đđĄđąđ„đš 𝐌𝐱𝐧𝐼𝐭𝐞

đđĄđąđ„đš 𝐌𝐱𝐧𝐼𝐭𝐞

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from đđĄđąđ„đš 𝐌𝐱𝐧𝐼𝐭𝐞, Educational consultant, Antananarivo.

11/07/2025

Raikitra e! Ndao ary eee! 😎

đ—™đ—”đ—„đ—”đ——đ—ąđ—•đ—ąđ—žđ—” 𝗣𝗛𝗜𝗟𝗱𝗩𝗱𝗣𝗛𝗜𝗘 đŸ’„
ʟ-s-ᎏsᮇ-ᮀ-ᮄ-ᮅ-Éą2-Éą3
ïŒĄïŒźïŒŽïŒĄïŒźïŒĄïŒźïŒĄïŒČïŒ©ïŒ¶ïŒŻ ✍
Ny â„€đ•†đ•„đ”ž 18 𝕁𝕆𝕃𝔾𝕐 2025
​ ao @
â€‹đ‘Źđ‘·đ‘· đ‘©đ‘Źđ‘čđ‘”đ‘šđ‘čđ‘« đ‘Șđ‘šđ‘”đ‘Œđ‘» 𝑭𝑹đ‘čđ‘šđ‘œđ‘¶đ‘Żđ‘°đ‘»đ‘č𝑹
​(eo ampitan'ny fiangonana katolika Faravohitra)

Vague 1: 8 h Ă  11 h
Vague 2: 13 h Ă  16 h

Programme :
- Fanamafisana méthodologie
- Fampatsiahivana ireo izay tsy tokony atao any @ BAC ka mitarika tsy fahazoana naoty tsara
- Fandalinana ireo chapitre rehetra izay mifanaraka @ izay hivĂŽka any @ Bac
- Fitsinjarana ny laza adina isaky ny série izay mila fehezina mba hanamaivanana ny asa any @ Bac (pronostique) + fanazavana


Participation : 7.000 ar

Prof: Camarade Rainitovo

NB: MILA TONGA ALOHA FA VOAFETRA NY TOERANA

Téléphone : 034 27 860 91
Facebook : Camarade Rainitovo / sera mifritika

26/03/2025

Sujet type corrigé

"𝐍đČ đšđ„đšđ§đš 𝐯𝐞 𝐝𝐱𝐚 đ­đšđ€đšđ§đČ 𝐡𝐱𝐚𝐡𝐱𝐚𝐡đČ 𝐧đČ đŸđšđ§đđ«đšđŹđšđšđ§đš 𝐞𝐧𝐭𝐱𝐧'𝐧đČ 𝐬𝐱𝐚𝐧𝐬𝐚?

