BOKY DROIT

BOKY DROIT Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from BOKY DROIT, Educational consultant, Antananarivo.

Boky Droit Malagasy sy Éditions Dalloz Ho an'ny fanomanana concours:• ENMG• IFPA• ENAM• Concours de Police• INFA• Concou...
24/08/2026

Boky Droit Malagasy sy Éditions Dalloz
Ho an'ny fanomanana concours:
• ENMG
• IFPA
• ENAM
• Concours de Police
• INFA
• Concours administratifs
Ho an'ny:
• Mpianatra
• Experts
• Praticiens sy professionnels du droit
• Izay rehetra liana amin'ny fanovozana fahalalana momba ny lalàna
• Izay mitady ouvrages hanampy amin'ny fanomanana sy rédaction mémoire
Raha liana ianao dia alefaso MP

⚖️👨‍⚖️ Au tribunal de l’humour : Privatiste vs Publiciste ⚔️📚
18/08/2026

⚖️👨‍⚖️ Au tribunal de l’humour : Privatiste vs Publiciste ⚔️📚

FANAZAVANA NY  ÉTAT UNITAIRE  SY  ÉTAT FÉDÉRALNy iray amin'ireo lohahevitra lehibe misongadina indrindra amin'izao vanim...
10/08/2026

FANAZAVANA NY ÉTAT UNITAIRE SY ÉTAT FÉDÉRAL

Ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe misongadina indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny fanavaozana izao dia tsy misy afa-tsy ny momba ny endriky ny Fanjakana, izay mahaliana ny olom-pirenena malagasy ankehitriny. Rariny sy zo ara-dalana raha mahaliana azy ireo izany, satria anisan'ny teboka lehibe hodinihina mandritra ny fakan-kevitra nationaly. Misy amin'ireo mpanao politika, fikambanan'ny fiaraha-monina sivily ary olom-pirenena no mihevitra fa io fakan-kevitra nationaly io no hamaritra ny hoavin'ny Malagasy rehetra. Noho izany, tena zava-dehibe ny hanomezana lanja sy hitandremana manokana izany, ary hahasoa ny rehetra ny tapaka ao, na inona na inona endriky ny Fanjakana hoferana amin'ny farany.
Mba hanombohana izany, dia tsy mbola hasehoko aloha ny fijeriko manokana ny hoe tokony handray ny endriky ny Fanjakana federaly na Fanjakana tokana i Madagasikara. Ny tanjoko voalohany dia ny hanazava tsara ny dikan'ireo forme de L’État na endriky ny Fanjakaka ( roa ireo: inona no atao hoe Fanjakana tokana? Inona no atao hoe Fanjakana federaly?
Raha ny amiko manokana, efa manana fijery efa mazava tsara momba izany aho. Na izany aza, ny manan-danja indrindra amiko dia ny hahatakaran'ny Malagasy rehetra ny tena hevitry ny Fanjakana tokana sy ny Fanjakana federaly.
Anjaran'ny tsirairay avy no manadihady ireo maodely roa ireo, mamolavola ny hevitry ny tenany, ary mamaritra izay endrika tsapany fa mety indrindra ho an'i Madagasikara.

FIZARANA 1 : INONA NO ATAO HOE ÉTAT UNITAIRE?

Ny État unitaire dia endriky ny fanjakana (forme de l'État) izay iray sy tsy mizarazara ny fahefam-panjakana. Midika izany fa ny Fanjakana foibe (État central) no tompon'ny fahefana ambony rehetra eto amin'ny firenena.
Amin'ny teny tsotra dia toy izao :
Fanjakana iray → Lalàna iray → Lalàm-panorenana iray → Fahefana ambony iray.
Izany no maha samy hafa azy amin'ny État fédéral, izay mizara ara-dalàna ny fahefana eo amin'ny fanjakana foibe sy ireo fanjakana mpikambana (États fédérés).

