24/11/2025
🔥 ANTONY 12 MAHATONGA NY ZAZA HO TSY MANAJA RAY AMAN-DRENY
1️⃣ Tsy ampy ny firaisan-tsaina eo amin’ny ray aman-dreny
Raha mifanohitra matetika ny ray aman-dreny, tsy miray feo amin'ny fitsipika, dia misy banga ny hasin’izy ireo eo imason’ny zaza.
2️⃣ Tsy misy fitsipika mazava ao an-trano
Ny ankizy tsy omena hoe :
inona no azo atao,
inona no tsy azo atao,
inona ny sazy,
inona ny valisoa…
… dia mianatra fa tsy misy fahefana ny ray aman-dreny.
3️⃣ Ny KITSAPATSAPAN’NY TEKNOLOJIA sy réseaux sociaux
Ny ankizy mahazo fidirana amin’ny :
TikTok,
Facebook,
YouTube…
… dia mazoto maka modely ivelan’ny fianakaviana izay matetika tsy mahasoa
Sady lasa ambany lanja ny torohevitra aman-dreny.
4️⃣ Fomba fanabeazana miova (permissive)
Ankehitriny maro ny ray aman-dreny matahotra hanome sazy, manahy hoe “ho tezitra amiko ny zaza”, ka lasa éducation sans frein.
Vokany: zaza tsy mahalala fetra.
5️⃣ Tsy ampy ny fotoana
Ray aman-dreny maro sahirana, miasa maraina alina, ka tsy ampy fotoana:
hiresahana amin’ny ankizy,
hihainoana azy,
hampianatra azy,
hampitain-tsoa.
Ny zaza tsy voafehy ara-potoana dia mivoatra ho tsy manaja.
6️⃣ Ny fanomezana zavatra be loatra (over-protection sy sur-cadeau)
Rehefa omena:
téléphone,
vola,
zavatra tsara…
… nefa tsy misy ezaka, dia mianatra ilay zaza hoe:
> “Tsy mila manaja aho vao mahazo zavatra.”
7️⃣ Ohatra ratsy avy amin'ny olon-dehibe
Raha mahita ny ankizy hoe:
ny ray aman-dreny tsy mifampiresaka am-panajana,
tsy manaja olona hafa,
maneso na mifamaly…
… dia maka tahaka.
8️⃣ Fianakaviana potika na miady lava
Ny ankizy mitombo amin’ny :
ady tsy mifarana,
fihenjanana,
tsy fifankahazoana…
… dia miteraka olana amin’ny fitondran-tena, indrindra tsy fanajana.
9️⃣ Ray aman-dreny malemy fanahy loatra
Tsy mahatana teny, tsy mahatana sazy, tonga dia mamela rehefa mitomany ny zaza.
Avy eo lasa zaza manararaotra.
🔟 Ny “culture moderne” mampianatra hoe: “Ny ankizy no manana zo be.”
Misy fiantraikany ratsy ny fomba fiteny vaovao hoe :
“Avelao izy haneho hevitra.”
“Aza terena.”
“Aza asian-tsazy.”
Lasa zaza tsy mahalala rafitra.
1️⃣1️⃣ Fahabangana ara-pitiavana
Ny ankizy tsy mahazo :
fihainoana,
firaharahiana,
teny mamy,
firaisankina…
… dia manao fihetsika manohitra ny ray aman-dreny mba hisarihana saina.
1️⃣2️⃣ Ny fikorontanan’ny toe-karena sy ny fiaraha-monina
Aretina ara-tsosialy:
fitadiavam-bola mafy,
tsy fahampian’ny fanabeazana,
fiakaran’ny saina be loatra…
… dia mampihena ny fotoana sy ny kalitaon’ny fanabeazana.
✅ VAHAOLANA 7 HAINGANA (Pratique)
1. Mametraha fitsipika mazava, voasoratra raha azo atao.
2. Ray aman-dreny mifanentana – iray feo.
3. Farito ny ora sy fotoana ho an’ny téléphones sy réseaux sociaux.
4. Asio sazy sy valisoa mazava.
5. Mifampiresaha 15 minitra isan’andro — tsy misy téléphones.
6. Aza omena zavatra betsa tsy akory ny zaza.
7. Asehoy ohatra tsara: fiaraha-miory, fahendrena, fahalemem-panahy.
18/11/2025
Un parcours de motricité
Entre 12 et 18 mois, votre enfant cherche de plus en plus l'interaction grâce aux nombreux déplacements qu'il effectue désormais. Que ce soit en position quatre pattes ou debout, il arpente l'espace qui l'entoure.