Teny fampidirana
Deraina tanteraka tokoa ireo vokatra siantifika noho izy ireo manampy betsaka amin’ny fampivoharana ny fiainana andavanandron’ny olona ! Sady mampitombo ny fahalalan’ny olombelona izy no mampitombo ihany koa ny fahaizany mamehy ny tontolo manodidina azy. Etsy ankilan’izay anefa ity fanontaniana ity dia mametraka fisalasalana mahakasika izany manao hoe : " đ—»đ˜† đ—Œđ—čđ—Œđ—»đ—ź 𝘃đ—Č đ—±đ—¶đ—ź đ˜đ—Œđ—žđ—Œđ—»đ˜† đ—”đ—¶đ—źđ—”đ—¶đ—źđ—”đ˜† đ—»đ˜† đ—łđ—źđ—»đ—±đ—żđ—Œđ˜€đ—Œđ—źđ—»đ—ź đ—Čđ—»đ˜đ—¶đ—»'đ—»đ˜† đ˜€đ—¶đ—źđ—»đ˜€đ—ź ? Hatraiza marina moa izany no ahafahana mamaritra ireo fampandrosoana entin’ny siansa ho an’ny olombelona ? Mba ahafahana mamaly izany dia hazavaina raha toa ka tena anampy ny olona hatrany ny siansa ? Asongadina ihany koa hoe tsy mampidi-doza mihitsy ve izy ? Ho porofoina ihany koa fa tsy mba tokony hisy fepetra manokana ve apetraka mba ahatsara hatrany ny vokatra izay omen’ny siansa ?
Famelabelarana
Niteraka fahasambarana ho an’ny olombelona rehetra tokoa ny siansa, azo ekena tokoa izany satria nanampy tamin’ny fanatsarana ny fiainany izy ; teo ohatra ny fanomezany ireo filĂ na ara-tsaina noho ireo olona mikatsaka hatrany ny hamantatra misimisy kokoa ny tsy ambaratelon’ny natiora izay mitarika azy any amin’ny famolahana izany avy eo. Tsy azo adinoina ihany koa anefa fa ireo fandrosoana ara-teknolojika dia isan’ny nanentana azy ireo, izany hoe ireo olombelona voasariky ny vokatra siantifika, hiala amin’ireo raharaha tena nanahirana azy ireo teo aloha, raha tsorina izany dia nentina hanamaivanany ny fiainany ny siansa. Ireo siantifika kosa anefa etsy ankilan’izay dia iezaky ny manatsara hatrany ny fahalalany ary mikatsaka hatrany ny hitondra vokatra mari-pototra izay miaraka amina fomba fiasa manokana izay hananany. Anisan’ny nitondra tany amin’ny fahaterahan’ny siansa moderna izany noho ireo siantifika tsy mitsahatry ny migaga manoloana tranga iray ary miezaka hatrany mamantatra hatrany ifotony azy io mba hitondrana fahalalana mari-pototra. Manokatra sehatra vaovao ho antsika hatrany izany ary manentana ny tsirairay hamantatra misimisy kokoa. Azo ambara izany fa ireo fikarohana siantifika dia tsy nifototra fotsiny tamin’ny famantarana ny lalĂ nan’ny natiora fa kosa nentina hanatsarana sy hanampiana ny fiainan’ny olona rehetra izay niainga tamin’ny famolahana azy io mba nentina hamadihana azy ho fitaovana hanandratana ny maha izy azy ny tsirairay ; manambara ny mahakasika izany ohatra i Descartes manao hoe : « ny olona dia lasa tompo sy mpifehy ny natiora »
Tafiditra tanteraka ao amin’ny vanim-potoanan’ny indostria isika amin’izao fotoana izao, tsy azo lavina izany ; sady miha mitombo ireo fahafahana ara-teknika no miha matanjaka sy mari-pototra ihany koa. Ao amin’izany fandrosoana izany indrindra anefa no miteraka olona goavana tokoa, indrindra fa eo amin’ny maha olona. Mampisitaka tsikelikely ny olona amin’ny maha izy azy ilay teknika sy siansa izay tena nandrandraina, izany hoe amin’ny natiora indrindra indrindra ; voakasik’izany avokoa ny sehatra rehetra, anisan’izany ohatra ireto manaraka ireto : afaka nanamboatra ny sakafo nohaniny ny ankamarohan’ny olona tany aloha, afaka manjaitra ny akanjony, ankehitriny kosa anefa, hita mibaribary fa tsy izy ireo intsony no mandray an-tanana mivantana amin’ny fanamboarana izany fa ny teknika indostrialy izay tena ihanteheran’ny « olona moderna ». Tsy mitsaha-mitombo hatrany ny elanelana misy eo amin’ny vokatra natoraly sy ireo vokarin’ny indostria, lasa miantehatra betsaka amin’ny « plastika » ohatra ny olona amin’izao satria nomen’ny siansa fahafaham-po tanteraka. Hain’ny siansa sy ny teknika ary koa ny indostria tanteraka ny nampifanaraka ireo vokatra izay omeny hifanaraka amin’ny filĂ n’ny olona, tsy azo odiana tsy hita anefa fa lasa miankin-doha tanteraka amin’ireo vokatra ireo isika ary sia andevoziny tanteraka mihitsy, na izany ara-tsiana na koa ara-batana. Midika izany fa tsy azo ihodivirana ny mety ho fahapotehin’ny fiarahamonin’olombelona, hirona mankany amin’ny fifaninanana diso tafahoatra ny samy olona ary koa ny fifamotehona eo amin’ny samy mpiara-belona satria ny zava-dehibe eo amin’ny tsirairay dia tsy ilay fifampitsinjovana amin’ny fitsinjovana ny maha olona intsony, fa ny fitsinjovana ny ho avin’ny tena manokana noho ireo vokatra izay omen’ny siansa ; mitondra fanatsarana ny siansa ary manampy tokoa, kanefa raha mitondra antsika any amin’ny lalĂ nan’ny matanjaka ve dia mbola azo ekena ?
Mila jerena anokana arka izany ny anjara-toeran’ny moraly eo amin-ny fandrosoan’ny siansa, satria na nampanjaka tanteraka ny fahafahana aza izy dia tsy azo lavina fa niteraka voka-dratsy maro izany indrindra amin’izao mampiroborobo tanteraka ny teknika sy ny siansa izao, eo ohatra ilay fironana any amin’ny fitiavan-tena sy ny fianteherana ny ara-materialy izay tsy mitsaha-mitombo. Mampisalasala ihany anefa ny hanambatra ny fandrosoana ara-teknika sy ny ara-mîraly noho izy ireo tena samy hafa tokoa. Kanefa rehefa dinihina akaiky tokoa dia mifandray ihany izy ireo ; ny teknika ohatra dia mahakasika ireo fomba rehetra ahafahatsika miaina ao anatin’ny tontolo sy eo amin’ny tontolo ; ny moraly kosa anefa dia mahakasika ireo lanjan’ny fihetsika sy ny tanjony, izany hoe fikajiana sy fandanjakanjana ny fihetsika eo amin’ny fiaraha-monina izy mba entina hifampitsinjovana sy hanandratana ny maha-olona. Araka izany ireo fandrosoan’ny siansa izay hita teo ambony ireo ary ve dia manandratra ny maha-olona, ary mitondra antsika any amin’ny fahaizana mandanjalanja izay tokony ho atao ihany ko ave izy ? Azo eritreretina ihany anefa fa rehefa manana ny ampy ara-pitaovana eo amin’ny fitsinjovana ny aina dia tsy hirona any amin’ny fampiasan-kery. Tombatombana ihany anefa izany, fa raha ny zava-misy ara-tantara no dinihina dia hita taratra fa ny fandrosoan’ny siansa sy ireo filàna diso toerana no nitondra tany amin’ny famonoana ireo jiosy maro an’isa ; toa izany koa ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana simika dia maneho hatrany fa tsy nanana ny lanjany ny mîraly teo amin’ny tontolon’ny siansa, toa lasa famotehina izy fa tsy manampy intsony. Na dia eo aza izany dia mbola hita ihany koa fa manamarika ny fisitahan’ny olona amin’ny maha-biby azy ny fandrosoana entin’ny biîlîjia, izay tsy mionona fotsiny amin’ny fanekena ny lalànan’ny natiora fa miezaky ny hioatra izany amin’ny fiadiana ireo sakana rehetra mety tsy ahafahany manandratra ny maha olona, kanefa voatazona tokoa ve izany ? Ny tokony apetraka farany dia ny hoe manana ny anjara toerany hatrany ve ny mîraly eo amin’ny siansa, raha tsy izay mantsy dia mila hiverenana dinihina manokana ny fototra tena hijoroany ; ary koa ny hoe fanampiana manao ahoana no tena ilainy ary inona marina no tena tanjona tiany ho tratrarina ? Ny fanomezana fahafahana be loatra ny olona hampiasa ireo vokatra omeny ve, sa ny fampitomboana ny fahalalan’izy ireo ? Raha ity farany aloha dia mahasadaikatra ihany satria toa lasa miha mihen-danja ny fahaizan’ny olona mampiasa sy sainy ary lasa any amin’ny tsy tokony ho izy mihitsy aza indraindray ; ny fahafahana ara-pitaovana no manjaka izao fa tsy ny fahafahana ara-tsaina any amin’ny fahaizana mandanjalanja ny tokony ho atao sy ny tokony hisainana.
Teny famaranana
Raha fehezina izay voalaza izay dia hoe ny fandrosoan’ny siansa ve dia tsy tokony hitaky fandrosoan’ny mîraly. Mila mahay mandanjalanja ihany anefa isika fa tsy ny tsy fahafahana mampiaraka azy ireo akory no hilazana fa fototry ny olona sy loza rehetra ny siansa. Ny fametrahana ilay fanontaniana hoe manampy antsika sa tsia ny siansa, dia mitondra antsika any amin’ilay valiteny efa toa lasa mahazatra loatra hoe, miankina amin’ny fahendrentsika izany. Isika ihany aloha hatreto no zava-manan’aina nahitana fitomboana ara-tsaina sy afaka mieritreritra lavitra raha hoarina amin’ny biby, kanefa mila ampiasaina izany. Manoloana izany dia mametraka fampitandremana hatrany ireo biîlîjista fa ny andraikitra voalohany tokony hifantohan’ny olona eo amin’ny fandraisana ny vokatra siantifika dia ny fitsinjovana ny aina sy ny fikajiana azy. Kanefa ilay fahafahana sy ilay maha izy azy ny olona, mendrika ny hanana izany daholo ve isika ?

