky andraikitra, ary hiantoka fa ny tombotsoan'ny mpikambana no voalohany hatrany.
Tongava daholo ary manefa ny adidy.
Toerana cité rose Ankatso 2.
Manomboka amin'ny 07 ora Maraina atramin'ny 04 Ora ariva.
Ireo amin'ny sary ireo ny asa nolazaina tamin'ny 2022 ary vita avokoa.
Eo amin'ny Commentaire kosa ny projet vavao 2025-2027.👇👇👇
Ampahafantarina isika fa manana anjara "publication" iray avy, eto @ pejy ny candidat tsirairay.!!
10/04/2025
Ireto kosa indray ny liste hoan'ny "Bureau de vote" VONTOVORONA
Manomboka amin'ny 12h30 ora atoandro hatramin'ny 14h00
10/04/2025
👉Liste hoan'ny "Bureau de vote ANKATSO"
Indro ny listr'ireo afaka mifidy izay ho Filohan'ny fikambanana Jet Avenir de Bongolava amin'ny Alahady faha 13 Aprily 2025 ho avy izao,
Manomboka amin'ny 7 Ora maraina hatramin'ny 4 Ora hariva.
❌Fanamarihana: ireo misoratra anaty boky mena sy Tonga namaly ny antso tamin'ny fisokafan'ny lisitra no voarakitra ao.
Antotataratasy hoentina rehefa hifidy:
👉Taratasy manamarina fa mpianatra (carte d'etudiants, accusé de réception, certificat de scolarité)
👉Karapanondrom-pirenena
👉Taratasy manamarina fa avy any Bongolava ianao raha toa ka tsy natao tany ny karapanondro: Relevé de note na Fanamarinam-ponenana (certificat de résidence), na kopia nahaterahana
📢Tongava mandefa ny adidinao📢🥰
06/04/2025
📢Aza adino ilay "Débat" avy eo aaa!
👉à 14h, salle d'étude 1ère étage (Cité R+3 Rose Ankatso2)
📢Salama daholo nama aaa🙋
Hisy ny famelabelaran-kevitra izay hiarahana amin'ireo "candidats" hilatsaka ho filoha ny fikambanana ka hanasana antsika rehetra hiaino izany ary fotoana afaka hametrahanareo izay fanontanina manitikitika rehetra
Koa asaina isika rehetra avy any amin'ny faritra Bongolava hanatrika ny:
📌Débat📌
👉 Alahady 06 Avril 2025,
👉à 14h
👉 Cité R+3 Rose Ankatso2 (Salle d'étude 1ère étage)
Amboary ary ny fandaharam-potoananao ee🗒️
Hilazao ny namana rehetra 📢
02/04/2025
📢Salama daholo nama aaa🙋
Hisy ny famelabelaran-kevitra izay hiarahana amin'ireo "candidats" hilatsaka ho filoha ny fikambanana ka hanasana antsika rehetra hiaino izany ary fotoana afaka hametrahanareo izay fanontanina manitikitika rehetra
Koa asaina isika rehetra avy any amin'ny faritra Bongolava hanatrika ny:
📌Débat📌
👉 Alahady 06 Avril 2025,
👉à 14h
👉 Cité R+3 Rose Ankatso2 (Salle d'étude 1ère étage)
Amboary ary ny fandaharam-potoananao ee🗒️
Hilazao ny namana rehetra 📢
30/03/2025
📢📢📢Aiza daholo ôoooo.....
Ambara amin'ny fomba ofisialy fa misokatra ny fampielezan-kevitra, izay atao anaty fanarahana ny lalàna tanteraka.
Miisa roa (2) ny kandidà nanatitra ny antontan-taratasy sy nahafeno ny fepetra ho filatsahan-kofidiana izay atao ny 13 Avril 2025 hoavy izao😊:
👉Candidat numéro 1: TSILAVINIAINA Harilala Zotsahivina
👉Candidat numéro 2 :
RANDRIANARISON FANOMEZANTSOA Landry
📢📢📢Ambara amin'ny fomba ofisialy (00:00)fa tapitra ny "dépôt de candidature", ka hampafatarina androany aorian'ny atsapaka izay ho ataon'izy ireo ny laharana izay ho entiny mandritra ny "propagande sy élection".
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the school
Telephone
Website
Address
Ankatso
Antananarivo
101