I. FIAVIAN'NY ÉTAT UNITAIRE

A. Fiandohana ara-tantara

Ny hevitra momba ny État unitaire dia nipoitra tany Eoropa nandritra ny fananganana ny fanjakana maoderina.
Tamin'ny Moyen Âge dia mbola nizara tamin'ny:
• mpanjaka;
• andriana;
• seigneurs;
• fiangonana;
• tanàna mahaleo tena.
Noho izany dia tsy nisy fanjakana iray tena nifehy ny tany rehetra.
Rehefa nanomboka nanamafy ny fahefany ny mpanjaka dia nanangona tsikelikely ireo fahefana rehetra ireo teo am-pelatanany.
Io no niavian'ny État unitaire.

B. Ny Revolisiona frantsay

Ny Revolisiona frantsay 1789 no tena nampiely ny foto-kevitry ny État unitaire.
Ny tanjona tamin'izany dia:
• hampitovy ny olom-pirenena rehetra;
• hanafoana ny tombontsoa manokana;
• hanana lalàna iray mihatra amin'ny rehetra;
• hanangana fanjakana iray tsy mizara.
Izany no nahaterahan'ilay foto-kevitra hoe:
La République est une et indivisible.
Midika izany fa:
iray ihany ny fanjakana ary tsy azo zarazaraina.
Io no lasa fototry ny État unitaire maoderina.

II. FAMARITANA NY ATAO HOE ÉTAT UNITAIRE
Ny mpahay lalàna maro dia mamaritra ny État unitaire toy izao:
-Georges Burdeau : "Ny État unitaire dia fanjakana izay misy ivon-toerana tokana ihavian'ny fahefam-panjakana rehetra."
-Maurice Duverger : "Ny fahefana politika rehetra dia avy amin'ny fanjakana foibe."
Jean Gicquel : "Tsy mizara ara-panorenana ny fahefam-panjakana."

III. IREO SINGA MAMORONA NY ÉTAT UNITAIRE (ÉLÉMENTS CONSTITUTIFS)

1. Fanjakana iray (Un seul État)

Io no fototra voalohany.
Tsy misy:
• fanjakana isam-paritra;
• fanjakana isam-province;
• fanjakana isam-faritra.
Firenena iray ihany no misy.
Ohatra
Madagasikara

Tsy misy hoe:
• État d'Antsiranana
• État de Toamasina
• État de Fianarantsoa
Faritra fotsiny ireo.

2. Lalàm-panorenana iray

Constitution iray ihany no mihatra amin'ny firenena manontolo.
Tsy afaka manao Constitution vaovao ny Région na ny Province.

3. Lalàna iray

Parlement nasionaly ihany no mamoaka lalàna.
Ny lalàna dia mihatra:
• Antananarivo
• Mahajanga
• Toliara
• Antsiranana
mitovy avokoa.

4. Fahefam-panjakana tokana

Ny:
• Président
• Gouvernement
• Parlement
• Cour Suprême
dia miasa ho an'ny firenena iray manontolo.

5. Olom-pirenena iray

Nationalité iray ihany.
Tsy misy hoe:
• citoyen d'Antsiranana
• citoyen de Toamasina
• Na citoyen de Fianarantsoa
fa:
citoyen malagasy.

6. Fitsarana iray

Ny rafi-pitsarana dia iray.
Mitovy ny:
• Code pénal
• Code civil
• Code de commerce
manerana ny firenena.

7. Politika iray

Politika nasionaly iray.
Ohatra:
Raha manapa-kevitra ny Ministeran'ny Fanabeazana hanova ny programa scolaire,
dia mihatra manerana an'i Madagasikara izany.

IV. KARAZAN'NY ÉTAT UNITAIRE

Misy karazany roa.

A. État unitaire centralisé

Ny fanjakana foibe no manapa-kevitra ny zava-drehetra.
Ny préfet sy gouverneur (chef de région) dia manatanteraka baiko avy any amin'ny foibe.
Ohatra taloha
France talohan'ny lois de décentralisation (1982).

B. État unitaire décentralisé

Io no be mpampiasa ankehitriny.
Mbola fanjakana iray ihany.
Saingy:
• Région
• Province
• Commune
mahazo fahefana sasantsasany.
Ohatra:
Kaominina iray afaka:
• manangana tsena;
• manamboatra lalana kaominaly;
• mikarakara fahadiovana.
Fa tsy afaka:
• mamorona tafika;
• mamorona Constitution;
• manao politika ivelany.

