Coaching Love

Coaching Love

Share

J’aide les femmes à sortir de la dépendance affective et des relations qui les détruisent.

Retrouve ton estime de toi
et ta liberté émotionnelle.

+650 femmes accompagnées

👑Coach Love❤️

17/07/2026

❗Tu dis "OUI"
Alors que ton corps crie "Non"

Ary aveo, manamelon-tena ianao
Satria ?

Tsy nahavita nametraka limites...
Hoe : "Maninona aho no manaiky atao an'izao?"

Fa ny marina, bref, raha ny eritreritro, tsy fantanao ilay tokony ho atao. Sa tsy izany?

Henoy ary!

La Communication Non-Violente, an'i Marshall Rosenberg. Simple izy!

Fa sarotra ny manao azy🥺

Imagine hoe nisy programme ianareo, fa no annuler-ny tamin'ny ora farany...

Tsy mitabataba azy ianao...
Tsy mi-attaqué an'azy (verbalement)

Fa hoy ianao fotsiny aminy :
" Rehefa ianao mi- annulé programme amin'ny ora farany sahalany izao ..."
"Mahatsapa abandonné aho ..."
"Alors que, za mba mila fanajana"

Silence

"Raha miverina matetika izao"
"Je ne serai plus disponible"

Mitaintaina ianao eo...

Satria mety ahaverezanao azy ny fitenenana an'izany.

Faa, raha ny limites apetrakao ve ny ialany anao?
Tsy ianao indray izany no manari-tena?!😩

Conseil ou pas?

Maninona raha misafidy ny tenanao ianao (raha tsapanao fa mendrika anao izany)?
Naa koa, misafidy ny hanari-tena foana!?

Ianao mahalala azy.

Fa raha Oui, te ho respecté-na ianao!

Ny décision rehetra dia misy prix à payer foana, eto izy izao ny Inconfort tsapanao.

✨Farany, mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️

❤️

Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohiny fizarana

17/07/2026

❗Hono oa Coach : Inona ny conseil tsara indrindra azonao atolotra mba ahavitan'ny mpivady (mpifankatia) mifampihaino?

❤️

16/07/2026

❗Nilaozany ianao 💔..

Maharary izany, évidemment ...
Ary, Te hitsoaka mafy an'ilay olana ny saina ...

Série 7 saisons tapitranao herinandro ...
Mahazo aina ianao, ary verivery ny saina.
10 min, 1heure, 1 andro!

Tu crois oublier ...
Raha ny tena marina anefa,

Tsy afaka ao an-tsainao, ilay marary anao🥺

Fa ny Ex-nao!
Izy, notohizany ny fiainany, efa sipa hafa eny amin'ny story any.

Fantany ary tadidiny fa misy ianao, saingy ...
Tsy mandefa messages izy, tsy miantso izy, ...

Ianao nefa, messages isaky tsy zakanao ny fonao, appel ...
Fa tsy misy valiny, izay alefa Vu, appel atao, mi-sonne libre.

Hey🥺...

• Mafy izany manadino ny olona tiana izany, tena mafy ary maharary😢

De plus, tsy fombako loatra io mampianatra manadino io.

Satria, rehefa manadino ianao, dia mamerina an'ilay adisoana indray.

Fa, sitrano ny ratranao ...

Mivoaha miaraka amin'ny namana, cousine, sns
Ankafizo ny fiainana retsy a🥰

Relation anareo no tapitra fa tsy fiodin'ny tany.
.. Mitohy ny fiainana.

Koa, hoy aho hoe, Sitrano ny ratranao.

Satria ?

✨ Mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️

❤️

Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohiny fizarana

14/07/2026

❗ FANTATRAREO VE NY TENA OLANA AMIN'ITY RESAM-PITIAVANA ITY?

Samy te hiaina ilay fitiavana idéal na ilay amour accompli resahin'i Robert Sternberg daholo isika.

Fa samy tsy misy mahafoy ny habitudes ratsiny daholo koa anefa isika...

Raha atao teny tsotra!!

Fitiavan-tena ilay izy, égoïsme ... Avelao za hanao izay tiako fa ianao no mila mi s'adapte amiko Raha tsy tinao hisy olana isika.

Moa ve raha adala ny olona iray, ho tonga saina ve izy hoe adala aho dia misy "t*y ny vodiko"...?! 🫢

Tsy izany mantsy, fa rehefa miteny ianao hoe : "ka izaho rehefa mitia dia 100%" mieritreritra ve ianao fa noho izy anaovanao an'zany ??!

