Conseil des Jeunes d'Analanjirofo

Conseil des Jeunes d'Analanjirofo

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo, Educational consultant, Antananarivo.

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 23/12/2025

Amin'ny maha fikambanana ny Conseil des jeunes Analanjirofo anay dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fanatanterahana famboliana vahona na hoe mangrove đŸŒ±đŸŒ± izahay.

Tamin'ny festival ✹de la biodiversitĂ© 10 Ăšme Ă©dition izay notanterahina tany Manompana nandritran'ny roa andro ny faha đŸ—“ïž19-20 Desambra 2025 lasa teo.

Nisy ihany koa ny carnaval nitety tanagnan'i Manompana sy ny🔔 fifaninana maro samy hafa toy ny Miss Maman, dihy, tononkalo.

👉Ny tanjona tamin'izany hetsika maro izany dia ny ahafantaran'olona ny maha zava-dehibe ny vahona đŸŒ±sy fanentanana ny olona mba hiaro azy ary mba hamboly vahona.đŸŒ±đŸŒ±

Eto ampamaranana dia misaotran'ny MBG pointe Ă  larrĂ©e đŸ€nanome fahatokiasana any ekipan'ny Youth Council tamin'ny fanaovana fanentanana ny tanora mialohan'ilay festival sy animation nandritran'ny festival de la biodiversitĂ©. Ary eto ihany koa izahay mbola manantena fiaraha-miasa.đŸ€

✹"Vahogna mitahiry zava-manan'aina sy harena mampidi-bola eny amorotsiraka"✹

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 13/12/2025

Ny daty 10 Desambra dia Andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny zon'olombelona, andro ankalazaina isan-taona manerana izao tontolo izao.

Tamin'ity taona 2025 ity, ny tanora nandray anjara Tamin'ny SYMPOSIUM Nasionaly ho an'ny Fandriampahalemana sy ny fiarovana dia Tonga nanatrika manokana ny lanona.
Nampiseho izany ny fahavononan'izy ireo hitondra ny feon'ny tanora sy hijoro ho mpandalana ny zon'olombelona eto amin'ny firenena.

Nandritra ny lanona dia nisy olona vitsivitsy ka nizara Tamim-pahasahiana ny fijoroana vavolombelony momba ny zavatra niainany Tamin'ny hetsika nataon'ny taranaka Gen Z, izay nitranga nanomboka Tamin'ny 25 Septambra 2025 ka hatramin'ny 14 Oktobra 2025. Ary koa ireo tra-boina nahitana fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Nampahatsiahy ny rehetra izany fijoroana vavolombelona izany fa zava-dehibe ny fiarovana ny zon'olombelona, ary ilaina mba hahafahana manangana firenena mirindra kokoa , mangarahara kokoa ary manaja ny zony.

Mitaky Andraikitra sy mangarahara amin'ny rafitra ny tanora.Tokony jo ré sy tohanana izany fangatahana izany.

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 12/12/2025

Tamn'ny Talata 9 Desambra 2025 lasa teo nangataka hiresaka mivantana amn'ireo MPIKAMBANA AO AMIN'NY GOUVERNEMENTAN'NY FANARENANA ny tanora , namaly izany fangatahana izany ny MINISTRY NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA , ny MINISTRY NY SERASERA SY KOLONTSAINA ary ny TALEN'NY KABINETRA

Notsihavin'ny tanora fa misy ny TETIANDRO-PIRENENA 2250, izay neken'ny FIRENENA MIKAMBANA TAMIN'NY TAONA 2015 ary Nosoniavin'ny MADAGASIKARA, ka nangatahin'izy ireo ny hanajĂ na izany tanteraka. Izy io dia RAFITRA MANERAN-TANY MIAVAKA izay manaiky sy mankasitraka ny andraikitra lehibe ananan'ny tanora eo amin'ny FANDRIAMPAHALEMANA sy ny FIAROVANA.

Io tetiandrom-pirenena io dia manome lanja ny FANDRAISAN'ANJARA NY TANORA , ny FIAROVANA azy ireo, ny FISOROHANA, ny FIARAHA-MIASA, ary ny FAMPIDIRANA indray ny tanora sady mijery azy ireo ho MPANDRAY ANJARA FOTOTRA AMIN'NY FANANGANANA FIARAHAMONINA milamina, fa tsy mijery azy ireo fotsiny amin'ny maha-mpijaly na tra-boina.

Ka 4 ny lohahevitra naroso nandritran'izany fifampiresahana mivantana izany dia ireto avy:
1-Fampidirana ny tanora amin'ny fanaraha-maso/ Fandraisana anjara amin'ny fanavaozana.( Intégration de la jeunesse dans le contrÎle/ Suivi de la refondation)
2-Fanavaozana ny rafitra fampianarana.(RĂ©forme du SystĂšme Éducatif)
3-Fanapahana ara-rafitra amin'ny fomba taloha(rupture institutionnelle avec l'ancien systĂšme)
4-Fizarana indray ny loharanon-karena sy fanapariham-pahefana ( Redistribution des ressources et décentralisation).
Ary nizara araka ny fizaran'ny lohahevitra ihany koa ny tanora rehetra ka ny tao amin'ny FANAVAOZANA NY RAFITRA FAMPIANARANA no nandraisan'i CASMIRA sy JEAN DELAR anjara izay avy amin'ny vondrona samihafa.

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 11/12/2025

Tanora 212 avy amin'ny vazan-tany efatra manerana ny Nosy izay mandrafitra ny faritra 24 no niaraka tao ANTANANARIVO-Analamanga ho amn'ny SYMPOSIUM NATIONAL DES JEUNES POUR LA PAIX ET LA SÉCURITÉ natao ny 6 ka hatramin'ny 10 Desambra 2025, ka anisan'ny nandraisan'i Casmira Herimalala Fanjava Izay avy aty Analanjirofo membres ny Conseil des Jeunes d'Analanjirofo sy tanora 3 hafa ihany koa ( Lema Seraia , Tibaka Nicola , Jean Delar) izay avy amn'ny vondrona samihafa, hetsika natomboka tamn'ny fandraisan'andraikitry ny UN Madagascar et UN Peacebuilding Fund Madagascar- Fonds pour la Consolidation de la Paix.

Nampitombo ny fahaizan'izy ireo ny atrikasa , indrindra ny FISOROHANA NY HERISETRA ANATY ATERINETO(internet) sy ny FANDRAISANA ANJARA NOMERIKA(numérique) .
Nampatsiahy ihany koa ny fandraisan'anjara ny U-REPORT MADAGASCAR fa zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra sy ny anjara toeran'ny tanora amin'ny fanapahan-kevitra mikasika azy ireo.

Nanjary sehatra iray ho an'ny FIARAHA-MAMORONA VAHAOLANA HO AN'NY FANDRIAMPAHALEMANA SY NY FIRAISAN-KINA SOSIALY ny fandaharam-potoana niompana tamin'ny fifanakalozana. Tsy nisy ny fifanavakavahana na ny fanilihana ireo izay manana fahasembanana fa nitovy ny olon-drehetra samy nanan-danja ny hevitrin'ny rehetra.

Nisy ihany koa ny antso mafy ho amn'ny FIFANOMEZAN-TÀNANA AMIN'NY ADY AMIN'NY KOLIKOLY SY NY FANANGANANA NY FAHITSIANA NY AMIN'NY AMPITSO.
Ny tanora ankehitriny no mamolavola ny fenitra ara-etika(éthique) hahafahana mamorona ny ho avy tsy misy kolikoly. Ho azy ireo ny NOMERIKA no LASA FITAOVAM- PIADIANA MAHERY VAIKA AMIN'NY ADY AMIN'NY KOLIKOLY.

Tsy miandry rahampitso ny fanirian'ny tanora : MANGATAKA FIOVANA IZY IREO, ANKEHITRINY AVY HATRANYđŸ’Ș

02/12/2025

🌟 Izahay no tanora, izahay no fiovana!
Ho an’ny fanabeazana, tontolo iainana, fahasalamana, ary ho an’ny tanora rehetra.
Ny tanora no motera, ny fiovana no antony! đŸ’Ș

Jeunesse en action, avenir en construction.

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 22/11/2025

đŸŒżđŸ’Œ Nahazo fiofanana momba ny “Plainte Environnementale” ireo tanora avy ao amin’ny Youth Council Analanjirofo, notontosaina tao amin’ny bureau ny DREDD Analanjirofo eto FĂ©nĂ©rive-Est, Faritra Analanjirofo, ny zoma 21 Novambra 2025.

Hita fa miha simba sy tandindomin-doza ny tontolo iainantsika eto FĂ©nĂ©rive-Est,😱 indrindra eo amin’ny fanariana fako sy loto any anaty renirano, sy eny amin’ny morondranomasina.🚼🌊

Noho izany dia nampiofanina ireo Ă©quipe ny DREDD Analanjirofo na (Direction RĂ©gionale de l'Environnement et du DĂ©veloppement Durable Analanjirofo) ireo tanora ireo mba hahalala tsara ny fomba fanaovana sy fitorohana Plainte Environnementale, ho entina miady amin’ny fandotoana sy ny tsy fanajana ny lalĂ na mifehy ny tontolo iainana.âš–ïžđŸŒ±

🎯Tanjona lehibe: TanĂ na madio, tontolo iainana madio ary fiainana mahasalama ho an’ny rehetra! đŸŒ±đŸŒ

— Youth Council AnalaMinistĂšre de l'Environnement et du DĂ©veloppement Durable Durable MEDD 🌿đŸ‡Č🇬

19/11/2025

Afaka manararaotra ny fahatanorantsika isika, saingy tandremo sao mandoro tena.

Ho an’ny zatovovavy indrindra, tena saro-pady ny fahatanorana—mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika.

Noho izany, ity misy horonan-tsary novokarin’ny tanora avy ao amin’ny Conseil des Jeunes d’Analanjirofo, natokana ho an’ny zatovovavy sy ny Ray aman-dReny.

Manasa anao hijery azy hatramin’ny farany izahay, satria ao anatin’ilay vidĂ©o no misy ny hafatra manan-danja ho antsika rehetra.

Mazotoa mijery daholo!”

12/11/2025

đŸ‡Č🇬 FIFAMPIZARANA TRAKEFAđŸ‡Č🇬

TANORA VE IANAO ? đŸ•ș

Tia sy te hahafantatra momba an'ireto ve ianao :

*COMMUNICATION ✅
*RESSOURCES HUMAINES ✅
*AUDIOVISUEL ✅
*SANTÉ DES JEUNES ✅
*FINANCE ✅

✹Te hitondra fivoarana ho an'ny tenananao sy hanova ny fiarahamonina misy anao ve ianao? ✹

De natao ho anao ity "PARTAGE D'INFORMATION "

-DATY: 15 Novembre 2025
-ORA :08h00
-TOERANA: Terrain CAPJ (Forum en plein air)
-PUBLIC CIBLE: Jeunes de 13 Ă  20ans.

Venez nombreux !

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 12/10/2025

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZAZAVAVY 2025 👧🌍

Notanterahina omaly faha 11 oktobra 2025 tao FĂ©nĂ©rive Atsinanana, ao amin’ny efitrano fivoarina Faritra Analanjirofo, ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zazavavy 2025.

Isaorana manokana ireo Ray aman-dReny ara-panjakana rehetra tonga nanotrona sy namaly ny antso nataon’ny tanora.
Fankasitrahana lehibe ho an’ny UNICEF Madagascar, izay nanampy tamin’ny fikarakarana sy fanantanterahana.
Misaotra ihany koa ireo tanora namana sy fikambanana rehetra tonga nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika.

Misaotra manokana ho an’ny Youth Council Analanjirofo sy ny Ambassadeurs U-Report, izay nikarakara sy namolavola ity fankalazana ity, tamin’ny alalan’ny fifampizarana hafatra mihambo, fifampizarana traikefa, fijoroana vavolombelona, fampianarana mahakasika ny fahasalaman ny zatovovavy mandritra ny Octobre rose.

Ry tanora zatovavy sy zazavavy, manan-danja ny feonao. Sarobidy ianaođŸ’Ș✹

Gouverneur - Région Analanjirofo
Drjs Faritra Analanjirofo
UNICEF Madagascar
U-report Analanjirofo

09/10/2025

🎉 Ho fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zatovovavy – JournĂ©e Internationale de la Jeune Fille 👧🌍
Izay hotanterahina ny sabotsy 11 oktobra 2025 ao amin’ny salle de rĂ©union de la RĂ©gion Analanjirofo manomboka amin’ny 09 ora maraina ⏰

📌 Lohahevitra : « La fille que je suis, le changement que je mĂšne : les filles en premiĂšre ligne face aux crises »

👉 Ity hetsika ity dia natao ho fanamafisana ny feon’ny zatovovavy, ny fandraisany andraikitra, ary fifampizarana momba ny zo maha-zatovovavy.
Karakarain’ireo tanora avy amin’ny Ambassadeur U-Report Analanjirofo sy Youth Council Analanjirofo, izay iarahana amin’ny DRJS Faritra Analanjirofo sy mpiara miombin'antoka UNICEF Madagascar. đŸ€

Ka manasa antsika zatovovavy rehetra eto FĂ©nĂ©rive-Est mba ho tonga maro handray anjara amin’ity hetsika manan-danja ity! đŸ’Ș💖

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 20/09/2025

📍 FĂ©nĂ©rive-Est, 20 Septambra 2025

Notanterahina teny amin’ny morondranomasina Avenue de l’IndĂ©pendance Ambataria ny Andro manerantany ho an’ny fanadiovana – World Cleanup Day 2025, izay nokarakarain’ny tanora avy amin’ny Youth Council Analanjirofo.

✹ Tonga soa aman-tsara ny fanatanterahana izany ary feno fankasitrahana manokana ireo avy amin’ny Commune Urbaine sy ny avy amin’ny DREDD (Direction RĂ©gionale de l’Environnement et du DĂ©veloppement Durable) izay nanome fitaovana, nanampy tanana ary nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika.

🙏 Mankasitraka ihany koa ny tale DRJS (Direction RĂ©gionale de la Jeunesse et des Sports) Analanjirofo izay tonga nanotrona sy nanohana, ary ankasitrahina koa ireo tanora Ambassadeurs U-Report Analanjirofo, ary ireo mpianatra avy ao amin’ny CEG de RĂ©fĂ©rence sy CEG Ampasipotsy, ary koa izay rehetra namaly ny antso niaraka taminay.

🌍💚 “Fenerive madio, milamina, mahatamana ary mahajerijery.”

Photos from Conseil des Jeunes d'Analanjirofo's post 17/09/2025

🌍✹ FANENTANANA – YOUTH COUNCILS ANALANJIROFO ✹🌍
📍 EPP/CEG Mangarivotra & CEG Ampasipotsy
📅 16 & 17 Septambra 2025

Ny tanora avy ao amin’ny Youth Councils Analanjirofo dia nanao fanentanana ho an’ireo mpianatra ny talata fa 16 Septambra tao amin'ny CEG Mangarivotra ary ny larobia faha 17 Septambra kosa tao CEG Ampasipotsy ny taona 2025 izay niarahana tamin'ny Monsieur Elio BEMC – FĂ©nĂ©rive Est.

Fanentanana momban'ny :
✅ Fahadiovana sy tontolo iainana : fanadiovana sekoly, fanasana tanana, fandraisana anjara amin’ny World Cleanup Day (20 Septambra).
✅ Fianarana sy fitondran-tena : ho mazoto hianatra, hanaja fitsipika ary hanao tsara lesona.
✅ Fifanampiana : hifanampy sy hifameno fa tsy hifandentika na hifamely.

📌 Nasehon’ireo mpianatra ny fahavononany sy ny fandraisana andraikitra, ka nomena valisoa ireo nahavaly tsara.

⚠ Fanamarihana sy antso avo :
Marihina fa mbola marefo sy mila fanatsarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny EPP/CEG Mangarivotra (tsy ampy seza sy latabatra, simba ny varavarankely ary rovitra ny tafo).

🙏 Manao antso avo ho an’ny manampahefana sy mpiara-miombon’antoka izahay mba hanampy amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny EPP/CEG Mangarivotra. Ny fahombiazan’ny tanora dia mitaky fitaovana sy tontolo ianarana mendrika.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Culinary Team

Attire

Website

Address


Antananarivo