V. OHATRA MAZAVA

Madagasikara
Madagasikara dia État unitaire décentralisé.
Misy:
• Faritra (Régions)
• Distrika
• Kaominina
Saingy tsy afaka:
• manao lalàna nasionaly;
• mamorona lalàm-panorenana;
• manana tafika.
Ny fanjakana foibe ihany no manao izany.
France
France dia iray amin'ireo modely lehibe indrindra.
Misy:
• Régions
• Départements
• Communes
Mahaleo tena amin'ny fitantanana eo an-toerana izy ireo, saingy tsy fanjakana mahaleo tena.

VI. TOMBONY ( lafiny tsara)

1. Firaisam-pirenena matanjaka

Lalàna iray.
Politika iray.
Firenena iray.

2. Fitovian'ny olom-pirenena
Mitovy zo sy adidy ny rehetra.

3. Mora tantana

Tsy misy fifandirana ara-panorenana eo amin'ny fanjakana foibe sy fanjakana isam-paritra.

4. Mora miaro ny firenena

Tafika iray.
Politika ivelany iray. Fitovian'ny lalàna
Mitovy ny sazy sy ny fitsipika manerana ny firenena.

VII. FATIANTOKA ( lafiny ratsy)

• Mety ho lavitra ny fanapahan-kevitra raisin'ny foibe amin'ny zava-misy eny ifotony.
• Mety ho miadana ny fitantanana noho ny fanangonan-kery eo amin'ny foibe.
• Mety tsy hahafaly ny faritra sasany raha mahatsapa ho tsy voasolotena na tsy ampy ny loharanon-karena omena azy.
• Raha malemy ny fitantanana foibe dia mety hisy fiantraikany amin'ny firenena iray manontolo izany.

VIII. FIRENENA MAMPIHATRA NY ÉTAT UNITAIRE

**Any Afrika

Anisan'ireo firenena afrikanina manana État unitaire:
• Madagasikara
• Sénégal
• Côte d'Ivoire
• Mali
• Burkina Faso
• Niger
• Togo
• Bénin
• Guinée
• Rwanda
• Tunisie
• Maroc (État unitaire décentralisé)
• Algérie
Ny ankamaroan'ireo dia nampiditra décentralisation, saingy tsy nivadika ho fédération.

**Any amin'ny firenena mandroso

Anisan'ireo firenena mandroso mampihatra ny État unitaire:
• France
• Japon
• Corée du Sud
• Norvège
• Suède
• Danemark
• Portugal
• Nouvelle-Zélande
• Irlande
• Finlande
Na dia samy manana rafitra décentralisée aza ny ankamaroany, dia tsy mizara ara-panorenana ny fiandrianam-panjakana amin'ny faritra.

FEHINY

Ny État unitaire dia rafitra iray izay iray sy tsy mizarazara ny fanjakana, ka ny fahefam-panjakana ambony dia an'ny fanjakana foibe irery. Mety hanome fahefana amin'ny fitantanana eo an-toerana ny faritra sy ny kaominina (décentralisation), saingy tsy manana fiandrianam-panjakana izy ireo ary tsy afaka mamorona lalàm-panorenana na lalàna nasionaly. Izany no mahatonga ny État unitaire ho rafitra manamafy ny firaisam-pirenena sy ny fitovian'ny lalàna manerana ny firenena, ary izy no endriky ny fanjakana ampiharin'ny ankamaroan'ny firenena eran-tany, anisan'izany i Madagasikara.

FIZARANA 2 : INONA NO ATAO HOE ÉTAT FÉDÉRAL?

Ny État fédéral dia endriky ny fanjakana (forme de l'État) izay mizara ara-dalàna sy ara-panorenana ny fahefam-panjakana eo amin'ny:
1. Fanjakana foibe (État fédéral na Gouvernement fédéral), ary
2. Fanjakana mpikambana (États fédérés, Länder, Cantons, Provinces, sns.)
Ao amin'ny État fédéral dia samy manana fahefana avy amin'ny Lalàm-panorenana (Constitution) ireo ambaratonga roa ireo. Midika izany fa tsy afaka manafoana na manaisotra ny fahefan'ny États fédérés amin'ny sitrapony fotsiny ny fanjakana foibe, satria voaaro ao anatin'ny Lalàm-panorenana izany.
Amin'ny teny tsotra
Raha ny État unitaire dia toy izao:
Fanjakana iray → Fahefana iray → Lalàm-panorenana iray.
Ny État fédéral kosa dia toy izao:
Fanjakana iray (Federasiona) = Fanjakana foibe + Fanjakana mpikambana, izay samy manana fahefana voafaritry ny Lalàm-panorenana.

I. AVY AIZA NY ÉTAT FÉDÉRAL?
A. Fiavian'ny teny hoe "Federal"
Ny teny hoe fédéral dia avy amin'ny teny latina foedus, izay midika hoe:
• fifanekena,
• fanekem-pihavanana,
• alliance,
• pacte.
Noho izany dia midika fa:
Fanjakana maro no nifanaraka hiara-hamorona fanjakana iray lehibe.
II. TANTARAN'NY ÉTAT FÉDÉRAL

A. Ny niandohany

Ny État fédéral dia nipoitra satria nisy fanjakana madinika maro izay:
• te hiaro tena,
• te hanamafy ny toekarena,
• te hanana tafika iray,
• nefa tsy te hahavery tanteraka ny fahaleovantenany.
Noho izany dia nifanaraka izy ireo ka nanangana federasiona.
B. Ny ohatra lehibe indrindra: Etazonia
Ny États-Unis d'Amérique no modely malaza indrindra.
Talohan'ny 1787 dia nisy:
• Virginia
• New York
• Pennsylvania
• Massachusetts
• Georgia
• sns.
Samy fanjakana mahaleo tena izy ireo taorian'ny nahazoany fahaleovantena tamin'i Grande-Bretagne.
Rehefa hitany fa sarotra ny:
• miaro ny firenena,
• manao varotra,
• mitantana vola,
dia nifanaraka izy ireo ka namorona ny Constitution de 1787.
Hatramin'izay dia lasa:
États-Unis d'Amérique.

III. FAMARITANA ARA-DALÀNA

Ny mpahay lalàna sasany dia mamaritra ny État fédéral toy izao:
- Georges Burdeau : "Ny État fédéral dia fanjakana iray ahitana fanjakana maromaro izay samy manana fahefana voafaritry ny Lalàm-panorenana."
- Maurice Duverger : "Ny federasiona dia fitambaran'ny fanjakana maro izay mizara ny fahefam-panjakana."
- Jean Gicquel : "Ny Constitution no mizara ny fahefana eo amin'ny fanjakana foibe sy ny États fédérés."

IV. IREO ÉLÉMENTS CONSTITUTIFS NY ÉTAT FÉDÉRAL

1. Misy fanjakana roa ambaratonga (Double niveau d'État)
Io no mampiavaka azy indrindra.
Misy:
• État fédéral
• États fédérés
Ohatra
Etazonia
• Gouvernement fédéral
• État de Californie
• État du Texas
• État de Floride
Ireo États ireo dia tsy prefektiora na faritra fotsiny, fa fanjakana manana fahefana.

2. Lalàm-panorenana federaly (Constitution fédérale)

Constitution iray no mamaritra:
• ny fahefan'ny fanjakana foibe;
• ny fahefan'ny États fédérés.
Tsy afaka manova izany irery ny fanjakana foibe.

3. Constitution an'ny États fédérés

Amin'ny ankamaroan'ny federasiona dia manana Constitution azy koa ny États fédérés.
Ohatra
Any Etazonia
California
→ manana Constitution-ny.
Texas
→ manana Constitution-ny.

4. Fizarana ny fahefana (Répartition des compétences)

Io no fototry ny fédéralisme.
Ohatra
Ny fanjakana foibe:
• fiarovam-pirenena;
• vola;
• fifandraisana iraisam-pirenena;
• zom-pirenena.
Ny États fédérés:
• fanabeazana;
• polisy eo an-toerana;
• lalàna sasany;
• fitantanana anatiny;
• hetra sasany.

