16/11/2025
Salama daholo Tompoko, Hizara vaovao aminareo aho satria mahafaly ny toy izao .
Toy izao ny vokatra niavaka indrindra tato amin'ny Cours La Réussite ka anisany maha velom_bolo ny mahita note Tsara indrindra toy izao, Mahatsapa izahay fa tsy very maina ny Ezaka natao fa manome lesona hatrany ho an'ny Mpianatra sy ireo taranaka ao Afara .
Ny fianarana no Lova tsara indrindra ka mirary soa hatrany, Fier ny Cours La Réussite manana anareo ..
27/09/2025
Anarana : RAMAROVAHOAKA
Fanampiny : Jimmy Armand
Anonyme
Serie A2
BACC Session 2025
Ny fijoroana vavolombelona nataony :
Izaho RAMAROVAHOAKA Jimmy Armand dia mankasitraka an'ny Talen'ny Sekoly La Réussite sy ireo Mpanabe rehetra ao amin'ny EPP AMBOHIMAHITSY. Izaho dia tena nahita fa mahomby ny fampianarana nomen'izy ireo anay ka Naha afaka anay, tena hafa tokoa io Sekoly io Ary tena mahafinaritra. Noho izany dia manentana anareo namako rehetra aho hiditra hianatra ao raha te ho afaka . Ny MPAMPIANATRA dia tena manana TRAIKEFA ary tena mahay mampianatra ka mirary soa anareo rehetra aho mba hazoto hianatra.
Misaotra Tompoko.
27/09/2025
Anarana : RAHELIARISOA
Fanampiny : Sariaka Léontine
Série A2
BACC Session 2025
Ny fijoroana vavolombelona nataony:
Izaho RAHELIARISOA Sariaka Léontine dia manolotra fisaorana sy fankahasitrahana Ho an'ny Talen'ny Sekoly Mr MAX nampisy ny fianarana ao amin'ny EPP AMBOHIMAHITSY, Ary mankasitraka indrindra ireo Mpanabe .Izaho dia anisany nahita fahombiazana, ary mahita fa tena tsara ny fampianarana sy ny fanabeazana nomen'izy ireo . Tena mahomby tokoa io COURS io ., Ka noho izany indrindra no hanentanako anareo tanora namako rehetra mba hanana risika hiditra hanoratra anarana dien'izao ao amin'io Sekoly io . Mirary fahombiazana ho anareo rehetra aho ary maniry anareo mba hahita fahombiazana.
Misaotra betsaka.
27/09/2025
Anarana : RAHARIMALALA
Fanampiny : Marie Vero
Anonyme
Serie A2
BACC Session 2025
Ny fijoroana vavolombelona nataony :
Izaho RAHARIMALALA Marie Vero dia mankasitraka ny Talen_tsekoly Mr Max mampijoro hatrany ny Cours La Réussite, satria izaho dia tena nahita fa tena mahafapo tokoa ny mianatra ao.Ka noho Iza dia eto aho manentana anareo namana rehetra mba hiditra hianatra ao raha te ho afaka BACC . Ny MPAMPIANATRA ao dia tena mahay mampianatra tokoa ary amin'ny fony tokoa ny ampianarany ao. Dia mirary anareo rehetra mba hazoto hianatra ao ary hiditra hianatra sy hanoratra anarana haingana.
Misaotra antsika rehetra Tompoko.
27/09/2025
Anarana : RAKOTOARIVONY
Fanampiny : Jean François
Serie A2
BACC Session 2025
Ny fijoroana vavolombelona nataony :
Izaho RAKOTOARIVONY Jean François dia faly manolotra fisaorana anareo Mpanabe rehetra, Ary manentana anareo tanora namana mba hirisika hanoratra anarana amin'ny Sekoly ato amin'ny EPP AMBOHIMAHITSY. Mankasitraka ireo MPAMPIANATRA satria efa za_draharaha sy tsara hofana avokoa izy ireo . Marihako eto fa tena tsara tokoa ny mianatra ao amin'ny Cours EPP AMBOHIMAHITSY. Ary farany dia misaotra anareo Mpanabe rehetra mizara ny fahaizana amin'ny hafa .
Misaotra Tompoko.
27/09/2025
Faly miarahaba antsika rehetra ny tenako
Andeha ho zaraitsika ny fijoroana vavolombelona nataon'ny Mpianatra Afaka fanadinana tato amin'ny COURS LA RÉUSSITE EPP AMBOHIMAHITSY
BACC Session 2025
Ho fanajana ny Safidiny dia tsy nampiseho sary izy
Anarana : RAZANARISOA
Fanampiny : Olivia Nicole
Série A2
Ny fijoroana vavolombelona nataony :
Izaho RAZANARISOA Olivia Nicole dia Mankasitraka be dia be an'ny Talen'ny Sekoly mampisy ny fianarana ao amin'ny EPP AMBOHIMAHITSY. Izaho dia anisan'ny nahita fahombiazana tamin'ny fampianarana tao., ka noho izany dia manasa anareo namako rehetra sy zandry izay maniry ho afaka BACC mba hiditra hianatra ao amin'ny Cours La Réussite. Mirary fahombiazana ho anareo izay maniry hianatra ao
Misaotra Tompoko.
13/09/2025
Salama daholo Tompoko, indro Ary ny Vokam_panadinana tamin'ny taom_pianarana lasa Téo iny :
RESULTAT BACC Session 2025,
Fifaliana ho an'ny Cours La Réussite ny mizara ny taham_pahafahana fa nahatratra 65.05% ireo afaka fanadinana ..
Ilay Andriamanitra manakarem_pahasoavana no hisaorana hatrany nanome Hery sy tanjaka, Fahasalamana ary Fahalalana ho an'ny MPAMPIANATRA rehetra ..
Eto izahay dia Mirary soa ho an'ny Mpianatra ho lasa Lavitra avokoa Ary ho Tonga amin'ny tanjona izay iriana.
Androany 13 Septembra , Efa nanomboka ny fianarana ho an'ny taom_pianarana vaovao Ary Mbola mandray hatrany ireo mpianatra vaovao izahay .. Tongava
COURS LA RÉUSSITE EPP AMBOHIMATSY
Mr MAX
13/09/2024
L'éducation est un puissant facteur de changement. Elle améliore la santé et les moyens de subsistance, contribue à la stabilité sociale et stimule la croissance économique à long terme. Elle est aussi essentielle à la réalisation de chacun des 17 objectifs de développement durable.
✅ LA RÉUSSITE AMBOHIMAHITSY
☑️Mr MAX
04/08/2024
☑️ COURS LA RÉUSSITE ( MR MAX )
Inscription OUVERTE: BEPC, BACC
Année 2024 _ 2025
Rentrée le mois de Septembre prochain..
Lieu : EPP AMBOHIMAHITSY
Contact : 033 01 819 15
034 38 654 36
>
✅ ISAIA 11:2
Mr MAX