15/11/2025
La motricité libre
Qu’est-ce que la motricité libre?
C’est Emmi Pickler, pédiatre Hongroise, qui développe ce concept de « motricité libre » ou « motricité autonome ».
Il s’agit de faire confiance aux capacités de l’enfant, à partir de sa naissance.
« Le bébé est en vérité le moteur, l’animateur de la progression de son développement global : psycho-moteur, cognitif, psychique » (Myriam David, 2003).
Cette découverte de ses capacités que fait l’enfant, il faut l’accompagner, et non pas être intrusif en proposant à l’enfant des positions ou situations qu’il n’a pas expérimenté lui même.
Le développement psychomoteur de l’enfant se fait dans un ordre bien précis et selon un processus continu.
Selon les principes de cette motricité libre, on exclue tout les « gadgets » de puériculture qui visent à contraindre l’enfant dans une position dans laquelle il ne se serait pas mis de lui-même.
De même, on « n’aide » pas l’enfant, on ne « l’entraine » pas à faire ses acquisitions: les postures assise, debout, à 4 pattes ne doivent pas être mises en place par l’adulte mais par l’enfant lui-même.
09/10/2025
📌 Dingana iray lehibe eo amin’ny fanabeazana ny zaza ny fampianarana azy hiala tatin-jaza ka hampiasa « pot » amin’izay. Maro ireo Ray aman-dReny sahirana amin’izany satria misy ireo zaza sarotra hampianarina.
Ireto ny dingana mila lalovana mba hampianarana ny zaza hahaleo tena sy hampiasa « pot » amin’izay. 👌
𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 :
👉 Ny zaza latsaky ny 2 taona dia mbola tsy afaka mitana rehefa mivalan-drano, na te hivoaka, satria mbola tsy voafehiny ny vatany. Ny azonao hatao alohan’izay dia ny mampianatra azy hiteny hanao mialoha, izany hoe 10 segondra mialoha , rehefa te hivoaka na te hivalan-drano izy ka mila « pot ».
𝗜𝗿𝗲𝗼 𝗱𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 « 𝗽𝗼𝘁 » :
👉 Mampianatra ny zaza hahalala ny fotoana tokony handehanany eny amin’ny « pot ».
👉 Mampianatra azy mba hahaleo tena mandeha eny amin’ny « pot ».
👉 Mampianatra azy hahalala ny tokony hatao raha toa ka ivelan’ny trano nefa te hivoaka na te hivalan-drano izy.
👉 Mampianatra azy hitana ny malotony na manao takokenatra aza.
👉 Mampianatra azy hitana ny malotony rehefa matory.
𝗙𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗻𝘆 :
👉 Raha misy ny olana eny antsefatsefany eny ka tsy hitanao hoe inona ny antony, dia aleo miverina amin’ny dingana voalohany indray. Toa ny zaza mianatra ABD ihany, raha misy litera tsy hainy dia tsy maintsy miverina amin’ny A, B, D ... dia atsofoka amin’ny tokony hidirany ny litera tsy ampy. Tsy ampianarina mitokana ireo litera ireo. Mila maka fotoana mihitsy mba hoe hijanonana ao an-trano hampianarana ny zaza. Izany hoe manokana 3 andro farafahakeliny satria mila dinihina be ny zaza amin’io. Tsy tokony hivoaka ny trano mihitsy mandritra io 3 andro io : tsy mamonjy lanonana, tsy miantsena, tsy mandeha miasa, tsy mandeha mianatra ny zaza… Omano dieny mialoha ny sain’ny zaza fa tsy hanao tatinjaza intsony izy, raha toa ka nanao taloha.
Isaorana 𝑹𝒂𝒔𝒂𝒛𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒐𝒉𝒂𝒓𝒊𝒇𝒊𝒅𝒚 𝑪𝒍𝒂𝒖𝒅𝒊𝒆 𝑹𝒂𝒃𝒆𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂
🌸 Jejoo, le quotidien des femmes !
30/06/2025
Et voilà !!la sortie du calendrier « Atelier de Vacances 2025 »
Contactez-nous pour plus d’informations
25/05/2025
Bonne fête à toutes les merveilleuses mamans.
Ho tahiana anie i Neny.
De la part de nos petits Andriamifidy Vonimpanjanafeno fans