23/03/2025

L'Ă©preuve de philosophie du bac 2025, prĂ©vue ce lundi 21 juillet Ă  7h, approche Ă  grand pas. Pour le đœđšđŠđŠđžđ§đ­đšđąđ«đž 𝐝𝐞 đ­đžđ±đ­đž, mĂȘme si vous ne connaissez pas l’auteur, vous ĂȘtes censĂ© avoir Ă©tudiĂ© la notion dont il parle. Il s’agit d’un commentaire de texte linĂ©aire (qui suit le dĂ©roulĂ© du texte). Lisez le texte 2 Ă  3 fois puis numĂ©rotez-le toutes les cinq lignes. A partir de lĂ , essayez de sĂ©parer le texte en plusieurs parties (deux ou trois maximum), selon la logique et l’articulation de la rĂ©flexion de l’auteur. Le dĂ©coupage doit ĂȘtre linĂ©aire. Donnez un titre Ă  ces parties. Vous pouvez ensuite vous attaquer Ă  la rĂ©daction de la partie la plus importante de votre commentaire

đ—–đ—Œđ—șđ—șđ—Čđ—»đ˜ 𝗿đ—ČÌđ—±đ—¶đ—Žđ—Č𝗿 đ—č'đ—¶đ—»đ˜đ—żđ—Œđ—±đ˜‚đ—°đ˜đ—¶đ—Œđ—» ?
C’est dans l’introduction que vous devez formuler le thĂšme du texte (donc une des notions que vous avez Ă©tudiĂ©es au cours de l’annĂ©e. Si l'auteur nous parle de la religion, de la conscience, de l'art ou de la libertĂ©, par exemple). Ensuite, vous devez formuler le problĂšme que l'auteur soulĂšve dans son texte : comment remet-il en question le thĂšme ? De cette remise en question dĂ©coule la thĂšse de l'auteur. C'est-Ă -dire que vous devez expliquer quelle est la position dĂ©fendue par l'auteur. Quelle solution formule-t-il au problĂšme que vous avez trouvĂ© ? Et, enfin, quel est l'enjeu, pour l'auteur, de poser cette question-lĂ . Pourquoi le fait-il ? Vous devez ensuite formuler la problĂ©matique avec laquelle vous allez analyser le texte et formuler votre plan, qui correspond en rĂ©alitĂ© au dĂ©coupage que vous avez fait en amont. Vous vous attaquerez ensuite Ă  l’explication de texte en tant que telle.

đ—–đ—Œđ—șđ—șđ—Čđ—»đ˜ 𝗿đ—ČÌđ—±đ—¶đ—Žđ—Č𝗿 đ—čđ—Č đ—±đ—ČÌđ˜ƒđ—Čđ—čđ—Œđ—œđ—œđ—Čđ—șđ—Čđ—»đ˜ ?
Vos grandes parties dĂ©pendent, lĂ  encore, du dĂ©coupage que vous avez effectuĂ© pour analyser le texte. Vous devez expliquer ligne par ligne (ce qui veut dire idĂ©e par idĂ©e) ce que veut dire l'auteur. Aucun terme, aucune phrase, ne doit rester sans explication. Pour la structure, cela ressemble presque Ă  la dissertation. Donc : une idĂ©e, puis la citation, puis l’explication et enfin l’exemplification du propos. Par exemple Emmanuel Kant, dans sa MĂ©taphysique des mƓurs, dĂ©fend l'idĂ©e qu'il ne faut pas faire preuve de cruautĂ© envers les animaux.

Tout acte cruel envers ces derniers fait du mal à l'Homme en tant que tel (idée). Il affirme qu'aimer faire souffrir les animaux inutilement "affaiblit et peu à peu anéantit une disposition naturelle trÚs profitable à la moralité dans la relation avec les autres hommes." (citation). Il commence par un verbe 'léger' ("affaiblit") pour aprÚs aller vers la destruction pure et simple ("anéantir"). Cette gradation progressive est en fait une aggravation jusqu'à la disparition d'une disposition naturelle et essentielle dans notre "relation avec les autres hommes". Cette disposition naturelle, on pourrait la qualifier "d'humanité", c'est cette sensibilité, cette disposition qui nous est naturelle selon Kant et qui nous rend "humain" (explication). S'habituer à voir souffrir un animal inutilement fonctionne comme la mithridatisation, le fait de s'immuniser, petit à petit, à un poison (exemple concret).

