20/12/2023
Indrisy
Eny!...Lasa tokoa ianao ry Malala
Lasa tsy nampiandry ilay fo kely adala
Ka dia avelanao irery ilay fo kely Tia
Tsy otran'ilay oe isika no tena nifankatia
Tsapako fa mamanala ny ato anatiko ao
Sembanin-drahona ka mila ho lao
Tsy haiko oe ny antsika ve saranga tsy mitovy no vitæ sahady
Fa tsarovy anefa fa io fitiavana io tsy hilaozan'ady
Ka mirarisoa anao ho lavitrin'ny jaly sy ahita izay tena soa
Na dia efa niezaka Aho nanome zava-tsoa
Satria...tsy ety amiko hoy ianao ilay notedavinao
De ho lasa tsiahy ve izay rehetra vita natao?
Tsy mampaninona e!...tsy maintsy ekeko ny lahatra sy ny anjara
Raha toa ka izany no hapilamina tsara
Ka soava dia akie ry Tiana a!
Hetaheta ny ahy iny ary koa mba faniriana
Manantena Aho fa izay no tena tsara
Ka Mino tokoa aho fa izay no tena anjara
Ka aza hiasana saina intsony ny amiko f'efa ela aho no mafy
Mba tsy ho variana fa samy hinjinja izay hafafy