United Students of Matsiatra Ambony

United Students of Matsiatra Ambony

Share

U.S.M.A (United Students of Matsiatra Ambony):association régionale des étudiants H.M ,Univ. de Tanà

02/09/2025

Akory aby eeee ! Ndroandroa andro zay tsa nifakahitana zay !! 😁
🚨Anoa tsika HIHAONA ndraika amin’ny 21 SEPTEMBRE 2025 ho avy izao ( ASSEMBLEE GENERALE )
👉🏻 Toerana : Cité R+3 Rose : Salle de loisirs
👉🏻 Amin’ny : 1 Ora sasany : 13 h30 tolakandro
🚨 ho resahina amin’izany ny :
- Tombana momba ny fikambanantsika
- Fitsangatsanganana
- Voyage organisé
- samihafa
Koa TONGAVA MARO ary moa fa ny fahatongavanao dia anisany mampijoro sy mamelomaso ny FIKAMBANANTSIKA 💪🏻

27/04/2025

FAMPAHAFANTARANA

📣 Misokatra manomboka ny Alatsinainy 28 aprily ho avy izao ny fametrahana ireo antotataratasy "Fangatahana trano" sy ny fanaovana "Mutation" (régularisation).
Entanina ny rehetra tsy hiandry ny fe-potoana farany satria amin'ny zoma 06 jona ny fara-fandraisana izany.

Loharanom-baovao : CROUA - DICU

PO : Responsable de logement de l'association USMA Andriaherimanana Falitina Jdp

01/01/2025

Ny birao mpitantana sy ny Mpianatra mpikambana Rehetra tsy ankanavaka ato amin'ny USMA dia miarahaba antsika nahatratra ny taona vaovao 2025.
Ho taom-pikatrohana hahavokatra be amin'ny soa sy ny tanjona iriana.
Mirary fety sambatra aby!
"Betsileo mianatsa, Matsiatra Ambony mivoatsa."

19/10/2024

Akory aby 🤗

Ny Fikambanana United Students of Matsiatra Ambony dia miarahaba an'i President Dr Yvon Rabetsizakaina amin'izao tsingeri-taona nahaterahany izao 🥳🎉

Misaotra betsaka Président tamin'ny Soa vitanao t@ Fikambanana fa tena tsara fankatahaka tokoa ny vitanao 🤗 De Mirary Soa President ho tonga amin'ny avo indrindra, hisondro-boninahitra @ tany misy 💪🏽

Teny kely hoazy Ary moa Raha misy 🤗🎉

21/09/2024

Akory aby!

VAOVAO TSELATRA MAIKA...HO AMPITAPITAINA

Ho an'izay mpikambana ato amin'ny Mpianatra Matsiatra Ambony, rahampitso Alahady 22 Septambra amin'ny 13:30 Ora tolakandro isika rehetra izay tratra antso no tonga ao amin'ny ivon-toeran'ny USMA ao amin'ny Porte 206 R+3 Vert Ankatso2.

Misaotra mialoha amin'ny fahatongavana maro ho an'ny hoavin'ity fikambanana mamintsika ity.

Ialana tsiny amin'ny fahatapohana fa ny mora tsy mba zavatra.

"Betsileo mianatsa, Matsiatra Ambony mivoatsa."

28/08/2024

Akory aby 🤗🥰

❗Ho an'ireo afaka bacc, maniry hanohy ato amin'ny Faculté de Médecine Antananarivo❗
Fanaterana ''dossier de préinsciption'' ho Première Année ny Alatsinainy 9 septambra ka hatramin'ny Alakamisy 31 Oktobra 2024

NB : Na any @ Faritra dia afaka mametraka dossier satria Alefa paositra ny dossier 🤗

23/08/2024

Hafatra kely hoantsika afaka "Baccalauréat" mieritreritra ny hanohy fianarana ambony ety @ "Université" na avy @ faritra aiza na avy aiza eto Madagasikara 🇲🇬

