10/03/2026
Araka ny fangatahana avy any aminareo dia hisy indray ny fiofanana ny
🗓️ Sabotsy 28 Martsa 2026 ho avy izao ,
🕕 Manomboka amin'ny 8ora tsy diso,
🏨 Toerana : Ambohidroa
📞 034 68 447 80
10/03/2026
25 Fevrier 2026
Ankasitrahanay tanteraka ny fahatokisanareo tompoko
Mpampiofana:
Ramatoa Mihary sy Andriamatoa Zo
04/02/2026
Ankasitrahanay tanteraka ny fahatokisanareo anay avy ao Antsirabe '' Alliance Française ''
Tontosa soa amantsara ny 01 Febroary lasa teo ny fiofanana natao hoan'ireto mpianatra ireto
✅Mirary ny tsara indrindra hoanareo,
✅ Aza misalasala manontanany raha misy ny manahirana,
04/02/2026
Mankasitraka tanteraka an'ireo ekipa mpampiofana avy ao Antsirabe nahatontosa fiofanana hoan'ny mpianatry ESSVA.
Mpampiofana:
✅Ramatoa Pauline
✅Andriamatoa Zo RANDRAVALIVA
✅ Ramatoa Francesca Andrianaivo
Datin'ny fiofanana 31 Janoary 2026.
Mirary ny tsara indrindra ho anareo tompoko🙏
31/01/2026
Hoy i Mihary Razafimandimby tamin'ireo mpianatra na koa ray amandreny nanatrika ny fiofanana izay nataony teto Antananarivo
1. Tsy mandeha ho azy ilay fiofanana fa matoa vita foana hatrizay dia satria tena niainana ilay izy vao afaka ampitaina any amin'ny mpianatra sy ny ray amandreny.
2. Tsy hoe manatrika dia tsy maintsy ho tonga '' major'' fa kosa izay nahazo tsara ny fiofanana no sady nampihatra dia sahiko ny manome toky fa tsy maintsy mahita vokatra.
3. Tapitra tanteraka ilay tsianjery be fahatany fa mandeha lojika ange ilay mianatra eh.
4. Tena hoe mora be kay ilay mianatra fa isika no tsy nahita ilay fomba fianarana azy hatrizay ela be izay.
5. Arakarak'ilay habetsaky ny '' methode '' ampiasainao vao maika maha tsara be foana ny naotinao sy ny vokatra andrasanao.
💪💪💪 Alefa foana les Corebristes fa TENA vitanao io💪💪💪
Mirary torimaso tsara hoan'ny mpanaraka tsy tapaka ity pejy mamitsika ity😔😔😔
31/01/2026
Ankasitrahanay feno ianareo izay nanatrika ny fiofanana CO. RE. BRI izay notontosaina androany 31 Janvier 2026.
Misaotra satria tsy nataonareo sakana ny
✅Andro ratsy,
✅ Ny hatsiaka be,
✅ halaviran- toerana ihany koa,
Tonga maro ianareo ary mino izahay fa nahazo zava baovao entina mianatra ireo lesona maro be ianareo , ampiharo avy hatrany ary eh💪💪💪. Vitanao io, tratranao izay dingana tianao tratrarina🙏🙏🙏
➡️Raha mbola misy hatrany ny tsy mazava tsara dia aza misalasala miresaka mivantana na mandeha hafatra miafana fa mbola vonona hatrany hanome ny tsara indrindra.
Mirary soa hatrany Rankizy ah💞💞
Formatrice: Mihary RAZAFIMANDIMBY
25/01/2026
HAKAMOANA 😔😏😏
Amin'ny maha mpanabe dia nahatsapa ho
✅Matoritory ny mpianatra,
✅ Malaindaina,
✅ Miandry mahazo,
✅ Tsy te hisahirana,
✅ Tenenin-dava,
ary ny tena zava doza dia VARIANA Be Loatra ka miandry ray amandreny hiteny lava hoe mianara, mianara, ary ny farany aza miafara amin'ny ady mihintsy.
