19/08/2026
💥 Nilaza ny PM ndry zareo Anglisy fa : na dia eo aza ny ramatahora ataon'i Rosia, dia hitohy hanampy an'i Okraina hatrany izy ireo!
✅ fahalalana maro isan-karazany, ara-nofo & ara-panahy ! Pages ahitanao ireo vaovao marina sy misongadina manerantany izay mifandraika @ hambaran'ny baiboly !
19/08/2026
💥 Nilaza ny PM ndry zareo Anglisy fa : na dia eo aza ny ramatahora ataon'i Rosia, dia hitohy hanampy an'i Okraina hatrany izy ireo!
19/08/2026
💥 miakatra hatrany ny hafanana eo @ Rosia sy Japon, taorian'i fitsidihana nataon'i Poutine, tany @ nosy kelin'i Kouril farany teo iny.
Taorian'iny mantsy dia nilaza ny PM Japonais fa : tsy azo ekena mihintsy ny fihantsiana ataon'i Rosia tahak'izao, ary nilaza fa ny nosy kely 4 eo avaratry Japon dia azy ireo avokoa.
✅ Omaly talata dia nampanantsoin'i Rosia, ny ambasadaoron'i Japon, miasa any Rosia, Atoa Akira muto, ka nilazan'izy ireo fa ireo nosy kely efatra ireo dia eo ambany fahefan'i Rosia avokoa, ary raha ilaina ny fanerena ara-kery dia ataony izany.
18/08/2026
💥 mère célibataire sy Père célibataire : ny fahamenarany no voninahiny ?
✋ Isan'ny zavatra naha-menatra sy naharatsy laza teo anivon'ny Fiarahamonina Malagasy fahiny ny resaka mahakasika ny @ fisaraham-bady, miteraka tsy manam-bady, sns...
Raha ny zava-misy ankehitriny anefa no jerena dia mifanohitra tanteraka amin'izany ny zava-misy, ka tonga fireharehana ho an'ny maro indray ny fahatafidirana amin'ity tranga ity.
Raha ny eto @ facebook fotsiny ohatra no jerena dia toa fahasambarana sy fahafinaretana ho an'ny sasany mihintsy ny miaina azy ity, ka hampiderany ny fiainany isan'andro ny olona.
✋🏽 Raha Horesahantsika tsotra ny tena antony lehibe mahatonga azy io, dia ireto tanisaina amintsika manaraka ireto :
✅ Fidirana anaty tokantrano tsy ampy fahamatorana.
✅ Tsy manaiky hofehezina ( cas manokana ho an'i vehivavy )
✅ Fahadisoam-panantenana sy safidy teo @ fanambadiana.
✅ Te hahaleotena irery .
✅ Fitiavan-tena
✅ Fitiavam-bola
✅ Sns ...
👉 Ireo misy antony vitsivitsy mahatonga ny olona iray ho lasa MC na PC.
✋ Ireo rehetra ireo anefa dia azo sorohana tsara avokoa, raha arahantsika tsara ny fomban-drazantsika mahakasika ny @ fanambadiana, ohatra ny @ resaka safidy, ny resaka fifanajana, fitiavana, ny resaka tokantrano Fihafiana. ....
Hihomehezan'ny tanora ankehitriny ireo resaka ireo, rehefa ambara aminy, fa aleony maka izay toro-hevitry ny adala sy hendry rehetra eto @ FB.
✋ Na ho inona anefa fandokafanao ny tenanao sy ny momba anao, mahakasika ny maha MC sy PC anao, dia azo lazaina fa olona nianjera foana ianao teo @ fiainana.
Ny antony dia tsy ho amin'izany mihintsy no nanaovana ny lalan'ny fiarahamonina, saingy nohon'ny fahasimban'ny toe-pon'ny olona sy ny toe-tsaina ankehitriny, dia lasa ny henatra indray no voninahiny.
Mety hilaza ianao hoe : ka olona pervers narcissique be le vadiko e, zao e zao e. Dia tsotra ny valiny : satria ianao tsy nandinika tsara talohan'ny nanekenao azy....
👉 Hafatra ho an'ny tsy mbola manambady : mandiniha lalina alohan'ny hirosoana.
Ho an'izay efa manambady : ataovy izay hilaminana satria zava-masina ny fanambadiana, ka aoka hanan-kaja @ olona rehetra !
18/08/2026
💥 mafampana indray ny raharaha any moyen orient any ankehitriny !
Notafihan'i Israël ny base aérienne tany Abou al-Douhour, any Avaratra andrefan'i Syrie t@ antoandro teo.
Base aérienne ndry zareo Syriana izy ity ka efa rava teo aloha, saingy namboarindry zareo Turque, ka ry zareo Turque no mifehy sy mamatsy fitaovana maro ao ankehitriny.
Naneho ny ahiahiny avy hatrany ry zareo Amerikana, ka nanambara fa fanafihana tsy dia nilaina loatra kanefa mety hitarika ho any @ ady goavana.
Tsy nisy ny aina nafoy, saingy rava daholo ny foto-drafitrasa @ ankapobeany.
Nilaza ry zareo israeliana fa ny piste sy ny toerana fanafenana fitaovam-piadiana iany no notafihany.
Endrasana izay valin-kafatry zareo Turque.
💥 nafampana ny fanafihana nataon'i Rosia, omaly alina tany Okraina, hatramin'ny maraina teo.
Tahak'izao hitanisana azy manaraka izao ny zava-nisy tany :
✅ Tany Kharkiv : olona 10 no maty, 17 naratra.
✅ Kryvyï Rih : 2 no maty, 14 naratra.
Trano maro sy fiara no rava.
18/08/2026
💥 enjana ny fanafihana nataon'i Okraina, tany Rosia, nanomboka omaly alina hatramin'ny maraina teo.
Drones maherin'ny 600 no nampiasainy,
voasambotry ny défense Anti-aérienne avokoa ny ankamaroany, raha ny nambarandry zareo Russe.
Na izany aza anefa dia maromaro iany ireo site voatafika tamin'izany, ohatra amin'izany ny :
✅ entrepôt ana Wildberries any @ district de Bogorodski, région de Moscou.
✅ Sous station électrique tany Sébastopol, Crimée.
Ireto misy sary vitsivitsy maneho izany fanafihana izany.
18/08/2026
💥 nilaza ry zareo Iraniana fa mivadika ho mpanafika avy hatrany ny sata mifehy ny tafik'izy ireo ( doctrines militaires ), fa tsy mijanona ho mpiaro foana ( posture défensive ), raha toa ka tsy misy tohiny intsony ilay fifanarahana t@ volana Jona iny.
18/08/2026
💥 nilaza ny PM Israeliana fa tsy hiala any Gaza mihintsy ny tafik'izy ireo raha tsy mametraka ny fitaovam-piadiany, ry zareo Ham,as. Ankoatr'izay dia mila manam-boninahitra avy any Etazonia izy ireo, hanaramaso an'izay dingana izay, raha toa ka hiroso tokoa.
💥 Nilaza ingahy Jarhed Kushner fa : mety afaka 30 andro eoeo ny fotoana hirosoandry zareo Ham, as, amin'izay fametrahana fitaovam-piadiana izay..
18/08/2026
💥 maniry mafy hanao fifanarahana ry zareo Iraniana, saingy fifanarahana tsy tena arak'izay tokony ho izy no tadiaviny.
💥 nisy fipoahana lehibe tany Souleimaniyeh, Irak, omaly alina. Toeram-pitehirizana solika iray ity nipoaka ity, raha ny vaovao avy any an-toerana.
Olona 18 no naratra vokatr'izany.