🔰🔰 Aza matahotra mandao Ray amandreny na namana na olona tsy Foy raha toa ka tsy maintsy mandao azy nohon'ny Fianarana tianao sy nofinofinao ✨

🔸Raha toa enao ka avy any Fianarantsoa ka any Majunga ihany no misy ny zavatra tianao hatao de mandehana any

🔸Raha avy any Diego enao ka eto Antananarivo no misy ny filière tianao hatao dia mandehana aty

🔸Raha nahazo mention tsara mety ahazahoana "bourse extérieur" ianao ka nahazo dia mandehana any andafy

‼️‼️Aza mionona amin'ny hoe :

▪️ "Aleo mijanona eto fa eto misy mitovitovy amin'io filière io (na dia tsy ilay tianao aza)"
▪️"Ny namako nijanona eto daholo de izaho tsy hoany"
▪️ "Izaho ve tsy ho very any , tsisy olona fantatro any"

✅✅ Ka izao :

🔹Ny fijanonana amin'ny toerana misy anao nohon'ny tsy fahasarahana olona iray dia mety hanenenanao rehefa tsapanao fa tsy tianao ilay sampam-pianarana narahinao nefa ianao efa lany fotoana na koa ilay olona nahatonga anao nijanona na namana tsy eo intsony 🥺💔

🔹Ny fandaozana ireny olona ireny nohon'ny fanarahana ny fianarana tianao sy nofisinao na aiza na aiza nefa de tsy hanenenanao rehefa any aoriana any . Satria izy ireny mety ho hitanao foana rehefa vacances 🥰

NB : Indraindray nefa isika tsy maintsy manaiky ny hijanona nohon'ny tsy fisian'ny enti-manana na enti-miatrika na nohon'ny antony tsy azo anoharana ka dia mahereza 🤗

🧠

21/08/2024

Miarahaba ireo zandry afa-panadinana BACC!
✓Dingana iny fa Mbola ao ny tohiny
✓Ho Tonga amin'ny Tanjona irina ihany koa, ka hisafidy tsara ny lalana mety tokony ho tohizana.
✓Aza misalasala manontany.
"Betsileo mianatsa, Matsiatra Ambony mivoatsa." USMA

06/07/2024

Akooooooory aaaabyyy!

Tafiakatra DEMI FINALE TOURNOI GRAND SUD isika USMA Matsiatra Ambony koa magnenga antsika mianakaby hanotrona, sady ekipa tokana amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa tafiakatra.
Rahampitso amin'ny 1ora ny fotoana eo amin'ny Terrain Ankatso ambany ihany.
..tsy amelana raha tsy mitondra Omby 🐂 sa akory ?
Tongava aby ary

Photos from United Students of Matsiatra Ambony's post 29/06/2024

Akory aby!
🤗Tafiakatra eo amin'ny Am-pahefa-dalana (1/4 Finale Tournoi Grand Sud ⚽) isika USMA Matsiatra Ambony koa magnenga antsika mianakaby ho avy Maro hanotrona an'ireto maherifontsika ireto Haka ny coupe Omby 🐂 matavy mody
🗓️ Alahady 30 Jona 🕑2 Ora tolakandro
🥅 Terrain Ankatso ambany
Vs Amboasary
Hery lehibe ho an'ny faritsa niaviana sy ho an'ireto joueurs ireto ny fahatongavantsika Maro🏆

Photos from United Students of Matsiatra Ambony's post 11/06/2024

Indro zaraina amintsika ihany ny fandaharam-potoana amin'ny TOURNOI GRAND SUD 2024

Magnenga antsika mianakaby hanotrona ny ekipantsika ny Alahady 16 Jona 2024 amin'ny 10 amin'ny terrain Ankatso ambany, hifanandrinana amin'ny ekipan'iza Atsinanana (Toamasina) ao anatin'ny lalao isam-bondrona fifanintsanana hakana tapakila hiakarana 1/4 finale.
Tongava Maro...

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address


Ankatso
Antananarivo
101