5. Fahaleovantena ara-politika (Autonomie)

Ny États fédérés dia afaka:
• mifidy Governora;
• manana Parlement;
• manana Minisitra eo an-toerana;
• manao tetibola;
• mamorona lalàna amin'ny sehatra iandraiketany.

6. Parlement fédéral

Matetika misy Antenimiera roa:
Chambre basse
Misolo tena ny vahoaka.
Chambre haute
Misolo tena ny États fédérés.
Ohatra:
Etazonia
• House of Representatives
• Senate
Ny Sénat dia misolo tena ny fanjakana tsirairay.

7. Fitsarana federaly

Misy:
• Cour suprême fédérale;
• Tribunaux fédéraux.
Izy ireo no mamaha ny fifandirana eo amin'ny:
• État fédéral;
• États fédérés.

8. Fiandrianam-pirenena iray

Na dia maro aza ny États fédérés,
dia firenena iray ihany no fantatry ny lalàna iraisam-pirenena.
Ohatra:
Tsy i Texas no mpikambana ao amin'ny ONU,
fa États-Unis.

V. OHATRA MAZAVA
Etazonia
California:
Afaka:
✓ manana Governora
✓ manana Parlement
✓ manana polisy
✓ manana lalàna
Fa tsy afaka:
✗ manambara ady
✗ manao fifanarahana amin'i Chine
✗ miditra ONU
Izany dia andraikitry ny Gouvernement fédéral.
Allemagne
Misy:
16 Länder.
Samy manana:
• Parlement;
• Ministre-Président;
• Governemanta.
Mifehy betsaka ny fanabeazana sy ny raharaha anatiny izy ireo.
Suisse
Misy:
26 Cantons.
Samy manana:
• Constitution;
• Parlement;
• Gouvernement;
• Tribunaux.
Malaza amin'ny autonomie cantonale i Suisse.

VI. TOMBONY ( lafiny tsara)

1. Akaiky ny vahoaka ny fitantanana
Fantatry ny governemanta eo an-toerana kokoa ny filàn'ny mponina.

2. Mora mandray fanapahan-kevitra
Tsy miandry foibe vao manapa-kevitra.

3. Mifanaraka amin'ny fahasamihafan'ny faritra
Raha samy hafa fiteny, kolontsaina na tantara ny faritra, dia afaka manana politika mifanaraka amin'izany.

4. Mizara ny fahefana
Mampihena ny fanangonan-kery amin'ny fitondrana foibe.

5. Manamafy ny demokrasia
Manana andrim-panjakana sy fifidianana amin'ny ambaratonga federaly sy eo an-toerana ny olom-pirenena.

VII. FATIANTOKA ( lafiny ratsy)

• Mety hisy fifandirana eo amin'ny fanjakana foibe sy ny États fédérés momba ny fizarana fahefana.
• Mety hisy tsy fitoviana eo amin'ny faritra amin'ny lafiny toekarena sy ny kalitaon'ny tolotra omen'ny fanjakana.
• Lafo kokoa ny fitantanana satria misy governemanta sy antenimiera amin'ny ambaratonga maro.
• Mety ho sarotra ny fandrindrana politika nasionaly rehefa tsy mitovy hevitra ny fanjakana mpikambana.
VIII. FIRENENA MAMPIHATRA NY ÉTAT FÉDÉRAL
Any Afrika
Vitsy ny firenena afrikanina manana rafitra federaly. Anisan'izany:
• Nigeria (36 États)
• Éthiopie (federasiona mifototra amin'ny faritra sy vondrom-poko)
• Comores (Union des Comores, misy nosy manana autonomie lehibe)
• Soudan (nampihatra rafitra federaly, na dia niovaova aza ny fampiharana azy arakaraka ny vanim-potoana)
Any amin'ny firenena mandroso
Anisan'ireo firenena federaly malaza:
• États-Unis d'Amérique
• Allemagne
• Suisse
• Canada
• Australie
• Autriche
• Belgique (fanjakana federaly hatramin'ny 1993)
• Brésil
• Mexique
• Argentine
• Inde (federasiona manana toetra manokana satria matanjaka ny fanjakana foibe)

