16/11/2024
Did you know that English has around 400 million native speakers worldwide, making it the third most spoken first language after Mandarin and Spanish? However, what truly sets it apart is its status as the most widely learned second language in the world.
When you combine native and non-native speakers, English becomes the most widely spoken language globally. It is officially recognized in 67 countries and 27 non-sovereign entities. Plus, English plays a key role in business and serves as the official language for many major international institutions, including the United Nations, NATO, and the European Union. 🌍
29/06/2024
Hijery indray ny verbe "to be" na verbe "Être" isika androany 🥰
Anjaranareo ary ny manome ohatra avy hatrany.
Atomboko:
• We are Malagasy 🥰
29/06/2024
Andeha indray hijery ny karazana m**o ary🥰
22/06/2024
Androany isika dia hiresaka momba ny toerana misy ny zavatra iray raha oharina amin'ny zavatra iray hafa.
Andao ary.
Aujourd'hui, nous allons parler de l'emplacement d'un objet par rapport à un autre objet.🤗🤗🤗
Enjoy.
16/08/2023
Hello guys.
Put a line from a movie (english, french, malagasy,...) and let others guess the movie 😉.
Mine is in the comment section.
17/01/2023
This is an interresting session guys🥰
TANORA VE IANAO ?💁
➡️ Sahiran-tsaina misaina ny ho avy ?🤔
Na tsy mbola nisaina izany ho avy izany mihitsy hoe mety hanao ahoana ? 🤨
Na mety matahotra sy tsy sahy misaina izany akory satria mbola manjavozavo loatra ?🫣
Mety efa manana hevitra momba ny tianao hatao ihany koa fa te hanovo fahalalana vaovao indray ?🤗
🔶️ Misy fiofanana natao hanampy anao ity : 🌟Fiofanana Lifeskills Fanoitra na Fahaizana miatrika fiainana :
Hanampy anao hisaintsaina ny hoavinao, handrafitra vina ho an'ny fizakanao tena manokana, hamaly ny fanontaniana hoe "Inona no hataonao rehefa any aoriana ary ahoana ny hanombohana izany?"💡
Hanampy anao hanomboka handrafitra vina ho an'ny fiarahamonina misy anao : ny fikambananao, ny toerana misy anao...
Hanampy anao hijery sahady izay mety ho anjara birikinao ho fampandrosoana ny firenena
👉 Misorata anarana aingana ary...📝
⏰ RAHOVIANA NY FISORATANA ANARANA ?
Manomboka izao ary mifarana ny 22 Janoary 2023.
RAHOVIANA NY FIOFANANA ?
Misafidy daty iray amin'ireto manaraka ireto ianao hanaovana fiofanana :
🗓 Alarobia 01 Febroary 2023
🕐 1 ora hatramin'ny 4 ora hariva
🗓 Zoma 03 Febroary 2023
🕐 1ora hatramin'ny 4 ora hariva
⏳Maharitra hafiriana ny fiofanana ?
Adiny telo Ora (1-4 ora hariva) araka izay daty nofidianao.
🛤️ Aiza no toerana hanaovana ny fiofanana ?
Palais des Sports Mahamasina na ANS Ampefiloha
🦰🦱🦳 Iza no afaka misitraka ny fiofanana ?
- Ny tanora Malagasy rehetra tsy an-kanavaka 14-30 taona
- Miasa na tsy miasa
- Mianatra na tsy mianatra
- Anaty fikambanana na tsia
- Eto Antananarivo amin'ireo daty ireo (entanina manokana ireo tanora avy any amin'ny faritra ka eto Antananarivo amin'ireo daty ireo)
✏️AHOANA NY FISORATANA ANARANA?
👉 Manatona mivantana ao amin'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena Ambohijatovo (porte 4 DGJ) na Ankorondrano
👉 Na mandefa hafatra miafina amin'ny pejy Tsikitsiky Razanamasy, Directeur Général de la Jeunesse
ka soratana ao ny Anarana feno + laharana téléphone + taona+ adiresy + andro nofidiana hanaovana ny fiofanana
Ohatra : RAKOTO Solofo _ 034 00 123 45 _ 24taona _ Lot II Ambohitsitononina _ Alarobia 01 Febroary 2023.
💰 MISY VOLA ALOHA VE ?
Maimaimpoana ny fiofanana ary ahazoana attestation
🧾RAHOVIANA NO AZO NY ATTESTATION ?
Rehefa vita ny fampiofanana ireo tanora rehetra nisoratra anarana amin'ity andiany voalohany ity dia hotolorana attestation amin'ny fomba ofisialy ireo tanora rehetra niofana. Araho tsy tapaka ny pejy ahafantaranao ny daty anatanterahana izany.
💡Ho an'ny fikambanana tanora dia misy fandaminana manokana azo atao, koa manasa anareo am-panajana hanatona mivantana ao amin'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena porte 4, momba izany.
Raiso an-tanana ny hoavinao, misorata anarana dieny izao, ndao hanovo fahalalana vaovao indray...
Ho antsika tanora avy any amin'ny faritra manerana an’i Madagasikara ka eto Antananarivo amin'ireo daty ireo dia manentana anao hanovo fahalalana !
13/01/2023
Sometimes when we write or speak, there are words we used too many times or are not appropriate to the context of the subject or the audience so here is the part 01 of synonyms you can use😉
If you have other examples, feel free to write in the comment section📝
Indraindray isika rehefa manoratra na miresaka dia misy teny miverimberina betsaka loatra ao anatin'ilay resaka na lahatsoratra ataontsika. Mety koa hoe tsy mifanaraka amin'ilay sehatra resahina sy ny olona iresahana azy ilay izy ka mety Mila ovaina.
Indreto ary misy teny maromaro mitovy hevitra mba hanampiana anao amin'izany ary raha mbola mahita hafa ianao dia soraty etsy ambany 📝😉
Raha misy fanontaniana koa dia apetraho fa ezahiko valiana foana.