Gestion 50ème Hafa Ihany

Gestion 50ème Hafa Ihany

Share

Suis toute l'actualité de la Mention GESTION

Abonne-toi pour ne rien rater

03/09/2024

1️⃣Ho an’ireo mitady fianarana momba ny Economie, Gestion (en présentiel ou en ligne), Sociologie, Travail Social et Développement ́na BACHELIERS na manana Licence na M1/Maîtrise...
2️⃣ Ho an’ireo mpianatra amperin’asa sy vao nahavita fianarana tao amin'ny Faculté EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo maniry hisitraka fanofanana sy paikady momba ny asa, hisitraka tolotr’asa sy tolotra fizaran’asa...

10/06/2024

50 taona sahady ny "Mention GESTION" eny amin'ny Université d'Antananarivo
Mazava ho azy fa hanao FETY BE!

Nisy nanao Gestion teny Ankatso sahala amin'ny tenako ko ve ireo namako ato?

"Gestion hafa ihany"

04/05/2024

Pejy 1 / 5

17/04/2024

Amin’ny Zoma izao ...

Profile pictures 03/11/2023

Misy trano heva manoloana ny Faculté EGS manomboka ny Alatsinainy 06 Novambra, manome andinindininy sy mandray ny "Dossier de Candidature":
➡️ ho an'ireo hiditra L1 na M1 na M2 Gestion (Formation à distance - F**D)
➡️ ho an'ireo hiditra M2 Gestion (Formation en présentiel)
➡️ ary ho an'ireo hiditra L1 na M1 ao amin'ny Formation professionnalisante en Travail social et développement (Formation en présentiel)

23/10/2023

Tsara ho fantatra ( )sy fandaminana faramparany momba ny TEST D'ACCÈS Faculté EGS :

⚠️ Araka ny efa nambara hatramin'izay:
-ny Zoma 27 Oktobra maraina ny Test d'accès ECONOMIE,
-ny Alatsinainy 30 oktobra maraina ny Test d'accès SOCIOLOGIE
- ary ny Talata 31 oktobra maraina ny Test d'accès GESTION.

⚠️ Ho fitsinjovana ireo sahirana tamin'ny fanangonana/fametrahana DOSSIER DE CANDIDATURE :
- mitohy hatramin'ny Alakamisy 26 oktobra ny fara-fanaterana "dossier de candidature" ECONOMIE,
- hatramin'ny Sabotsy 28 oktobra kosa ny fara-fanaterana "Dossier de Candidature" SOCIOLOGIE
- ary hatramin'ny ny Alatsinainy 30 oktobra ny fara-fanaterana "dossier de candidature" GESTION.

⚠️ Ampahatsiahivina fa misokatra ireo Trano heva fametrahana DOSSIER DE CANDIDATURE sy fakana CONVOCATION manoloana ny Faculté EGS ary ny Birao 128-A fakana Formulaire ny Sabotsy 21 oktobra sy Sabotsy 28 oktobra (8h30 hatramin'ny 15h). Mivoha tsy miato amin'ireo ora ireo koa ireo trano heva sy birao io ny andavanandro.

⚠️ LES CANDIDATS N'AYANT PAS LA CARTE D'IDENTITÉ NATIONALE DOIVENT SE MUNIR D'UNE COPIE DE L'ACTE DE NAISSANCE ou BULLETIN DE NAISSANCE AVEC PHOTO VISÉE AUPRÈS DU FOKONTANY. (Rehefa amin'ny andron'ny Test d'accès: Ireo mpiadina tsy manana CIN dia kopia lava na fohy misy sary tombohana eny amin'ny Fokontany no entiny miaraka @ CONVOCATION)

Photos 12/10/2023
27/09/2023

Ry Mpianatry ny Anjery Manontolo 😊✅👌

Ry maniry hianatra eny Ankatso eny, ry efa mianatra eny 😍 Porte Ouverte izao ka araraoty 🎶📚📖📑

Fa misy fampisehoana GRATUIT iarahana amiko sy ireo mpanakanto kalaza koa eny manomboka rahampitso atoandro koa manasa anareo 🌅☺️

26/09/2023

➡️ Fotoana hiresahana ireo tsara ho fantatra momba ireo fianarana 1ère année de Licence (L1) ho an'ireo manana Baccalauréat sy ireo hafa maniry hanohy fianarana ( M1, M2, Doctorat) eto @ Faculté EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo ,
➡️ Hisy ny trano heva miaraka amin'ireo mpiara-miasa toy ny Paositra Malagasy hanolotra ireo vokatra ao aminy sy hanao fanentanana samihafa; eo koa ny CanCham Madagascar (Chambre de Commerce et de Coopération Canada-Madagascar) hampita ny momba ny "opportunités de carrières", ny "études" ary "opportunités d'affaires" any Canada,...
➡️ Mpanentana: MAH
➡️ Sabotsy 30 septambra maraina : fizarana ireo amboara tamin'ny INTER MENTION Faculté EGS

14/09/2023

Anisan'ireo Toeram-pampianarana ao amin'ny Université Antananarivo ny Faculté EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo (Economie - Gestion - Sociologie). Ireto misy teboka roa tsara ho fantatra.

