25/03/2026
Hoan’i ZANDRY: ‘’Aza matoky tena be loatra, tsy fantatrao ny hery anana’ny hafa’’
: Ny Bibilava dia Biby manana fahalemena indrindra eto ambony tany, fa ny zavatra tokony ho fantatrao, dia ny Bibilava ihany koa no Biby mafy indrindra eto ambony tany.☺️
- Mety mijery azy tsy misy tanana sy tongotra angamba ianao, fa izany tsy midika hoe, ny Bibilava dia tsy afaka mihanika ary tsy afaka mandeha amin’ny toerana rehetra tiany haleha. Diso tanteraka anefa izany, fa ny izy 🐍 dia afaka tonga naizanaiza tiany haleha, na anaty rano na eny ambony hazo sns… naiza naiza.
- Mety tsy manana hozatra haderadera izy na fitaovam-piadiana, fa lazaiko anao🫵, na tahaka ny inona ny halehiben’ny fahavalony dia matiny foana rehefa tiany ho vonoina.
: 80% ny manampahaizana eto ambony tany dia miara-manaiky, fa ny Bibilava 🐍 no Biby mafy indrindra .
- Ianao ve mahafantatra Bibilava ?
Mety fantatrao izy, fa tsy tsikaritrao mihitsy hoe, na manankery tahaka izany aza izy, dia miezaka mitsoaka sy miala olana foana raha mbola mahita hitsoana. Raha tsy mino ianao, dia andramo hitsahana ny rambony.😊 ( ❌ TANDREMO, aza andramana fa mahafaty izany)
👉 Ny tiako ho tenenina, mitandrema amin’ireny olona heverinao fa malemy ireny, aza mihevitra mihitsy fa matahotra anao izy raha tsy miteny.
✅ TANDREMO ny mihevi-tena ho mafy, fa misy izany atao hoe, patsa iray tsy omby vava izany. Aza diso manambany ny hafa loatra fa ampitso mbola tsy fantatra, ary aza diso mirehareha loatra fa singam-bolo iray aza mety handavo vositra.
: 👉 « Na toy ahoana ny herinao, mitsoaha foana raha mbola misy hitsoahana »
👉 Rehefa tsy mahita hitsoahana, dia mivonòna hiady 😊
Mirary soa ho anao!
Mila Raha Logique
03/03/2026
🇪🇸 : MANDRARA NY FAMPIASANA NY TOBY MIARAMILA AMERIKANA HANOHITRA AN’I IRAN I MADRID
Nandrara an’i Etazonia tsy hampiasa ny toby miaramila ao aminy hanatanterahana fanafihana an’i Iran i Espagne. Taorian’izany fanapahan-kevitra izany dia niala tao amin’ireo toby espaniola ny fiaramanidina amerikanina maro.
Nanambara ny governemanta espaniola fa tsy maintsy manaja ny lalàna iraisam-pirenena ny iraka rehetra atao amin’ireo toby ireo, ary tsy nandray anjara tamin’ny fanafihana an’i Iran izy ireo.
Anisan’ireo mpitarika eoropeana vitsy nanameloka ny fanafihan’i Washington i Espagne, saingy nanazava izy fa tsy midika fanohanana ny fitondrana iraniana izany. Araka ny nambarany, tsy vahaolana amin’ny fifandirana ny herisetra.
❓Ary ianao? Soraty ao amin’ny Komantera ny hevitrao ☺️
👉 Miankina amin’ny MIARAMILA ve ny fiarovana ny firenena iray sa ny fanajàna ny LALÀNA ihany?
Aza adino ny mizara sy manao j’aime 👍 ny pejy🙏
01/03/2026
Notafihan’Iran tamin’ny maraina teo ny base militaire américaine ao Doha / Qatar
Andrasana ny tohiny
01/03/2026
L'Iran vient de dire qu'ils vont frapper très fort aujourd'hui, plus fort qu'ils ne l'ont jamais frappé ILS VAUT MIEUX NE PAS FAIRE ÇA, PARCE QUE S'ILS LE FONT, NOUS LES FRAPPERONS AVEC UNE FORCE QUI N'A JAMAIS ÉTÉ VU AUparavant ! merci pour votre attention sur cette affaire ! - Président DONALD J. TRUMP
Sary: IG Donald Trump
28/02/2026
Voakitika ny Missile Iraniana ny Palm Jumeirah Dubai.
Manentana ny rehetra monina eto Dubai mba samy ho malina sy hanaraka ny torimariky ny Fanjakana eto UAE ary hipetraka any an-tranony avy.
Ho anareo Mpianatra Malagasy amin'ny Oniversity dia afaka manoratra mivantana ny tenako ianareo raha misy ny loza tampoka.
Mandrosoa Hasina
Ny Rado RAFALIMANANA
27/02/2026
: TAFIDITRA NY MPANAKORONTANA
26/02/2026
: Hanatanteraka valandresaka amin’ny Mpanao GAZETY ny KOMITY MIARO NY TOLONA (KMT) ny rahampitso ZOMA .
08/02/2026
SY
TENA MATOTRA VE NY FIFANDRAISANA SA TE HILALAO AFO?
————————————
Hita fa miha mihitatra tokoa ny Fifandraisana misy eo amin’ny Madagasikara sy ny Rosiana, raha tsy hiteny fotsiny isika amin’ireny fanampiana aram-pitaovana ny TAFIKA Malagasy ireny. Eo ihany koa ny famahana ny olan’ny angovo, efa mety hijoro tsy hoela eto amintsika ihany koa ny ara-kolotsaina. Midika izany fa miroso hatrany ny fifandraisana eo MADAGASIKARA sy ROSIANA izay.