💪💪💪Na ireo aza ny zava misy iainan'ny ankabeazan'ny mpianatra amin'izao fotoana dia tiako ny manamafy fa tsy rehefa manana paikady mafy CO.RE.BRI izy dia toy ny tsy misy intsony ireo olana voalaza ireo.
Il faut être tout simplement METHODIQUE.
23/01/2026
Ray amandreny mandray andraikitra🙏🙏🙏
✅ Tsy mahay ny zanako,
✅ Tsy maharaka any ampianarana,
✅ Varian-dalao,
✅ Tsy mahavita mampianan-tena irery,
✅ kamo be
✅ Miady aminy foana izaho ato antrano,
✅ Tena lasa niemotra be, tsy afa po mihintsy izaho mamany,
❓❓❓ Inona kay no tokony hataoko sy azonareo anampiana ahy, hoy ilay ray amandreny.
🥴 Marihako fa kilasy ambany aho dia efa niala fianarana fa zanaka sahirana ka lasa na ny fianaran'ny zanako aza tsy arako intsony. Na tsy mahay aza anefa aho dia hitako fa mihemotra ny zanako, ambany daoly ny naotiny, tena mila fanampiana aho Madame💪
➡️ Izany ka tena oe maha te hidera ilay fisainana sy fihetsika ataon'ny ray amandreny. Na tsy mahay sy tsy maharaka ny fianaran'ny ankizy aza dia tsy tafa petraka fa miasa andro aman'alina ny saina mitady vahaolana ary tsy mba ''complexee'' hoe tsy tafavoaka loatra tamin'ny fianarana dia ho menatra sy tsy sahy miresaka.
👏👏 Aza manahy fa ampianay ny ankizy ary tsy amelanay raha tsy afa po ianareo ray amandreny izay '' tena tompon'andraikiabilite amin'ny ankizy''
23/01/2026
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy CO. RE BRI nahatratra ny taona vaovao.
👍Ho taona feno fitahiana, fahasoavana ary fahombiazana anie ity taona 2026 ity.
🔥Araka ny hetaheta sy fangatahan'ny be sy ny maro dia hisy ny fiofanana CO. RE. BRI hoan'Antananarivo.
🗓️ Daty: 31 Janoary 2026
🕖 Ora: amin'ny 8 ora tsy diso no manomboka.
🏢 Toerana: Ambohidroa Ambohimanarina
20/01/2026
Harcèlement scolaire❌❌❌
Isan'ny lohahevitra iray lehibe resahana foana izy ity tato ho ato no lasa miverimberina be.
✅Manoloana ny zava misy dia tsara ny mampahatsiahy fa ny fanabezana no tena mila atao mahazo vahana mba afahana manampy ny ankizy hahay hiala azy.
✅Manaraka izany,tsy misy afaka mandeha irery ny ray amandreny, na ny mpampianatra ary indrindra koa ny mpianatra fa natao hifanampy no sady mifameno. Mitana anjara toerana lehibe araka izany ny fifanakalozan-kevitra matetika, mila mahasahy miresaka ny ankizy, mila henoina izy ireo, ampianarina izy hahalala ny lanjany , torona hevitra isanandro afahany mahatoky ny tenany . Ampirisihana ho afaka manohitra izay tsy mety atao aminy fa tsy voatery hitaraina foana. Izany rehetra izany dia volena ao amin'ireo mpianatra mba tsy ho tonga sanatria any amin'ny famonoana tena .
✅ Ho ahy manokana, amin'ny maha mpanabe no sady reny dia mametraka mandrakariva fa tsy mpianatra ihany no andraisana ny ankizy taizana fa tena zanaka, noho izany mila entina toy ny zanaka fa tsy sanatria isika mpampianatra indray no hanome anaram-bositra, anambany azy eo imason'ny namany, hanakiana azy lava, hanapepo, hanilika, ary indrindra hanaratsy. Ny maha mpampianatra dia ANTSO ka mila mifanentena amin'izay ny fihetsika rehetra atao mba tsy hanimba ny ankizy.
Mirary soa hatrany
scolaire