12/04/2026
Mission Artemis II part-3
Fiverenena avy eny amin'ny volana.
Rehefa avy nihodona teny amin'ny volana ilay capsule Orion ( sambondanitra misy ireo astronautes) dia nitodiha ary tafaverina soa aman-tsara ety an-Tany.
Tahaka izao ny dingana narahany raha azavaina tsotsotra,( tsy maintsy haingona maths& physique kely ihany 😂 ).
Tsy mitovy tamin'iny fiangana tety an-tany izay nilàna moteurs tena matanjaka sy carburants aman-jatony litatra intsony ny nianga avy teny amin'ny volana. ( Teo amin'ny orbite no marina kokoa fa mbola tsy nipetraka teo ambony volana izy) .
Io indray no antsoina hoe Trans-Earth Injection ( TEI ) . ( Jereo ilay niala teto an-Tany fa misy TLI :Trans lunear injection '' post farany).
Ny ESM no moteur miasa eo, eo amin'ny minitra vitsy eo fotsiny satria tsy dia mila hery be loatra fa natao hanovàna ilay vitesse sy ny trajectoire fotsiny. Trajectoire izay hiverenany amin'ny tany indray ary hialana amin'ilay orbite misy azy,Rehefa vita izay dia mijanona io moteur io fa ny inertie (1ère loi de Newton) ,ary ny gravité sisa no miasa ( efa vita kajy sy voarindra).
Ny ESA ( European Spacial Agency na agence spatiale Européenne) no nanao ity moteur ity ary nalefa tany amin'ny NASA ( fiaraha-miasa).
Rehefa mijanona ny moteur dia migodana sisa ilay capsule Orion na hoe en chute libre.
Ny forces extérieures eto dia ny fisotoman'ny tany sy ny fitoman'ny volana ( attraction).
[ F = G(Mm)/r²] lesona satellite io ry TS an .
Rehefa manantona ny tany izy dia mitombo hatrany ny accélération, mitombo arak'izany ny hafainganam-pandeha na ny vitesse
[ Rehefa mihena ny distance r izany hoe miha milatsaka manantona ny tany ,dia mihena ny énergie potentielle, mitombo ny énergie cinétique ary noho izany dia mitombo ny vitesse] mandeha hoazy io . Manaraka ny lalàny physique izy eto ary tsy misy moteur miasa intsony.
[ E= 1/2mv² - G(Mm)/r " conservation de l'énergie 😊].
Alohan'ny hiditra ny atmosphère-ny tany dia misaraka amin'ny capsule ilay module ESM voalaza tetsy ambony. Tena ilay vatana capsule misy olona sisa izany no miditra ny atmosphere.
Raha mijery ilay sary isika dia sahalan'ny mirehitra mihintsy ilay vatan'ilay capsule rehefa miditra ny atmosphère. Tsy hoe mirehitra akory izy fa plasma miforona iny; Ary tazana misy dian'afo mihintsy izy rehefa tonga ety an-Tany.
Iny phénomène thermique iny dia vokatrin'ny :
* Fifampikasohana amin'ny rivotra
* Indrindra fa ny Compression de l'air izay miteraka hafanana hatrany amin'ny 2700°C.. ,tonga dia lavenona izy( filaza masaka 😂) raha tsy misy ilay antsoina hoe bouclier thermique miaro azy ( fonony eo ivelany) io bouclier thermique io no mitroka izany ( ablation no marina kokoa, izany hoe izy no miala na may tsikelikely fa tsy ny ao anatiny)ary miaro ilay hafanana efa ho 3000°C latsaka kely mba tsy hisy fiatraikany ao anatiny, tadidio fa misy olombelona ao ..
( Io phénomène io no mahatonga ireny tain-kitana mitsoriaka be,manjelanjelatra hita eny amin'ny lanitra indraindray, rehefa misy vato na meteoroïde tafatsofoka ato amin'ny atmosphère ).
11km/s eo ho eo no vitesse alohan'ny hidirany ny atmosphère ary mihena tsikelikely izany satria mitombo ny frottements ( résistance de l'air)
Amerissage no filazana ny fiantsonana ao anaty ranomasina.. rehefa tafiditra ao amin'ny atmosphère-ny tany izy ka efa manakaiky ny ranomasimbe Pacifique. Dia mivelatra ireo helonaina telo .
1- parachute pilote
2- parachute stabilisateurs
3- parachute principaux
Rehefa tafalatsaka soa aman-tsara moa izy dia efa vonona ireo mpamonjy haka azy ao anaty ranomasina..
Azo lazaina ho fahombiazana ity dia ity ary miandry ny Artemis III indray izay hitondra astronautes hiantsona eny amin'ny volana..
Firenena maromaro no miara-miasa sy misalahy amin'ity andrana sy fikarohana ity.
Ny tanjona moa dia fiverenena eny amin'ny volana indray tsy toy ny tamin'ny mission Appolo hoe hanitsaka ny volana fa fikarohana sy fanangana base ; fiainana maharitra kokoa ; sy fanomanana ny dia makeny amin'ny Planète Mars.
Izany rehetra izany dia vokatrin'ny fampivadiana fahalalàna maro be ka tonga Siansa.
Ndao hianatra Siansa.
Sary : google ; ESA . 3- le parisien
29/09/2024
22/04/2024
04/12/2023
15/08/2023
11/02/2023
03/02/2023
16/11/2022
15/11/2022