FEHINY
Ny État fédéral dia rafitra iray ahafahan'ny fanjakana iray mitahiry ny firaisam-pirenena nefa mizara ny fahefana amin'ireo États fédérés. Tsy fizarazarana firenena izy io, fa fizarana andraikitra sy fahefana voafaritry ny Lalàm-panorenana. Ny fanjakana foibe no misahana ny raharaha iraisan'ny firenena (fiarovam-pirenena, diplaomasia, vola, zom-pirenena), fa ny États fédérés kosa dia manana fahaleovantena amin'ny sehatra maro toy ny fanabeazana, ny fitantanana eo an-toerana ary ny lalàna sasany. Izany no mahatonga ny rafitra federaly ho safidy ampiasain'ny firenena maro manana velarantany lehibe, mponina maro, na fahasamihafana ara-kolontsaina sy ara-pitenenana.

📚 BOKY DROIT PDF HO AN'NY REHETRA ⚖️Mitady boky sy ouvrages hanampy anao amin'ny fianarana, fanomanana concours na fanov...
20/07/2026

📚 BOKY DROIT PDF HO AN'NY REHETRA ⚖️

Mitady boky sy ouvrages hanampy anao amin'ny fianarana, fanomanana concours na fanovozana fahalalana momba ny lalàna ve ianao?

Ao aminay dia ahitanao:

📖 Boky Droit Malagasy sy Éditions Dalloz

🎓 Ho an'ny fanomanana concours:
• ENMG
• IFPA
• ENAM
• Concours de Police
• INFA
• Concours administratifs

👨‍🎓👩‍⚖️ Ho an'ny:
• Mpianatra
• Experts
• Praticiens sy professionnels du droit
• Izay rehetra liana amin'ny fanovozana fahalalana momba ny lalàna
• Izay mitady ouvrages hanampy amin'ny fanomanana sy rédaction mémoire

📚 Natao ho antsika rehetra ny boky droit PDF ato aminay.
Ny vidiny dia natao ho mora sy takatry ny rehetra, mba hahafahan'ny tsirairay manohy mianatra sy manitatra fahalalana.

📩 Raha liana ianao dia alefaso MP.

📚⚖️ Mpianatra Droit sa professionnel mitady boky juridique na Droit ?Misy boky droit version numérique (PDF) ato aminay ...
30/06/2026

📚⚖️ Mpianatra Droit sa professionnel mitady boky juridique na Droit ?

Misy boky droit version numérique (PDF) ato aminay ho an’izay mila mianatra na manao recherches.

🔹 Ouvrages édition Dalloz
🔹 Boky Droit Malagasy
🔹 Cours académiques sy supports juridiques

Na manomana examen ianao, manao mémoire, na mila référence amin’ny asa, mety hahasoa anao ireo boky ireo.

📩 Raha liana na mila infos fanampiny, mandefasa message privé.



⚖️📚 ⚖️ BOKY DROIT DISPONIBLE ⚖️📚 ⚖️Mitady boky droit ve ianao? Misy boky référence eto afaka hanampy anao amin’ny fianar...
15/06/2026

⚖️📚 ⚖️ BOKY DROIT DISPONIBLE ⚖️📚 ⚖️

Mitady boky droit ve ianao? Misy boky référence eto afaka hanampy anao amin’ny fianarana sy fanitarana fahalalana.

✅ Droit civil
✅ Droit des affaires
✅ Droit pénal
✅ Droit constitutionnel
✅ Droit du travail
✅ Droit administratif
✅ Droit des obligations
✅ Droit des sociétés
✅ Droit commercial
✅ Droit administratif
✅ Procédure civile
✅ Procédure penale
✅ contentieux constitutionnel
✅ Contentieux administratif
✅ Introduction à la rédaction des actes juridiques et judiaire
✅ Relation Internationale
✅ Science politique et histoire des idées politiques
… sy boky maro hafa mbola misy.

🎯 Mety ho an’ny :
👨‍🎓 Étudiants en droit
👩‍⚖️ Juristes
👨‍💼 Professionnels du droit
📖 Izay rehetra te hanitatra fahalalana

📩 Mandefasa message privé raha mila infos na commande.