đ—–đ—Œđ—șđ—șđ—Čđ—»đ˜ đ—łđ—źđ—¶đ—żđ—Č đ˜‚đ—»đ—Č đ—Żđ—Œđ—»đ—»đ—Č đ—°đ—Œđ—»đ—°đ—čđ˜‚đ˜€đ—¶đ—Œđ—» ?
Dans la conclusion, encore une fois, vous ne devez pas rĂ©sumer votre propos. Vous devez rappeler de quoi parlait le texte, quelle Ă©tait la thĂšse dĂ©fendue par l’auteur et quel Ă©tait l’enjeu philosophique de cette rĂ©flexion. Vous devez montrer comment l’auteur a dĂ©fendu cette thĂšse puis, en ouverture, Ă©voquer une autre piste d’analyse du mĂȘme problĂšme, les limites de sa pensĂ©e ou, Ă  l’inverse, les auteurs qui s’en rapprochent.

23/03/2025

✍Quelques observations ou Recommandations en philosophie*.

⚠Au niveau de la dissertation

- Éviter de ramener un sujet question dans l'introduction en mettant les guillemets > ou en disant c'est pourquoi l'auteur affirme. Les sujets questions n'ont pas d'auteurs, il s'agit d'un sujet dĂ©bat.

- Établir une relation entre l'idĂ©e gĂ©nĂ©rale et le sujet proposĂ© s'il en faut par une courte phrase.

- en début du corps du devoir, faire toujours la clarification (définition) des mots clés du sujet quand il s'agit de la dissertation philosophique. La clarification conceptuelle se limite seulement au thÚme ou aux notions importantes mais pas à tous les mots ou expressions du sujet.

- Faire toujours la conclusion partielle et la phrase de transition en quittant l'analyse à la discussion , c'est-à-dire de l'analyse (thÚse) pour déboucher sur la discussion (antithÚse).

- Ne pas sauteur de ligne au niveau du corps du devoir. Faire plutĂŽt des paragraphes en dĂ©veloppant les diffĂ©rentes parties. Ça veut dire que la thĂšse comporte autant de paragraphes que vous avez des arguments Ă  dĂ©velopper ainsi que la discussion.

- Citer un auteur quand on est réellement sûr de maßtriser sa pensée, à défaut paraphraser la citation sans mettre les guillemets >.

- Éviter d'inventer des citations et des noms d'auteurs qui n'existent pas.

- Éviter de rĂ©pondre par Oui ou par Non dans le devoir.

- Éviter ces expressions : "l'auteur a tort", "il n'a pas raison", "sa thĂšse n'est pas pertinente, n'est pas fondĂ©e"...

- Faire Ă  la fin de l'analyse (thĂšse) une conclusion partielle mais on peut se passer de la conclusion partielle de la discussion (antithĂšse ).

⚠Au niveau du commentaire de texte philosophique

-on peut commencer l'introduction avec le bout qu'on veut veut: référence du texte, le thÚme, le problÚme ou la thÚse,
- dans l'introduction, pour situer le texte ou plus simplement dans la référence utiliser simplement le nom de l'auteur et l'ouvrage. On peut de passer des autres éléments de la référence,
- En commentaire, il faut savoir que la discussion ou critique se fait en deux phases. D'abord les mérites de la démarche de l'auteur encore appelée (critique positive) et ensuite les insuffisances de la thÚse de l'auteur encore appelée (critique négative).
- illustrer l'analyse avec des séquences du texte
Utiliser les citations des auteurs qui partagent le mĂȘme point de vue que l'auteur dans la discussion prĂ©cisĂ©ment dans les mĂ©rites de la dĂ©marche de l'auteur,
- dans les mérites de la démarche de l'auteur, donner ce qu'on a gagné en lisant le texte et des citations des auteurs qui sont d'avis avec la thÚse de l'auteur,
- Faire toujours la différence entre a et à, ses et ces, c'est et s'est, ce et se, son et sont ....

- Éviter l'usage abusif de : "Je", "Mon", "Ma".....
- préférer Nous, notre,

- Éviter de montrer la provenance de la copie. Par exemple, C'est le cas de ce qui s'est passĂ© chez nous Ă ....., chez nous dans la commune de..., arrondissement de... (Ă  Ă©viter).

- Ne pas mettre de tirets (-) dans la rédaction ou écrire introduction, corps du devoir, conclusion, clarification conceptuelle,..
-eviter de d'écrire dans le corps du devoir : montrer que, souligner que, précisons que, insister sur le fait que....
- Éviter les ratures tout en prĂ©sentant une copie lisible.

- Rester dans le temps pour ne pas rendre un devoir inachevé. Toutes les parties sont notées.

đ—Șđ—”đ—źđ˜đ˜€đ—źđ—œđ—œ: +261342786091
𝗙𝗼𝗰đ—Čđ—Żđ—Œđ—Œđ—ž: Camarade Rainitovo

14/01/2025

UN PEU DE PHILOSOPHIE AUJOURD'HUI : QU'EST-CE QUE LA PHILOSOPHIE ? (Pour la classe de Terminale)

⭕ INTRODUCTION

La philosophie peut ĂȘtre dĂ©finie comme une rĂ©flexion rationnelle sur les grandes questions liĂ©es Ă  l’existence humaine, la connaissance, la vĂ©ritĂ©, la morale, la sociĂ©tĂ© et le sens de la vie. Elle se distingue par son approche critique et rigoureuse, cherchant Ă  comprendre les fondements de la rĂ©alitĂ© et Ă  interroger ce que nous tenons pour acquis.

