04/12/2024
FINTINA LESONA
***FINTINA LESONA filĂŽzĂŽfia HO AN'NY SOKAJY RHETRA
Ara-piforonan-teny ny filĂŽzĂŽfia dia avy aminâny teny grika hoe : PHILOS sy SOPHIA izay midika hoe fitiavana sy fikarohana fahendrena. Ny teny hoe fitiavana dia midika hoe faniriana, tsy fananana; izay mitaky fikatsahana hatrany. Araka izany ny filĂŽzĂŽfia dia faritana ho toy ny hoe fikatsahana mitohy ny fahendrena.
Araka ny hevitry Descartes « ny fahendrena dia tsy fahamalinana fotsiny fa indrindra ihany koa fahafantarana tsara izay tokony ho fantatra » Ny filÎzÎfia dia faritana ho fomba hoenti-mihetsika hanatsrana ny fiainana mba hampisy dikany izany
Ny filĂŽzĂŽfia aminâny ankapobeany
Mampametra-panontaniana maro tokoa ny fisianâny filĂŽzĂŽfia, hoe maninona izy no misy ary atao inona izy ? Tsy hita aminâireo sehatra hafa ireo fanontaniana ireo noho ny vokatra sy ny antom-pisiany tena hita mivantana tokoa sy tsy azo ialana ( mĂ©decine, ireo teknikaâŠ). Izany hoe tsy afaka ny tsy hihinan-kanina isika fa kosa afaka tsy manao filĂŽzĂŽfia. Raha jerena aminâny ankapobeany tokoa dia toa tsy dia misy hilĂ na azy loatra izy satria tsy hita mivantana eo aminâny fiainana. Tsy azo atao anefa ny mirona be loatra any aminâizany fisainana izany satria tsy vitanâny filĂ na ara-batana ihany fotsiny no ny fiainanâny olombelona fa eo ihany koa ny ara-tsaina izay mapihavaka azy aminâny biby. Ny saina izany no tena iavahantsika olombelona aminâny biby.
Ny filĂŽzĂŽfia dia filĂ na ara-tsaina
Ny filĂŽzĂŽfia dia nofaritana hoe fitiavana sy fikarohana fahendrena. Inona ary no maha zava-dehibe izany fahendrena izany? Tsy ho azo aloha io fahendrena io raha tsy mifototra mankany aminâny fahalalana ny saintsika. Izay no mahatonga ny filĂŽzĂŽfia ho asa famoronanâny saina mba hampirindrana ny fiarahamonina taminâny alalanâireo hevi-baovao izay natolony: ahoana no ahafahana miara-miaina tsaratsara kokoa? Tsy nijanona tao aminâireo hevitra voavolavolanâny saina ihany anefa izy fa niezaka hifandray mivantana taminâireo tontolo ivelany, izany hoe mifototra tanteraka aminâny momba ny olombelona sy ny hetsika ataony.
Ny figagana : ho anâny biby manokana dia tsy hita eo aminy mihitsy izany figagana izany noho ny sainy tsy natokana aminâizany ; fantany fotsiny hoe ity no mety na ity no ratsy aminy ; tsy manana fahefana hikaroka ny anton-javatra iray izy. Ho anâny olona kosa anefa dia ny zava-drehetra dia mahavariana azy daholo, ka izany indrindra no antony iray nanosika azy hirona any aminâny fanaovana filĂŽzĂŽfia ; mitombo hatrany ireo fanontaniana apetrany ka miezaky ny mamantatra hatrany ny antom-pisianâireo zavatra hitany izy fa tsy mijanona fotsiny aminâizany figagana izany ka nahatonga azy hametraka ilay fanontaniana hoe : ahoana no niavianâizao tontolo izao ? Raha tsorina izany dia noho ireo antony ireo no nitondra azy any aminâny fahalalana. Manentana ny olona ho tonga saina aminâny tsy fahampianâny fahalalana entina miatrika ny zava-misy rehetra ny filĂŽzĂŽfia. Ny mila apetraka tsara anefa dia ny hoe : tsy ireo izay migaga rehetra akory no antsoina hoe filĂŽzĂŽfa, satria misy tokoa ireo olona izay mionona fotsiny aminâny fiheverana azony ary dia mamariparitra aminâny akapobeny ireo zavatra hitany aminâny alalanâizany fotsiny fa tsy nihezaka ny hamantatra hatrany ifotony.
