25/06/2026
Circuit de démarrage sy ny asany
Ny circuit de démarrage dia fitambaran'ireo pièces elektrika izay miasa rehefa manomboka (manodina) ny moteur ianao.
Ireo pièces lehibe ao aminy :
Batterie – loharanon-jiro.
Contacteur à clé (Neiman) – manokatra ny circuit.
Bouton de démarrage – manome baiko hanomboka.
Relais de démarreur (solénoïde) – mampita herinaratra mahery.
Démarreur – manodina ny moteur.
Fusible – miaro ny circuit amin'ny court-circuit.
Câblage – tariby mampifandray ireo pièces.
Fomba fiasany :
Sokafana ny contact.
Tsindriana ny bouton de démarrage.
Miasa ny relais de démarreur.
Mandefa courant avy amin'ny batterie mankany amin'ny démarreur izy.
Mihodina ny démarreur.
Mihodina ny vilebrequin ka manomboka ny moteur.
Raha misy panne :
👉 Batterie malemy na déchargée.
👉 Fusible tapaka.
👉Relais de démarreur simba.
👉 Bouton de démarrage tsy mandeha.
👉Démarreur simba.
👉Tariby malalaka na tapaka.
Famintinana
Batterie → Contacteur → Bouton de démarrage → Relais → Démarreur → Moteur
Io no làlan'ny courant ao amin'ny circuit de démarrage
24/06/2026
Mandefasa mp raha hanjifa
23/06/2026
Inona ny asan'ny soupape d’admission ?
Ny soupape d’admission dia manana asa mampiditra rivotra na mélange (rivotra sy carburant) ao anaty chambre de combustion rehefa manao cycle d’admission ny moteur.
Asany lehibe :
✅ Manokatra lalana hidiran’ny rivotra na mélange ao amin’ny cylindre.
✅ Mihidy tsara mba hitazonana ny compression mandritra ny cycle manaraka.
22/06/2026
Ireto ny boky pdf misy ato aminay :
Mécanique auto :5000ar
Mécanique moto :5000ar
Électricité auto :4000ar
Électricité moto :3000ar
Alefa Messenger na watchapp na email ny boky
Mandefasa mp avy Hatrany raha liana
21/06/2026
Arahabaina ry Ray be herim-po
Manaova fety sambatra
19/06/2026
Filtre à air sy ny asany
Inona ny filtre à air ?
Ny filtre à air dia pièce ao amin'ny moteur izay manadio ny rivotra miditra ao amin'ny moteur alohan'ny hifangaro amin'ny carburant.
Asany :
👉Manivana vovoka sy loto tsy hiditra ao anaty moteur.
👉Miaro ny piston, cylindre ary ny pièces anatiny amin'ny fikikisana sy fitafy.
👉Manampy ny moteur hiasa tsara sy hanana hery tsara.
👉Mampihena ny fandaniana carburant.
👉Manampy amin'ny fandoroana tsara ny mélange air-carburant.
Raha maloto na tsentsina ny filtre à air :
👉Mihena ny herin'ny moteur.
👉Miakatra ny fandaniana carburant.
👉Sarotra ny démarrage.
👉Mivoaka setroka mainty (indrindra amin'ny moteur sasany).
Torohevitra : Jereo sy diovy tsy tapaka ny filtre à air, ary soloina raha simba na tsy azo diovina intsony.
18/06/2026
Boky pdf mécanique auto
5000ar
116p + bonus(boite de vitesse automatique)
Amin'ny teny malagasy ny boky
Tonga Dia mandefasa mp raha Liana ianao
17/06/2026
4000ar ny boky pdf électricité auto
119 pages
Amin'ny teny malagasy hatrany ny boky
Tongava mp raha Liana ianao
17/06/2026
Ny embrayage dia pièce ao amin’ny motera izay mampifandray sy manasaraka ny herin’ny motera mankany amin’ny boîte de vitesse.
Ny asan’ny embrayage :
✅ Mampita ny herin’ny motera mankany amin’ny boîte de vitesse.
✅ Manapaka vetivety ny fifandraisana eo amin’ny motera sy ny boîte rehefa manova vitesse.
✅ Manamora ny fiaingana sy ny fijanonan’ny moto tsy maty tampoka ny motera.
✅ Miaro ny système de transmission amin’ny dona tampoka.
Soritr’aretina rehefa misy olana ny embrayage :
❌ Mitsoaka ny embrayage (miakatra ny régime fa tsy mandeha tsara ny moto).
❌ Sarotra ny mampiditra vitesse.
❌ Misy tabataba na fihovitrovitra rehefa mampandeha moto.
❌ Misy fofona may avy amin’ny garniture d’embrayage.