1️⃣ Ho an'ireo manana Baccalauréat, inona avy ny fianarana ao amin'ny Faculté EGS ?
➡️ Misy ny antsoina hoe "formation académique et en présentiel". Ireo ny fianarana efa nisy hatramin'izay ka mizara zana-tsampana telo ("Filière" na "Département" ny fiantso azy taloha raha "Mention" no fiantso azy ireo amin'izao): ECONOMIE, GESTION, ary SOCIOLOGIE.
Manao "TEST D'ACCÈS EN 1ÈRE ANNÉE DE LICENCE " ireo manana Baccalauréat maniry hiditra amin'ireo.
Amin'ny 2️⃣7️⃣ Oktobra (Economie), 3️⃣0️⃣ Oktobra (Sociologie) ary 3️⃣1️⃣ Oktobra (Gestion) no atao ireo "Test d'accès" ireo ka izay voaray amin'izany no afaka manao inscription hiditra 1ère année Licence (L1) ety Ankatso.

➡️ afaka misafidy hanao 1ère année de Licence (L1) amin'ny Formation ouverte et à Distance (F**D) en Sciences de Gestion ihany koa

➡️ na hiditra 1ère année de Licence (L1) Formation professionnalisante en Travail social et développement (formation en présentiel io)

2️⃣ Misy koa ny fianarana raha manana LICENCE na M1/ Maîtrise avy amin'ny Toeram-pampianarana samihafa te hanohy fianarana ao amin'ny Faculté EGS

Jereo ao amin'ny Pejy EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo ny andinindininy NA mandeha eo amin'ny trano heva manoloana ny Faculté EGS eny Ankatso NA tonga manatrika ny "Journées Portes ouvertes Faculté EGS" amin'ny 28, 29, 30 Septembre eny Ankatso.

Photos from Gestion 50ème Hafa Ihany 's post 02/09/2023

Ireto amin'ny sary roa ireto ny andinindininy tsara ho fantatra momba ny TEST D'ACCES ho amin'ny L1 (1ère Année) Economie ( tanterahina ny Zoma 27 oktobra 2023) , ho amin'ny L1 (1ère Année) Sociologie ( tanterahina Alatsinainy 30 oktobra 2023) ary ho amin'ny L1 (1ère Année) Gestion (tanterahina ny Talata 31 oktobra 2023) ato amin'ny Faculté EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo

FANAMARIHANA telo:
👉 Entanina ireo manana Baccalauréat maniry hanao Test mba tonga dia hanantanteraka avy hatrany ny fisoratana anarana fa tsy miandry ny fotoana farany
👉 Ireo izay vao afaka Baccalauréat 2023 dia afaka manao fisoratana anarana hanao Test avy hatrany (ny Photocopie convocation tamin'ny baccalauréat 2023 no atao ao anaty dossier de candidature, fa raha afaka an'ilay TEST kosa izay vao mampiasa ny Attestation/Relevé des notes nahafahana Baccalauréat eo amin'ny fotoana hanaovana Inscription hiditra L1).
👉Ankoatry ny Salon de l'étudiant ny 07 sy 08 septambra atao eo amin'ny Esplanade Université Antananarivo SY NY Journées Portes ouvertes Faculté EGS ny Alakamisy 28, Zoma 29 ary Sabotsy 30 Septambra dia hisy ny STAND D'INFORMATION, isan'andro isaky ny maraina, manoloana ny Faculté EGS manomboka ny Alarobia 06 Septambra.

Eo amin'io STAND D'INFORMATION io no maka brochure ireo maniry hahazo fanazavana misimisy kokoa momba ireo fianarana, eo koa ny maka ilay FORMULAIRE RECTO VERSO ary ny CONVOCATION ho an'ireo efa nanatitra Dossier de candidature.
Afaka manontany amin'ny MP @ Pejy Faculté EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo ihany koa izay manana fanontaniana...

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Ankatso
Antananarivo
101