Ireo loza ateraky ny fiheverana, fahazarana, finoana : (olana ateraky ny tsy fanĂ nana toe-tsaina filĂŽzĂŽfika)
Izy io no tena manimba ny fomba fisainana, mamariparitra ivelany fotsiny no hany ataony sy manaraka am-bokony izay tsapa sy heno. Io fisainana io no mila ialana voalohany raha te hanao filĂŽzĂŽfia. Ny fiheverana mantsy dia tsy vokatry ny asanâny saina akory fa vokatry ny fahakamoana misaina ; ny olona mirona ao aminâizany dia sady diso fahalalana no sady tsy mahalala akory fa ny tenany dia milona ao amina fiheveran-diso. Mbola mampidi-doza lavitra noho ny fahadisoana sy ny habadoana izy io noho izy mitondra any amina fahatokian-tena be loatra izay manakana ny saina tsy hiasa intsony ka mahatonga ny olona izay manana azy hitsara ivelany ihany ( na izany noho ireo fiheveranâny maro izay noraisina fa tena marina, na koa azo avy aminâny fihetsem-po). Ohatra azo raisina aminâizany ireo fanavakavaham-bolokoditra, fahatahorana ny hafaâŠ). Izany dia mety ho azo avy aminâireo fanabeazana, finoana isankarazany izay miankina amina tanĂ na iray na firenena iray, eo ihany koa ireo fivoharana maro, anisanâizany ny siansa ; manampy trotraka ihany koa anefa ireo fomba fisainana izay handrindrana ny fihetsika, sy ny ara-pĂŽlitika. Ireo rehetra ireo dia fiheverana na koa fironana izay tsy nandalo fandalinana sy famakafakana akory fa tonga dia nekena ary nentina handrindrana ny fisainana sy ny fihetsika ; raha tsorina izany dia hoe, ny fiheverana dia fandavana tanteraka ny asanâny saina.
(Bertrand Russell, ProblĂšmes de philosophie) Misy fampitahana ataonâi Russel ao aminâio boky io : eo ireo izay tsy manao filĂŽzĂŽfia izay miaina ao anatinâny « fangejana », tsy dia misy mahagaga aloha eto satria anisanâny anto-pisianâny filĂŽzĂŽfia ny fanafahany ireo olona ao aminâizany, fa mila fantarina kosa hoe inona marina moa ireo mangeja ny olona. Asongadiny tsara izany ka ilazany hoe ireo olona tsy manao filĂŽzĂŽfia dia tsy mba manome lanja ny fisalasalana ary dia miaina ao anatinâny finoana fotsiny. Misy ireo finoana izay ilaina ; ao koa anefa ireo izay miankina tanteraka aminâny fiarahamonina sy ny fomba izay nahazatra azy ; ary farany dia ireo finoana eo aminâny tsirairay : ny finoana izay ao aminy dia noho filĂ na ny hino fotsiny satria izy io no manampy azy hiaina. Eo aminâizany no ahitana fa tsy misy fisainana avy aminâny tena manokana fa manaraka ambokony ihany fotsiny ny fisainanâny hafa : mino izay hinoanâny hafa izy ; ary dia minkina tanteraka aminâny fiarahamonina izay misy azy izany finoana izany. Etsy ankilanâizay ihany koa anefa dia tsy ahitana fahavononana hampiasa ny saina mihitsy ao aminâireo olona ireo ka lasa andevozinâny hafa no sady manandevo ny tenany satria voafehinâny fietsem-pony. Misy karazanâolona izany dia tena voagezanâny heviny tanteraka noho ny tsy fahaizana mampiasa ny saina. Tsy izany ihany anefa fa eo ihany koa ny tsy fahaizana mametram-panontaniana ka zary mionona amina zavatra « tsy nekenâny saina akory », vokatrâizany dia mahatsiaro tena ho milamina tanteraka izy ireo ao aminâio tontolo izay nahazatra azy ireo io inona intsony moa no tokony hametrahany fanontaniana isaky ny mietsika izao
Mila manao filĂŽzĂŽfia mba ho afaka
