Cours gestion Saina matsilo

Cours gestion Saina matsilo

Share

Fifanampiana @ fianarana

30/10/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š Avy ndray anay eh â˜ș
=> Rapprochement Fournisseur ?

đŸ”čFamaritana
Ny rapprochement fournisseur dia asa amin’ny comptabilitĂ© izay mikendry ny hampitaha sy hanamarinana ny fitoviana eo amin’ny :
Factures sy avoirs nalefa avy amin’ny fournisseur,
sy ireo Ă©critures comptables voarakitra ao amin’ny compte 401 – Fournisseurs.
Ny tanjony dia ny hahazoana antoka fa mitovy ny vola voafakitra, voarakitra ary voaloa, mba hisorohana ny hadisoana na ny fanindroany fandoavana.

đŸ”č Tanjon’ny asa
Hamarina raha efa voarakitra daholo ny factures reçues.
Hamarina raha mifanaraka amin’ny factures rĂ©glĂ©es ny paiements.
Hitan’ny orinasa raha misy Ă©carts (hadisoana amin’ny montant, facture tsy voaray, na paiement diso).

đŸ”č Antontan-taratasy ampiasaina
Amin’ny rapprochement fournisseur dia ampiasaina :
Relevé de compte fournisseur,
Grand livre du compte 401,
Factures, avoirs, bons de commande sy bons de livraison,
Ary ny piĂšces justificatives de paiement.

đŸ”č Dingana atao
1. Soraty ny asa rehetra hita amin’ny relevĂ© fournisseur.
2. Ampitahao amin’ny voarakitra ao amin’ny compte 401.
3. Pointer (na asiana marika) ireo mitovy.
4. Tadiavo ny tsy fitoviana :
Raha facture reçue nefa tsy mbola voarakitra → dia mila atao comptabilisation.
Raha facture comptabilisĂ©e nefa tsy mbola tonga → dia atao FNP.
Raha paiement tsy hita amin’ny relevĂ© → dia atao fanamarinana amin’ny fandoavana.

đŸ”č Vokatra andrasana
Rehefa vita ny fanamarinana :
Ny solde du compte fournisseur (401) dia tsy maintsy mitovy amin’ny solde du relevĂ© du fournisseur.
Raha misy Ă©cart, dia tsy maintsy hita sy hazavaina alohan’ny clĂŽture comptable.

đŸ”č Antony maha-zava-dehibe azy
Miantoka ny fahamarinan’ny comptes.
Misoroka ny hadisoana amin’ny paiement.
Manampy amin’ny clîture comptable marina.
Mitazona fifampitokisana tsara amin’ny fournisseurs.

ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

24/10/2025

Miarahaba indray ĂŽ !! đŸ€đŸ’š Avy ndray anay eh!
L'autofinancement ??
Famaritana
Ny autofinancement dia ny fahaizan’ny orinasa mamatsy ny filàny ara-bola amin’ny alàlan’ny vola avy aminy ihany, fa tsy mitady kapitaly ivelany toy ny emprunt bancaire na apport des actionnaires.

Amin’ny teny tsotra :
> Ny orinasa dia mampiasa ny bénéfice azony mba hanitarana ny asa, hividianana fitaovana, handoavana trosa, na hanamafisana ny trésorerie.

đŸ”č Sources de l'autofinancement
Ny autofinancement dia avy amin’ny :
1. CapacitĂ© d’autofinancement (CAF) — vola miditra avy amin’ny asa andavanandro.
2. BĂ©nĂ©fice non distribuĂ© — ampahan’ny rĂ©sultat net tazonin’ny orinasa fa tsy zaraina amin’ny dividendes.

đŸ”č Formule simple
> Autofinancement = CapacitĂ© d’autofinancement – Dividendes distribuĂ©s.

đŸ”č Avantages
✅ IndĂ©pendance financiĂšre : tsy miankina amin’ny banky na mpampindram-bola.
✅ Tsy misy frais financiers : tsy mandoa intĂ©rĂȘts.
✅ Sary tsara amin’ny lafiny ara-bola : manaporofo fitoniana.
✅ Fahafahana : afaka manapa-kevitra amin’ny fampiasam-bola manokana.

đŸ”č Limites
⚠ Raha kely ny bĂ©nĂ©fice, dia kely koa ny autofinancement azo.
⚠ Raha lehibe ny filĂ na ara-bola, dia mety tsy ampy ny loharano anatiny.

đŸ”č Ohatra
Orinasa iray mahazo bénéfice net 100 000 Ar
Manapa-kevitra izy hanome 30 000 Ar ho dividendes, ary hitazona 70 000 Ar
âžĄïž Ireo 70 000 Ar ireo no autofinancement azo ampiasaina amin’ny fividianana milina na fanitarana ny asa.

ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

22/10/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š Tonga ndray anay eh 😁
âžĄïž TVA sur les dĂ©bits ??

Famaritana

Ny TVA sur les débits dia fomba kajy sy fandoavana ny Taxe sur la Valeur Ajoutée (TVA).
Midika izany fa ny TVA dia exigible (azo takiana amin’ny orinasa) amin’ny fotoana anaovana laharan-trosa (facturation na enregistrement du dĂ©bit) — na mbola tsy naloan’ny client aza ilay vola.

Raha atao tsotra :
> Rehefa mamoaka facture ianao, dia efa tokony handoa sy hanambara ny TVA, na mbola tsy nisy paiement.

đŸ”č Orinasa voakasika
Ny TVA sur les dĂ©bits dia mihatra amin’ny :
Prestataires de services, raha tsy misafidy TVA sur encaissements izy,
Ary amin’ny livraisons de biens, satria amin’ireo dia TVA sur dĂ©bits no atao foana.

đŸ”č Principe Comptable
Ny fandoavana TVA dia mitranga :
Amin’ny daty anaovana dĂ©bit (rehefa avoaka ny facture),
Fa tsy amin’ny daty andraisana vola (encaissement).

Ka amin’ny Ă©criture dia :
Voarakitra avy hatrany ny TVA collectĂ©e (compte 4457) amin’ny fotoana anaovana facture,
Na dia tsy mbola nandoa aza ny client.

đŸ”č Ohatra
Orinasa iray mamoaka facture 1 000 Ar HT ny 20 oktobra, miaraka amin’ny TVA 20 % = 200 Ar
Ny client dia mandoa ny 10 novambra.
âžĄïž Raha TVA sur les dĂ©bits, dia efa exigible ilay TVA 200 Ar amin’ny 20 oktobra,
ary tokony ho voasoratra amin’ny dĂ©claration d’octobre izany.

đŸ”č Fahasamihafana amin’ny TVA sur encaissements
TVA sur dĂ©bits → mandoa TVA amin’ny fotoana facturation.
TVA sur encaissements → mandoa TVA amin’ny fotoana fandraisana ny paiement.

ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

Photos from Cours gestion Saina matsilo's post 06/10/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š Fiche de stock ? ito misy exercice corrigĂ© ho an'izay mazoto mianatra. Norme IAS/IFRS

29/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š Tsy hizara aho androany fa hizara 😁 maninona moa isika mpanaraka ny pejy raha mananganga communautĂ© iray â˜ș mba hoentina hifampizarana sy hampiakarana ny valeur-tsika â˜ș mety ve ? Asao ireo namana rehetra anaraka ny pejy aloha, partageo ihany koa ny pejy fa isika miaraka tafita no tanjona. â˜ș

ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

26/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š "Situation actuelle Ă  Madagascar"
⛔❌ Tsy manao politika tompoko ny admin â˜ș fa mpandraharaha misehatra amin'ny comptabilitĂ© sy ny maro hafa 😇
mampalahelo ny zava-misy eto amin'ny firenena, betsaka no very asa, Kivy satria voaroba ilay noezahana nitsangana, nĂŽna ny vahoaka, mijaly ny vahoaka. Samia mandray ny andraikitra tandrify azy 😌đŸ’Ș
fa izao : mianatra Comptabilité, mianatra mitantana vola mba ivoahana amin'izay crise économique mananontanona izao.
ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

Photos from Cours gestion Saina matsilo's post 25/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š fantatrao ve ny "ACCOMPTE et AVANCE" inona no mampiavaka azy ireo? partageo aloha raha mahasoa anao.
👉Amin’ny comptabilitĂ©, ny acompte dia paiement partiel aloan’ny mpividy (acheteur) rehefa manao conclusion d’un contrat na amin’ny fiandohan’ny fanatanterahana service na commande. Izy io dia manaporofo engagement ferme amin’ny roa tonta ary matetika tsy averina (non remboursable) raha ny acheteur no manafoana.

