Leadership training Institute

Leadership training Institute

Share

Programme de formation en Leadership

Photos from Leadership training Institute's post 08/05/2026

Araky ny fangatahanareo maro be tato amin'ny pejy hoe mba hapiana formation indray, dia indro ary😍

Amin'ny 23 Mai ho avy izao ny fotoanatsika sady natao amin'ny sarany mirary dia mirary 🙈

👉8h à 10h isika hianatra mahakasika ny leadership amin'ny ankapobeny
👉 10h à 12h kosa indray handalinatsika manokana ny fahatokisan-tena

Inscription :
https://forms.gle/sSmYpZZBxiTAvf4i9

Na afaka manoratra mivantana amin'ny hafatra miafina ihany koa ianareo

Tongava maro ary fa efa miandry anao ny fahombiazanađŸ€Č

08/05/2026

Rehefa manandrana zavatra vaovao ianao dia hisy olana foana. Saingy tsy midika izany fa tsy mety ilay lalana.
Ny olona manana growth mindset dia mahita ny sakana ho toy ny fanazarana ny fahaiza-manaony.
Tsy miala izy rehefa sarotra, fa mitady fomba hafa.
Ny fahombiazana dia tsy an’ny olona mahay indrindra, fa an’ny olona maharitra indrindra.

👉 Raha tsampanao hoe sarotra ny lalana dia midika izany fa mandroso ianao.

💬 Ary ny anareo ? Inona no sakana manakana anao amin’izao fotoana izao?

08/05/2026

Olana lehibe amin’izao fotoana izao ny fampitahana tena amin’ny hafa. Ny hafa mety efa lavitra amin’ny lalany, fa ianao mbola eo am-panombohana.
Ny growth mindset dia mampianatra fa ny tena fifaninanana dia amin’ny tenanao omaly.
Tsy mila tsara noho ny hafa ianao, fa mila tsara kokoa noho ny tenanao taloha.

👉 Ny fandrosoanao no zava-dehibe, fa tsy ny hafainganam-pandehan’ny hafa.

08/05/2026

Tsy tonga tampoka ny fahombiazana fa vokatry ny fianarana sy fanazaran-tena isan’andro izy io.
Ny olona manana growth mindset dia tsy miandry fotoana “tonga lafatra”, fa manomboka amin’izay ananany ankehitriny. Mianatra kely isan’andro izy, na dia 10 minitra fotsiny aza.
Ny fandrosoana kely isan’andro dia mitombo ho vokatra lehibe rehefa mandeha ny fotoana.

👉 Tsarovy: tsy mila tonga lafatra ianao vao manomboka, fa mila manomboka vao mihatsara

08/05/2026

Maro ny olona no matahotra ho diso ka tsy sahy manandrana. Saingy ny marina dia izao: tsy misy fahombiazana raha tsy misy fahadisoana aloha.
Ny olona manana growth mindset dia mahita ny fahadisoana ho toy ny mpampianatra. Rehefa diso izy dia tsy mijanona, fa mandinika hoe “inona no azoko ianarana amin’ity?”
Tsy midika hoe tsy mahay ianao ny fahadisoana. Midika hoe mbola mianatra ianao.

👉 Ny tsy manandrana mihitsy ary no tena tsy fahombiazana.

07/05/2026

Raha ny ahy manokana aloha tiako ho hay daholo izao zava-drehetra izao💬😂

07/05/2026

Miankina amin’ny fomba fisainanao ny fetranao 💭

07/05/2026

Fantatrao ve fa tsy ny talentanao no mametra ny fahombiazanao
 fa ny fomba fisainanao?

Ny growth mindset dia finoana iray tsotra nefa mahery:
👉 Afaka mianatra ianao.
👉 Afaka mihatsara ianao.
👉 Afaka miova ianao.
Tsy mijanona amin’ny hoe “impy izay”

fa mino fa mbola misy ambaratonga ambony kokoa miandry anao.

👉Ny olona manana growth mindset dia tsy matahotra fahadisoana.
Ho azy, ny diso dia tsy fahalemena
 fa lesona.
Rehefa diso izy dia tsy kivy, fa mianatra sy manitsy.
👉Izy dia tia mianatra.
Tsy miandry fahafahana, fa mitady izany.
Miezaka hatrany hanatsara ny fahaiza-manaony sy ny vokatra vitany.
👉Manampy azy hanana faharetana sy perseverance izany.
Rehefa sendra olana dia tsy mitsoaka

fa mitady vahaolana sy manohy hatrany.
👉Amin’ny leadership

ny olona manana growth mindset dia manangana olona.
Tsy manameloka rehefa misy hadisoana,
fa manoro lalana sy manampy ny hafa hivoatra.

✹ Tsarovy:
👉 Tsy voafetra amin’izay maha-ianao anao ankehitriny ianao

👉 Fa amin’izay safidinao ho lasa rahampitso.

