Devenir un As de l'entrepreneuriat

Devenir un As de l'entrepreneuriat

Share

Formation, Coaching et Accompagnement sur l'entrepreneuriat à Madagascar

24/09/2024

⭕ Réservation date avec un acompte de 30% payable par Mobile money ou en espèce : 0381818750 ou par MP
⭕ Frais de formation : réduit à 70 000Ar

MASTER CLASS I:
MULTIPLIEZ PAR 20 VOTRE CHIFFRE D'AFFAIRES AVEC FACEBOOK ADS EN 3 MOIS

▪️Tanjona
- Voafehinao ny "outil de vente le plus réputé en résultats en 2024 : Publicité Facebook" na BOOST no mahazatra antsika
- Vokatra azo tsapain-tanana avy amin'ny nampiasana azy sy ny tsy nampiasanao azy teo aloha ao anatin'ny 3mois
- Hanana plan Marketing digital mipetrapetraka tsara ianao miaraka amin'ny tableau de bord hisehoan'ireo résultats nandrasana
- Hahafehezanao ireo stratégies rehetra mila apetrapetraka
- Hahazoana client vaovao sy ny hiverenany hanjifa matetika aminao ny client anao avy amin'ny alalan'ny techniques rehetra ao amin'ny Publicité Facebook
- Mampahafantatra, mampalaza ny orinasanao araka izay ilainao
- Hahatamana ny mpanaraka sy hahatokisany ny marque anao

▪️Ho an'iza ?
Ireo rehetra te hampiakatra ny vente-ny haingana indrindra tsy te hiankin-doha amin'ny olona.
- mpivarotra
- mpandraharaha
- mpivarotra en ligne
- influenceur de son propre produit
- community manager
- ...

Na ianao mbola tsy mahalala mihitsy ny fampiasana azy nefa tena mila ary maniry ny hampiasa ny Publicité Facebook, na ianao efa mahay kely fa sahirana amin'ny fampiasana azy, na ianao efa mahay fa misedra olana, na ianao liana fotsiny 😁

▪️Tombony
- 90% pratique et mises en situation
- résultats optimisé avec facilité
- torohevitra sy 10 secrets ahombiazana ary afaka ampiharina avy hatrany
- accompagnement

▪️Fizotry ny fihofanana
- Théorie mahakasika ny famoronana Publicité Facebook na BOOST hoy isika , Paramétrage Instagram-Messenger-Whatsapp, Page pro, Créa, Outils, Clients idéaux, Gestion rapport Budget-Durée , indicateurs de performance,Influence,....
- Stratégies ilaina rehetra sy ny fomba fanaovana azy
- Pratique avy hatrany
- Étude de cas

▪️ Andinindiny
- Formateur qualifié
- Formation particulier (olona 1 isaky ny mianatra)
- Misafidy izay date mampety anao ianao entre 27 Sept au 05 Octobre

23/07/2023

TSY MANDEHA MIHITSY NY TSENA ny volana Janvier, Février, Juillet, Août, Septembre ?
Tsy ny tsena no tsy mandeha fa ny fahaizana entina mivarotra no mbola tsy ampy

MASTER CLASS IV : DEVENEZ FÉROCE EN VENTE
▪️Inona ny tanjon'ity MASTERCLASS ity ?
Ahafehezanao ireo stratégies sy pitsopitsony rehetra tokony ary mila hay sy ampiharin'ny olona mivarotra

▪️Ho an'iza?
Izay rehetra mahita fa afaka ny ahalafo ary tokony ahalafo betsaka nefa ohatrany mahatsapa hoe misy sakana sy manque izany.
Izay rehetra vao hanomboka hivarotra mihitsy.
Izay efa mivarotra fa te hanosika ny capacité -ny handeha lavitra.
Izay manao vente en dents de scie fa tsy miakatra mihitsy.
Izay mi-rater vente matetika .
Na inona na inona produits na services amidinao. Na responsable commercial na commerçant tsotra na en ligne na boutique physique sy ny sisa ....

