20/12/2024
Lehilahy ilay manoratra : saika mba hangataka fanampiana kely.
Tsy izany fa manana sipa zay za dia izy efa niteraka. Dia namonjy chambre efa hatramin'ny omaly hariva zay dia nanao RS. Zany hoe vao voalohany mintsy. Dia niteny mo izy hoe tsy mety mahazo fafiny mintsy hono izy raha tsy tonga nenazy 😏 Fa efa hatramin'ny alina jusque zao 'ty, efa tours 6 izay no vitako fa tsy haiko raha efa tonga izy na tsia. Zah tena reko efa valaka mintsy no sady lasa otrn mangorangorana hafahafa tsy hay tady ho voan'ny tazo tampoka zany😳 dia nefa izy tsy fantatro mintsy hoe efa tonga ve sa mbola ?!
Ahoana kay no ahafatarana oe tonga nenle sipa ?! Na oe ahoana no atao mba apatonga ny azy aingana? Mba mila fanampiana aho ry zareo ah!
29/08/2024
❌❌❌DORY IRETO FA MAHASOA ❌❌❌
👉Dory ny hodi-boasary mba hisarihana fifaliana.
🍃 Dory thym mba hisarihana vola.
🌻Doroy ny voan- tournesol sy siramamy fa hitondra habetsahana .
💛 Mandoro ny artemis, mba hanana clairvoyance sy nofinofy ☕Doro ny voan-kafe mba hampitahorana ny "fanahy ratsy". 🍂Doroy ny romarin mba hanafoanana ny aretina vokatry ny virus sy bakteria.
💜Doroy ny lavende mba hitondra fitoniana sy fitoniana.
🍃 Dory ny solila mba hampitony ny eritreritra.
🌿 Dorohy ny laurier mba hampitsaharana ny tebiteby ary hiarovana ny tenanao "amin'ny ody".
👉Doroy ny jirofo mba hialana amin'ny fifosana, hisarihana vintana, vola ary finamanana tsara 👉Dory ny tapa-kazo kanelina mba hampisy fifandraisana sy hisarihana ny habetsahana
👉Dory ny hoditry ny tongolo, raha manao izany amin'ny zoma ianao dia "misarika vola".
👉Mandoro raozy fotsy, mba hampirindra sy hampisy filaminana
👉Dory ny paraky mba handroahana ny "fanahy ratsy.
Ao amin'ny trano fonenana ireo no atao.
Mandrosoa hasina daholo tompoko oh❤🫶🏻
28/08/2024
IREO FADY ETO ANTANANARIVO RAHA SENDRA MIAKATRA ETO IANAO (vahiny) :
-Fady ny milalao finday eny ambonin'ny bus, ao anatin'ny tunnel Ambohidahy, indrindra fa anaty fitohanana.
-Fady ny mitondra firavaka volamena, vola sy solo-saina eny Analakely sy Behoririka.
-Fady no mitondra fiara tsy mihidy varavarana eny 67ha sy Andohotapenaka, fa voaambana sabatra.
-Ho an'ny lehilahy mandeha irery, fady ihany koa ny mitondra fiara tsy mihidy varavarana eny Behoririka sy Analakely fa fomban-dry zareo vehivavy indray no miditra ao ary tsy mety miala raha tsy mahazo vola na finday. Raha tsy manome dia miorakoraka sy miantso vonjy hoe misy manolana izy ireo.
-Ho an'ny vehivavy kosa, fady ny tsy mailo rehefa avy nanao volo sy mba lavalava volo satria misy tonga dia manapaka tsotra izao na an-dalana na anaty fiara fitateram-bahoaka.
-Fady ny mandeha moto eny Vasakôsy sy eny Andavamamba fa misy mampianjera amin'ny menaka sy midaroka ary manendaka.
-Fady ihany koa ny mandalo alina eny amin'ny Boulevard de l'Europe hihazo an'Ankorondrano fa misy mitoraka vato ny fiara. Eny Ambodimita mankeny Ambohimanarina dia maloto indray no itorahiny.
-Fady ny mamaly ireny olona misera finday ireny, indrindra eny amin'ny Petite Vitesse fa matetika rehefa manontany ny volanao izy dia manombana ny vola azo endahina any aminao fa tsy ivarotra akory.
-Fady ihany koa ny manome sakafo ireny mpangataka ireny fa anaovany tantara an-tsehatra ianao hoe marary kibo voapozin'ny sakafo natolotrao.
Inona koa no tsy voatanisa?
26/08/2024
TOETRA 10 AMANTARANA NY LEHILAHY
AZO ITOKISANA
Sarotra dia sarotra ny mamboly fitokisana ho an’olona iray, nefa segaondra iray monja dia efa mety mahavery azy io.
