Universal Cours - Soavinandriana - Préparation Bac toutes séries

Universal Cours - Soavinandriana - Préparation Bac toutes séries

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Universal Cours - Soavinandriana - Préparation Bac toutes séries, College & University, Antananarivo.

26/08/2022
26/08/2022

2022-2023
INSCRIPTION et REINSCRIPTION OUVERTE
BEPC - BAC

12/05/2022
21/04/2022

ESORY AO ANATINAO NY FAHANTERANA!
Fantatrao ve ny fototra mahatonga antsika ho antitra? Dia hoy isika hoe efa mihena ny énergie ao anaty, satria efa manatona ny fahafatesana, eo ny aretina mitaiza, sns. ny fe-potoana iainana koa dia eo amin’ny 80 taona eo ho eo ihany, araka ny voalaza ao amn’ny Baiboly, ary raha mahatratra mihoatra izany aza dia efa tsara! Dia tanteraka tokoa ny fikasana ! … Tsy izay anefa no tokony ho fandehan’ny fiainantsika fa hafa!
Ny Fiangonana 7 ao amin’ny Apokalypsy izay mitovy ihany amin’ny 7 chakras an-drizareo Aziatika, dia ao anatin’ny tenantsika izay lazaina hoe Corps astral, no misy azy. Ny énergie ao anatintsika dia avoakan’ireo chakras na Fiangonana 7 efa ao anatintsika ihany, saingy avoakany tsikelikely. Ireo no afaka mitondra hery hahafahantsika miaina ary mahatonga antsika hanana izany hatrany fa tsy ho antitra ohatra, raha haintsika ny manaraka azy. Alaivo an-tsaina fa any anaty Baiboly ihany aza ange, dia misy milaza fa nisy ireo olona afaka niaina aman-jato taonany maromaro e! Ahoana moa no hahazoany izany raha tsy misy fomba hahafahana manatanteraka izany saingy tsy haintsika fotsiny?
Isika rehetra, raha vao teraka, dia misokatra ny fiangonana voalohany na ny Fiangonana Efesosy. Io no mitondra ny énergie hahafan’ny ankizy miaina. Mbola tsy be hery tahaka ny tanora mihitsy ny ankizy satria vao io ihany no misokatra. Ampy ho azy ihany koa io satria mbola kely ny vatany. Rehefa tanora isika dia misokatra ny Fiangonana Smyrna, izay mahatonga ny tanora hatanjaka be amin’izay! Nefa miditra tsikelikely ihany koa ny maha-lehibe azy, ka mahatonga azy hiova vatana tsikelikely. Rehefa voamboatra tsara ny ao anaty vatana rehetra dia mivadika ho olon-dehibe marina isika, ka misokatra indray ny Fiangonana Pergamosy. Manomboka eto no lasa mandeha tsikelikely amin’ny Saina indray isika ary lasa manana fomba fijery handalina hatrany. Manomboka eto ihany koa isika matetika no efa lasa mitondra tokantrano ka mandeha be mihitsy ny eritreritra rehetra mitondra azy io! Ampian’ny olana eo amin’ny fitadiavana, fitaizana ny ankizy, dia lasa manary tanteraka ny fijerena ny tena isika. Sa tsy izany?
Amin’ny voalohany aloha dia tena mbola ampy tsara mihitsy ny fisokafan’ireo Fiangonana telo ireo, saingy rehefa tonga eo amin’ny faha-40 taona eo ho eo, ny saina mandeha hatrany, ny ankizy miha-lehibe nefa mbola ny tena no mitondra azy, ny zavatra hay koa anefa mitombo hatrany ka mampitombo hatrany ireo eritreretina. Manomboka mihafeno io Saina io ary manomboka tsy mahatadidy. Ny eritreritra tsy mety mijanona mihitsy! Aza gaga ianao raha miakatra ny tosi-dra manomboka eo! Misy ny marary fo! Misy ny tapaka lalan-dra! Dia manomboka eto koa, ny fihinanana amin’izay izao karazam-panafodim-pahanterana rehetra izao! Tianao ve izany?