▪️ Tombony
Terre à terre avokoa ny fampianarana rehetra ary miaraka amin'ny fampiharana sy ohatra mazava be

▪️Fizotry ny fihofanana
Avy hatrany dia ny stratégies ilaina rehetra sy ny fomba fampiharana azy. Ka ho zarainay aminao mandritra io cours io ireo GRANDES LIGNES STRATÉGIQUES izay ny 11,8 % an'ny mpivarotra ihany no mahalala sy manao azy.

▪️ Andinindiny
- Formateur professionnel expérimenté
- Sarany : 60 000Ar
- Toerana: Peace co-working Mausolée terminus bus 194
- Samedi 29 Juillet 2023 de 8h à 11h
- Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso (+261 38 18 187 50) na miditra MP

28/06/2023

PRODUITS "TSY MISY TOA AZY"







Fa maninona ny Produit anao no mila "tsy misy toa azy"? (Tsy voatery hoe zavatra tsara be na sophistiqué be na be pitsopitsopina be vao atao hoe "tsy misy toa azy")

Ny antony dia mba ahazoanao tombom-barotra 70% x coût farafahakeliny. Mba hanananao toerana tsy misy afaka mahazo eo @ marché. Mba hahatonga an'ilay hoe vao ny anaranao (ny anaran'ny orinasao) no tononina dia tsy misy tsy mahalala.

Misy singa mila ananan'ny produits anao anefa . Raha tsy manana ny 1 amin'ireto ny produits anao dia sady mbola "banale" no mora azo = tsy tena manan-danja loatra. Ny antony hitanisana azy ireto dia ny mba ahafahan'ireo vao hanangana orinasa na manana orinasa mi-stagne manisy lanjany be be kokoa eo amin'ny domaine misy azy fa tsy ny hampatahotra akory 🤗.

🔴 Tsy mora ny mahita mitovy tanteraka na mifanakaiky tanteraka ny produits anao any amin'ny concurrent.
🔴 Mitondra valeur ajoutée azo tsapain-tanana any amin'ny client anao ilay produits. Izany hoe tombony na bénéfices izay tsy ho azony avy @ produits hafa mihitsy.
🔴 Manana endrika na fiseho mitovitovy amin'ny amidin'ny olona hafa ilay produits fa nefa ilay an'ilay olona tsy hitondra avantages na fonction na caractéristiques hitovy amin'ny anao mihitsy.
🔴 Mahatonga ny client anao hahatsiaro tena ho miavaka raha samy olona ny fananany ilay produits.

Ny produits insolites tsy voatery ho produit exclusif satria mety tsy misy hilana azy akory amin'ny fiainana andavanandro.

Rehefa manana ny 1 amin'ireo critères ireo ny produit anao dia afaka mametraka mivandravandra miaraka amin'ny fierté hoe "exclusif" na hoe "non commercialisé ailleurs" na hoe "disponible uniquement ici " . Dia efa hainao ny tohiny hoe manao ahoana ny fidodododon'ny client hitady an'io produits io sy ny tsy hisalasalany hividy azy io na ohatrinona na ohatrinona ‼️

07/06/2023

Sa tsy izany ⁉️

01/06/2023

▪️I Rakoto misotro toaka be nefa milaza hanangana villa
▪️I Rabe dia manao ben'ny Tanana ao an-tranony ao foana ,tsy miasa nefa efa ho 40 taona, aiza ity resabe vao afaka Bacc hoe tsy maintsy ho lasa Directeur
▪️I Rasoa, ny matériel coiffure efa azo daholo nefa dia aleo mandany fotoana manao fotsy varavarana fotsiny