Étymologiquement, le mot philosophie vient du grec philein (aimer) et sophia (sagesse), signifiant "amour de la sagesse". Cela reflĂšte une quĂȘte perpĂ©tuelle d’un savoir permettant de vivre de maniĂšre Ă©clairĂ©e et rĂ©flĂ©chie. La philosophie ne prĂ©tend pas fournir des rĂ©ponses dĂ©finitives, mais pose des questions essentielles qui nourrissent la rĂ©flexion. Discipline dialogique par excellence, elle s’appuie sur le doute et le questionnement pour avancer.

🛑 I. DÉFINITIONS DE LA PHILOSOPHIE SELON CERTAINS PHILOSOPHES

a) Platon
Pour Platon, la philosophie est une quĂȘte de vĂ©ritĂ© par la raison. Elle vise Ă  dĂ©passer les apparences sensibles pour atteindre les rĂ©alitĂ©s immuables et Ă©ternelles, qu'il nomme "les IdĂ©es". Il affirme :
« La philosophie est la recherche de la vérité. »

b) Aristote
Aristote dĂ©finit la philosophie comme la science de l’ĂȘtre en tant qu’ĂȘtre, Ă©tudiant les fondements mĂȘmes de la rĂ©alitĂ©. Il dĂ©clare :
« La philosophie est la science qui Ă©tudie l’ĂȘtre en tant qu’ĂȘtre. »

c) René Descartes
Pour Descartes, la philosophie est un moyen d’acquĂ©rir une connaissance certaine, grĂące au doute mĂ©thodique. Il explique :
« La philosophie est l’étude de la sagesse, et par sagesse on entend non seulement la prudence dans les affaires, mais une parfaite connaissance de toutes les choses que l’homme peut savoir, tant pour la conduite de sa vie que pour la conservation de sa santĂ© et l’invention de tous les arts. »

d) Emmanuel Kant
Kant voit la philosophie comme une rĂ©flexion sur les conditions de possibilitĂ© du savoir et de l’action. Il identifie trois grandes questions philosophiques :
« Que puis-je savoir ? Que dois-je faire ? Que m’est-il permis d’espĂ©rer ? »

e) Karl Jaspers
Pour Jaspers, philosopher, c’est Ă©largir la conscience humaine et rĂ©flĂ©chir Ă  la situation existentielle de l’individu dans le monde. Il dĂ©clare :
« Philosopher, c’est ĂȘtre en route. »

f) Martin Heidegger
Heidegger considĂšre la philosophie comme une mĂ©ditation sur l’existence et l’ĂȘtre. Il affirme :
« La philosophie est la science de l’ĂȘtre, de l’étant en tant qu’il est. »

🛑 II. L'IMPORTANCE DE LA PHILOSOPHIE

1. Éveil du sens critique
La philosophie incite Ă  remettre en question les Ă©vidences et les stĂ©rĂ©otypes. Elle dĂ©veloppe l’esprit critique, essentiel pour analyser et Ă©valuer des arguments. Selon Spinoza :
« L’homme libre ne pense Ă  rien moins qu’à la mort, et sa sagesse est une mĂ©ditation non de la mort, mais de la vie. »

2. Comprendre le monde et soi-mĂȘme
Elle aide à explorer des notions fondamentales comme la vérité, la justice, et la conscience. Socrate illustre cela par sa maxime :
« Connais-toi toi-mĂȘme. »

3. Guide pour l’action morale
La philosophie interroge le sens du bien agir et propose des systÚmes éthiques pour guider les choix individuels et collectifs. Kant affirme :
« La morale, c’est l’art de se conduire. »

4. Contribution à la vie démocratique
En encourageant la réflexion critique sur les valeurs et les institutions, la philosophie forme des citoyens éclairés. Socrate déclare :
« Une vie sans examen ne vaut pas la peine d’ĂȘtre vĂ©cue. »
Descartes renchérit :
« Chaque nation est d’autant plus civilisĂ©e et polie que les hommes y philosophent mieux. »

🛑 III. PHILOSOPHIE ET DISCIPLINES SCIENTIFIQUES

Contrairement aux sciences qui cherchent Ă  Ă©tablir des faits empiriques (le comment des choses), la philosophie s’intĂ©resse au pourquoi, questionnant les concepts et les fondements des disciplines. Cependant, elle reste complĂ©mentaire des sciences, explorant les implications Ă©thiques des dĂ©couvertes scientifiques. Bertrand Russell illustre cela :
« La science est ce que l’homme sait, la philosophie est ce qu’il ne sait pas. »

🛑 IV. CRITIQUES DE LA PHILOSOPHIE

a) Arthur Schopenhauer
Schopenhauer critique la philosophie acadĂ©mique, qu’il juge dĂ©tachĂ©e des rĂ©alitĂ©s humaines :
« La philosophie universitaire n’est qu’un remue-mĂ©ninges de concepts vides. »

b) Friedrich Nietzsche
Nietzsche rejette la quĂȘte de vĂ©ritĂ© absolue et critique l’influence de la volontĂ© de puissance dans la philosophie :
« La philosophie, telle que je l’ai comprise jusqu’ici, est une recherche de la vĂ©ritĂ© motivĂ©e par une volontĂ© de puissance. »

c) Clémenceau
Clémenceau voit la philosophie comme une menace potentielle pour la stabilité :
« Si j’avais une province française Ă  punir, je la ferais gouverner par un philosophe. »

🛑 CONCLUSION

La philosophie est une quĂȘte perpĂ©tuelle du savoir et de la sagesse. Bien qu’elle soit parfois critiquĂ©e pour son abstraction, elle reste fondamentale pour le dĂ©veloppement de la pensĂ©e humaine. En nous poussant Ă  interroger le sens de notre existence, elle nous aide Ă  mener une vie plus rĂ©flĂ©chie et juste. Elle est indissociable de toute Ă©ducation et Ă©mancipation intellectuelle, jouant un rĂŽle clĂ© dans la formation d’esprits critiques et Ă©clairĂ©s.

C'est intĂ©ressant ✍

04/12/2024

FINTINA LESONA
***FINTINA LESONA filĂŽzĂŽfia HO AN'NY SOKAJY RHETRA

Ara-piforonan-teny ny filîzîfia dia avy amin’ny teny grika hoe : PHILOS sy SOPHIA izay midika hoe fitiavana sy fikarohana fahendrena. Ny teny hoe fitiavana dia midika hoe faniriana, tsy fananana; izay mitaky fikatsahana hatrany. Araka izany ny filîzîfia dia faritana ho toy ny hoe fikatsahana mitohy ny fahendrena.

Araka ny hevitry Descartes « ny fahendrena dia tsy fahamalinana fotsiny fa indrindra ihany koa fahafantarana tsara izay tokony ho fantatra » Ny filÎzÎfia dia faritana ho fomba hoenti-mihetsika hanatsrana ny fiainana mba hampisy dikany izany

Ny filîzîfia amin’ny ankapobeany

Mampametra-panontaniana maro tokoa ny fisian’ny filĂŽzĂŽfia, hoe maninona izy no misy ary atao inona izy ? Tsy hita amin’ireo sehatra hafa ireo fanontaniana ireo noho ny vokatra sy ny antom-pisiany tena hita mivantana tokoa sy tsy azo ialana ( mĂ©decine, ireo teknika
). Izany hoe tsy afaka ny tsy hihinan-kanina isika fa kosa afaka tsy manao filĂŽzĂŽfia. Raha jerena amin’ny ankapobeany tokoa dia toa tsy dia misy hilĂ na azy loatra izy satria tsy hita mivantana eo amin’ny fiainana. Tsy azo atao anefa ny mirona be loatra any amin’izany fisainana izany satria tsy vitan’ny filĂ na ara-batana ihany fotsiny no ny fiainan’ny olombelona fa eo ihany koa ny ara-tsaina izay mapihavaka azy amin’ny biby. Ny saina izany no tena iavahantsika olombelona amin’ny biby.

Ny filĂŽzĂŽfia dia filĂ na ara-tsaina

Ny filîzîfia dia nofaritana hoe fitiavana sy fikarohana fahendrena. Inona ary no maha zava-dehibe izany fahendrena izany? Tsy ho azo aloha io fahendrena io raha tsy mifototra mankany amin’ny fahalalana ny saintsika. Izay no mahatonga ny filîzîfia ho asa famoronan’ny saina mba hampirindrana ny fiarahamonina tamin’ny alalan’ireo hevi-baovao izay natolony: ahoana no ahafahana miara-miaina tsaratsara kokoa? Tsy nijanona tao amin’ireo hevitra voavolavolan’ny saina ihany anefa izy fa niezaka hifandray mivantana tamin’ireo tontolo ivelany, izany hoe mifototra tanteraka amin’ny momba ny olombelona sy ny hetsika ataony.

Ny figagana : ho an’ny biby manokana dia tsy hita eo aminy mihitsy izany figagana izany noho ny sainy tsy natokana amin’izany ; fantany fotsiny hoe ity no mety na ity no ratsy aminy ; tsy manana fahefana hikaroka ny anton-javatra iray izy. Ho an’ny olona kosa anefa dia ny zava-drehetra dia mahavariana azy daholo, ka izany indrindra no antony iray nanosika azy hirona any amin’ny fanaovana filîzîfia ; mitombo hatrany ireo fanontaniana apetrany ka miezaky ny mamantatra hatrany ny antom-pisian’ireo zavatra hitany izy fa tsy mijanona fotsiny amin’izany figagana izany ka nahatonga azy hametraka ilay fanontaniana hoe : ahoana no niavian’izao tontolo izao ? Raha tsorina izany dia noho ireo antony ireo no nitondra azy any amin’ny fahalalana. Manentana ny olona ho tonga saina amin’ny tsy fahampian’ny fahalalana entina miatrika ny zava-misy rehetra ny filîzîfia. Ny mila apetraka tsara anefa dia ny hoe : tsy ireo izay migaga rehetra akory no antsoina hoe filîzîfa, satria misy tokoa ireo olona izay mionona fotsiny amin’ny fiheverana azony ary dia mamariparitra amin’ny akapobeny ireo zavatra hitany amin’ny alalan’izany fotsiny fa tsy nihezaka ny hamantatra hatrany ifotony.

Ireo loza ateraky ny fiheverana, fahazarana, finoana : (olana ateraky ny tsy fanĂ nana toe-tsaina filĂŽzĂŽfika)

Izy io no tena manimba ny fomba fisainana, mamariparitra ivelany fotsiny no hany ataony sy manaraka am-bokony izay tsapa sy heno. Io fisainana io no mila ialana voalohany raha te hanao filîzîfia. Ny fiheverana mantsy dia tsy vokatry ny asan’ny saina akory fa vokatry ny fahakamoana misaina ; ny olona mirona ao amin’izany dia sady diso fahalalana no sady tsy mahalala akory fa ny tenany dia milona ao amina fiheveran-diso. Mbola mampidi-doza lavitra noho ny fahadisoana sy ny habadoana izy io noho izy mitondra any amina fahatokian-tena be loatra izay manakana ny saina tsy hiasa intsony ka mahatonga ny olona izay manana azy hitsara ivelany ihany ( na izany noho ireo fiheveran’ny maro izay noraisina fa tena marina, na koa azo avy amin’ny fihetsem-po). Ohatra azo raisina amin’izany ireo fanavakavaham-bolokoditra, fahatahorana ny hafa
). Izany dia mety ho azo avy amin’ireo fanabeazana, finoana isankarazany izay miankina amina tanàna iray na firenena iray, eo ihany koa ireo fivoharana maro, anisan’izany ny siansa ; manampy trotraka ihany koa anefa ireo fomba fisainana izay handrindrana ny fihetsika, sy ny ara-pîlitika. Ireo rehetra ireo dia fiheverana na koa fironana izay tsy nandalo fandalinana sy famakafakana akory fa tonga dia nekena ary nentina handrindrana ny fisainana sy ny fihetsika ; raha tsorina izany dia hoe, ny fiheverana dia fandavana tanteraka ny asan’ny saina.

(Bertrand Russell, ProblĂšmes de philosophie) Misy fampitahana ataon’i Russel ao amin’io boky io : eo ireo izay tsy manao filĂŽzĂŽfia izay miaina ao anatin’ny « fangejana », tsy dia misy mahagaga aloha eto satria anisan’ny anto-pisian’ny filĂŽzĂŽfia ny fanafahany ireo olona ao amin’izany, fa mila fantarina kosa hoe inona marina moa ireo mangeja ny olona. Asongadiny tsara izany ka ilazany hoe ireo olona tsy manao filĂŽzĂŽfia dia tsy mba manome lanja ny fisalasalana ary dia miaina ao anatin’ny finoana fotsiny. Misy ireo finoana izay ilaina ; ao koa anefa ireo izay miankina tanteraka amin’ny fiarahamonina sy ny fomba izay nahazatra azy ; ary farany dia ireo finoana eo amin’ny tsirairay : ny finoana izay ao aminy dia noho filĂ na ny hino fotsiny satria izy io no manampy azy hiaina. Eo amin’izany no ahitana fa tsy misy fisainana avy amin’ny tena manokana fa manaraka ambokony ihany fotsiny ny fisainan’ny hafa : mino izay hinoan’ny hafa izy ; ary dia minkina tanteraka amin’ny fiarahamonina izay misy azy izany finoana izany. Etsy ankilan’izay ihany koa anefa dia tsy ahitana fahavononana hampiasa ny saina mihitsy ao amin’ireo olona ireo ka lasa andevozin’ny hafa no sady manandevo ny tenany satria voafehin’ny fietsem-pony. Misy karazan’olona izany dia tena voagezan’ny heviny tanteraka noho ny tsy fahaizana mampiasa ny saina. Tsy izany ihany anefa fa eo ihany koa ny tsy fahaizana mametram-panontaniana ka zary mionona amina zavatra « tsy neken’ny saina akory », vokatr’izany dia mahatsiaro tena ho milamina tanteraka izy ireo ao amin’io tontolo izay nahazatra azy ireo io inona intsony moa no tokony hametrahany fanontaniana isaky ny mietsika izao

Mila manao filĂŽzĂŽfia mba ho afaka

Ilaina ary ve ny miala amin’io finoana izay manakana ny tsy fiasany saina araka ny tokony ho izy io. Marihina mialoha fa manana toetra mampiavaka azy ny fisalasalana, tsy inona izany fa ny fanafahana ; raha toa ka « mamakivaky ny fiainany gejain’ny hevitra an-tendrony » ireo olona sasany, ireo filĂŽzĂŽfa kosa amin’ny fampanjakana ny fisalasalana dia afaka miala amin’ireo « fangejan’ny fahazarana ». Hazavain’ny Russel hatrany izany ka ilazany hoe tena mangeja tokoa izy io noho ilay saina lasa miha zatra tsikelikely ny fiverimberenana toe-draharaha iray. Lavin’ireo filĂŽzĂŽfa avy hatrany anefa izany, mirona hatrany any amin’ny famakafakana sy fikarohana no ataony mba hialany amin’ny fandravonana maika loatra. Araka izany ary dia tsy tokony hionona fotsiny amin’ny tranga mivantana satria mety hafa mihitsy ny endrika na koa ny hevitr’izy io. Ireo filĂŽzĂŽfa dia manana ilay toe-tsaina mahay manakatra io hevitra ambadika io. Ny tanjan-tsainy no ahafahany mamotika hatrany ifotony ireo fiheverana mirona mankany amin’ny dogmatisma izay hiainan’ireo olona tsy nandalo akory ilay fisalasalana mpanafaka ; manentana antsika amin’ny « fampijereny ireo zava-misy mahazatra amin’ny endriny vaovao » ihany koa anefa izy. Izany no miseho dia mba hisokafany any amin’ny fifanankalozan-kevitra izay miainga amin’ny fametraham-panontaniana ireo fiheverana iraisan’ny maro sy ny hamerenana mandinika ny tontolo

Voagejan’ny heviny ireo milona ao amina fiheverana diso, tsy mahaleo tena ara-tsaina manokana, noho izany ny atao hoe manao filîzîfia dia ny fihezahana miala amin’io fiankinan-doha amin’ny fiheverana diso io. Ny tena isan’ny lanjan’ny filîzîfia dia ny fianarana mampiasa ny sainan’ny tena manokana ary koa ny tsy fahatokian-tena be loatra. Manentana ny tsirairay izy mba tsy hilona amina fahalalana narafitra vonjimaika na koa ny fiezahana mitady ny marina samirery. Ny fahaizana mametra-panontaniana dia isan’ny fomba iray ahafahana miala amin’ireo fangejana voalaza ireo. Ny filîzîfia izay azo lazaina fa fanazarana ny fahafahan’ny saina dia manosika antsika any amin’ny fikarohana fomba fitondran-tena sy fisainana vaovao. Ny fironana any amin’ny fampiasan-tsaina samirery ve dia midika hoe mahaleo tena amin’ny fisainana sy izay fahalalana vokarina ? Tsy isika irery akory no nandinika ireo zava-misy efa nisy ireo madinika talohantsika, manome antsika zava-baovao hieritreretana hatrany ireo filîzîfa, mila mahay misaina sy mampiasa izany manokana raha toa ka misy zavatra hampiasana azy ; ny vokam-pikarohan’ireo filîzîfa no sehatra tokony hiandohan’ny asa fikarohana ara-tsaina, izy ireo no nahatonga antsika hanana fisainana malalaka kokoa hatreto. Inona marina ary moa no sehatra iasan’ny filîzîfia ? Ifantohany daholo ny rehetra : pîlitika, fisainana
 kanefa azo fintinina amina fanontaniana telo izany manao hoe : inona no zavatra mety ho fantatro ? Inona no tokony ho ataoko ? Inona no azoko antenaina ?

TANJON’NY FILÖZÖFIA

Ho an’ny olona sasany dia tsy misy hilany akory ny filĂŽzĂŽfia noho izy tsy tena mamaha olana mivantana eo amin’ny fiainana fa toa mametraka olana lalandava no ataony. Misy mametraka ihany koa fa hanamarinany ny antom-pisiany fotsiny no anton’ireo fikarohana izay ataony. Karl Jaspers dia milaza hoe : « ny tena marina, ny filĂŽzĂŽfia dia tsy afaka hitanisa amintsika na dia antony iray monja aza mikasika ny antom-pisiany, sy ny antony hanaovana azy ; ny azony atao dia ny manambara amintsika ireo hery izay manosika antsika hanao filĂŽzĂŽfia ». Ankoatra ireo tanjona efa mahazatra dia isan’ny tanjona hanentanan’ny filĂŽzĂŽfia antsika ny mba « hahaizantsika » « mampiasa ny saintsika » araka ny tokony ho izy manoloana ireo : fiheverana mahazatra izay raisintsika ho tena marina noho ny hakamoana manadihady sy mamakafaka ; eo ihany koa ireo fitsarana ivelany izay mety hanimba sy hanalavitra antsika ny marina ; manentana antsika ihany ko aizy mba tsy « hino » avy hatrany foana fa mba hametraka fisalasalana sy hitsikera ary hanaraka ireo fepetra napetraky ny filĂŽzĂŽfia. HANALA ANTSIKA AO AMIN’NY HABADOANA NO ISAN’NY TANJONA TENA HIFOTORANY

TOE-TSAINA FILÖZÖFIKA

Izy io dia toe-tsaina takiana amin’ireo izay hanao filîzîfia. Takiana amin’izany ihany koa ny fahaizana mandalina ny misy amin’ny fomba lalindalinakokoa fa tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny.

Saina mazoto mikaroka :

Ny toe-tsaina filîzîfika dia mitaky toe-tsaina mazoto mikaroka satria tsy misy ny mandeha ho azy, fa tokony hiverenana dinihina avokoa ; ny takiana main’izany dia ny fialana amin’ny hakamoana sy ny tsy fahatsiarovan-tena ara-tsaina (mba tsy hatahotra hametra-panontaniana) ; mitaky fahamatorana ara-tsaina tsara izany ny fampiharana azy io

Toe-tsaina manohitra ny dogmatisma :

Ny dogmatika dia miziriziry amin’ny heviny ary tsy mila hametraham-panontaniana akory izy amin’izany heviny izany, ary dia mitompo teny fatratra

Miavaka amin’ny toe-tsain’ny mpino :

Ny mpino dia manaiky avy hatrany izay zavatra izay lazaina aminy fa tsy mba mametraka fanontaniana mahakasika izany

NY METY TSY HILANA NY FIOLOZOFIA SY IREO OLANA ATERAKY NY FIERITRERETANA ARA-PILÖZOFIKA

“Tsy nahazatra kokoa ny sarambaben’ny olona ny olana ara-matematika na ara-fizika, noho ny olana ara-pilîzîfia izay tsy maha-vahiny mihitsy na iza na iza, raha halalinina. Toy ny fisian’ny pîlitika iainana andavan’andro dia misy hatraiza hatraiza koa ny filîzîfia iainana andavan’andro izay mampiavaka vondrom-piaraha-monina toy izao na toy izatsy, sokajin’olona ity na sokajin’asa iry. Manana ny filîzîfia azy irery ny olona iray izay sady mahatsiaro fankahalana ny filîzîfia sy manebaka ny filîzîfa. Raha tsy toy izany ny mpitondra fanjakana, ny revîlisiînera, ny manam-pahaizana manokana ny injeniera sy ny teknisiana, dia tsy noheverin’izy ireo ho tsy ilaina ny filîzîfa.

Tokony ho ny fandriana andriran’antsy no fombam-piainana mahazatra hoan’ny filîzîfia sy filîzîfa, izany no didian’ny traikefa hohamarinina. Fa tsy vitan’ny hoe tsy maha tanteraka ny “zavatra takian’ny fiaraha-monina” na dia iray fotsiny aza izy, fa mbola mametraka ny toeram-boninahiny hiakatra ambonin’ny adidy izay baikon’ny fiaraha-monina. Ny filîzîfia dia tsy manana anjara raharaha voatokana ara-tsosialy, natao ho anolon-tokana izy. Ny finoana sy ny siansa anefa na dia samy hafa ary matetika mifankahala mihitsy aza, dia samy voaaro ara-piaraha-monina, ary ao andamosin’izy ireo no mijoro ireo vondron’olona vonona lalandava hihazakazaka hamonjy azy, ny filîzîfia kosa dia tsy manam-piadiana, irery izy.

Tsy misy olona na dia iray aza mba handray ny fiarovana ny filîzîfa.”

Nicolas BERDIAEV, Cinq mĂ©ditations sur l’existence. Trad. VildĂ©lot. Aubier 1936 .pp. 27- 28

«Ankehitriny, mazĂ na dia tsipahina na tsinontsiniavina ny filozofia. Misy ny sasany tsy mahita ao aminy afa-tsy resabe poak’aty ary tsy manaiky ho azo ekena afa-tsy ny karazam-pahalalana siantifika, ireo endri-pisainana rehetra dia voailika ao amin’ny sehatry ny hevitra tsy azo antoka».

Isabelle Moural et Louis Millet,

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo