Ohabolana momba ny "ahitra"
__"valala tsy ampoky tsy ahitra,ka mifika ny antsoro_maraina."
Andrianiko ny teniko
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Andrianiko ny teniko, College & University, 101, Antananarivo.
Ohabolana momba ny "ahiahy"
_"Ny ahiahy,hono,tsy ihavanana."
Ohabolana momba ny "afo"
_"Donaka'afon'analakely,avy hatrany dia eny ambovonana."
_"Misoko mangina toy ny otrik'afon'apombo."
_"Soron'afon'adala,ka ny eo aloha tsy levona,n'y ao aoriana asesika ihany".
_"Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana."
_"Afo lavitra tsy azo amindroana."
_"Ny marina toy ny afo ka raha kobonkna mandoro."
_"Afo mandoro Sady saika no fahavalo."
Fotsy ny voloko...
Fotsy ny voloko,mitohy ny fiainako
Ny hatanorako tsy misy itarainako
Tao ny hafaliana,tao ny toreo
Ny fahatsiarovana no indrao izy ireo...
Fotsy ny voloko,mitohy ny fiainako
Ny fahazazako tsy nisy nisainako
Zavatra maro no hitako teny...
Ny tsiky nafafiko no ravak'ireny...
Mitohy ny fiainako,fotsy ny voloko,
Izany no dinitr'izao mba oloko
Sy ravak'ity takariva iray,
Mena fify ka kanto,toa maraina indray...
No.Ranaivo,in Tafasiry, Anjanahary 1976
Teny...
Ireo teny soa sy tsara,
Izay mirindra mahafinaritra,
Dia milaza manambara...
Fa tsy fitenin'Andriamanitra...
No.Ranaivo,1950,in Tafasiry
Tafasiry
Mandefa eritreritra eny,lasa vetsovetso foana
Mahatsiaro ilay fahiny,irony lasa izay nimaona
Mahamalomalok'endrika,mahavikiviky saina
Mampitoloko samy irery,mampamelona taraina.
Toloko mila hampilofika,toloko mahavaky fo,
Tafasiry Samy irery,eritreritra tokoa.
Voatsiahy irony lasa,...rotika ny fo misaina
Eritreritra ... Eritreritra...eto an_tany karakaina.
Norbert Ranaivo,oktobra 1941
Feony Paris(Gagny)14septambra 1960
RABARIJAONA
Ohabolana manaraka manambara ny "Ady"
_"Ady amin'ny adala ka ny hendry no miala."
_"Ady amin'ny adala,ny manam_panahy no mandefitra."
_"Hady vomangan'i Kirijavola ka avy dia ny voamasony no potsirina."
_"Izay tsy miady olom_bodo,fa izay to_fo mpamosavy."
_"Mifankatia tsy mifamarafara,ady no iafarany".
_"Tolona am_batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha."
_"Adin'ombalahin'ny mpianakavy:Ny mahery tsy hobiana,ny resy tsy akoraina."
_"Ady varotry ny mananon_tena ka raikitra vao toran_kovitra."
_"Ady lova,ady fananana fa tsimbino ny fihavanana."
_"Aza manao toy ny laona sy fanoto,izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro."
_"Beloha mandeha an'ady ka mitono_tena amin'ny tsy antony."
_"Ombalahy resy an'ady ka mifika ny antsoro maina."
_"Raha miady izaho sy ny zanany,tsy aleon'ny azy naterany."
_"Ady aman_kavana,izay mahavita be no manenina."
Ohabolana momba ny "adala"
_"Ny adala no tsy ambakaina,Andriamanitra no atahorana."
_"Ny adala no toa an_drainy"
_"Ady amin'ny adala ka ny hendry no miala."
_"Soron'afon'adala ka ny eo aloha tsy levona,ny ao aoriana asesika ihany."
_"Vorona azon'adala ka raha tsy maty aza mifohafoha volo."
_"Adala very renianaka ka mitahiry an_karon_doa_body."
_"Ady amin'ny adala ka ny manam_panahy no mandefitra."
_"Adala nomen_tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety ."
Ohabolana vitsivitsy maneho ny lohahevitra :"adidy"
_"Ny adidy tsy an'olon_dratsy."
_"Nanasa vahiny tsy tonga sady voky no afaka adidy".😂
_"Afaka adidy amin'ny fatana,fa mandroso kitay tsy nirehitra."
_"Fandrotrarana an_tanà na haolo ka mandimby ny anaran_dray tsy satry."
_"Teny soa sakafo,vava ratsy adidy."
Ohabolana maneho "Arahaba"
_"Ny tonga tsy miarahaba,hono,naman'ny tezitra ary ny lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra."
_"Ny arabain_tsy mamaly naman'ny sosotra".
_"Ny arahaba sy ny firarian_tsoa dia toy ny masoandro miposaka avy any Antsinanana,ka ny avo no tratrany mialoha ary ny fiantefany dia ny masoandro eny Andrefana ka mahenika ny isam_baravarana mivoha."
_"Aza manao arahaba mamba tsy mba fitia fa tahotra."
_"Ny vatolahy an_tampon_kavoana no arahabaina tsy mba mamaly,atao mbay lalana tsy mba mivolana."
_"Arahabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay ho rafozana."
_"Arahaba ririnina samy vita."
Manao ahoana daholo!ity fikambanana /vondrona ity dia natao ho antsika Malagasy na ihany koa ireo vahiny maniry ny mba hianatra ny teny malagasy.Marihina fa ireo fepetra tokony ho fantatra momba ny teny malagasy no ho hita ato,tsy adino manaraka izany koa ny ohabolana sy oha_pitenenana malagasy.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Contact the school
Telephone
Website
Address
101
Antananarivo