Ilaina ary ve ny miala aminâio finoana izay manakana ny tsy fiasany saina araka ny tokony ho izy io. Marihina mialoha fa manana toetra mampiavaka azy ny fisalasalana, tsy inona izany fa ny fanafahana ; raha toa ka « mamakivaky ny fiainany gejainâny hevitra an-tendrony » ireo olona sasany, ireo filĂŽzĂŽfa kosa aminâny fampanjakana ny fisalasalana dia afaka miala aminâireo « fangejanâny fahazarana ». Hazavainâny Russel hatrany izany ka ilazany hoe tena mangeja tokoa izy io noho ilay saina lasa miha zatra tsikelikely ny fiverimberenana toe-draharaha iray. Lavinâireo filĂŽzĂŽfa avy hatrany anefa izany, mirona hatrany any aminâny famakafakana sy fikarohana no ataony mba hialany aminâny fandravonana maika loatra. Araka izany ary dia tsy tokony hionona fotsiny aminâny tranga mivantana satria mety hafa mihitsy ny endrika na koa ny hevitrâizy io. Ireo filĂŽzĂŽfa dia manana ilay toe-tsaina mahay manakatra io hevitra ambadika io. Ny tanjan-tsainy no ahafahany mamotika hatrany ifotony ireo fiheverana mirona mankany aminâny dogmatisma izay hiainanâireo olona tsy nandalo akory ilay fisalasalana mpanafaka ; manentana antsika aminâny « fampijereny ireo zava-misy mahazatra aminâny endriny vaovao » ihany koa anefa izy. Izany no miseho dia mba hisokafany any aminâny fifanankalozan-kevitra izay miainga aminâny fametraham-panontaniana ireo fiheverana iraisanâny maro sy ny hamerenana mandinika ny tontolo
Voagejanâny heviny ireo milona ao amina fiheverana diso, tsy mahaleo tena ara-tsaina manokana, noho izany ny atao hoe manao filĂŽzĂŽfia dia ny fihezahana miala aminâio fiankinan-doha aminâny fiheverana diso io. Ny tena isanâny lanjanâny filĂŽzĂŽfia dia ny fianarana mampiasa ny sainanâny tena manokana ary koa ny tsy fahatokian-tena be loatra. Manentana ny tsirairay izy mba tsy hilona amina fahalalana narafitra vonjimaika na koa ny fiezahana mitady ny marina samirery. Ny fahaizana mametra-panontaniana dia isanâny fomba iray ahafahana miala aminâireo fangejana voalaza ireo. Ny filĂŽzĂŽfia izay azo lazaina fa fanazarana ny fahafahanâny saina dia manosika antsika any aminâny fikarohana fomba fitondran-tena sy fisainana vaovao. Ny fironana any aminâny fampiasan-tsaina samirery ve dia midika hoe mahaleo tena aminâny fisainana sy izay fahalalana vokarina ? Tsy isika irery akory no nandinika ireo zava-misy efa nisy ireo madinika talohantsika, manome antsika zava-baovao hieritreretana hatrany ireo filĂŽzĂŽfa, mila mahay misaina sy mampiasa izany manokana raha toa ka misy zavatra hampiasana azy ; ny vokam-pikarohanâireo filĂŽzĂŽfa no sehatra tokony hiandohanâny asa fikarohana ara-tsaina, izy ireo no nahatonga antsika hanana fisainana malalaka kokoa hatreto. Inona marina ary moa no sehatra iasanâny filĂŽzĂŽfia ? Ifantohany daholo ny rehetra : pĂŽlitika, fisainana⊠kanefa azo fintinina amina fanontaniana telo izany manao hoe : inona no zavatra mety ho fantatro ? Inona no tokony ho ataoko ? Inona no azoko antenaina ?
TANJONâNY FILĂZĂFIA
Ho anâny olona sasany dia tsy misy hilany akory ny filĂŽzĂŽfia noho izy tsy tena mamaha olana mivantana eo aminâny fiainana fa toa mametraka olana lalandava no ataony. Misy mametraka ihany koa fa hanamarinany ny antom-pisiany fotsiny no antonâireo fikarohana izay ataony. Karl Jaspers dia milaza hoe : « ny tena marina, ny filĂŽzĂŽfia dia tsy afaka hitanisa amintsika na dia antony iray monja aza mikasika ny antom-pisiany, sy ny antony hanaovana azy ; ny azony atao dia ny manambara amintsika ireo hery izay manosika antsika hanao filĂŽzĂŽfia ». Ankoatra ireo tanjona efa mahazatra dia isanâny tanjona hanentananâny filĂŽzĂŽfia antsika ny mba « hahaizantsika » « mampiasa ny saintsika » araka ny tokony ho izy manoloana ireo : fiheverana mahazatra izay raisintsika ho tena marina noho ny hakamoana manadihady sy mamakafaka ; eo ihany koa ireo fitsarana ivelany izay mety hanimba sy hanalavitra antsika ny marina ; manentana antsika ihany ko aizy mba tsy « hino » avy hatrany foana fa mba hametraka fisalasalana sy hitsikera ary hanaraka ireo fepetra napetraky ny filĂŽzĂŽfia. HANALA ANTSIKA AO AMINâNY HABADOANA NO ISANâNY TANJONA TENA HIFOTORANY
TOE-TSAINA FILĂZĂFIKA
Izy io dia toe-tsaina takiana aminâireo izay hanao filĂŽzĂŽfia. Takiana aminâizany ihany koa ny fahaizana mandalina ny misy aminâny fomba lalindalinakokoa fa tsy aminâny endrika ivelany fotsiny.