07/05/2026

Tsy ny talenta na ny vintana foana no mitondra fahombiazana
 fa ny faharetana sy fikirizana. Maro ny olona manomboka zavatra, fa vitsy no mahavita satria mora kivy rehefa sendra olana.
Ny persévérance dia ilay hery manosika anao hanohy hatrany, na dia sarotra aza ny lalana. Rehefa lavo ianao dia tsy mijanona, fa mitsangana indray. Rehefa tsy mahomby ny andrana voalohany dia mbola manandrana indray
 ary manandrana hatrany 
 mandra-pahatratraranao ny tanjonao.

👉Voalohany, ilaina ny fananana tanjona mazava. Raha tsy fantatrao izay halehanao dia mora kivy eny an-dalana. Fa raha mazava ny tanjonao, dia na dia sarotra aza ny lalana dia mbola hanana antony hanohizana ianao.

👉Faharoa, ekeo fa tsy mora ny lalana. Ny olana sy ny sakana dia ampahany amin’ny fandrosoana. Tsy fahavalo izy ireny, fa lesona hanamafy anao.

👉Fahatelo, miezaha hanana toe-tsaina matanjaka. Aza avela hanapaka ny nofinao ny tahotra na ny tsy fahombiazana . Tsarovy fa ny olona rehetra nahomby dia nandalo fahasarotana daholo fa tsy tonga ho azy teo akory

👉Farany, ny fahombiazana dia an’ny olona tsy kivy. Indraindray tsy ny fanaovana zavatra haingana no zava-dehibe
 fa ny fanohizana azy fona na atao ampilaminana aza.

✹ Mandehana miadana raha ilaina
 fa aza mijanona mihitsy.

07/05/2026

NY FITANTANANA FOTOANA: LAKILEN’NY FAHOMBIAZANA

Matetika isika mitaraina hoe “tsy ampy fotoana”
 kanefa mitovy 24 ora amin’ny olona rehetra ihany ny androntsika. Ny mahasamihafa antsika dia ny fomba ampiasantsika izany fotoana izany.
Ny fitantanana fotoana dia tsy midika hoe manao zavatra betsaka be ao anatin’ny fotoana fohy, fa hoe mahay misafidy sy manao ireo zavatra tena ilaina sy manan-danja. Raha tsy voafehinao ny fotoananao dia ho voafehin’ny zavatra tsy misy lanjany ianao.
👉Voalohany, ilaina ny mametraka laharam-pahamehana. Tsy mitovy ny lanjan’ny asa rehetra, ka mila fantarina izay tena manampy amin’ny tanjonao. Ataovy aloha ireo zava-dehibe, fa aza variana amin’ny zavatra madinika mandany fotoana.
👉Faharoa, tandremo ireo mpangalatra fotoana: ny fijerena tĂ©lĂ© na tĂ©lĂ©phone be loatra, ny resaka tsy ilaina, na ny fanemorana asa. Ireo no mahatonga antsika tsy hahavita izay tokony hatao.
👉Fahatelo, zava-dehibe ny fananana drafitra. Na tsotra aza, soraty izay hataonao isan’andro. Ny zavatra voalamina dia mora tanterahina kokoa noho ny zavatra atao an-tsaina fotsiny.
Farany, tsarovy fa ny fomba ampiasanao ny fotoananao anio no mamaritra ny hoavinao. Raha mahafehy ny fotoananao ianao dia mahafehy ny fiainanao.

✹ Aza miandry fotoana mety
 fa ataovy mety ny fotoananao.

06/05/2026

Ny fahafahana miova sy manitsy lalana (adaptabilitĂ©) dia tena ilaina amin’ny fitarihana. Tsy amin’ny fitarihana ihany anefa fa eo amin'ny sehatry ny asa sy ny fiainana iray manontolo mihitsy, satria miovaova ny toe-javatra amin’ny fiainana sy ny asa.

👉Ilaina ny manaiky fa miova ny zava-drehetra. Indraindray tsy mandeha araka ny plan ny zavatra, ka mila mahay mandray izany tsy ampahakiviana.

👉Zava-dehibe ny mianatra manitsy haingana. Raha misy zavatra tsy mety dia tsy mifikitra amin’ilay fomba taloha, fa mitady vahaolana vaovao.
Tsy ny zavatra efa natomboka no ovaina fa ny lalana hanohizana azy.

👉Ny adaptabilitĂ© dia manampy amin’ny fahafahana misitraka fotoana vaovao. Ny olona mahay miova dia mora mahita fahafahana amin’ny fanamby.

👉Amin’ny leadership, ny mpitarika mahay miova dia manampy ny ekipany tsy ho very lalana, fa mitarika azy ireo amin’ny fiovana amim-pahendrena.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo