04/03/2026
📂💡 VOIX-EL | FANTARO, AZA AFANGARO
🔰 CHEF DE CHORALE
(Filoha na Lehiben’ny Antoko Mpihira)
🎼 Ny « Chef de Chorale » amin’ny ankapobeny dia olona iray izay voafidy na voatendry na koa nanolo-tena hitarika antoko mpihira anaty fiangonana, fikambanana, tarika na vondrona.
🎼 Matetika dia ilay olona heverina fa mahay sy mahafehy indrindra ny momba ny hira sy ny mozika ary ny feo ao amin’ny antoko ka afaka mampianatra hira no homena izany andraikitra izany. Mazàna dia mpitendry zava-maneno na mpamoron-kira ihany koa izy.
🎼 Indraindray dia ilay olona manana fahaiza-mandamina sy mandrindra (organisation) ary havanana amin’ny hay tarika (leadership) sy ny fifandraisana (communication) no tonga eo amin’io andraikitra io. Voatery izy araka izany miara-miasa akaiky amin’ireo olona mahafehy ny momba ny hira sy ny mozika ary ny feo (chef de chœur, coach vocal), mety olona anaty antoko ihany na ivelany, mba hanampy azy (aide, assistant) hampandeha tsara ny antoko mpihira.
🎼 Amin’ny vondrona sasany dia ireo olona manana toerana sy misy fiantraikany manokana (influent) eo anivon’ny tarika no mandray ny toeran’ny filoha; ka na dia maro amin’izy ireny aza no tsy manana ny fahaiza-manao ilaina momba ny hira sy ny mozika ary ny feo dia miara-miasa amin’ny mpampianatra hira sy mpamoron-kira ary mpitendry ny ankamaroany, mety olona anaty antoko ihany na ivelany, mba hameno ny banga.
🎼 Tsy voatery ho mpampianatra hira na mpahay mozika sy feo na koa mpamoron-kira* araka izany ny filohan’ny antoko mpihira, indrindra raha ny eto Madagasikara no asian-teny, fa azony atao tsara ny miara-miasa amin’ireo mahafehy izany (chef de chœur, coach vocal, musiciens, auteur et compositeur).
(*) : Maro amin’ny antoko mpihira no milalao (interprétation) sangan’asan’olona (œuvre) efa misy, na vahiny na tera-tany, satria mbola tsy manana hira manokana.
🔰 CHEF DE CHŒUR
(Mpitarika Antoko Mpihira)
🎼 Ny “Chef de Chœur” dia olona misahana ny fampianarana sy ny fanazaran-kira (répétition) eo anivon’ny antoko mpihira.
🎼 Izy no mandamina ny fizaram-peo (pupitre, harmonisation) sy ny firindran-kira (arrangement).
🎼 Mifehy ny gadona (rythme, rythmique) sy ny hafainganam-pandeha (tempo, mouvement).
🎼 Mijery akaiky ny fahamarinan-tona (justesse) sy ny fifandanjan’ny feo (équilibre des pupitres).
🎼 Mametraka ny pitsopitsony teknika rehetra amin’ny fanatanterahana ny hira iray (structure, nuances, techniques, style musical…)
🎼 Araka izany, ny « Chef de Chœur » dia tsy maintsy olona :
▪️mahay mozika (mélodie, rythme, harmonisation)
▪️mahay sora-peo : mamaky sy manoratra naoty (solfa, solfège)
▪️manana fahalalana ankapobeny na lalindalina momba ny teknika feo (technique vocale)
▪️mahay mandrindra sy mandamina (organisation : répétitions, concerts, représentations)
▪️mahafehy hay tarika sy fifandraisana (leadership, communication)
▪️manana vina mazava (vision) ka afaka mitondra ny vondrona ho amin’ny tanjona (but) tsara lavitra hatrany
🎼 Ny « Chef de Chœur » no :
▪️misafidy ny hira mety amin’ny antoko mpihira (répertoire)
▪️mampianatra hira, mandrindra ny fianaran-kira sy ny famerenana ary ny fisehoana
▪️mamaha ireo olana ara-mozika (musical) sy ara-peo (vocal) mety mitranga eo amin’ny mpihira
▪️mandrindra ny mozika sy ny mpitendry zava-maneno (arrangement, musiciens)
▪️mibaiko sy manaraka ary manaja ny sora-peo (direction musicale, partition)…
🎼 Tsy voatery ho mpamoron-kira na mpitendry akory ny mpitarika antoko mpihira. Tombony lehibe raha mahafehy izany izy. Mifantoka kokoa amin’ireo mpihira (ensemble) ny asany. Azony atao tsara nefa ny miara-miasa amin’ny olona manana ireo talenta sy fahaiza-manao hafa mba hampanjary ireo vokatra andrasany (résultats attendus).
🎼 Na dia tombony lehibe aza ny fahaizana teknika feo (technique vocale) dia tsy voatery akory izany ho an’ny « Chef de Chœur ». Afaka miara-miasa amin’ny mpampanazatra feo (coach vocal) izy mba hahazoany vokatra tsara.
🎼 Ambonin’izany dia tsy mijanona amin’ny lafiny ara-mozika sy feo fotsiny akory ny andraikitry ny mpitarika antoko mpihira fa manana anjara asa lehibe ihany koa izy eo amin’ny fampivondronana (rassemblement) sy famporisihana (motivation) ary ny fihazonana ny firaisana sy ny fifankatiavana (solidarité) eo amin’ny mpikambana.
🎼 Misy lanjany lehibe ary mila dinihany lalina avokoa ireo fanapahan-kevitra raisiny (décision).
🔰 COACH VOCAL
(Mpanazatra na Mpampanazatra Feo)
🎙️Ny « Coach Vocal » dia teknisiana momba ny feo (technicien de la voix) izay miasa mba hanampy (accompagnement) ny mpihira iray hamoaka feo madio sy tsara henoina (sain, agréable à entendre).
🎙️Araka izany dia tsy maintsy olona mahafehy sy manana traikefa momba ny feo (voix) sy ny teknika feo (technique vocale) ny « Coach Vocal ».
🎙️Mifantoka kokoa amin’ny mpihira tsirairay (voix individuelle) ny asany, ka manampy azy ireny mba ho tody amin’ny tanjona mazava (objectif) ary manome ny teknika feo mifanaraka amin’izany (technique vocale adaptée).
🎙️Misahana asa maro ny mpanazatra feo mba hanampiana ny mpihira tsirairay tsy hiaina olana ara-peo (gêne vocale) eo am-pihirana.
Santionany amin’ireny ny fanomezana toro-làlana momba ny :
▪️fisefoana, fifehezana ny rivotra sy ny tosika (respiration, contrôle du souffle, pression d’air)
▪️fanafanam-peo, fomba fijoro sy ny fitsoran’ny vatana (échauffement vocal, posture, détente corporelle)
▪️fampiasana mahomby ny fitaovam-pihiràna (mécanisme, geste vocal adéquat)
▪️fanononana sy fametrahana ny lokom-peo (articulation, placement : couleur, timbre)
▪️velaram-peo sy ny teknika fanakarana feo iva sy salantsalany ary avo (tessiture, registres : grave - médium - aigu)
▪️fampanenoana tsara ny feo sy ny fahamarinan-tona (phonation, projection de la voix, justesse)
▪️hery sy tanjaky ny feo (volume, puissance, mode)
▪️fikolokoloana ny feo mba ho salama tsara (hygiène vocale)
▪️fisorohana ny fahareraham-peo (prévention de la fatigue vocale)…
🎙️Manome fanazaram-peo (vocalise) mifanaraka amin’ny olana misy izy ary mamporisika sy manara-maso (motivation, contrôle) ny fanatanterahana ny tanjona ho tratrarina.
🎙️Na dia tsy mitovy aza dia mifameno tanteraka (complémentaire) amin’ny asan’ny mpitarika antoko mpihira (chef de chœur) ny asany.
🎙️Tsy voatery hahafehy hay tarika sy fandaminana toy ny « chef de chœur » akory ny « coach vocal ». Tombony lehibe raha toa ka sady mahafehy ny asan’ny mpitarika antoko mpihira izy.
❌ Tsy feno velively akory ny fanazavana izay aroso etoana
⁉️ Manasa anao hanampy izany ao amin’ny « commentaires » indrindra ho anao izay manao ny iray amin’ireo asa ireo
💢 VoixEl dia manofana ho « Chef de Chœur ». Midira MP avy hatrany ianao raha liana! 💢