Fa ianao moa miheritreritra fa tsy mba tiany ho tanteraka ny nofinofy sy ny faniriany ?
Matetika dia hitantsika ho tsikafonina ny momba ny hafa dia vita hatreo fa tsy hakana lesona ireny.
Raha nisy ny zavatra nanamarika ahy indrindra tamin'ity herinandro ity dia ny hoe : samy départ 0 daholo isika vao teraka , samy nomen' Andriamanitra atidoha 1 mitovy daholo isika rehetra. Fa anisan'ny ETAT D'ESPRIT mahasamy hafa antsika tsirairay ny : AUTO-DISCIPLINE
Rehefa fantatrao hoe HO AIZA IANAO = VISION PRÉCISE ary hainao ny LALANA = DÉMARCHE dia tsy maintsy vitanao io!
Tsy resaka vola ihany, tsy resaka fahaizana ihany na resaka fahalalana olona vao tokony ahavita zavatra fa mila fahafehezan-tena aloha. Nefa dia tsinontsinoniavin'ny olona izy io ka mahatonga azy tsy mahavita pas 1 akory, tsy mahavita manomboka akory fa lasa manonofy fotsiny

Ohatra :
VISION PRÉCISE : afaka 3 taona aho mahatsangana ny orinasako
DÉMARCHE : handalina mahakasika ilay asa aho 1h/jrs, hanao produits test aho, na tsy tiako aza dia handeha handondom-baravarana amin'izay afaka hanampy ahy aho dia mila mahazo fiaraha-miasa, sns ...

Manomboka izao, manana discipline ho an'ny tenanao, aza miandry terena sy voatery vao hahavita zavatra !
Andramo mandritra ny herinandro ny mametrapetraka ny discipline noforoninao ho an'ny tenanao, dia tohizo mandritra ny 21jrs fa tsy ho afaka aminao intsony iny.

22/05/2023

Erreur de débutant ... ❌

20/05/2023

À méditer ... 🔴

07/05/2023

TOERANA 2 SISA FA TSY AFAKA TAMPOKA ZAREO, IZAY MAHAZO AZY VOALOHANY DIA MIKATONA NY INSCRIPTION ‼️‼️‼️

⭕ Réservation place avec un acompte de 30% payable par Mobile money : 0381818750 ou par MP ( PLACES TRÈS TRÈS LIMITÉES)
⭕ Frais de formation : réduit à 70 000Ar

MASTER CLASS III : TRANSIT ET DOUANE
Betsaka loatra ianareo manontany foana hoe aiza ihany ilay formation Transit et Douane fa izahay tsy nahatratra foana dia inty ary izy fa averintsika.

▪️Ho an'iza ?
- Ireo maniry ho tonga transitaire na declarant, sns
- Mpandraharaha maniry handalina ny sehatra misy azy
- Manondrana vokatra eto an-toerana makany ivelany na avy any ivelany maketo an-toerana
- Vao hanomboka na maniry hiakatra catégorie professionnelle

▪️Inona avy no hianarana ?
- Administration douanière
- Missions de la douane
- Droits régissant la douane Malagasy
- Profession du transitaire
- Régimes douaniers à Madagascar
- Droits et taxes douanières
- Procédures de dédouanement

▪️ Fizotry ny fihofanana
Formateur hautement qualifié
2jrs de formation : vendredi 26 Mai 2023 8h - 16h et samedi 27 Mai 13h - 17h
Toerana : Peace - Mausolée terminus bus 194

04/05/2023

ilay olona nangataka témoignage client mihitsy no manao témoignage 😌☺️
Mandona fo 🤩

02/05/2023

Raha vao hanomboka hivarotra ianao dia tena ilaina ny maka tahaka ny efa mpivarotra efa mahomby.

Jereo fa rehefa mandeha eny an-dalana na eny an-tsena ianao dia matetika mifanila na mifampiampita ny mpivarotra hena na hani-masaka.
Ohatra ny koba eny Talata na ny katsaka eny amin'ny lalana makany Imeritsiatosika iny. Ny banque eny Antsahavola.

