23/03/2022
𝗠𝗶𝗻𝗶 𝗙𝗔𝗤 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗳𝗼𝗿𝗺𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗴𝗿𝗮𝘁𝘂𝗶𝘁𝗲 « 𝗝𝗲 𝗺𝗲 𝗹𝗮𝗻𝗰𝗲 𝗲𝗻 𝗳𝗿𝗲𝗲𝗹𝗮𝗻𝗰𝗲 » amin'ny 29 mars izao ito amin'ny lien ito: https://web.facebook.com/numeris.academy/posts/507735010733955
𝙁𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙞𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙖𝙩𝙖𝙤 𝙜𝙧𝙖𝙩𝙪𝙞𝙩 𝙞𝙡𝙖𝙮 𝙛𝙤𝙧𝙢𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 ?
Fitiavana hizara sy hampianatra ireo izay te hisehatra ao anaty Free-lance no tena tanjona. Te hampita traikefa ihany koa
Raha ny tena marina tsy misy gratuit izany eo amin’ny fiainana kanefa tsy voatery sandaina vola na boost page foana koa anefa fa na ny “satisfaction personnelle” azo fa nahatafita olona fotsiny aza dia efa valisoa lehibe ho anay ato amin’ny pejy
𝙁𝙖 𝙞𝙯𝙖 𝙢𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙢𝙤𝙖 𝙄 𝙉𝙪𝙢𝙚𝙧𝙞𝙨?
Numeris dia centre de formation mampianatra ireo asa digital rehetra azo atao amin’izao fotoana izao. Misy amin’ireo formations ireo no gratuit ary misy no payants. Fampiofanana noeritreretina tsara ary novolavolaina ho faran’izay matotra sy ahazoan’ny mpiofana fahalalana no omena ao amin’ny Numeris na gratuit io na payant.
𝙄𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙡𝙖𝙮 𝙟𝙚 𝙢𝙚 𝙡𝙖𝙣𝙘𝙚 𝙚𝙣 𝙛𝙧𝙚𝙚𝙡𝙖𝙣𝙘𝙚?
Atoronay anao ao daholo ny hevitra rehetra mba ahafahanao mahafantatra fa mety aminao ny asana freelance ary atombontsika ihany koa amin’ny tapany fahatelo ny fanaovanao freelance.
𝙁𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙞𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙖𝙩𝙖𝙤 𝙥𝙧𝙚́𝙨𝙚𝙣𝙩𝙞𝙚𝙡?
Matotra tsara ny formation ka atao en présentiel mba ahafahana mampita tsara ny fahalalana ilaina ary ahafahana manoro sy mitantana amin’ny fanombohana. Tsy misy lien asainay clicker-na ihany koa amin'izay fotoana izay.
Izany akory tsy midika hoe tsy matotra ny formation en ligne fa mba hifankahalalana tsara dia atomboka présentiel aloha ny formation.
𝙁𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙞𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙛𝙤𝙧𝙢𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙣𝙚𝙛𝙖 𝙚𝙛𝙖 𝙝𝙞𝙩𝙖 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙮𝙤𝙪𝙩𝙪𝙗𝙚 𝙨𝙮 𝙜𝙤𝙤𝙜𝙡𝙚 𝙙𝙖𝙝𝙤𝙡𝙤 𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙯𝙖𝙤?
Feno dia feno tokoa ireo fanampiana sy fandratoam-pahalalana amin’ny youtube na google na groupe ato amin’ny Facebook koa aza. Betsaka loatra anefa izy ireny ka matetika very ny ankabeazan’ny olona ary tsy mahalala intsony hoe iza no tokony arahana. Ilaina izany ny formation mba hitarihana lalana sy tsy handaniana fotoana amin’ny andrakandrana amin’ny zavatra tokony hianarana.
𝙄𝙯𝙖 𝙢𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙧𝙢𝙖𝙩𝙚𝙪𝙧?
Ny formateur ao dia efa nanomboka nanao asana freelance tany amin’ny 2004 tany ary efa manana traikefa amampolotaonany amin’ny sehatry ny asa.
𝙄𝙣𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤 𝙝𝙖𝙣𝙜𝙖𝙩𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝘾𝙑?
Mba ho mora ny fanampiana anao amin’ny lalana tokony arahanao amin’ny asana freelance no tena antony. Betsaka ary tena misandrahaka be izany asana freelance izany. Tamin’ireo CV betsaka voarainay dia tsapa fa ankamaroany dia mbola tsy mahay manamboatra CV ary dia hojerentsika ao anatin’ity formation ity ny tokony atao mba hanatsarana izany