Saina mazoto mikaroka :
Ny toe-tsaina filĂŽzĂŽfika dia mitaky toe-tsaina mazoto mikaroka satria tsy misy ny mandeha ho azy, fa tokony hiverenana dinihina avokoa ; ny takiana mainâizany dia ny fialana aminâny hakamoana sy ny tsy fahatsiarovan-tena ara-tsaina (mba tsy hatahotra hametra-panontaniana) ; mitaky fahamatorana ara-tsaina tsara izany ny fampiharana azy io
Toe-tsaina manohitra ny dogmatisma :
Ny dogmatika dia miziriziry aminâny heviny ary tsy mila hametraham-panontaniana akory izy aminâizany heviny izany, ary dia mitompo teny fatratra
Miavaka aminâny toe-tsainâny mpino :
Ny mpino dia manaiky avy hatrany izay zavatra izay lazaina aminy fa tsy mba mametraka fanontaniana mahakasika izany
NY METY TSY HILANA NY FIOLOZOFIA SY IREO OLANA ATERAKY NY FIERITRERETANA ARA-PILĂZOFIKA
âTsy nahazatra kokoa ny sarambabenâny olona ny olana ara-matematika na ara-fizika, noho ny olana ara-pilĂŽzĂŽfia izay tsy maha-vahiny mihitsy na iza na iza, raha halalinina. Toy ny fisianâny pĂŽlitika iainana andavanâandro dia misy hatraiza hatraiza koa ny filĂŽzĂŽfia iainana andavanâandro izay mampiavaka vondrom-piaraha-monina toy izao na toy izatsy, sokajinâolona ity na sokajinâasa iry. Manana ny filĂŽzĂŽfia azy irery ny olona iray izay sady mahatsiaro fankahalana ny filĂŽzĂŽfia sy manebaka ny filĂŽzĂŽfa. Raha tsy toy izany ny mpitondra fanjakana, ny revĂŽlisiĂŽnera, ny manam-pahaizana manokana ny injeniera sy ny teknisiana, dia tsy noheverinâizy ireo ho tsy ilaina ny filĂŽzĂŽfa.
Tokony ho ny fandriana andriranâantsy no fombam-piainana mahazatra hoanâny filĂŽzĂŽfia sy filĂŽzĂŽfa, izany no didianâny traikefa hohamarinina. Fa tsy vitanâny hoe tsy maha tanteraka ny âzavatra takianâny fiaraha-moninaâ na dia iray fotsiny aza izy, fa mbola mametraka ny toeram-boninahiny hiakatra amboninâny adidy izay baikonâny fiaraha-monina. Ny filĂŽzĂŽfia dia tsy manana anjara raharaha voatokana ara-tsosialy, natao ho anolon-tokana izy. Ny finoana sy ny siansa anefa na dia samy hafa ary matetika mifankahala mihitsy aza, dia samy voaaro ara-piaraha-monina, ary ao andamosinâizy ireo no mijoro ireo vondronâolona vonona lalandava hihazakazaka hamonjy azy, ny filĂŽzĂŽfia kosa dia tsy manam-piadiana, irery izy.
Tsy misy olona na dia iray aza mba handray ny fiarovana ny filĂŽzĂŽfa.â
Nicolas BERDIAEV, Cinq mĂ©ditations sur lâexistence. Trad. VildĂ©lot. Aubier 1936 .pp. 27- 28
«Ankehitriny, mazĂ na dia tsipahina na tsinontsiniavina ny filozofia. Misy ny sasany tsy mahita ao aminy afa-tsy resabe poakâaty ary tsy manaiky ho azo ekena afa-tsy ny karazam-pahalalana siantifika, ireo endri-pisainana rehetra dia voailika ao aminâny sehatry ny hevitra tsy azo antoka».
Isabelle Moural et Louis Millet,