Ny antony dia tsotra, rehefa mipetraka mifanila amin'ny efa lehibe ianao nefa ianao tena mbola kely, izy anefa efa manao publicité be sy fihetsiketsehana maro samy hafa dia betsaka ny chance hampiakatra ny vente-nao na dia tsy manao action commerciale be dia be ary ianao satria mi-refleter makany aminao ny "miroir" an'ilay efa lehibe. Hany ny client ka mi-considerer anao ho isan'ny efa lehibe ihany koa matoa milahatra amin'ny efa lehibe eo, mihena be hatramin'ny 60% ny ahiahiny mahakasika ny "background" sy ny fanahiany mahakasika anao.

Andramo!
Mijereva tsena na orinasa lehibe mitovy activité amin'ny anao, alaivo tahaka en millimètre près izay ataony rehetra. Mihezaha milahatra aminy any amin'izay misy azy na any amin'ny foire na any anaty média na aiza na aiza raha misy fahafahana.
Étudier-o dia adapter-o amin'ny anao ny stratégies, marketing, cibles sns dia vita 👌

29/04/2023

BUSINESS À PARTIR DE 00,00Ar

Raha hoy ianao hoe tsy possible izany
Tsy ilainao ny manohy mamaky ity post ity.






Ho asiako fanandraman-tsira kely aloha :
BLOG + LIGNE ÉDITORIALE = 💰💰💰

🔴 Milaza tsy mety mahita asa ianao izany hoe manana fotoana be dia be hipetrapetrahana fotsiny. Avadio vola !
🔴 Manana connexion ianao hiresahana @ sipanao dia avy eo rehefa tsy lany dia verivery fotsiny. Avadio vola !

Santionany io amin'ilay MASTER CLASS omenay GRATUITEMENT io resaka ambony io fa ny 98% dia ho velabelarina any anaty formation.

Raha heverinao fa hanampy olona maro ity MASTER CLASS iray ity dia ataovy PARTAGE mba hifanohanantsika rehetra 👌

28/04/2023

FANDRESENA LAHATRA NY CLIENT

Volana maromaro izay dia tena tiako mihitsy ilay manantona mpivarotra mba ahalalako ny approche marketing ampiasainy. Indraindray tsy mieritreritra hividy aho fa mieritreritra ny haka lesona.
Fa noho ny enseignement sy ny cours maro be nisy dia efa ho ny mpivarotra 8 ao anatin'ny 10 dia manao azy ity daholo.

Ny mpivarotra na en ligne na hors ligne dia manam-pahazarana mitanisa ny avantages rehetra an'ny produit rehefa vao manomboka ny resaka sy ny fandresen-dahatra mba hividianan'ny client ilay entana. Rehefa mandeha anefa ny resaka dia any amin'ny farany izy miteny hoe tena tsara io raha samy entana fa izy fotsiny ... (inconvénients an'ilay produits).

Ny olana anefa dia ny olona tsy dia mahatahiry informations betsaka fa izay faraparany voarainy no tsaroany
Hany ka lasa iny indray no blocage tsy hividianany an'ilay izy satria lasa nifantoka tany ny sainy.

Toroko hevitra ianao, rehefa handresy lahatra dia singano eny am-piandohana ireo inconvénients ary farano amin'ny resaka positive ilay tafatafa. Tanisao aminy any amin'ny farany fa na eo aza ireo tsy fahatomombanana kely misy par rapport amin'ny attente na par rapport amin'ny entana hafa mitovy aminy dia "utile be ho an'ilay client ilay izy satria ... ".

Iaraha-mahalala fa raha vao mi-etaler ny avantages sy ny sisa mantsy isika dia avy ny client amin'ilay fanontaniana hoe
" sao misy fitaka aloha e? " ,
" tsy mampino izany fa resa-be fotsiny fa mety zavatra tsy mandeha amin'izay laoniny akory io rehefa tonga any an-trano "
" ianao koa ange mpivarotra e, manao izay hahalafosana fotsiny "
" eto aho resy lahatra be fa efa avy eo aho hanenina "
" efa arako ny fikanareo, tsy araka ny nafarana akory no tonga "

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Antananarivo