Non, sûrement pas !

Ho anao, ho an'ny confort personnel anao, ...

Tu t'es déjà demandé ve hoe, izay tokoa no ilainy?

Ahoana raha mahatofoka azy ilay 100%?

Rehefa hitarina kely, dia Oui, tsy adisonao izany!!

Matetika moa, dépendance affective ilazako ilay hoe manome 100% tsy misy fetra. Faaa...

Au final, azonao hinoana izay mety aminao. Ary matoa ianao, isanandro mitaraina lava.

Hoy aho, manana fijery adaladala, Signal ngeza be zany milaza hoe : misy zavatra tsy mety ao!! Efa tsy fitiavana loatra no mamahana an'ilay fifandraisanareo.

Kaa, na ianao hijanona ho victime na ianao mitady vahaolana toy ny programme d'accompagnement École du Bonheur..

Asa re, en tout cas,

✨ tsarovy foana faa mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️

❤️

midira MP raha mila accompagnement ianao.

14/07/2026

❗OLONA MARATRA ANATY IANAO, RAHA MIAINA AN'IRETO :

• Manambany tena foana ianao, mahatsapa sahalan'ny tsy à la hauteur ny manodidina foana ianao, indraindray aza, mialatsiny hoazy ianao kanefa tsy nanao inona na inona akory.

• Matahotra ny hilaozana ianao : vao tsy mi-reagir amin'ny naminavinanao azy ny olona akaiky anao (oh : mamaly MP à l'instant), dia mi-panique ianao hoe, "fa misy inona ary" "fa inona ary ny nataoko anazy" "nga tsy tiany intsony aho" ...

• Te hifehy ny manodidina anao ianao : lasa mora stressé ianao vao tsy mifanaraka amin'ny kajikajinao ny zava-miseho. Tena farak'izay Fahavalonao ny imprévu.

• Tsy sahy miteny TSIA ianao : ekenao daholo ny rehetra mba hafahany hafa mahazi fafinaretana noho ny aminao. Satria matahotra sao ahilika na lazain'ny olona fa ratsy saina ianao. (Misy manaiky lehilahy, tsy ahatsapany fitiavana akory no ity fotsiny)

• Miahiahy lava izany ianao hoe, ahoana raha mandratra anah indray ity. Hany ka lasa, mailo lava ianao, tsy mahatsapa fahatoniana mihitsy.

• Manafina ny fahatsapanao ianao. Manisy saron-tava anehoana amin'ny manodidina ianao hoe "Tout va bien" alors que au fond, ny tsapanao dia "tout va mal"💔

• Migafy ny asambaranao ianao : raha hitanao fa milamina tsara ny fiainanao, "c'est trop beau pour être vrai" hoy ianao, dia lasa mi-créer olana ianao.
Ohatra : vehivavy mila vaniny any olon-tiany tsy amin'ny antony... Na manao zavatra efa fantany fa mahatezitra ny olon-tiany fa ataony ihany rehefa mba milamina izy roa Kely. (Auto sabotage)

• Mora tohina be ianao : remarque kely tsy misy dikany tonga dia mahasorena sy mahatezitra be anao.

• Ara-batana, mahatsapa rera-dava ianao. Kanefa dia tsy mahita tory ianao. Tsy arakarak'ilay hoe reraka ianao.

Niezahana namoraina ny fanazavana mba ahazoan'ny tsirairay azy. Fa raha fijerin'i Lise Bourdeau. Misy karazany dimy ny ratra, dia samy manana endrika hisehoany avy izany. Ary miteraka saron-tava samihafa eo amin'ilay olona maratra.

** Raha miaina 5/9 mihoatra an'ireo voatanisa ireo ianao. Sorato hoe "MILA EB" ao amin'ny commentaire na MP faa, Alefanay aminao ny mombamomba ny Programme d'accompagnement Du Bonheur. Hanome anao ireo dingana rehetra afahanao manasitrana ny ratranao sy hanana fahaleovan-tena ara-pitiavana❤️

Midira MP

❤️

13/07/2026

❗ RAHA MATAHOTRA NY HO DISO SAFIDY IANAO?
(Olona ho vadiana, vakio ity)

Ianao koa ve tsy mahatsapa fa tsy ilay mitady olona iarahana no sarotra.

