Tokony hanao ezaka ireo mpianatra manampahaizana nandritra ny 1975-1991 handrafitra sy hanangana ireo voambolana malagasy mila hananana
Voambolana Malagasy
Ity pejy ity dia natao hivoizana sy hanatevenan-kitroka ny voambolan'ny teny Malagasy .
Mahatsiaro ho sorena sy voaloto sofina ny tena rehefa mahita malagasy miteny@fahitalavitra izay manezakezaka mafy mampifangaro ny resany@ ireo teny frantsay!!!
Tena hoe tsy tsapan'ireny olona ireny intsony ve fa diso lalana izy???
Tsy tokony hovaina hoe "androany" ny hevitry ny hoe "ankehitriny" fa samy hafa ireo!!!
Fiteny ve izany "tafitomany" izany?
Ny hevitrao ahoana?
💝 MIARAHABA ANAREO MPANARAKA ny pejy tratry ny taombaovao 2024💝
Samy hotahian'Andriamanitra!!!
🙏💝💝💝🙏
havadika hoe "vocabulaire français" ve ny anaran'ny pejintsika manomboka an'io sa ahoana
Dia sarina " cocotte minute "?😊
Raha +70% tsy nanaiky fifidianana vazaha,mba firy% kosa tsy maniky hampifangaro teny @ voambolana frantsay?
MIZARIVOÄRY = fr. être naturalise(e)
ZARIVOÄRY = ~ fr.naturalité
FIZARIVOÄRY (mizarivoäry)
=> Fampizarivoariana.
=~fr.naturalisation.
( Voka-pikarohana mila fiaraha-mikiralkira tsara sady fiaraha-mankatò )
Ny fampizarivoariana olona anankiray dia tanterahana @ alalan'ny fianianana eo anatrehan'ny mpitsara sy mpanao lalàna ka hamoy androtr'iny ny zöm-pireneny nahabe azy izy ka mandray ilay zóm-pirenena izarivoariany ,ary very sy afoy manomboka eo ny zòm-pirenena nanahary nananany teo aloha.
ANOSIBEMIELY = fr.Îles eparses
FANDRINDRAÖVA = fr.Stabilisateur
Safidiontsika izay tiantsika hanononana ny fanafohezana ny hoe "Filohan'ny Antenimieram-pirenena":
> FAP. sa ,(re tonona kokoa ny "p")
> FAM Sa,
> FAMP. ???
Fadio mihitsy ny mihambo ho tsy mahay teny malagasy fa manalabaraka tena izay malagasy manao izany sady mahamenatra!
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Analamanga
Antananarivo