Andry iray mampijoro ny fitiavana anefa ny fifampitokisana, ka tsy hisy fiarahana vanona, raha tsy misy izany. Ahoana ary no hahafantarana fa azo itokisana ny olon-tina, raha vao miandoha ny fiarahana ? Ireto misy marika 10 azo amantarana azy.
❤1° Tsara laza izy
Tsy renao tantarain’ny olona loatra ny toetra ratsiny. Na ny vehivavy niaraka taminy taloha aza dia tsy manaratsy azy, fa afaka miresaka zavatra tsara momba ny toetrany sy ny fanaony.
❤2° Mitana ny teny nomeny izy
Vitsy dia vitsy ny lehilahy tena mahavita manatanteraka izay nolazainy. Raha mitana ny teny nomeny izy dia manana toetra tsara tsy fahita firy, ka azo ametrahana fitokisana.
❤3° Tsy mandainga aminao izy
Raha vao miandoha ny fiarahana dia efa tsapanao fa tsy milaza ny marina izy, dia tsy azo atao ny matoky azy, eny fa na lainga madinika aza no ataony, na lazainy fa lainga masina aza izany.
❤4° Miaiky ny hadisoany izy
Tsy miziriziry amin’ny heviny izy fa mahay miala tsiny rehefa misy tsy mety ataony. Tsy betsaka ny lehilahy manao izany, noho ny hambom-po diso toerana. Toetra tena mendrika anefa izany.
❤5°Mahasahy mitantara ny hadalany izy
Raha nisy hadisoana nataony tsy teo imasonao, nefa mety hisy akony aminao, dia sahiny ny mibaboka. Anjaranao ny mamela heloka, fa tsy ny lehilahy rehetra no manao toy izany.
❤6° Manao ny marina izy
Tsy faingafaingan-tanana izy, tsy tia kinafinafina, tsotra sy mahitsy. Azo lazaina ho lehilahy marina mihitsy izy, na dia tsy tonga lafatra aza fa manana ny kilemany.
❤7° Mitantara ny rehetra izy
Marina fa tsy maintsy manana ny tsiambaratelo keliny ihany izy, saingy tiany ny mizara aminao ny fiainany manokana, ny asany, ny fianarany, ny momba ny fianakaviany, ny namany
❤8° Tsy mbola nandiso fanantenana anao izy
Satria mazava ny momba azy rehetra, satria miezaka ny hanatsara ny fifandraisanareo
18/08/2024
Henjana ilay maniraka mpanampy miantsena.
Nomena 20000Ar izy hiantsenany ary ny fitambaran'ny entana rehetra na TOTAL dia 8000Ar.
Tany izy, ary ora vitsivitsy taty aoriana dia niantso fa efa azony daholo hono ny entana ankoatra ilay TOTAL.
Efa mba nanontany olona ihany hono izy hoe aiza no misy ilay TOTAL dia hitany ihany nony farany. Fa saika hanontany fotsiny hoe essence sa gasoil sa inona ilay hoentina?! 😅
01/08/2024
❌❌VOLON-KATSAKA
Azafady indrindra tompoko, mba aparitaho ity hafatra ity fa mety hamonjy olona maro dia maro, azafady!
Nataoko ny anjarako, manantena aho fa afaka manao toy izany koa ianao. Misaotra mialoha anao!
- Volon-katsaka maina iray tanana
- Ampangotrahana amin’ny rano fahefaky ny litatra (1/4L)
👉 Misotro iray sotro fihinana isaky ny adiny iray ora ho an'ny olona mipipy ampandriana.
Mampihena ny tahan'ny glycémie diabète ihany koa
- Volokatsaka maina 2 tanana
- Ampangotrahana amin'ny rano iray litatra
👉 Misotro iray vera ny maraina, iray vera ny atoandro, iray vera ny hariva ( Rehefa miakatra be ihany ny glycémie vao manao izany )
Miakatra tosi-dra / Mitohana tsy mipipy
- Mampangotraka volon-katsaka maina iray tanana
- Ampangotrahana amin'ny rano iray litatra
👉 Sivanina ny faikany hiala dia misotro izany ny tontolo andro
Matavy te hanena vatana
- Volon-katsaka maina roa tanana
- Ampangotrahana amin'ny rano iray litatra
👉 Sotroina ao anatin'ny iray andro izany dia manao vaovao hafa indray amin'ny manaraka. Misotro izany indroa isan'kerinandro; Ary atao mandritra ny iray volana sy tapany fa hahita vokatsoa ianao.
Aorian'ny famakian'ity hafatra ity, mba ampahafataro amin'ny hafa koa, ambarao amin'ny manodidina izany: amin'ny fianakavianao, amin'ny namanao ... Karakarao ny fahasalamanao ...
12/06/2024
LEO BE ANLE VADIKO AHO
Mba atao anonyme azafady. Arakio titre io de zao : leo be anle vadiko za après seulement 4 ans de mariage. Mialatsiny raha miditra amin'ny resakareo Lehilahy satria Za aloh zani vehivavy eh ! De io vadiko io zao efa ho 1 mois tsy nanao firaisana intsony izahay, izy aloh zany le lehilahy tsy de mazoto manao firaisana ireny satria hoe sportif be hono de sport fona no andaniana andro sy aina. Mankaleo be! Sa ve mampirafy izy satria sarotra inoana ihany leizy refa tena mandinika za. Izy koa tena tsapako oe tsy mitondra fivoarana ato antranonay mints, mandany iany no tena hainy ary rah vao mba misy ambi-bava kely defa be projet be, hita mialoha foana ny andaniana an'iny vola iny (régime ah eh, kiraro tennis efa mameno trano sady lafo be, telefonina, sns) tsy manana tahiry mints zahay fa de vao maika ary mivoaka moins mints. Santionany fotsiny ireo fa dia tena leo ah e, tsy hitako ze fomba iresahana aminy ka tsy tonga de ampisendaotra azy, satri ko izy mora misendotra.
Mba mila fanampiana aminareo ah. Mba ataovy Resa-dehilahy kely ao io admin ah. Merci
31/05/2024
🎀𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗙𝗔𝗡𝗧𝗔𝗧𝗥𝗔𝗢 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗗𝗜𝗡𝗔𝗢 ❤️
1. Tsy mety amin'ny vadinao ny tenitenenina ampahibemaso. Na vehivavy na lehilahy dia aleo tonga any an-trano vao mifampiteny.
2. Tsy mety ny miteny mafy mivazavaza rehefa manitsy ny vadinao amin'ny zavatra tsy mety nataony. Mba hisian'ny fifanajana dia aleo mitenena moramora foana.
3. Mandratra ny fon'ny vadinao ny teny mahery.
Aleo rehefa tsy hahatandrina dia tsy miteny mihitsy raha tezitra na mivoaka kely fa niteny iray tsy voahevitra dia sarosarotra ny mamafa azy ao ampon'ny anankiray. Miezaha foana zany mba teny milamina sy feno fitiavana.
4. Tsy mety amin'ny vadinao ny lazaina hoe zaza.
Ny fitenenanao azy toy ny zaza dia mandratra ny fony satria samy olona lehibe ianareo roa na dia misy zavatra tsy mampitovy
5. Ilain'ny vadinao foana ny manisy fotoana hifampiresahana sy hifanakalozan-kevitra na dia tsisy fotoana hanaovana izany aza ianao ka tandremo atakalo asa na vola ny vady
6. Tsy mety ny miady na mifampiteny eo amason'ny zanaka. Raha mbola azo sorohina dia tena sorohina fa lasa miteraka olana be amin'ny zanakareo
7. Ny vady dia tsy fampitaha.
Na misy tsy mampitovy ny vadinao amin'ny hafa ary dia fadio ny hilaza hoe jereo ny vadin'ny Rakoto fa manao ohatrizao ary indrindra indrindra ny mampitaha azy aminy ex'nao. Manimba ny vadinao izany ary mamono ny fahatokisan-tenany
8. Fady ny mampahatsiahy ny vadinao ny fahadisoany taloha tany. Na miady aza dia aleo ny lasa homban'ny lasa. Lasa vao may mitady olana ianao raha izany.
9. Ilain'ny vady ny dera avy aminao matetika.
Raha tianao hahavita zavatra ny vadinao dia aza latsaina foana izy fa derao na dia mandalo échec aza
10. Ilain'ny vady foana ny teny mamy. Aza mitsitsy teny mamy amin'ny vadinao fa maimaim-poana izany no hery be hoazy.
11. Tsarovy fa olona iray tsy manam-paharoa io vadinao io ary matoa izy nisafidy anao dia tiany ianao ka sambatra izy raha tsapanao izay fitiavany anao izay.
30/05/2024
Ny zavatra mahatalanjona amin'ny vehivavy dia ity :
Rehefa mbola iny tanora , manja kely, manintona maso iny izy dia tsy tia bandy hendry sy tokam-po, lazaina fa pasitera loatra. Aleo mitia ireny bandy star , bôgôsy , maro sipa ireny.
Na koa lehilahy manambola ( vadin'olona na Papasôsy)
Rehefa voadona tany izy, mety hoe nahazo zaza, nilaozan'ilay bandy nahafatifaty azy dia mitady bandy matotra hono, hendry , tokam-po, afaka maka vady azy.
Dia tsy tokony hijery ny lasany hono 😅
Alohan'ny hitia reitsy dia banjino ny hoavy.
(Sary fanehoana)
08/11/2023
Au nom de la légitime défense hony no nitifirana an’ilay rangahy efa zokinjokiny sady tanam-polo
Quand la sécurité publique est confiée aux voyous...
Pov
😳🧢😳🧢😳🧢