Ny avance indray dia paiement aloan’ny mpividy alohan’ny hanombohan’ny asa na livraison, mifandray amin’ny frais à engager. Izy io kosa dia azo averina (remboursable) raha tsy tanteraka ilay prestation na livraison.

Ny fahasamihafana lehibe dia hita amin’ny moment du versement sy ny engagement : ny acompte dia manaporofo fifandraisana matotra sy efa natomboka, raha ny avance kosa dia paiement anticipĂ© fotsiny ho an’ny asa mbola tsy natomboka.

Acompte amin’ny comptabilitĂ©
Moment du versement : Aloha rehefa manao contrat, devis, na amin’ny fiandohan’ny fanatanterahana commande.
Engagement : Midika fifanarahana matotra (engagement ferme) ny roa tonta, ary izy io dia paiement partiel amin’ny vola manontolo.
RemboursabilitĂ© : Amin’ny ankapobeny dia tsy averina (non remboursable) raha ny acheteur no manafoana. Averina ihany anefa raha ny vendeur no tsy manatanteraka ny adidiny na misy droit de rĂ©tractation.
Enregistrement : Voarakitra amin’ny comptes spĂ©cifiques toy ny compte 4191 « Clients – avances et acomptes reçus » na compte 4091 « Fournisseurs – avances et acomptes versĂ©s ».

Avance amin’ny comptabilitĂ©
Moment du versement : Aloha alohan’ny hanombohana asa, service na livraison.
Engagement : Vola aloan’ny mpividy mialoha ho an’ny prestations à venir na frais à engager.
Remboursabilité : Azo averina (remboursable) raha tsy tanteraka ilay prestation na rava ilay contrat.
Exemples : Avance amin’ny fividianana machines industrielles, na paiement anticipĂ© amin’ny frais de location.

ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

23/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š FACTURE NON PARVENUE ?? Zarao aloha vao vakina â˜ș
Inona ny Facture Non Parvenue (FNP) ?

Ny FNP dia charge amin’ny biens na services izay efa reçus alohan’ny clîture d’un exercice comptable, nefa mbola tsy navoakan’ny facture avy amin’ny fournisseur.
Tsy maintsy voarakitra izy io mba hanajana ny principe d'indĂ©pendance des exercices : ny charges dia atokana amin’ilay exercice nipoirany (fotoana nanekena ny bien na nanatanterahana ny service), fa tsy amin’ny fotoana ahatongavan’ny facture na amin’ny fotoana anaovana ny paiement.

---

Nahoana no tsy maintsy voarakitra ny FNP ?

Principe d'indĂ©pendance des exercices : Ny charges dia tsy maintsy voarakitra amin’ilay exercice nisehoany fa tsy miandry ny facturation na ny paiement.

RĂ©gularisation : Izy io no manitsy ny elanelana eo amin’ny date de livraison/prestation sy ny date de rĂ©ception de la facture, ka manome sary marina ny toe-bola (situation financiĂšre) amin’ny fotoana clĂŽture de l’exercice.

---

Ahoana ny fomba fandraisana an-tsoratra ny FNP ?

1. Identifier : Tadiavo ireo biens na services efa reçus nefa tsy mbola tonga ny facture.

2. Vérifier : Jereo tsara ny montant de la charge sy ny TVA déductible raha azo alaina.

3. Écriture comptable (mifototra amin’ny bon de livraison na document probant hafa) :

DĂ©biter : compte de charges (classe 6) amin’ny montant HT.

Débiter : compte TVA à régulariser (44586) raha azo atao ny TVA.

