JR Unique

JR Unique

Share

Eny, vitanao izany👊

15/08/2025
04/08/2025

Reraka ve ianao?
Sasatra ve?
Toa tsy misy fandrosoana ve?
Tsy maninona izany.

Fa aza mijanona.

Ny olona mandresy dia tsy ireo tsy reraka.
Fa ireo mitohy na dia reraka aza.

Ireo miezaka foana na dia mankaleo aza.
Ireo mifikitra amin’ny nofiny, na dia tsy mbola hita ny vokatra aza.

Tsarovy, ny olona rehetra mahomby dia nandalo sedra.
Fa tsy nivadika tamin’ny tanjony.

Ary ianao koa…
Afaka mahavita izany. Raha tsy miala. Raha mbola miezaka.

Eny, vitanao izany.👊

28/07/2025

Ny fahasahiana no fanalahidin’ny fiovana.

Raha tsy sahy ianao, tsy hisy fiovana hitranga.

Sahia miala amin’ny zavatra mahazatra, satria eo no misy ny fandrosoana.

Aza avela hifehy anao ny tahotra, fa ataovy herinao izy.

Ny fiainana tsy miandry, ka mila mihetsika ianao anio.

Sahia mandray fanapahan-kevitra vaovao, dia ho hitanao ny fahombiazana.

Tsarovy, izay sahy no mahazo!
Eny, vitanao izany👊

25/07/2025

Ahoana no hanombohana business raha tsy ampy ny vola ?

Tadidio tsara : tsy vola be no tena ilaina amin’ny fanombohana fa IDEE sy ACTION.

Betsaka no miandry hoe : "Rehefa ampy ny capital vao hanomboka."

Izany no mahatonga anao hijanona ho mpividy sy mpitazana mandrakizay.

1️⃣ Atombohy amin’izay fahaiza-manao anananao.

Raha mahay manao design, marketing, mampianatra, fiteny samihafa, informatique, na manao gâteau ianao, dia ampiasao izany.
Tsy mila stock, tsy mila magasin, tsy mandany vola be.

2️⃣ Ampiasao hivarotana Facebook amin’ny fomba matihanina.

Maimaim-poana io. Ampiasao amin’ny filazàna mazava hoe inona ny olana azonao vahana ho an’ny olona, ary manolora solution mivantana.

3️⃣ Mampiasà précommande na commission.

Midika izany fa alohan’ny hanombohanao, dia asaina mandoa avance ny mpanjifa.

Ohatra : raha manao gâteau ianao, dia ataovy hoe mandoa 50% mialoha ilay olona. Amin’izay vola izay no ividiananao akora sy anaovanao ny asa. Toy izany koa amin’ny akanjo sy service hafa.

Farany :

Ny olona mahomby dia tsy ilay manam-bola be amin’ny fiandohana, fa ilay sahy manomboka amin’izay kely ananany.

Ataovy amin’izay azonao atao ankehitriny, dia hitombo tsikelikely rehefa mandeha.

Eny, vitanao izany👊

23/07/2025

Tsy hahomby mihitsy ianao raha tsy mahatoky tena.

Tsy afaka hanangana na inona na inona ianao raha tsy mino ny herinao.

Satria ny fahatokisan-tena no fototra iorenan’ny fahombiazana rehetra.

Tsy fahaizana voajanahary izy io. Tsy niaraka taminao hatrany am-bohoka fa fahaizana mila ianarana sy azo ampitomboina isan’andro.

Koa raha manontany ianao hoe: "Ahoana no hananako fahatokisan-tena?"
Dia ireto misy dingana 4 tsotra hanombohana azy:

✅ 1. Hatomboy amin'ny famantaranao ny tanjakao sy ny fahombiazanao teo aloha.
Jereo ny zavatra efa vitanao, na dia kely aza. Ny fahatsiarovana hoe "efa nisy zavatra vitako" no manangana ny fahatokiana ao anatinao.

✅ 2. Farito mazava tsara ny tanjonao.
Aza atao hoe: "Te ho hahay kokoa aho."
Fa ataovy hoe: "Te hahay miteny Frantsay tsara aho afaka 3 volana."
Rehefa mazava ny tanjonao, dia mitombo ho azy ny finoana ny tenanao.

✅ 3. Hianaro sy fehezo tsara izay tianao atao.
Raha mbola tsy mahay ianao, dia normal raha tsy matoky tena.
Fa rehefa manokana fotoana hianarana sy hanazarana ianao, dia miforona tsikelikely ilay fahatokisana.

✅ 4. Sahia miatrika zavatra vaovao.
Mivoaha amin’ilay "comfort zone". Ataovy ilay zavatra natahoranao hatramin’izay.
Aventure vaovao = fitomboan’ny fahatokisana.

Tsarovy fa tsy mitranga tampoka ny fahatokisan-tena.
Fa vokatry ny fiezahana, ny asa, sy ny fanapahan-kevitra isan’andro.

Eny, mianara mahatoky tena.
Eny, vitanao izany👊

21/07/2025

Betsaka no maniry fahombiazana. Betsaka no manonofy fiainana tsara kokoa. Saingy vitsy no tena manatanteraka. Fa inona no maha samy hafa azy ireo? Ny autodiscipline.

Tsy ampy ny fahaiza-manao fotsiny. Tsy ampy ny fahendrena. Mila fahaiza-mifehy tena: izany no anisan’ny toetra manan-danja indrindra amin’ny olona mahomby.

Ny autodiscipline dia midika hoe:
– Manao izay tokony hatao, na dia tsy maniry izany aza ianao.
– Mandà fakam-panahy, satria fantatrao fa misy tanjona lehibe andrasana.
– Miasa sy mianatra tsy misy manara-maso, fa noho ny finiavana hanana ho avy tsara.
– Manaja ora sy adidy, satria tianao ny ho tompon'andraikitra amin’ny fiainanao.

Tsy mora izany. Fa izay mahafehy tena, dia mahafehy ny fiainany.

Ary izay mahay mifehy ny fiainany, dia afaka manova izao tontolo izao.

Eny, vitanao izany👊

18/07/2025

Raha tianao hiova ny fiainanao, dia asa fa tsy kabary no ilaina.

Raha tianao ho tanteraka ny nofinofinao, dia asa fa tsy kabary no lalana.

Assez parlĂŠ, agis!
Eny, vitanao izany👊

16/07/2025

Rehefa manodidina anao ny olona mampitombo anao, manampy anao ho tsara kokoa, manampy anao hahita lavitra dia mitombo avo roa heny ny herinao hahomby.

Fa raha manodidina anao kosa ny olona manakiana fotsiny, mandefitra amin’ny fahalemenao, tsy mino anao dia hanakana anao tsy hahatratra ny tanjonao izany.

Noho izany, fantaro izay olona tokony hifandraisanao matetika. Ary fantaro koa izay fotoana tokony hisitahana amin’ny olona sasany.

Eny, zava-dehibe ny olona manodidina anao : ataovy tsara safidy.
Eny, vitanao izany 👊

📖Boky : "Ny fahombiazana : Ahoana no hahatratrarana azy"

15/07/2025

Raha nandeha ho azy ny fahaizana mivarotra…

Tsy nisy mpivarotra maty antoka.

Tsy nisy sahirana tamin’ny écolage sy hofan-trano.

Nanan-karena avokoa ny mpivarotra rehetra.

Nalaza avokoa ny artiste rehetra.

Ary tsy ilaina akory ny taranja marketing.

Fa tsia!
Tsy mandeha ho azy ny mivarotra.
Mila hianarana izany.

Izaho manokana dia efa nandany vola sy fotoana nianatra an’io.

Eny, hatramin’izao aza mbola mianatra foana aho, satria nahavitako nampitombo avo 5 eny ny vola niditra tamiko izany.

Namana, aza atao ambanin-javatra ny fianarana mivarotra raha tianao hitombo avo 2, 3, na 10 eny ny vola miditra aminao.

Raha vonona ianao dia aza adino fa hanomboka amin’ny 21 juillet ity programme :
"Devenez un pro de la vente : 12 jours, 12 techniques de vente !"

Eny, hianatra hivarotra isika.
Eny, vitanao izany.👊

14/07/2025

Vitanao io fa ianao anie mahery eh!

Tsy misy hanakana anao amin’izay tianao tratrarina.

Mandehana, matoky tena, ary raiso amin-kafaliana ny fandresenao!”

Eny, vitanao izany👊

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Antananarivo