Hery Anaty

Hery Anaty

Share

Sehatra iray natao hizarana, hampianarana ny tontolo anaty, ny hery anaty, hypnose, méditation, loi de l'attraction, mentalisme, sns..

17/07/2024

Hoy i LAINGA tamin'i FAHAMARINANA : "Andao hilomano, fa mahafinaritra be ny rano ".

Mailo hatrany RAFAHAMARINANA ka nitsapa ny rano aloha ary hitany fa mahafinaritra tokoa ka dia noesoriny ny lambany dia niroboka an-drano izy.

Tampoka teo, nalain-dRALAINGA ny akanjon'i FAHAMARINANA dia nentiny nandositra niala teo.

Tezitra i FAHAMARINANA ka niala tao anaty rano, nanenjika an'i LAINGA haka ny akanjony.
Tezitra ny olona nahita an'i FAHAMARINANA nandeha mitanjaka tsy misy akanjo eran'ny tanàna ka nitsara sy nanome tsiny azy ary nihorakoraka sy niomehy, naneso azy.

Menatra i FAHAMARINANA sady nalahelo ka niverina tany anaty rano ary nilentika tany anatin'ny lalina indrindra dia tsy hita intsony.

Nanomboka teo, niriaria malalaka eran'izao tontolo izao i LAINGA sady nitafy ny lamban'i FAHAMARINANA ka faly ny olona mahita azy... Faly satria aleon'ny olona mahita azy toa izay mahita an'i FAHAMARINANA mitanjaka ka dia mahazo vahana ny LAINGA... vao mba te hivoaka ao anaty rano kely fotsiny i RAFAHAMARINANA dia olona aman-jatony no mandetika azy indray mba tsy hipoitra tao

Koa tandremo, fa iny mandehandeha isam-baravarana iny i LAINGA, mitafy LAMBAN-DRAFAHAMARINANA koa raha hitanao any dia esory aminy iny akanjo iny fa tsy mendrika azy.

Nadikan'i Troupe Fagnomba

16/07/2024

FADIO NY MITANTARA IRETO ZAVATRA IRETO AMIN'OLONA REHETRA.

1. Ny Projet-nao
2. Ny Vola miditra aminao.
3. Ny probleme andalovanao.
4. Ny Sakafo tena tianao.

Indraindray mantsy ny vavanao ihany no fahavalon'ny fandrosoanao...

Tadidio fa tsy izay olona rehetra mitsikitsiky aminao dia faly aminao .

Mora kokoa tompoko ny hahombiazanao raha tsy misy mahafantatra ny zavatra ataonao..

Tadidio fa ny olona afaka ny hamingana na hanao sabotage anao dia ny olona izay mahafantatra sy manana information momba anao ihany.
- Mety ao anaty fianakavianao ao,
- Mety amin'ireo namanao na olona akaiky anao.

Mandrava projet ny werawera alefa aloha.

Ry namana oh,
Ketreho mangina, Miasà mangina.
Avelao ny fahombiazana no hitabataba.

03/02/2024

🥰 Efa ao anatin'ny sainao ao sahady ny fanazavana mahakasika ity sary ity. 🧠

10/09/2023

Mianatra développement maimaimpoana sur Mp

Androany aho afaka mampianatra anao automatique mahakasika ny domaine développement personnel.

Mandefa message fotsiny dia mahazo valiny automatique ianao.

NB: REHEFA MIRESAKA DIA ATAO AMIN'NY TENY FRANÇAIS


29/08/2023

Les 5 leçons tirées du livre "Penser et devenez riche" de Napoléon Hill.

1. Développez une croyance forte en vous et en vos capacités.
La croyance en soi est cruciale pour réussir. Sans croire en soi, il devient difficile de surmonter les obstacles et de poursuivre ses objectifs.

Cultivez un état d'esprit de confiance en soi et de croyance.
a) Identifiez et reconnaissez vos forces et réalisations.
b) Entourez-vous de personnes positives et solidaires qui croient en vous.
c) Pratiquez des affirmations et des exercices de visualisation pour renforcer votre croyance en soi au quotidien.

2. Prendre en main vos pensées et contrôler votre esprit.
Vos pensées façonnent votre réalité, et en contrôlant votre esprit, vous pouvez l'orienter vers des pensées positives.

Développer une discipline mentale forte pour orienter vos pensées.
a) Pratiquez la pleine conscience et la méditation pour observer et réguler vos pensées.
b) Remplacer les paroles négatives et les croyances limitantes par des affirmations positives.
c) Entourez-vous de matériel motivant et éducatif qui nourrit votre esprit.

3. Fixez des objectifs clairs et précis et créez un plan détaillé pour les atteindre.
La clarté des objectifs et un plan bien défini sont essentiels pour le progrès et le succès. Ils fournissent une orientation et un but.

Établir des objectifs financiers clairs et créer un plan complet.
a) Définissez vos objectifs financiers, à court et à long terme.
b) Décomposez vos objectifs en objectifs spécifiques, mesurables, réalisables, pertinents et assortis de délais (SMART).
c) Élaborer un plan d'action détaillé avec des tâches étape par étape pour aller vers vos objectifs.

4. Prendre des mesures persistantes et cohérentes pour atteindre vos objectifs.
Le succès vient en prenant des mesures cohérentes sur une période prolongée. La persévérance face aux défis est la clé.

Cultivez une habitude d'action persistante et d'adaptabilité.
a) Créer un quotidien qui inclut des tâches spécifiques alignées sur vos objectifs.
b) Acceptez les échecs et les revers comme des opportunités d'apprentissage, ajustant votre approche si nécessaire.
c) Restez concentré et attaché à vos objectifs, même lorsque les progrès semblent lents.

5.Entourez-vous d'un groupe de maîtres et demandez conseil aux personnes qui réussissent.
La sagesse et le soutien collectifs d'individus qui partagent les mêmes idées peuvent avoir un impact significatif sur votre réussite et votre

Construire un réseau d'individus solidaires et demander conseil auprès de mentors.
a) Rejoignez des groupes de réseautage ou des communautés en lien avec vos aspirations financières.
b) Entrez en contact avec des personnes qui réussissent dans votre domaine et apprenez de leurs expériences.
c) Participer à des séances de maitrise ou former un petit groupe d'individus ambitieux pour partager des connaissances et se soutenir mutuellement.


09/08/2023
31/05/2023

Ireto misy torohevitra mahasoa anao raha te hifandray amin'ny Hery sy hiditra lalaina amin'ny développement personnel ianao.

1️⃣ Mianara mifandray amin'ny zavaboary: fantaro fa manana énergie ny zavaboary, ny tany, hazo, rivotra, rano, vato, biby.. misy fotoana izy ireo maka Énergie positif dia manary na mandefa Énergie positif ihany koa. Misy fotoana ihany koa izy ireo mandray énergie négatif, dia manary sy mandefa Énergie négatif ihany koa. Mazava hoazy fa rehefa mandefa Énergie positif izy ireo dia afaka manararaotra mandray izany énergie izany ianao.
Inona no ahafantarana azy hoe manana énergie négatif na positif?
🥀Jereo ny voninkazo fa mitahiry énergie négatif izy rehefa malazo sy manjombona ary makína.
🌱Mamirapiratra sy manintona anao kosa izy rehefa manana énergie positif.
🍷Toy izany koa ny rano, maloto na somary mangana na miloko afahafa tsy mahate hisasa na hisotro izy rehefa manana énergie négatif .
🌬️Ny rivotra moa dia mazava hoazy hoe any ambanivoatra na toerana milamina sy feno zavamaniry no akanao tsirony mifoka azy.
💎 Ny vato indray dia ireo vato manintona anao no manana hery positif aminao.

2️⃣ Mianara mifandray amin'ny tenanao: inoy fa misy Hery goavana ao anatinao, ny finoanao izany Hery izany dia efa fanantenana fa tsy maintsy handroso ianao. Misy source tsy mety ritra ao fa mila exploite-nao ilay source ao anatinao mba ahafahanao misitraka sy mampiasa izany.
Voafehinao ny tenanao sy ny herinao rehefa mahay mifandray amin'ny tontolo anatinao ianao, mahay mifandray amin'ny olona (savoir être et savoir faire)
Rehefa voafehy dia afaka mampiasa izany Hery izany ao anaty sy ety amin'ny tontolo ivelany ianao. Matetika hifehezana ny émotions izy ity, Ary koa anaovana connexion amin'ny olon-kafa (fifandraisana sy mibaiko ny tena na olon-kafa)

3️⃣ Mianara mifandray amin'ny Mpahary: fantaro tsara hoe: Iza Izy? Inona avy no ananany? Inona avy no vitany? Inona avy no asany sy voafehiny? .. Ny fifandraisana sy fankafizanao ny fotoana hiarahana amin'ny Mpahary dia Sarobidy sy fahasambarana tonga lafatra satria tsy ory na inona na inona ianao tonga ao, Ho foana amin'izay fotoana izay ny olana, alahelo, aretina, fahantranao sns.. satria ho tsapanao ao fa manana izay ilainao rehetra Izy. Tsy midika akory izany hoe tsy handalo olana na aretina na anoanana sns.. intsony ianao, fa ara-naturel sy ara-tsiansa dia marefo sy manampetra ny vatan'olombelona.

👉 Toy ny téléphone rehefa faible batterie dia micharge amin'ny courant ihany isika. (Téléphone:isika / batterie:hery / chargeur: fifandraisana / Courant:Univers)

✅ Tsy Tia mamono sy mampijaly biby fahatany ianao rehefa mahay mifandray amin'ny zavaboary, tsapanao fa mahatsapa maharary sy mitomany ny voninkazo rehefa tapahina fahatany sy simbaina, Toy izany ihany koa ny vorona, sy ny zava-mananaina hafa..

✅ Tsy tía manao ratsy ny manodidina anao ianao rehefa mahay mifandray amin'ny tenanao, lasa tia manampy ny hafa ary mahatsapa sy mandray toerana izay trangan-javatra Mahazo azy. Izany hoe tsy manome tsiny na mitsara olona direct ianao fa mahay mi-analyse ny zavatra miseo.
Raha hainao ny mifandray ny tenanao dia mora be aminao ny mifandray amin'ny olon-kafa sy mifehy azy.

✅ Tsy manome tsiny ny Mpahary intsony ianao rehefa misy trangan-javatra tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy na sitraponao.
Ny fahaizanao mifandray amin'ny Mpahary dia efa ampy handraisanao fitahina sy zavatsoa maro be.
Ho mora aminao ny mifandray amin'ny Mpahary rehefa hainao ny mifandray amin'ireo voalaza 2 ambony ireo.

🏆Ireo voalaza ireo dia manampy be anao hampivotra ny tenanao (développement personnel), mbola maro be no tsy voalaza..fa Fehezo Aloha ireo dia any aorina any indray aho ampianatra anao ny fifehezana olona iray hanaiky izay tinao hanaovana azy (tsy mety hanaovana asa ratsy ilay izy fa sao ho diso fanantenana ny sasany, tsy tarigetran'ny développement personnel ny asa ratsy)

Anaty

18/04/2023

Rehefa mivoaka ny trano dia mba:
manaova madio
manaova metimety,
manaova manimanitra na dia mbola tsy stable tsara aza ny ara-bolanao...

Tadidio fa misy fofony ny harena dia misy fofony ihany koa ny fahantrana..

Mialohan'ny hanajan'olona anao, hajao aloha ny tenanao.
Mialohan'ny hifantohan'olona aminao, mifantoha aloha amin'ny tenanao.
Mialohan'ny hikarakaran'olona anao, karakarao aloha ny tenanao.

Ndao hanova zavatra

15/03/2023

Aza miandry motivation vao hanao zavatra.
Fa manaova mba hampisy motivation.

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Address


Antananarivo 101
Antananarivo