07/09/2023
🇲🇬 Mahafantatra teny anglisy maro nefa rehefa hiteny dia tsy mahavita mihitsy? Raha eny, dia ilainao ny mamaky an'ity.
🇺🇸 Know many words in english but can't speak well? If yes, then you need to read this.
Mahagaga fa betsaka ny olona no mahazo teny anglisy tsara rehefa mamaky na mihaino.
Nefa rehefa hiteny na hanoratra dia ohatran'ny hoe sarotra be izany na hoe tena tsy mahita teny ampiasaina mihitsy. 🤕
👉🏻Ho azavaintsika amin'ity tantara iray ity ny anton'izany:
Andeha hatao hoe te ahay hilomano be i Kevin 🐊
Dia lasa izy nandeha nijery Youtube hoe ahoana no atao raha te ahay hilomano.
Avy eo izy nakeny amin'ny piscine nijery hoe ahoana no ataon'ny olona rehefa milomano,
dia avy eo izy namaky boky be dia be momba ny filomanosana, sady nijery an'ity karazana fampianarana milomano rehetra ity tato amin'ny FB.
Iray volana taty aoriana, tapa-kevitra amin'izay i Kevin hoe hilomano.💪🏻
Vao nitsoraka tao anaty rano nefa izy tonga dia 'vato alatsaka' hoy ny olona. (😂)
Gaga izy sady kivy no niteny hoe: "Za anie tokony efa mahay e. Efa fantatro daholo ny tokony atao nefa fa ahoana aho no tsy tonga dia nahay be?"
Azonareo ve?
Tsy nahay nilomano akory izy na dia nahafantatra ny zava-drehetra momba ny filomanosana ary noho ity antony tsotra kely ity:
⚠ Nifantoka tamin'ny fampitomboana fahalalana izy (Theorie) , fa tsy nifantoka tamin'ny Fampiharana (Pratique)!
⭕ Hany ka na fantany daholo ary ny fihetsika, ny fitsipika ary ny fombafomba rehetra. Dia nitovy tamin'ny tsy nahay izy rehefa tena nanao.
Noho izany ry mpianatra teny Anglisy, Pratique no ifantohy kokoa fa tsy Theorie raha te ahay hiteny.
Aleo kely fahalalana fa manao pratique foana toy izay be fahalalana nefa tsy mampihatra mihitsy.