Fa ny misafidy hoe : Iza amin'ireto olona ireto no azo lazaina fa BONNE PERSONNE sy hoe izy ve ilay Grand Amour-nao?

Sao ho diso safidy eo ianao.

Nahita film nahafinaritra be izay aho omaly, afaka namaly @ fomba tsotra an'io fanontaniana io.

Mametraha ianao ireto fanontaniana efatra ireto, ary tokony ho OUI na ENY avokoa ny valiny. Raha misy iray TSIA na NON, dieny mbola tsy lasa alavitra dia ajanony.

✅ 1. Vitanao sy sahinao ve ny mamoaka izay rehetra ao am-ponao ho henony (tsy misy tahotrin'ny sao ahiliny na ilaozany na réaction toxique ianao) ?

✅ 2. Gentil(le) aminao ve izy?

✅ 3. Olona manosika hanao hamoaka ny meilleure version-nao ve izy?

✅ 4. Mieritreritra ve ianao fa isany olona farak'izay mendrika ny hananana andraikitra @ ho reny/ rain-janakao ve izy?

🎁 Cadeau ity iray ity : Firy % ny fanantenanao amin'ny tsy hiovany @ hoavy? (Tokony hiotranin'ny 75%)

Satria ny pervers narcissique dia ENY avokoa ny valin'ireo fanontaniana ireo @ vao manomboka iaraka ianareo roa. Fa rehefa azony ianao dia miova izy...

D'accord ? Tsarovy foana faa, tsy olona lafatra no ilainao, fa ianao no mila mahavita mametraka limites amin'ny fiainanao mba, rehefa mihoatrin'ny fefy. Sahy manapakevitra ianao😊

✨ Mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️

❤️

Abonne-toi, satria omeko aveo ny tohiny fizarana.

12/07/2026

❗Aza mangalatra tout court fotsiny e🤧...

Mbola feno célibataire be aza ireo koa, fa maninona no mangalatra🙄

08/07/2026

❗AZA MANERY OLONA HiTIA ANAO!

Na fiarahan'olon-droa
Na finamanana
Na fianakaviana
Naaaaa ....

Rehefa mahatsapa ianao fa mandeha ila ilay fitiavana.

Tsara ny miala satria lasa POZINA HOANAO indray izany.

Mamotika ny estime de soi anao🥺
Mamotika ny fahatokisanao tena💔

Mitroka ny énergie anao.

Tsy te ho lava resaka aho. Fa hidramiko ity réflexion any membre namanay ato, tamin'ny fotoana niainany an'izany.

Ny mafy indrindra hoy izy dia,

Rehefa alohany atory alina aho lasa saina foana hoe : " avy amin'ny fony ve izany ireny filazany fa tiany hono aho ireny sa tsy maintsy miteny an'izay izy noho fitseràny ahy? .... Dia latsaka foana ny ranomasoko satria, fantatro fa raha tsy nitalao taminy aho tamin'iny andro iny. Efa navelany irery teto aho💔"

Hey, afaka manao izay mahasambatra anao ianao. Mety tsy mino ianao. Fa vitanao irery izany. Vitanao irery izany. Vitanao izany.

✨ Mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️

❤️

Abonne-toi, satria omeko anao aveo ny tohiny fizarana

**Raha tsy fantatrao ny dingana arahina ka mila accompagnement ianao. Eto aho, afaka miditra MP ianao.

07/07/2026

❗MANINONA HOE ARGENTINE 🥲?

✅ Tsy aleo mijery FROM🫢🤣

07/07/2026

❗Izany hoe, raha noratrain'ny olona iray ianao.

Ka mieritreritra ny hoe iaraka amin'olona hafa mba hanasitranana an'iny ratra iny.

Na raha nisaraka tamin'ny olona iray ianao, ka ny fiverenana aminy no ahasitrana an'iny ratra iny.

Fandrika be ho anao izany eritreritra izany💔

✨Kouny an, Mendrika ny tsara rehetra ianao ❤️

❤️

Abonne-toi satria zaraiko anao aveo ny tohin'ny fizarana

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Website

Address


Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 19:00
Tuesday 08:00 - 19:00
Wednesday 08:00 - 19:00
Thursday 08:00 - 19:00
Friday 08:00 - 19:00
Saturday 08:00 - 19:00
Sunday 10:00 - 17:00