CrĂ©diter : compte 4081 – Fournisseurs Factures non parvenues amin’ny montant TTC.

---

Inona no atao rehefa tonga ny facture ?

Rehefa tonga ny facture définitive :

Atao ny solde amin’ilay Ă©criture de FNP :

Débiter : compte 4081.

CrĂ©diter : compte 401 – Fournisseurs.

---

Ahoana ny fomba hahazoana ny facture tsy tonga ?

Relance amin’ny alalan’ny antso an-telefaona na mailaka amin’ilay fournisseur.

Raha tsy mamaly, dia azo alefa lettre de demande de facture non parvenue ho fanamafisana.
ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

18/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š
👉 La disponibilitĂ© et le rĂ©sultat de l'exercice
Nisy fotoana nisy orin'asa kely iray mifampiresaka tamiko dia nilaza zareo fa dĂ©ficit ny trĂ©sorerie nefa ny rĂ©sultats hoy izy bĂ©nĂ©fice ! Possible ve izany ry namana hoy ilay Responsable. Eny hoy aho â˜ș fa maninona ?
Misy Antony maro fa tsy ho voazava eto. Fa ny azo ambara dia samy hafa ny flux monétaire amin'ireo, ny iray compte de gestion ny iray compte de bilan.
Mety mahalina atsika ve raha asina groupe ho fifanampina sy fizarana ranoray fotsiny ?
ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

16/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š
👉 Charge de la comptabilitĂ© analytique
ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

Photos from Cours gestion Saina matsilo's post 08/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š
👉 Organisation comptable ? Tahak'izay aseo amin'ny sary izao fona amin'ny akapobeany ny fizotrin'ny asan'ny comptable iray. Misy exercices corrigĂ© kely io, simple kely fa mety anampy atsika nefa.
ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

Photos from Cours gestion Saina matsilo's post 04/09/2025

Salama daholo đŸ€đŸ’š "INTÉRÊT COURUS"?? Partageo aloha vao mamaky â˜ș
👉 Raha faritana tsostotra ny intĂ©rĂȘt courus dia ilay vola naloanao mialohan'ny fotoana eh!! Kanefa ao anatin'iny fotoana Mbola tsy tokony isitraka ilay vola eh!!
Marihina fa ilay vola eto dia ilay "intĂ©rĂȘt bancaire". Avy aiza moa ilay intĂ©rĂȘt ? â˜ș
đŸ”„ Mazava hoazy fa avy amin'ny alalan'ny indrana vola nataon'ny orin'asa iray tamina banque iray (matetika banque fa misy koa orin'asa afaka mampindrana vola orin'asa)
👉 Ny intĂ©rĂȘt courus ry zareo dia tsy maintsy atao fona ny calcul an'izy io rehefa manao clĂŽture d'exercice ah!! Na koa anao rapport financier ianao. Fa aona marina moa izy io?
đŸ”„ Raha ohatra isika nanao emprunt tamina banque iray tamin'ny 1er janvier ohatra, ny fandoavana na ny remboursement an'ilay vola ohatra ao anatin'iny 3 taona ohatra ka isakin'ny 20 juillet. Mazava hoazy zany fa rehefa Tonga ny 20 juillet 2025 dia mandoha sommes d'argent any @ banque isika ( capital + intĂ©rĂȘt) izay totalin'ny vola eritaona 20 juillet 2025 - 20 juillet 2026
Mazava hoazy fa rehefa Tonga ny 31 dĂ©cembre 2025 dia tsy maintsy izay charge concernĂ© amin'ny taona 2025 ihany no tokony tafiditra anaty calcul ny resulta Raha tsy izany dia diso ny Resultat. Ny intĂ©rĂȘt courus zany eto dia ilay vola entre ny 1 janvier 2026 - 20 juillet 2026. Mba ho fanajana ny principe d'indĂ©pendance des exercices đŸ”„ Ary ho tratra ny image fidĂšle â˜ș
Izay ndray no azo nozaraina Ary fa mazotoa daholo.
ISIKA TSY MAINTSY TAFITA âŁïžđŸ’Ș

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Mahamasina
Antananarivo