Misy ihany ny miezaka mampihetsika ny vatana mba hitazona azy ity hatanjaka hatrany. Izany hoe miezaka manao exercices physiques, ary misy aza ny manaraka karazana “respiration” izay hita fa tena manatsara ny fahasalaman’ny vatana hatrany. Ny olana mantsy, eo amin’ny fomba fiaina ataontsika isan’andro, dia lasa tsy haintsika intsony matetika ny tokony ho izy, ka lasa mampiditra ny rivotra any amin’ny tratra fotsiny sisa isika, raha tokony ho any amin’ny kibo no hampidirana azy ity, mba ho entina hanadiovana izay tokony ho diovina rehetra, izay mazava ho azy, lasa miteraka fahasalamana tsara kokoa ho antsika ihany. Mety mahatsapa izany isika ka miezaka manova ny fomba fiaina marina ary mahatsapa fa tena mihatsara marina. Ny olana anefa dia na hitantsika aza ireo karazana exercices physiques miampy fomba fiaina ireo, dia tsapantsika hatrany fa mbola mila tohizana foana ny fihinanana fanafody isan-karazany ! Ny dokotera koa, manome fanafody amin’ny fitsaboana ny tena fotsiny, satria ny tena no hainy sy nampianarina azy! Tsy fantany izany Corps astral izany! Dia anjarantsika sisa ny manaraka izay fanafody efa mila hohanina mandra-pahafaty!
Tsy mety izany! Fantaro manomboka izao fa mbola manana Fiangonana efatra afaka mampitombo ny hery ao anatinao tsy voasokatra ianao io! Vao ny telo ihany no voasokatra teo aloha saingy ny Fiangonana fahefatra na ny Fiangonana Thyatira, dia mila ny fanapahan-kevitsika tsirairay ny fanokafana azy ka isika no mila manokatra azy! Tsy mandeha ho azy io, fa miankina amin’ny Saintsika na hanaraka azy isika na tsia. Ary izany indrindra no nilazan’I Jesoa hoe : Mila Ateraka indray isika raha te-hahazo ny Fanjakan’ny Lanitra! Io mihitsy anefa no nafenin’ny Fiangonana Kristiana, ary tsy nampahalalany ny olona rehetra, amin’izay mandeha amin’ny Saina fotsiny ihany ny rehetra, nefa koa … maty avokoa! Raha vao lazaina mantsy izy io, dia lasa mandeha amin’ny Fanahy avokoa ny olona rehetra ary lasa ho afaka handresy ny fahafatesana avokoa isika! Dia aleo … nafenina !
Manomboka eo amin’ny faha-40 taona eo ho eo izany, farafahatarany no tokony hanomboka hanao ny Exercices spirituels isika, satria io no manokatra ny Fiangonana Thyatira. Raha ampitahaintsika amin’ny fiainana any am-piangonana indray izy ity, dia eto izany isika no tokony hanaiky hanao Batisa (na izay fiantsoana azy), farafahatarany. Ny Batisa teneniko eto, dia fanekena fa hanaiky hanaraka ny Lalana ny tena, izany hoe hanaraka ireo Exercices spirituels izay mitondra marina amin’ny tena “Ateraka indray”. Ny Batisa dia endrika ivelany fotsiny, hilazana amin’ny hafa fa hanaiky hanaraka ny Lalana marina ny tena. Tsy ny rano atao amin’ny tena anefa no inona fa ny Saina vonona ny hanaraka ny Fanahy ao anaty avy amin’ny alalan’ny fanaovana Exercices spirituels isan’andro amin’izay. Ny olana anefa dia tsy nampahalalana ny Exercices spirituels akory isika vita Batisa, fa nampianarina fomba fiaina ivelany izay tokony ho arahina fotsiny ihany, ary tsy mahagaga raha tsy nisy akony tamin’ny vatana sy ny Fanahy ao anaty marina izany, fa nitovy ihany na vita Batisa na tsy natao, izay samy maty avokoa.
Inona moa io Exercices spirituels nafenina tamintsika rehetra io ? Efa nolazaiko antsika hatrany izy ity amin’ilay article « Fampiakarana ny taux vibratoire », izay mila arahina raha te-hahazo ny « Ateraka indray » marina isika. Mila isika manaraka ny respiration, visualisation, relaxation, méditation ary exercices physiques manetsika ny lamosina. Ary nofintiniko izy io amin’ny fanaovana méditation sy exercices physiques.