- Tsara izany, fa saingy mila fahasahiana sy fivononana fa sao HILALAO AFO isika.
Ny ANTONY dia izao:
- Vao mifandray amin’ny ROSIANA fotsiny isika, dia efa tsy mety amin’ny FRANTSAY izany. (Izay tokoa ny tanjona, dia ny hialana amin’ireo, fa tsy azo atao ankolaka fa tonga dia mijoroa satria ny FRANTSAY tsy hoazontsika ampitaka izany).
- Nahita isika Omaly ny fitsidihan’i Filoha teo aloha Andry RAJOELINA tany amin’ny Eswatini 🇸🇿. (Fomba fiady ny Impérialiste mihitsy ny zavatra toy izao fa mila mailo isika)
- Ny zavatra mila azon-tsika, dia tsy hipetraka mora manoloana ny fifandraisantsika amin’ny Rosiana mihitsy ny frantsay, anisan’izany io fihetsika asehon’i RAJOELINA io. Sao mihevitra fa mijoko milamina isika, fa sao ho PAPANGO NAHAZO SOKATRA eo.
👉 Atoa Filohan’ny FANAVAOZANA
Hoy ny RAD MONJA JAONA:
«ADY NO NANJANAHANY ANTSIKA, ADY IHANY KOA NO MANAFAKA ANTSIKA »
- Aza mety hifampiraharaha amin’ny FRANTSAY fa tsy hitady ny tombotsoa ny Malagasy mihitsy ireo na ino antony na ino antony.
- Atoa Filoha!
Aza milalao afo miaraka amin’ny FRANTSAY fa andao hiroso tompoko. Raha efa mifandray amin’ny ROSIANA ihany dia ataovy matotra fa RIVOTRA mitsioka afo izany.
Teny atsipy !
02/02/2026
𝐕𝐈𝐍𝐀𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐀 𝐙𝐄𝐎𝐆𝐑𝐀𝐅𝐈𝐀 𝐓𝐒𝐎𝐓𝐒𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐍𝐘.
1– 15 ka hatramin’ny 18 taona: Ny Vehivavy dia toy i Afrika: Malotoloto, fa saingy tsara tarehy. Izy no harena sarobidy tadiavin’ny rehetra hotrandrahana.
2– 19 ka hatramin’ny 21 taona: Ny Vehivavy dia toy i Amerika: Efa mandroso sy misokatra amin’ny karazana varotra rehetra. Ny mpanambola ihany no manjakazaka amin’ny tsena;
3– 22 ka hatramin’ny 25 taona: Ny Vehivavy dia toy i Italia: Manintona, milamina, ary mahazo aina. Matoky tena noho ny hatsarany, izy no mametraka ny fitsipika amin’ireo mpankafy;
4– 26 ka hatramin’ny 34 taona: Ny Vehivavy dia toy i Frantsa: Mirehareha amin’ny tenany, mihevitra fa izy no ivon’izao tontolo izao. Tany manintona izy, ka maro no te hitsidika azy na hanangom-pahombiazana ao aminy
5– 35 ka hatramin’ny 40 taona: Ny Vehivavy dia toy i Yougoslavia: Resy ny ady. Ny fahadisoana taloha mbola mitamberina ao an-tsainy. Mila atao ny asa fanarenana lehibe. Lasa mora azo izy ary misokatra amin’izay rehetra te hanome fanohanana
6– 41 ka hatramin’ny 45 taona: Ny Vehivavy dia toy i Rosia: midadasika, saingy sarotra fehezina ny faritra. Nohon'ny toetr’andro mangatsiaka dia mandrisika ny olona tsy hitsidika
7– 46 ka hatramin’ny 50 taona: Ny Vehivavy dia toy i Môngôlia: manana tantara be voninahitra sy fandresena lehibe, saingy indrisy, tsy misy hoavy. Tantara tamin’ny lasa no sisa azo tantaraina
8– Rehefa mihoatra ny 50 taona: Ny Vehivavy dia toy i Afghanistan 😊 : fantatr’izao tontolo izao ny misy azy, fa indrisy, tsy misy te-handalo eo intsony… na ireo mpiara-dia taminy fahiny aza.
Mirary soa tompoko!
Zarao raha sitrakao.
31/01/2026
AJUSTEMENT
Fa ahoana marina e?
Aleo aza omena olonan-kafa ny numéro raha mbola misoratra amin’ny Tompony taloha ihany fa lasa fanambakana faobe ilay izy ry M’vola.
———————————
Ny marina dia izao araka ny antso ni fanaovana tamin’ny M’vola.
👉 Nisy numéro nampiasainao efa ela, dia tsy nampiasainao intsony fa mety very angamba, dia iny efa nomen’ny olon-kafa, ny olana dia io numéro io mbola tsy mifafa ny identité-nao na ny anaranao fa mbola misoratra aminao ihany. Ka raha milaza ny M’vola fa mbola misy avance mandeha amin’ny anaranao ny any dia noho iny numéro nomendr’izareo olona iny ihany no alainy amin’ny compte ampisainao izao na dia tsy naka avance aza ianao.
- Ny fanotaniana dia hoe: Excuse ny M’vola ve ilay izy satria Betsaka loatra ny olona tratra sa tena izay tokoa? Raha izany, aleo tsy omena olona hafa ilay numéro raha mbola tsy voafehinareo ilay asa tompoko.