📚⚖️

BOKY DROIT PDF amidy   Salama tompoko📚⚖️ ⚖️📚 Boky droit, droit public, droit privé Manolotra boky Droit PDF (version num...
02/06/2026

BOKY DROIT PDF amidy

Salama tompoko
📚⚖️ ⚖️📚 Boky droit, droit public, droit privé
Manolotra boky Droit PDF (version numérique) izahay ho an’izay te:
✅ hiomana examen
✅ hanomana concours
✅ hanamafy fahalalana
✅ hianatra Droit amin’ny fomba mora sy voalamina
Misy:
📖 Édition DALLOZ
📖 Droit Malagasy
📖 Cours académiques
📖 Résumés sy fiches de révision

PRIX : Midira Mp s’il vous plait
+ de 1500LIVRES (PDF) Édition DALLOZ et DROIT MALAGASY
-Introduction à l’étude du Droit
-Droit civils des biens
- Droit de la famille
-Droit constitutionnel et contentieux constitutionnel
-Lexique des termes juridiques
- Méthodologie juridique et de la science du Droit
-Sciences politiques
-Histoire des idées politiques
-Droit des collectivités territoriales
-Français juridique
-Droit foncier
-Droit de l’expertise
-Droit de la santé publique
-Droit des marchés publics
-Contentieux administratif
-Contentieux constitutionnel
-Droit administratif approfondi
-Droit du transport
-Jurisprudence administrative
-Droit des contrats spéciaux (contrats civils et commerciaux)
-Droit douanier
- Droit de la mer
- Relation internationale
-Travaux juridiques
- droit des marchés publics
-Droit des obligations
-Finances publiques et droit budgétaire
- Droit pénal général
-Droit pénal spécial
-Droit Administratif et contentieux administratif
-Droit commercial
-Droit du commerce international (Droit international des affaires)
- Droit international économie
-Droit pénal des affaires
-Droit maritime
-Procédure Collectif d'apurement du passif
-Droit des affaires (acte de commerce, lettre de change...)
-Droit du travail
-Droit de prévoyance sociale et Droit de la sécurité Sociale
-Droit international public
-Droit international privé
-Droit fiscal
-Droit des sociétés
-Droit de la propriété intellectuelle
-Droit bancaire
-Contrats civils et commerciaux
-Droit des sûretés
-Procédure civile
-Procédure pénale
-Droit de crédit
-Liberté publique
-Droit de l’homme et liberté fondamentale

- AUTRES LIVRES DE DROIT DISPONIBLES

📚⚖️ BOKY DROIT PDF amidy ⚖️📚Droit public sy droit privé disponibles ho an’ny étudiants, juristes ary izay te hanamafy fa...
18/05/2026

📚⚖️ BOKY DROIT PDF amidy ⚖️📚

Droit public sy droit privé disponibles ho an’ny étudiants, juristes ary izay te hanamafy fahalalana amin’ny lalàna na koa izay liana te hianatra lalàna.
Boky tsara kalitao, manampy amin’ny étude sy préparation examen.

📩 Midira message raha mila informations na commande.

Ndao ho fantarina ny atao hoe " SCIENCE DE L'INTERPRÉTATION EN DROIT" na fanazavana ny lalàna sy ny fomba fampiharana az...
11/05/2026

Ndao ho fantarina ny atao hoe " SCIENCE DE L'INTERPRÉTATION EN DROIT" na fanazavana ny lalàna sy ny fomba fampiharana azy eo anivon'ny fiaraha-monina
LESONA Introduction à l'étude du droit















📚 Besoin de livres de droit en PDF ?Accédez facilement à une large collection de documents juridiques :✔️ Droit malagasy...
24/04/2026

📚 Besoin de livres de droit en PDF ?

Accédez facilement à une large collection de documents juridiques :
✔️ Droit malagasy (matières droit, jurisprudence)
✔️ Ouvrages des éditions Dalloz
✔️ Supports pour étudiants et professionnels

💻 Format PDF – pratique, rapide et accessible partout !

📩 Contactez-moi en message privé pour plus d’informations.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when BOKY DROIT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share