Ny tanjona kendren’ny méditation dia ny hahafahantsika mampijanona ny saintsika izay efa mandeha loatra hatrany ka mahatonga antsika ho tratry ny tosi-dra ambony foana. Mila ajanona ny Saina satria tsy mety miara-mandeha ny Saina sy Fanahy. Mila aloha isika maneho ny saintsika vonona ny hijanona mba handraisan’ny Fanahy ao anatintsika fanapahan-kevitra ny hifoha amin’izay mba handray andraikitra hitondra antsika amin’izany. Ary izay no ilàna ilay tsy mieritreritra na inona rehefa manao méditation. Fantaro ihany koa fa ny fanaovana méditation dia mitarika fiovana betsaka ao anaty vatantsika mihitsy. Jereo ny article “Fiasan’ny méditation amin’ny tenantsika” manazava izany. Noho izany, tena ilaintsika izy ity, saingy tsy akimpy ny maso fa ahiratra mba hampisondrotra hatrany ny concentration ao anaty, ka hitondra antsika marina amin’ny Fiainana ankehitriny sy ny Eveil spirituel marina. Izy ity no antsointsika hoe Méditation Pleine conscience. Ary izy ity no mila atao fa tsy izao karazana méditation hafa izao! Ao anatin’ny Exercices physiques kosa no hanatanterahantsika ny respiration sy relaxation ary fanetsehana ny lamosina.
Rehefa vitantsika isan’andro izy ity, dia tsy maintsy ho tonga amintsika ny tena “Ateraka indray” marina. Tsy maintsy hahatsapa isika fa lasa manana hery lehibe foana tonga ao anatintsika isa-maraina. Ary raha amin’izay isika no manomboka mizatra tsikelikely tsy mihinam-panafody intsony, dia tsy misy akony amintsika izany satria efa matanjaka ny vatantsika. Etsy andaniny ihany koa, dia efa manomboka mitsabo ny aretina ao anatintsika ny Fanahintsika ka tsy marary ivelany intsony isika. Manomboka eto izany, dia lasa mihasitrana ny vatantsika ka tsy mahagaga raha miha-tanora ivelany indray isika, ary tokony hizatra tsikelikely indray aza isika ny hihetsika hanao zavatra raha efa nijanona teo aloha.
Noho izany, tsy tokony hieritreritra ny ho faty mihitsy isika, fa hieritreritra ny ho velona! Rehefa misokatra mantsy ny Fiangonana Thyatira, dia lasa miha-mahazo ny fiainana amin’izay ny Saintsika ary miha-mahita ny fomba fijery diso izay nananantsika teo aloha, satria efa misokatra ny intelligence izay entin’ny fontsika. Lasa manana fomba fijery ambonimbony kokoa isika izay tsy mbola takatry ny saintsika teo aloha, ary tokony hiezaka hatrany ny mba hahazo ny rehetra amin’izay, indrindra ny Spiritualité marina. Ny fahazoantsika ity Spiritualité ity mantsy, izay mbola handalo fisedrana maro amintsika ihany no hahafahantsika handresy ny fahafatesana amin’izay ka tsy ho faty marina intsony rehefa mahasokatra ilay Fiangonana fahadimy Sardisy indray.
Ny tena tiako hampitaina amintsika eto dia ny filazana fa ny fahanterana dia mariky ny fahadisoan-dalana amintsika, satria tsy nahasokatra ny Fiangonana fahefatra isika, ka tsy ampy intsony ny énergie ao anaty ary lasa hitarika fahafatesana ho antsika ihany izany! Raha hitantsika ny lalana, raha eken’ny Saintsika sy vitantsika ny manokatra ilay Fiangonana Thyatira, dia manana hery vaovao afaka mitondra antsika hatrany isika ary hijanona amin’ny fahatanorantsika hatrany fa tsy ho antitra velively. Ny fanokafana ny ambiny dia tsy ny fanapahan-kevitra avy amintsika intsony no mitondra azy, fa ny Fanahy ao anatintsika ihany, tahaka ireo 3 voalohany ihany, avy amn’ny fanatanterahana ireo exercices spirituels mila arahina rehetra. Noho izany, manomboka izao, dia efa tokony hanana fomba fijery hahay hanisa ny taonantsika amin’ny Age spirituel amin’izay isika ary hiezaka hahatratra ny 33 taona ara-panahy, fa tsy hanisa amin’ny taona tahaka ny ankehitriny intsony, satria tsy tokony ho faty intsony isika rehetra ireo raha mahay mandray ny Lalana marina!
Dia mirary soa ho antsika rehetra mba tsy hiaina amin’izany fahanterana izany intsony!
NORO NARINDRA (Eveilleur de conscience)

Want your school to be the top-listed School/college in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo